< Josoa 10 >
1 Ary rehefa ren’ i Adoni-zedeka, mpanjakan’ i Jerosalema, fa afak’ i Josoa Ay ka noravany (fa araka izay nataony tamin’ i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin’ Ay sy ny mpanjakany), sady nanao fihavanana tamin’ ny Isiraely ny mponina tany Gibeona ka tomoetra eo aminy,
Adoni-Zedek sarkin Urushalima ya ji cewa Yoshuwa ya ci Ai da yaƙi ya kuma hallaka ta sarai, ya yi wa Ai da sarkinta abin da ya yi wa Yeriko da sarkinta, mutanen Gibeyon kuwa sun yi yarjejjeniya ta salama da Isra’ilawa, suna kuma zama kusa da su.
2 dia raiki-tahotra indrindra izy, satria tanàna lehibe Gibeona tahaka ny anankiray amin’ ny tanàna misy andriana, sady lehibe noho Ay, ary nahery ny lehilahy rehetra teo.
Shi da mutanensa suka ji tsoron wannan sosai, gama Gibeyon muhimmiyar birni ce, har ma kamar ɗaya daga cikin biranen sarauta, ya ma fi Ai girma, mazanta duka kuwa mayaƙa ne na ƙwarai.
3 Dia naniraka olona Adoni-zedeka, mpanjakan’ i Jerosalema, ho any amin’ i Hohama mpanjakan’ i Hebrona, sy Pirama, mpanjakan’ i Jarmota, sy Jafia, mpanjakan’ i Lakisy, ary Debira, mpanjakan’ i Eglona, ka nanao hoe:
Saboda haka sai Adoni-Zedek sarkin Urushalima ya roƙi Hoham sarkin Hebron, Firam sarkin Yarmut, Yafiya sarkin Lakish da Debir sarki Eglon ya ce,
4 Miakara atỳ amiko, ka manampia ahy, hamelezantsika an’ i Gibeona; fa efa nanao fihavanana tamin’ i Josoa sy ny Zanak’ Isiraely izy.
“Ku zo ku taimake ni in kai wa Gibeyon hari. Domin sun yi yarjejjeniya ta salama da Yoshuwa da Isra’ilawa.”
5 Dia niangona ireo mpanjaka dimy tamin’ ny Amorita ireo, dia ny mpanjakan’ i Jerosalema, ny mpanjakan’ i Hebrona, ny mpanjakan’ i Jarmota, ny mpanjakan’ i Lakisy, ary ny mpanjakan’ i Eglona, ka niakatra izy sy ny miaramilany rehetra, ary nitoby tandrifin’ i Gibeona ka namely azy.
Sai sarakunan nan biyar na Amoriyawa, sarakunan Urushalima, Hebron, Yarmut, Lakish da Eglon suka haɗa sojojinsu. Suka je dukansu suka yi shirin kai wa Gibeyon hari.
6 Ary ny mponina tao Gibeona dia naniraka olona ho any amin’ i Josoa teo an-toby tany Gilgala hanao hoe: Aza mampiketraka ny tananao tsy hamonjy ny mpanomponao; miakara faingana ho atỳ aminay, ary vonjeo sy ampio izahay; fa miangona hamely anay ny mpanjaka rehetra amin’ ny Amorita izay monina any amin’ ny tany havoana.
Sai mutanen Gibeyon suka aika zuwa wurin Yoshuwa a sansani a Gilgal, “Kada ka juya wa bayinka baya, ka zo da sauri ka cece mu! Ka taimake mu domin sarakunan Amoriyawa duka daga kan tudu sun haɗa ƙarfinsu tare za su tasar mana.”
7 Dia niakatra niala tany Gilgala Josoa sy ny mpanafika rehetra teo aminy, dia ny lehilahy mahery rehetra.
Saboda haka Yoshuwa ya tashi da rundunarsa duka, tare da dukan jarumawansa.
8 Ary hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Aza matahotra azy, fa efa natolotra eo an-tananao izy, ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza.
Ubangiji ya ce wa Yoshuwa, “Kada ka ji tsoronsu; na ba ka su a hannunka. Ba waninsu da zai iya tsayayya da kai.”
9 Ary tonga tampoka tamin’ ireo Josoa; fa nanao lava alina-avy tany Gilgala izy.
Bayan sun yi tafiya dukan dare daga Gilgal, Yoshuwa ya auko musu ba labari.
10 Ary Jehovah nampifanaritaka ireo teo anoloan’ ny Isiraely; ary namely ireo tany Gibeona izy ka nahafaty maro be, sady nanenjika azy tamin’ ny fiakarana mankany Beti-horona izy ka namely azy hatrany Azeka ka hatrany Makeda.
Ubangiji ya sa suka ruɗe a gaban Isra’ilawa, Isra’ilawa kuwa suka yi babbar nasara a kansu a Gibeyon. Isra’ilawa suka fafare su a kan hanyar zuwa Bet-Horon suka karkashe su duka har zuwa Azeka da Makkeda.
11 Ary nony nandositra teo anoloan’ ny Isiraely teo am-pidinan’ i Beti-horona izy, Jehovah dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka nahafaty azy; ary be lavitra ny matin’ ny havandra noho izay novonoin’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny sabatra.
Suna guje wa Isra’ilawa suna gangarawa a kan hanyar Bet-Horon har zuwa Azeka, sai Ubangiji ya turo manyan duwatsu daga sararin sama suka karkashe su, waɗanda manyan duwatsun suka kashe sun fi waɗanda Isra’ilawa suka kashe da takobi.
12 Ary tamin’ izany Josoa dia niteny tamin’ i Jehovah tamin’ ny andro nanoloran’ i Jehovah ny Amorita teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely ka nanao teo imason’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ry masoandro, mijanòna eo ambonin’ i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, any an-dohasahan’ i Aialona.
A ranar da Ubangiji ya ba da Amoriyawa a hannun Isra’ilawa, Yoshuwa ya ce wa Ubangiji a gaban Isra’ilawa, “Ke rana, ki tsaya cik a Gibeyon Kai wata, ka je Kwarin Aiyalon.”
13 Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona koa ny volana, Mandra-pamalin’ ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra eo amin’ ny Bokin’ i Jasara va izany? Dia nijanona teo afovoan’ ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika tokony ho indray andro maninjitra.
Sai rana ta tsaya cik, wata kuma ya tsaya, har sai da al’ummar ta ɗauki fansa a kan abokan gābanta, kamar yadda aka rubuta a cikin littafin Yashar. Rana ta tsaya a sararin sama, ba tă fāɗi ba har kusan yini guda.
14 Ary tsy nisy andro tahaka izany, na tany alohany, na tato aoriany, izay nihainoan’ i Jehovah ny feon’ olona; fa Jehovah niady ho an’ ny Isiraely.
Ba a taɓa ganin abu haka ba ko dā can, ranar da Ubangiji ya saurari mutum. Ba shakka Ubangiji yana yaƙi domin Isra’ilawa.
15 Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra dia niverina nankany an-toby tany Gilgala.
Sai Yoshuwa ya koma sansanin Gilgal tare da dukan Isra’ilawa.
16 Ary nandositra ny mpanjaka dimy ka niery tao anatin’ ilay zohy any Makeda.
Sarakunan guda biyar suka gudu, suka ɓuya a cikin kogo a Makkeda.
17 Dia nolazaina tamin’ i Josoa hoe: Indreo, miery ao anatin’ ilay zohy any Makeda ny mpanjaka dimy.
Lokacin da aka gaya wa Yoshuwa cewa an sami sarakunan nan biyar a ɓoye a cikin kogo a Makkeda.
18 Ary hoy Josoa: Manakodiava vato lehibe hatampina ny vavan’ ny zohy, ary asio olona eo anoloany hiambina azy;
Sai ya ce, “Ku mirgina manyan duwatsu ku rufe bakin kogon, sai ku sa waɗannan mutane su yi tsaron kogon.
19 fa ianareo aza mijanona, fa manenjeha ny fahavalonareo, ka mameleza ny vodi-lalana; aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotr’ i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo.
Amma kada ku tsaya a can! Ku fafari abokan gābanku, ku kai musu hari ta baya, kada ku bari su kai biranensu, gama Ubangiji Allahnku ya ba da su a hannunku.”
20 Ary rehefa voaringan’ i Josoa sy ny Zanak’ Isiraely mihitsy ireny mandra-pahalany ritrany, ka izay afa-nandositra no lasa niditra tany amin’ ny tanàna mimanda,
Saboda haka Yoshuwa da Isra’ilawa suka hallaka su da yawa ƙwarai, amma’yan kaɗan ɗin da suka rage suka tsere zuwa cikin biranensu masu kāriya.
21 dia niverina soa aman-tsara ho any amin’ i Josoa teo an-toby tany Makeda ny vahoaka rehetra; ary tsy nisy sahy nanao vava ratsy tamin’ ny Zanak’ Isiraely intsony.
Dukan rundunar kuma suka dawo sansanin Makkeda tare da Yoshuwa, ba abin da ya same su. Ba wanda ya sāke tsokanar Isra’ilawa.
22 Dia hoy Josoa: Sokafy ny vavan’ ny zohy, ka avoahy ao an-johy ireo mpanjaka dimy ireo hankatỳ amiko.
Yoshuwa ya ce, “Ku buɗe bakin kogon ku kawo mini sarakunan nan guda biyar.”
23 Dia nataon’ ny olona izany, ka namoaka ireo mpanjaka dimy ireo avy tao an-johy izy ho eo aminy, dia ny mpanjakan’ i Jerosalema, ny mpanjakan’ i Hebrona, ny mpanjakan’ i Jarmota, ny mpanjakan’ i Lakisy, ary ny mpanjakan’ i Eglona.
Sai suka kawo sarakunan biyar daga cikin kogo; sarakunan Urushalima, Hebron, Yarmut, Lakish da Eglon.
24 Ary rehefa navoaka ireo mpanjaka ireo ka nentina ho eo amin’ i Josoa, dia niantso ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely Josoa ka nanao tamin’ ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatona, ka ataovy eo amin’ ny vozon’ ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona izy ka nanao ny tongony teo amin’ ny vozon’ ireo.
Sa’ad da aka kawo sarakunan nan wurin Yoshuwa, ya kira dukan Isra’ilawa ya ce wa shugabannin rundunoni waɗanda suke tare da shi, “Ku zo nan ku taka wuyan sarakunan nan.” Sai suka zo suka taka wuyansu.
25 Ary hoy Josoa taminy: Aza matahotra na mivadi-po; mahereza sy matanjaha; fa toy izao no hataon’ i Jehovah amin’ ny fahavalonareo rehetra izay iadianareo.
Yoshuwa ya ce musu, “Kada ku ji tsoro, ko kuwa ku razana, amma ku ƙarfafa, ku yi ƙarfin hali. Haka Ubangiji zai yi da duk abokan gāban da za ku yi yaƙi da su.”
26 Ary rehefa afaka izany, dia namely ireo Josoa ka nahafaty azy, ary nahantony tamin’ ny hazo dimy ny fatiny; ka dia nihantona tamin’ ny hazo izy mandra-paharivan’ ny andro.
Sai Yoshuwa ya karkashe waɗannan sarakuna guda biyar, ya kuma rataye kowannensu a bisa itace inda jikunansu suka kasance har yamma.
27 Ary tamin’ ny nilentehan’ ny masoandro dia nasain’ i Josoa nesorina tamin’ ny hazo izy ireo ka nariana tao anatin’ ilay zohy niereny, ary nasiana vato lehibe teo amin’ ny vavan’ ny zohy, ka mbola ao izany mandraka androany.
Da yamma Yoshuwa ya ba da umarni a sauko da su daga itatuwan a jefa su cikin kogon da suka ɓuya. Aka sa manyan duwatsu aka rufe bakin kogon, suna a can har wa yau.
28 Ary Makeda dia afak’ i Josoa tamin’ izany andro izany, ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany; ary ny olona rehetra tao dia naringany avokoa ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin’ ny mpanjakan’ i Jeriko, no nataony tamin’ ny mpanjakan’ i Makeda koa.
A ranan nan Yoshuwa ya ci Makkeda da yaƙi. Ya karkashe mutanen tare da sarkinta. Bai bar wani da rai ba. Ya yi wa sarkin Makkeda yadda ya yi wa sarkin Yeriko.
29 Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy dia niala tany Makeda ka nankany Libna ary namely azy;
Sai Yoshuwa da dukan Isra’ilawa suka tashi daga Makkeda zuwa Libna, suka kai mata hari.
30 dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànan’ ny Isiraely koa izy sy ny mpanjakany, ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra izy mbamin’ ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin’ ny mpanjakan’ i Jeriko no nataony tamin’ ny mpanjakany koa.
Ubangiji kuma ya ba da ƙasar da sarkinta a hannun Yoshuwa. Yoshuwa ya karkashe kowa ya hallaka birnin, bai bar wani da rai ba. Ya kuma yi wa sarkin yadda ya yi wa sarkin Yeriko.
31 Dia niala tany Libna Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Lakisy, dia nitoby tandrifiny ka namely azy.
Sai Yoshuwa da dukan Isra’ilawa suka tashi daga Libna zuwa Lakish; suka yi shiri suka kai mata hari.
32 Dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànan’ ny Isiraely koa Lakisy, ka afany tamin’ ny andro faharoa izy; dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra izy sy ny olona rehetra tao, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’ i Libna koa.
Ubangiji ya ba da Lakish a hannun Isra’ilawa, a rana ta biyu kuwa Yoshuwa ya ci nasara a kansu. Ya karkashe duk mutanen birnin ya kuma hallaka birnin, kamar yadda ya yi a Libna.
33 Dia niakatra Horama, mpanjakan’ i Gazera, hamonjy an’ i Lakisy; dia nasian’ i Josoa izy sy ny vahoakany mandra-paha-tsy nisy niangana.
Horam sarkin Gezer kuwa ya zo don yă taimaki Lakish, amma Yoshuwa ya haɗa duk da shi da rundunarsa ya ci su da yaƙi, har bai bar waninsu da rai ba.
34 Dia niala tany Lakisy Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Eglona, dia nitoby tandrifiny ka namely azy;
Yoshuwa kuwa da dukan Isra’ilawa suka tashi daga Lakish zuwa Eglon; suka yi shiri suka kai mata hari.
35 dia afany tamin’ izany andro izany koa izy ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra; ary ny olona rehetra tao dia naringany tamin’ izany andro izany, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’ i Lakisy.
A ranan nan suka ci ƙasar da yaƙi, suka buge ta, suka karkashe kowa da takobi kamar dai yadda suka yi a Lakish.
36 Dia niakatra niala tany Eglona Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Hebrona ary namely azy;
Sai Yoshuwa da dukan Isra’ilawa suka tashi daga Eglon zuwa Hebron suka kai hari a can.
37 dia afany koa izy, ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’ i Eglona; fa naringany avokoa izy sy ny olona rehetra tao.
Suka ci birnin da yaƙi, suka karkashe mazaunanta, da sarkin, har da ƙauyukan, ba wanda ya tsira kamar yadda ya yi wa Eglon. Ya hallakar da ita sarai duk da kowane mutum da yake cikinta.
38 Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Debira ary namely azy;
Yoshuwa da Isra’ilawa duka suka juya suka kai wa Debir hari,
39 dia azony koa izy sy ny mpanjakany ary ny tanànany rehetra; ary nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra Izy, ka naringany avokoa ny olona rehetra tao; fa tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; tahaka izay efa nataony tamin’ i Hebrona, dia toy izany koa no nataony tamin’ i Debira sy ny mpanjakany, ary tahaka izay efa nataony tamin’ i Libna sy ny mpanjakany koa.
suka hallaka birnin, da sarkinta da ƙauyukanta, suka karkashe dukan mazaunan wurin, ba su bar wani da rai ba. Suka yi wa Debir da sarkinta yadda suka yi wa Libna da sarkinta da kuma Hebron.
40 Dia nasian’ i Josoa ny tany rehetra sy ny mpanjakany rehetra, dia ny tany havoana sy ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka ary ny any am-bodin’ ny tendrombohitra; tsy nasiany niangana ireny, fa naringany avokoa ny olo-miaina rehetra, araka ny didin’ i Jehovah. Andriamanitry ny Isiraely,
Yoshuwa ya cinye yankin duka da yaƙi, haɗe da na kan tudu, da Negeb, da kwarin yamma, da filayen cikin duwatsu tare da sarakunansu duka. Bai bar wani da rai ba, ya kashe duk wani mai numfashi, yadda Ubangiji, Allah na Isra’ilawa ya umarta.
41 Dia nasian’ i Josoa izy hatrany Kadesi-barnea ka hatrany Gaza, ary ny tany Gosena rehetra hatrany Gibeona.
Yoshuwa ya ci su da yaƙi daga Kadesh Barneya zuwa Gaza, da kuma daga dukan yankin Goshen zuwa Gibeyon.
42 Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon’ i Josoa indray mandeha, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no niady ho an’ ny Isiraely.
Yoshuwa kuwa ya cinye sarakunan nan duka da ƙasashensu gaba ɗaya gama Ubangiji, Allah na Isra’ila ne ya yi yaƙi domin Isra’ilawa.
43 Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ho any an-toby tany Gilgala.
Yoshuwa kuwa ya dawo da dukan Isra’ilawa zuwa sansani a Gilgal.