< Josoa 14 >
1 Ary izao no nolovan’ ny Zanak’ Isiraely teo amin’ ny tany Kanana, izay nampandovain’ i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak’ i Nona, ary ny loholon’ ny firenen’ i Zanak’ Isiraely;
Basi haya ndiyo maeneo Waisraeli waliyopokea kama urithi katika nchi ya Kanaani, ambayo kuhani Eleazari, Yoshua mwana wa Nuni na viongozi wa koo za kabila za Israeli waliwagawia.
2 tamin’ ny filokana no nahazoany ny lovany, araka izay efa nandidian i Jehovah an’ i Mosesy ny amin’ ny firenena sivy sy sasany.
Urithi wao uligawanywa kwa kura kwa yale makabila tisa na nusu, kama Bwana alivyoamuru Mose.
3 Fa efa nomen’ i Mosesy lova tany an-dafin’ i Jordana ny firenena roa sy sasany; fa ny taranak’ i Levy tsy mba nomeny lova teo aminy.
Mose alikuwa amewapa yale makabila mawili na nusu urithi wao upande wa mashariki mwa Yordani, lakini Walawi hawakupewa urithi miongoni mwa hao wengine,
4 Fa firenena roa ny taranak’ i Josefa, dia Manase sy Efraima; ary tsy mba nomeny anjara teo amin’ ny tany ny taranak’ i Levy, afa-tsy ny tanàna honenany sy ny tany manodidina ny tanànany ho an’ ny omby aman’ ondriny sy ny fananany.
kwa kuwa wana wa Yosefu walikuwa makabila mawili; Manase na Efraimu. Walawi hawakupata mgawo wa ardhi, bali walipewa miji tu kwa ajili ya kuishi, pamoja na maeneo ya malisho kwa ajili ya makundi yao ya kondoo, mbuzi na ngʼombe wao.
5 Araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy no nataon’ ny Zanak’ Isiraely, ka dia nizara ny tany izy.
Kwa hiyo Waisraeli wakagawana ile nchi, kama vile Bwana alivyomwagiza Mose.
6 Dia nankany amin’ i Josoa tany Gilgala ny taranak’ i Joda; ary Kaleba, zanak’ i Jefone, Kenizita, nanao taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy, lehilahin’ Andriamanitra, ny amiko sy ianao tany Kadesi-barnea.
Kisha watu wa Yuda wakamwendea Yoshua huko Gilgali, naye Kalebu mwana wa Yefune yule Mkenizi, akamwambia, “Unajua jambo ambalo Bwana alimwambia Mose mtu wa Mungu huko Kadesh-Barnea kukuhusu wewe na mimi.
7 Efa-polo taona no andro niainako, fony aho nirahin’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, niala tany Kadesi-barnea hisafo ny tany; dia niverina aho nitondra teny taminy araka izay tao am-poko.
Nilikuwa na umri wa miaka arobaini, wakati Mose mtumishi wa Bwana, aliponituma kutoka Kadesh-Barnea kuipeleleza hiyo nchi. Nami nikamletea taarifa kama kulingana na nilivyosadiki moyoni.
8 Kanefa ireo rahalahiko izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon’ ny olona; fa izaho kosa dia tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah Andriamanitrao.
Lakini ndugu zangu tuliopanda nao waliifanya mioyo ya watu iyeyuke kwa hofu. Bali mimi, nilimfuata Bwana Mungu wangu kwa moyo wote.
9 Dia nianiana tamin’ izany andro izany Mosesy ka nanao hoe: Ny tany izay nodiavin’ ny tongotrao dia ho lovanao sy ny taranakao tokoa mandrakizay, satria tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah Andriamanitro ianao.
Hivyo katika siku ile, Mose akaniapia, ‘Nchi ambayo umeikanyaga kwa miguu yako itakuwa urithi wako na wa watoto wako milele, kwa sababu umemfuata Bwana Mungu wangu kwa moyo wote.’
10 Ary ankehitriny indro, efa namelona ahy Jehovah, araka izay nolazainy hatramin’ ny dimy amby efa-polo taona lasa izay, dia hatramin’ ny nilazan’ i Jehovah izany teny izany tamin’ i Mosesy no ho mankaty, raha mbola nandehandeha tany an-efitra ny Isiraely; ary ankehitriny, indro, efa dimy amby valo-polo taona aho izao.
“Sasa basi, kama vile Bwana alivyoahidi, ameniweka hai kwa miaka arobaini na mitano tangu wakati alipomwambia Mose jambo hili, wakati Waisraeli wakiwa wanazunguka jangwani. Hivyo mimi hapa leo, nina umri wa miaka themanini na mitano!
11 Nefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin’ ny andro nanirahan’ i Mosesy ahy: tahaka ny tanjako tamin’ izany ihany no mbola tanjako ankehitriny mba hiady, na hivoaka, na hiditra.
Bado ninazo nguvu kama siku ile Mose aliponituma. Bado ninazo nguvu za kwenda vitani sasa kama vile nilivyokuwa wakati ule.
12 Ary ankehitriny omeo ahy iry tendrombohitra iry, izay nolazain’ i Jehovah tamin’ izany andro izany; fa efa renao tamin’ izany andro izany fa nitoetra teo ny Anakita, sady nisy tanàna lehibe mimanda; angamba homba ahy Jehovah, dia haharoaka azy aho, araka izay nolazain’ i Jehovah.
Basi nipe nchi hii ya vilima, ambayo Bwana aliniahidi siku ile. Wewe mwenyewe ulisikia wakati ule kwamba Waanaki walikuwako huko na miji yao ilikuwa mikubwa na yenye maboma, lakini, kwa msaada wa Bwana, nitawafukuza watoke huko kama vile alivyonena.”
13 Dia nitso-drano azy Josoa ka nanome an’ i Hebrona ho lovan’ i Kaleba, zanak’ i Jefone.
Ndipo Yoshua akambariki Kalebu mwana wa Yefune, na akampa Hebroni kama urithi wake.
14 Izany no nahatongavan’ i Hebrona ho lovan’ i Kaleba, zanak’ i Jefone, Kenizita, mandraka androany satria tanteraka tamin’ ny fanarahana an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, izy.
Hivyo Hebroni imekuwa mali ya Kalebu mwana wa Yefune Mkenizi tangu wakati ule, kwa sababu alimwandama Bwana, Mungu wa Israeli, kwa moyo wote.
15 Ary tanànan’ Arba no anaran’ i Hebrona taloha; ilay lehilahy vaventy tamin’ ny Anakita izany Arba izany. Dia nandry ny tany ka tsy nisy ady intsony.
(Hebroni uliitwa Kiriath-Arba hapo mwanzo, kutokana na huyo Arba ambaye alikuwa mtu mkuu kupita wote miongoni mwa Waanaki.) Kisha nchi ikawa na amani bila vita.