< Josoa 11 >

1 Ary rehefa nahare Jabina, mpanjakan’ i Hazora, dia naniraka tany amin’ i Jobaba, mpanjakan’ i Madona, sy ny mpanjakan’ i Simrona sy ny mpanjakan’ i Aksafa,
And when Jabin king of Asor had heard these things, he sent to Jobab king of Madon, and to the king of Semeron, and to the king of Achsaph:
2 ary ireo mpanjaka tany amin’ ny tany havoana any avaratra koa sy tany amin’ ny tani-hay atsimon’ i Kinerota sy tany amin’ ny tany lemaka amoron-tsiraka ary tany amin’ ny havoan’ i Dora andrefana,
And to the kings of the north, that dwelt in the mountains and in the plains over against the south side of Ceneroth, and in the levels and the countries of Dor by the sea side:
3 dia tamin’ ny Kananita any atsinanana sy any andrefana, ary tamin’ ny Amorita sy ny Hetita sy ny Perizita ary ny Jebosita tany amin’ ny tany havoana, ary tamin’ ny Hivita tany am-bodin’ i Hermona, tany amin’ ny tany Mizpa.
To the Chanaanites also on the ease and on the west, and the Amorrhite, and the Hethite, and the Pherezite, and the Jebusite in the mountains: to the Hevite also who dwelt at the foot of Hermon in the land of Maspha.
4 Dia nivoaka izy ireo sy ny miaramilany rehetra teo aminy, dia olona maro be toy ny fasika eny amoron-dranomasina ny hamaroany, ary ny soavaliny sy ny kalesiny dia maro indrindra.
And they all came out with their troops, a people exceeding numerous as the sand that is on the sea shore, their horses also and chariots a very great multitude,
5 Ary rehefa nivory ireo mpanjaka rehetra ireo, dia nandeha izy hiady tamin’ ny Isiraely ka nitoby teo anilan’ ny rano Meroma.
And all these kings assembled together at the waters of Merom, to fight against Israel.
6 Dia hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan’ ny Isiraely; traingoy ny soavaliny, ary dory amin’ ny afo ny kalesiny.
And the Lord said to Josue: Fear them not: for tomorrow at this same hour I will deliver all these to be slain in the sight of Israel: thou shalt hamstring their horses, and thou shalt burn their chariots with fire.
7 Dia nandeha Josoa sy ny vahoaka rehetra mpanafika teo aminy ka tonga tampoka taminy teo amoron’ ny rano Meroma, dia namely azy.
And Josue came, and all the army with him, against them to the waters of Merom on a sudden, and fell upon them.
8 Ary Jehovah nanolotra azy teo an-tànan’ ny Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-mamia ary hatramin’ ny lohasaha Mizpa atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
And the Lord delivered them into the hands of Israel. And they defeated them, and chased them as far as the great Sidon, and the waters of Maserophot, and the field of Masphe, which is on the east side thereof. He slew them all, so as to leave no remains of them:
9 Ary Josoa dia nanao taminy araka izay efa nandidian’ i Jehovah azy: ny soavalin’ ireny notraingoiny ary ny kalesiny nodorany tamin’ ny afo.
And he did as the Lord had commanded him, he hamstringed their horses and burned their chariots.
10 Ary tamin’ izany dia niverina Josoa ka nahafaka an’ i Hazora ary namely ny mpanjakany tamin’ ny sabatra, satria Hazora no lohan’ ireny fanjakana rehetra ireny fahiny.
And presently turning back he took Asor: and slew the king thereof with the sword. Now Asor of old was the head of all these kingdoms.
11 Ary nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra ny olona rehetra tao ka naringany avokoa: tsy nisy olo-miaina sisa na dia iray akory aza; ary Hazora nodorany tamin’ ny afo.
And he cut off all the souls that abode there: he left not in it any remains, but utterly destroyed all, and burned the city itself with fire.
12 Ary ny tanàna rehetra izay an’ ireny mpanjaka ireny sy ny mpanjakany rehetra dia azon’ i Josoa ary nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra ka naringany, araka izay efa nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah.
And he took and put to the sword and destroyed all the cities round about, and their kings, as Moses the servant of God had commanded him.
13 Fa ny tanàna rehetra izay teny an-kavoana dia tsy mba nodoran’ ny Isiraely afa-tsy Hazora ihany, izay nodoran’ i Josoa.
Except the cities that were on hills and high places, the rest Israel burned: only Asor that was very strong he consumed with fire.
14 Ary ny fananana rehetra tao amin’ ireny tanàna ireny sy ny biby fiompy dia nalain’ ny Zanak’ Isiraely ho babony; fa ny olona rehetra nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra mandra-pandringany azy; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
And the children of Israel divided among themselves all the spoil of these cities and the cattle, killing all the men.
15 Araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy mpanompony no nandidian’ i Mosesy an’ i Josoa; ka dia izany no nataon’ i Josoa: tsy nisy namelany izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
As the Lord had commanded Moses his servant, so did Moses command Josue, and he accomplished all: he left not one thing undone of all the commandments which the Lord had commanded Moses.
16 Dia lasan’ i Josoa avokoa izany tany rehetra izany na ny tany havoana, na ny tany atsimo rehetra, na ny tany Gosena rehetra, na ny tany lemaka amoron-tsiraka, na ny tani-hay na ny tany havoan’ ny Isiraely sy ny tany lemaka aminy koa,
So Josue took all the country of the hills, and of the south, and the land of Gosen, and the plains and the west country, and the mountain of Israel, and the plains thereof:
17 hatramin’ ny tendrombohitra mangadihady, izay fiakarana no any Seïra, ka hatrany Bala-gada eo amin’ ny lohasahan’ i Libanona am-bodin’ ny tendrombohitra Hermona; ary ny mpanjakany rehetra nosamboriny ka novonoiny ho faty.
And part of the mountain that goeth up to Seir as far as Baalgad, by the plain of Libanus under mount Hermon: all their kings he took, smote and slew.
18 Ela no niadian’ i Josoa tamin’ ireny mpanjaka rehetra ireny.
Josue made war a long time against these kings.
19 Tsy nisy tanàna izay nanao fihavanana tamin’ ny Zanak’ Isiraely, afa-tsy ny Hivita izay nonina tany Gibeona ihany; fa azony tamin’ ny ady avokoa izy rehetra.
There was hot a city that delivered itself to the children of Israel, except the Hevite, who dwelt in Gabaon: for he took all by fight.
20 Fa avy tamin’ i Jehovah no nanamafian’ ireo ny fony hiady amin’ ny Isiraely, mba hanaovany azy ho zavatra voaozona, ka tsy nisy famindram-po, handringanana azy araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.
For it was the sentence of the Lord, that their hearts should be hardened, and they should fight against Israel, and fall, and should not deserve any clemency, and should be destroyed as the Lord had commanded Moses.
21 Dia nandeha tamin’ izany andro izany Josoa ka namongotra ny Anakita tany amin’ ny tany havoana, dia tany Hebrona sy Debira sy Anaba, ary tany amin’ ny tany havoan’ i Joda rehetra, ary tany amin’ ny tany havoan’ Isiraely rehetra: naringan’ i Josoa avokoa izy sy ny tanànany.
At that time Josue came and cut off the Enacims from the mountains, from Hebron, and Dabir, and Anab, and from all the mountain of Juda and Israel, and destroyed their cities.
22 Tsy nisy sisa tany amin’ ny tanin’ ny Zanak’ Isiraely ny Anakita; fa tany Gaza sy Gata ary Asdoda ihany no mbola nisy sisa.
He left not any of the stock of the Enacims, in the land of the children of Israel: except the cities of Gaza, and Geth, and Azotus, in which alone they were left.
23 Dia lasan’ i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain’ i Jehovah tamin’ i Mosesy; ary nomen’ i Josoa ho lovan’ ny Isiraely izany, araka ny fizaran’ ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.
So Josue took all the land, as the Lord spoke to Moses, and delivered it in possession to the children of Israel, according to their divisions and tribes. And the land rested from wars.

< Josoa 11 >