< Jona 3 >
1 Ary tonga fanindroany tamin’ i Jona ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:
La parole de Yahvé fut adressée à Jonas pour la seconde fois, en ces termes:
2 Mitsangàna, ka mankanesa any Ninive, ilay tanàna lehibe; ary torio aminy ny teny izay lazaiko aminao.
« Lève-toi, va à Ninive, la grande ville, et prêche-lui le message que je te donne. »
3 Dia nitsangana Jona ka nankany Ninive araka ny tenin’ i Jehovah. Ary Ninive dia tanàna lehibe teo anatrehan’ Andriamanitra, dia lalana hateloana.
Et Jonas se leva, et alla à Ninive, selon la parole de l'Éternel. Or Ninive était une ville extrêmement grande, à trois jours de marche.
4 Ary Jona niantomboka nandeha tao an-tanàna lalana indray andro ka nitory hoe: Rehefa afaka efa-polo andro, dia horavana Ninive.
Jonas commença à entrer dans la ville à une journée de marche, et il s'écria: « Dans quarante jours, Ninive sera renversée! »
5 Dia nino an’ Andriamanitra ny mponina tao Ninive ka niantso fifadian-kanina sady nitafy lamba fisaonana hatramin’ ny lehibe ka hatramin’ ny kely.
Les habitants de Ninive crurent en Dieu, proclamèrent un jeûne et se couvrirent de sacs, depuis le plus grand jusqu'au plus petit.
6 Ary nony efa ren’ ny mpanjakan’ i Ninive izany, dia nitsangana niala tamin’ ny seza fiandrianany izy, ka nanaisotra ny akanjom-boninahiny, dia nisarona lamba fisaonana sady nipetraka tamin’ ny lavenona.
La nouvelle parvint au roi de Ninive, qui se leva de son trône, ôta sa robe royale, se couvrit d'un sac et s'assit dans la cendre.
7 Ary nasaina nantsoina sy nambara eran’ i Ninive araka ny didin’ ny mpanjaka sy ny mpanapaka hoe: Aza avela hisy hanendry hanina akory, na olona, na biby fiompy; dia ny ondry aman’ osy sy ny omby; eny, aza avela hisy hihinana na hisotro rano akory ireo.
Il fit une proclamation et la publia dans Ninive par l'ordre du roi et de ses nobles, en disant: « Que ni les hommes ni les bêtes, ni le bétail ni le cheptel, ne goûtent rien; qu'ils ne se nourrissent pas et ne boivent pas d'eau;
8 Fa aoka samy hisarona lamba fisaonana ny olona sy ny biby fiompy, ary aoka hitaraina mafy amin’ Andriamanitra izy, ary aoka samy hahafoy ny lalany ratsy sy ny fandozana eny an-tanany avy izy rehetra.
mais qu'ils se couvrent d'un sac, hommes et bêtes, et qu'ils crient puissamment à Dieu. Oui, qu'ils détournent chacun de sa mauvaise voie et de la violence qui est dans ses mains.
9 Fa angamba hiverina ihany Andriamanitra ka hanenina ary hiala amin’ ny fahatezerany mirehitra, mba tsy ho lany ritra isika?
Qui sait si Dieu ne reviendra pas et ne s'apaisera pas, s'il ne détournera pas son ardente colère, afin que nous ne périssions pas? ».
10 Ary rehefa hitan’ Andriamanitra ny nataon’ ireo ny amin’ ny nialany tamin’ ny lalan-dratsiny, dia nanenina Izy ny amin’ ny loza izay nolazainy hamelezany azy, ka tsy nataony izany.
Dieu a vu leurs œuvres, et ils se sont détournés de leur mauvaise voie. Dieu a renoncé au désastre qu'il avait dit qu'il leur ferait subir, et il ne l'a pas fait.