< Jona 2 >
1 Dia nivavaka tamin’ i Jehovah Andriamaniny tao an-kibon’ ny hazandrano Jona
約納在魚腹裏,祈求上主,他的天主。
2 ka nanao hoe: Niantso an’ i Jehovah tamin’ ny fahoriako aho, Ka dia namaly ahy Izy; Tao anatin’ ny fiainan-tsi-hita no nitarainako, Dia nihaino ny feoko Hianao. (Sheol )
他說:「我在患難中,呼求上主,衪便應允了我,我從陰府的深處呼求,你便俯聽了我的呼聲。 (Sheol )
3 Fa efa natsipinao tao amin’ ny lalina aho, Dia tao amin’ ny ranomasina, Ka voasafotry ny riaka aho; Nanarona ahy ny alon-dranonao sy ny onjanao rehetra.
你將我拋入海心深處,大水包圍了我;你的波濤和巨浪漫過了我。
4 Dia hoy izaho: Voaroaka tsy ho eo anatrehanao aho, Nefa mbola nanatrika ny tempolinao masìna ihany.
我曾說:我雖從你面前被拋棄,但我仍要瞻仰你的聖殿。
5 Ny rano nanarona ahy hatramin’ ny aiko, Ny lalina namefy ahy manodidina; Ny zava-maniry any an-dranomasina nisingotra manodidina ny lohako.
大水圍困我,危及卜性命;深淵包圍我,海草纏住我的頭。
6 Tafalatsaka tany amin’ ny fanambanin’ ny tendrombohitra aho; Ny hidin’ ny tany nanidy ahy mandrakizay; Nefa nampiakatra ny aiko avy tao an-davaka Hianao, Jehovah Andriamanitro ô.
我下深直到礁底,大地的門閂永為我關閉。上主,卜天主! 你卻從坑裏救出了我的性命。
7 Raha reraka tato anatiko ny fanahiko, Dia nahatsiaro an’ i Jehovah aho; Ka tonga tao aminao ny fivavako, Dia tao amin’ ny tempolinao masìna.
當我奄奄一息時,我記起了上主;我的祈禱達於你前,達於你的聖殿中。
8 Izay mivavaka amin’ ny sampy Dia mahafoy Izay Mpamindra fo aminy
敬奉虛無偶像的人,實在是捨棄了慈愛的根源。
9 Fa izaho, dia feo midera no entiko mamono zavatra hatao fanatitra ho Anao, Ary izay nivoadiako dia hefaiko; An’ i Jehovah ny famonjena.
至於我,我要在頌謝的歌聲中,向你獻祭,償還我許的誓願。救恩屬於上主! 」
10 Ary Jehovah nandidy ilay hazandrano, ka dia naloany ho eny amin’ ny tany maina Jona.
當時,上主命令那魚,那魚便將約納吐在陸地上。