< Jona 2 >
1 Dia nivavaka tamin’ i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon’ ny hazandrano Jona
Kisha Yona akamwomba Bwana Mungu wake kutoka katika tumbo la samaki.
2 ka nanao hoe: Niantso an’ i Jehovah tamin’ ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin’ ny fiainan-tsi-hita no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao. (Sheol )
Akasema, Nimemwita Bwana juu ya shida yangu naye akanijibu; kutoka tumbo la Kuzimu nililia kwa msaada! Uliisikia sauti yangu. (Sheol )
3 Fa efa natsipinao tao amin’ ny lalina aho, Dia tao amin’ ny ranomasina, Ka voasafotry ny riaka aho; Nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra.
Ulikuwa umenitupa ndani ya kina, ndani ya moyo wa bahari, na maji yaliyonizunguka; mawimbi yako yote na gharika yalipita juu yangu.
4 Dia hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masìna ihany.
Nikasema, 'Nimefukuzwa mbele ya macho yako; lakini nitaangalia tena juu ya hekalu lako takatifu. '
5 Ny rano nanarona ahy hatramin’ ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako.
Maji yalifunika kunizunguka karibu na shingo yangu; kina kilinizunguka; mwani ukakizinga kichwa changu.
6 Tafalatsaka tany amin’ ny fanambanin’ ny tendrombohitra aho; Ny hidin’ ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah Andriamanitro ô.
Nilikwenda chini ya milima; nchi na baa zake zimefungwa juu yangu milele. Lakini wewe umeinua uhai wangu shimoni, Bwana, Mungu wangu!
7 Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an’ i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny fivavako, Dia tao amin’ ny tempolinao masìna.
Wakati nafsi yangu ilipozimia ndani yangu, nikamwita Bwana; basi sala yangu ilikujia, katika hekalu lako takatifu.
8 Izay mivavaka amin’ ny sampy Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy
Wote ambao huzingatia miungu isiyofaa hukataa uaminifu wako wao wenyewe.
9 Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An’ i Jehovah ny famonjena.
Lakini mimi, nitakuchinjia kwa sauti ya shukrani; Nitayatimiza yale niliyoapa. Wokovu hutoka kwa Bwana!
10 Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin’ ny tany maina Jona.
Kisha Bwana akanena na samaki, akamtapika Yona juu ya nchi kavu.