< Josoa 10 >

1 Ary rehefa ren’ i Adoni-zedeka, mpanjakan’ i Jerosalema, fa afak’ i Josoa Ay ka noravany (fa araka izay nataony tamin’ i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin’ Ay sy ny mpanjakany), sady nanao fihavanana tamin’ ny Isiraely ny mponina tany Gibeona ka tomoetra eo aminy,
And when Adoni-bezec king of Jerusalem heard that Joshua had taken Gai, and had destroyed it, as he did to Jericho and its king, even so they did to Gai and its king, and that the inhabitants of Gabaon had gone over to Joshua and Israel;
2 dia raiki-tahotra indrindra izy, satria tanàna lehibe Gibeona tahaka ny anankiray amin’ ny tanàna misy andriana, sady lehibe noho Ay, ary nahery ny lehilahy rehetra teo.
then they were greatly terrified by them, for [the king] knew that Gabaon [was] a great city, as one of the chief cities, and all its men [were] mighty.
3 Dia naniraka olona Adoni-zedeka, mpanjakan’ i Jerosalema, ho any amin’ i Hohama mpanjakan’ i Hebrona, sy Pirama, mpanjakan’ i Jarmota, sy Jafia, mpanjakan’ i Lakisy, ary Debira, mpanjakan’ i Eglona, ka nanao hoe:
So Adoni-bezec king of Jerusalem sent to Elam king of Hebron, and to Phidon king of Jerimuth, and to Jephtha king of Lachis, and to Dabin king of Odollam, saying,
4 Miakara atỳ amiko, ka manampia ahy, hamelezantsika an’ i Gibeona; fa efa nanao fihavanana tamin’ i Josoa sy ny Zanak’ Isiraely izy.
Come up hither to me, and help me, and let us take Gabaon; for the Gabaonites have gone over to Joshua and to the children of Israel.
5 Dia niangona ireo mpanjaka dimy tamin’ ny Amorita ireo, dia ny mpanjakan’ i Jerosalema, ny mpanjakan’ i Hebrona, ny mpanjakan’ i Jarmota, ny mpanjakan’ i Lakisy, ary ny mpanjakan’ i Eglona, ka niakatra izy sy ny miaramilany rehetra, ary nitoby tandrifin’ i Gibeona ka namely azy.
And the five kings of the Jebusites went up, the king of Jerusalem, and the king of Chebron, and the king of Jerimuth, and the king of Lachis, and the king of Odollam, they and all their people; and encamped around Gabaon, and besieged it.
6 Ary ny mponina tao Gibeona dia naniraka olona ho any amin’ i Josoa teo an-toby tany Gilgala hanao hoe: Aza mampiketraka ny tananao tsy hamonjy ny mpanomponao; miakara faingana ho atỳ aminay, ary vonjeo sy ampio izahay; fa miangona hamely anay ny mpanjaka rehetra amin’ ny Amorita izay monina any amin’ ny tany havoana.
And the inhabitants of Gabaon sent to Joshua into the camp to Galgala, saying, Slack not your hands from your servants: come up quickly to us, and help us, and rescue us; for all the kings of the Amorites who dwell in the hill country are gathered together against us.
7 Dia niakatra niala tany Gilgala Josoa sy ny mpanafika rehetra teo aminy, dia ny lehilahy mahery rehetra.
And Joshua went up from Galgala, he and all the people of war with him, every one mighty in strength.
8 Ary hoy Jehovah tamin’ i Josoa: Aza matahotra azy, fa efa natolotra eo an-tananao izy, ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza.
And the Lord said to Joshua, Fear them not, for I have delivered them into your hands; there shall not one of them be left before you.
9 Ary tonga tampoka tamin’ ireo Josoa; fa nanao lava alina-avy tany Gilgala izy.
And when Joshua came suddenly upon them, he [had] advanced all the night out of Galgala.
10 Ary Jehovah nampifanaritaka ireo teo anoloan’ ny Isiraely; ary namely ireo tany Gibeona izy ka nahafaty maro be, sady nanenjika azy tamin’ ny fiakarana mankany Beti-horona izy ka namely azy hatrany Azeka ka hatrany Makeda.
And the Lord struck them with terror before the children of Israel; and the Lord destroyed them with a great slaughter at Gabaon; and they pursued them by the way of the going up of Oronin, and they struck them to Azeca and to Makeda.
11 Ary nony nandositra teo anoloan’ ny Isiraely teo am-pidinan’ i Beti-horona izy, Jehovah dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka ka nahafaty azy; ary be lavitra ny matin’ ny havandra noho izay novonoin’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny sabatra.
And when they fled from the face of the children of Israel at the descent of Oronin, then the Lord cast upon them hailstones from heaven to Azeca; and they were more that died by the hailstones, than those whom the children of Israel killed with the sword in the battle.
12 Ary tamin’ izany Josoa dia niteny tamin’ i Jehovah tamin’ ny andro nanoloran’ i Jehovah ny Amorita teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely ka nanao teo imason’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ry masoandro, mijanòna eo ambonin’ i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, any an-dohasahan’ i Aialona.
Then Joshua spoke to the Lord, in the day in which the Lord delivered the Amorite into the power of Israel, when he destroyed them in Gabaon, and they were destroyed from before the children of Israel: and Joshua said, Let the sun stand over against Gabaon, and the moon over against the valley of Aelon.
13 Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona koa ny volana, Mandra-pamalin’ ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra eo amin’ ny Bokin’ i Jasara va izany? Dia nijanona teo afovoan’ ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika tokony ho indray andro maninjitra.
And the sun and the moon stood still, until God executed vengeance on their enemies; and the sun stood still in the midst of heaven; it did not proceed to set till the end of one day.
14 Ary tsy nisy andro tahaka izany, na tany alohany, na tato aoriany, izay nihainoan’ i Jehovah ny feon’ olona; fa Jehovah niady ho an’ ny Isiraely.
And there was not such a day either before or after, so that God should listen to a man, because the Lord fought on the side of Israel.
15 Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra dia niverina nankany an-toby tany Gilgala.
16 Ary nandositra ny mpanjaka dimy ka niery tao anatin’ ilay zohy any Makeda.
And these five kings fled, and hid themselves in a cave that is in Makeda.
17 Dia nolazaina tamin’ i Josoa hoe: Indreo, miery ao anatin’ ilay zohy any Makeda ny mpanjaka dimy.
And it was told Joshua, saying, The five kings have been found hid in the cave that is in Makeda.
18 Ary hoy Josoa: Manakodiava vato lehibe hatampina ny vavan’ ny zohy, ary asio olona eo anoloany hiambina azy;
And Joshua said, Roll stones to the mouth of the cave, and set men to watch over them.
19 fa ianareo aza mijanona, fa manenjeha ny fahavalonareo, ka mameleza ny vodi-lalana; aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotr’ i Jehovah Andriamanitrareo eo an-tananareo.
But do not you stand, but pursue after your enemies, and attack the rear of them, and do not suffer them to enter into their cities; for the Lord our God has delivered them into our hands.
20 Ary rehefa voaringan’ i Josoa sy ny Zanak’ Isiraely mihitsy ireny mandra-pahalany ritrany, ka izay afa-nandositra no lasa niditra tany amin’ ny tanàna mimanda,
And it came to pass when Joshua and all Israel ceased destroying them utterly with a very great slaughter, that they that escaped took refuge in the strong cities.
21 dia niverina soa aman-tsara ho any amin’ i Josoa teo an-toby tany Makeda ny vahoaka rehetra; ary tsy nisy sahy nanao vava ratsy tamin’ ny Zanak’ Isiraely intsony.
And all the people returned safe to Joshua to Makeda; and no one of the children of Israel murmured with his tongue.
22 Dia hoy Josoa: Sokafy ny vavan’ ny zohy, ka avoahy ao an-johy ireo mpanjaka dimy ireo hankatỳ amiko.
And Joshua said, Open the cave, and bring out these five kings out of the cave.
23 Dia nataon’ ny olona izany, ka namoaka ireo mpanjaka dimy ireo avy tao an-johy izy ho eo aminy, dia ny mpanjakan’ i Jerosalema, ny mpanjakan’ i Hebrona, ny mpanjakan’ i Jarmota, ny mpanjakan’ i Lakisy, ary ny mpanjakan’ i Eglona.
And they brought out the five kings out of the cave, the king of Jerusalem, and the king of Chebron, and the king of Jerimuth, and the king of Lachis, and the king of Odollam.
24 Ary rehefa navoaka ireo mpanjaka ireo ka nentina ho eo amin’ i Josoa, dia niantso ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely Josoa ka nanao tamin’ ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatona, ka ataovy eo amin’ ny vozon’ ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona izy ka nanao ny tongony teo amin’ ny vozon’ ireo.
And when they brought them out to Joshua, then Joshua called together all Israel, and the chiefs of the army that went with him, saying to them, Come forward and set your feet on their necks; and they came and set their feet on their necks.
25 Ary hoy Josoa taminy: Aza matahotra na mivadi-po; mahereza sy matanjaha; fa toy izao no hataon’ i Jehovah amin’ ny fahavalonareo rehetra izay iadianareo.
And Joshua said to them, Do not fear them, neither be cowardly; be courageous and strong, for thus the Lord will do to all your enemies, against whom you fight.
26 Ary rehefa afaka izany, dia namely ireo Josoa ka nahafaty azy, ary nahantony tamin’ ny hazo dimy ny fatiny; ka dia nihantona tamin’ ny hazo izy mandra-paharivan’ ny andro.
And Joshua killed them, and hanged them on five trees; and they hung upon the trees until the evening.
27 Ary tamin’ ny nilentehan’ ny masoandro dia nasain’ i Josoa nesorina tamin’ ny hazo izy ireo ka nariana tao anatin’ ilay zohy niereny, ary nasiana vato lehibe teo amin’ ny vavan’ ny zohy, ka mbola ao izany mandraka androany.
And it came to pass toward the setting of the sun, Joshua commanded, and they took them down from the trees, and cast them into the cave into which they [had] fled for refuge, and rolled stones to the cave, [which remain] till this day.
28 Ary Makeda dia afak’ i Josoa tamin’ izany andro izany, ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany; ary ny olona rehetra tao dia naringany avokoa ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin’ ny mpanjakan’ i Jeriko, no nataony tamin’ ny mpanjakan’ i Makeda koa.
And they took Makeda on that day, and killed the inhabitants with the edge of the sword, and they utterly destroyed every living thing that was in it; and there was none left in it that was preserved and had escaped; and they did to the king of Makeda, as they did to the king of Jericho.
29 Ary Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy dia niala tany Makeda ka nankany Libna ary namely azy;
And Joshua and all Israel with him departed out of Makeda to Lebna, and besieged Lebna.
30 dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànan’ ny Isiraely koa izy sy ny mpanjakany, ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra izy mbamin’ ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin’ ny mpanjakan’ i Jeriko no nataony tamin’ ny mpanjakany koa.
And the Lord delivered it into the hands of Israel: and they took it, and its king, and killed the inhabitants with the edge of the sword, and every thing breathing in it; and there was not left in it any that survived and escaped; and they did to its king, as they did to the king of Jericho.
31 Dia niala tany Libna Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Lakisy, dia nitoby tandrifiny ka namely azy.
And Joshua and all Israel with him departed from Lebna to Lachis, and he encamped about it, and besieged it.
32 Dia natolotr’ i Jehovah teo an-tànan’ ny Isiraely koa Lakisy, ka afany tamin’ ny andro faharoa izy; dia nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra izy sy ny olona rehetra tao, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’ i Libna koa.
And the Lord delivered Lachis into the hands of Israel; and they took it on the second day, and they put the inhabitants to death with the edge of the sword, and utterly destroyed it, as they had done to Lebna.
33 Dia niakatra Horama, mpanjakan’ i Gazera, hamonjy an’ i Lakisy; dia nasian’ i Josoa izy sy ny vahoakany mandra-paha-tsy nisy niangana.
Then Elam the king of Gazer went up to help Lachis; and Joshua struck him and his people with the edge of the sword, until there was not left to him one that was preserved and escaped.
34 Dia niala tany Lakisy Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Eglona, dia nitoby tandrifiny ka namely azy;
And Joshua and all Israel with him departed from Lachis to Odollam, and he besieged it and took it.
35 dia afany tamin’ izany andro izany koa izy ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra; ary ny olona rehetra tao dia naringany tamin’ izany andro izany, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’ i Lakisy.
And the Lord delivered it into the hand of Israel; and he took it on that day, and killed the inhabitants with the edge of the sword, and killed every thing breathing in it, as they did to Lachis.
36 Dia niakatra niala tany Eglona Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Hebrona ary namely azy;
And Joshua and all Israel with him departed to Chebron, and encamped about it.
37 dia afany koa izy, ka nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’ i Eglona; fa naringany avokoa izy sy ny olona rehetra tao.
And he struck it with the edge of the sword, and all the living creatures that were in it; there was no one preserved: they destroyed it and all things in it, as they did to Odollam.
38 Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ka nankany Debira ary namely azy;
And Joshua and all Israel returned to Dabir; and they encamped about it;
39 dia azony koa izy sy ny mpanjakany ary ny tanànany rehetra; ary nasiany tamin’ ny lelan-tsabatra Izy, ka naringany avokoa ny olona rehetra tao; fa tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; tahaka izay efa nataony tamin’ i Hebrona, dia toy izany koa no nataony tamin’ i Debira sy ny mpanjakany, ary tahaka izay efa nataony tamin’ i Libna sy ny mpanjakany koa.
and they took it, and its king, and its villages: and he struck it with the edge of the sword, and they destroyed it, and every thing breathing in it; and they did not leave in it any one that was preserved: as they did to Chebron and her king, so they did to Dabir and her king.
40 Dia nasian’ i Josoa ny tany rehetra sy ny mpanjakany rehetra, dia ny tany havoana sy ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka ary ny any am-bodin’ ny tendrombohitra; tsy nasiany niangana ireny, fa naringany avokoa ny olo-miaina rehetra, araka ny didin’ i Jehovah. Andriamanitry ny Isiraely,
And Joshua struck all the land of the hill country, and Nageb and the plain country, and Asedoth, and her kings, they did not leave of them one that was saved: and they utterly destroyed every thing that had the breath of life, as the Lord God of Israel commanded,
41 Dia nasian’ i Josoa izy hatrany Kadesi-barnea ka hatrany Gaza, ary ny tany Gosena rehetra hatrany Gibeona.
from Cades Barne to Gaza, all Gosom, as far as Gabaon.
42 Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon’ i Josoa indray mandeha, satria Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, no niady ho an’ ny Isiraely.
And Joshua struck, once for all, all their kings, and their land, because the Lord God of Israel fought on the side of Israel.
43 Dia niverina Josoa sy ny Isiraely rehetra teo aminy ho any an-toby tany Gilgala.

< Josoa 10 >