< Jona 4 >

1 Fa tsy sitrak’ i Jona indrindra izany, ka nirehitra ny fahatezerany.
Kodwa uJona wacaphuka kakhulu wazonda.
2 Dia nivavaka tamin’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Mifona aminao aho, Jehovah ô, tsy izao ihany va no efa nolazaiko fony aho mbola tany amin’ ny taniko? Fa ny andrao hisy toy izao no nandosirako ho any Tarsisy, satria fantatro fa Hianao dia Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindram-po ary manenina ny amin’ ny loza.
Wakhuleka kuThixo wathi, “Awu Thixo, kakusikho lokhu yini engakutshoyo ngisesekhaya? Yikho okwangenza ngaphangisa ukubalekela eThashishi. Ngangikwazi ukuthi unguNkulunkulu olomusa lesihawu, ophuza ukuthukuthela njalo ogcwele uthando, uNkulunkulu odedayo ongasoze ehlise ukuhlupheka.
3 Koa mifona aminao aho ankehitriny, Jehovah ô, esory ny aiko; fa aleoko ho faty toy izay ho velona.
Khathesi-ke Thixo, susa ukuphila kwami, ngoba kungcono kimi ukufa kulokuphila.”
4 Fa hoy Jehovah: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao izao?
Kodwa uThixo waphendula wathi, “Kambe ubona ulelungelo na lokuthi uzonde?”
5 Dia nivoaka ny tanàna Jona ka nipetraka teo atsinanan-tanàna; ary nanao trano rantsan-kazo ho azy teo izy ka nipetraka teo ambanin’ ny alokalony ambara-pahitany izay hiafaran’ ny tanàna.
UJona waphuma wayahlala endaweni ethile ngempumalanga kwedolobho. Wazenzela khonapho idunjana wahlala emthunzini walo walindela ukubona okwakuzakwenzakala edolobheni lelo.
6 Ary Jehovah Andriamanitra nanomana tanantanamanga, ka nampaniriny hanalokaloka an’ i Jona izany ho alokaloky ny lohany, hanafaka ny alahelony. Ka dia nahafaly an’ i Jona indrindra ny tanantanamanga.
Kwasekusithi uThixo uNkulunkulu wakhulisa isihlahla esilamahlamvu kuJona samenzela umthunzi ekhanda lakhe ukuze ahlaliseke. UJona wathaba kakhulu ngaleli ivini.
7 Kanjo nony ampitso maraina dia nanomana fositra koa Andriamanitra, ka namely ilay tanantanamanga iny, dia nalazo io.
Kodwa emathathakusa ngelanga elilandelayo uNkulunkulu wathumela impehlane, eyaphehla isihlahla sacina sibuna.
8 Ary nony niposaka ny masoandro, Andriamanitra dia nanomana rivotra mahamay avy any atsinanana, ary dia namely ny lohan’ i Jona ny masoandro, dia ana izy ka nangataka ny ho faty, nanao hoe: Aleoko ho faty toy izay ho velona.
Kwathi ilanga seliphumile uNkulunkulu wathumela umoya wempumalanga ohaqazayo, ilanga lavutha phezu kwekhanda likaJona waze waqaleka. Wafisa ukufa, wathi, “Kungcono kimi ukuthi ngife kulokuthi ngiphile.”
9 Fa hoy Andriamanitra tamin’ i Jona: Moa mety va izao firehitry ny fahatezeranao ny amin’ ny tanantanamanga izao? Ary hoy izy: Mety ny hahatezerako na dia mandra-pahafatiko aza.
Kodwa uNkulunkulu wathi kuJona, “Ulelungelo na lokuthi uzonde ngenxa yesihlahla?” UJona wathi, “Yebo. Ngizonde kakhulu, kuthi kangife.”
10 Dia hoy Jehovah: Hianao malahelo ny tanantanamanga izay tsy nisasaranao na nampanirinao, dia ilay naniry indray alina monja ary maty indray alina koa;
Kodwa uThixo wathi, “Uyazihlupha ngesihlahla lesi loba ungazange usinakekele loba usikhulise. Lihlume ngobusuku laphinde lafa ngobusuku.
11 ka moa Izaho tsy mba halahelo an’ i Ninive, ilay tanàna lehibe va, izay misy olona tsy omby roa alina sy iray hetsy, izay tsy mahafantatra ny havanany sy ny haviany, sady be biby fiompy koa?
Kodwa iNiniva ilabantu abeqa izinkulungwane ezilikhulu elilamatshumi amabili abangehlukanisiyo isandla sabo sokudla kwesenxele, lenkomo ezinengi njalo. Bekungafanelanga yini na ukuthi ngilinqinekele idolobho elikhulu kangaka?”

< Jona 4 >