< Jaona 1 >
1 Tamin’ ny voalohany ny Teny, ary ny Teny tao amin’ Andriamanitra, ary ny Teny dia Andriamanitra.
Mwanzoni kulikuwako Neno, na Neno alikuwa pamoja na Mungu, na Neno alikuwa Mungu.
2 Izy dia tao amin’ Andriamanitra tamin’ ny voalohany.
Huyu, Neno, Mwanzoni alikuwa pamoja na Mungu.
3 Izy no nahariana ny zavatra rehetra; ary raha tsy Izy dia tsy nisy nahariana izao zavatra ary izao, na dia iray aza.
Vitu vyote vilifanyika kupitia yeye, na pasipo yeye hakuna hata kitu kimoja kilichokuwa kimefanyika.
4 Izy no nisiam-piainana; ary ny fiainana no fanazavana ny olona.
Ndani yake kulikuwa uzima, na huo uzima ulikuwa nuru ya wanadamu wote.
5 Ary ny mazava dia mamirapiratra ao amin’ ny maizina; fa ny maizina tsy nandray azy.
Nuru yang'aa gizani, wala giza halikuizimisha.
6 Nisy lehilahy nirahin’ Andriamanitra, Jaona no anarany.
Palikuwa na mtu aliyetumwa kutoka kwa Mungu, ambaye jina lake alikuwa Yohana.
7 Izy tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava, mba hinoan’ ny olona rehetra noho ny teniny.
Alikuja kama shahidi kushuhudia kuhusu ile nuru, ili kwamba wote waweze kuamini kupitia yeye.
8 Tsy izy anefa no Ilay Mazava, fa tonga ho vavolombelona hanambara ny Mazava ihany izy.
Yohana hakuwa ile nuru, bali alikuja ili ashuhudie kuhusu ile nuru
9 Tao ny tena Mazava Izay mahazava ny olona rehetra tonga amin’ izao tontolo izao.
Hiyo ilikuwa nuru ya kweli ambayo ilikuwa inakuja katika dunia nayo humtia nuru kila mmoja
10 Teo amin’ izao tontolo izao Izy, ary Izy no nanaovana izao tontolo izao, nefa izao tontolo izao tsy nahalala Azy.
Alikuwa katika dunia, na dunia iliumbwa kupitia yeye, na dunia haikumjua.
11 Tonga tany amin’ ny Azy Izy, fa ny Azy tsy nandray Azy.
Alikuja kwa vitu vyake, na watu wake hawakumpokea.
12 Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak’ Andriamanitra, dia izay mino ny anarany,
Bali kwa wale wengi waliompokea, ambao waliamini jina lake, kwa hao aliwapa haki ya kuwa wana wa Mungu,
13 dia ireo izay tsy nateraky ny rà, na ny sitrapon’ ny nofo, na ny sitrapon’ ny olona, fa naterak’ Andriamanitra.
Ambao walizaliwa, sio kwa damu, wala kwa mapenzi ya mwili, wala kwa mapenzi ya mtu, bali kwa Mungu mwenyewe.
14 Ary ny Teny dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an’ ny Lahitokana avy tamin’ ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana.
Naye Neno alifanyika mwili na akaishi miongoni mwetu, tumeuona utukufu wake, utukufu kama wa mtu pekee wa kipekee aliyekuja kutoka kwa Baba, amejaa neema na kweli.
15 Jaona nanambara Azy ka niantso hoe: Izy Ilay nolazaiko hoe: Izay avy
Yohana alishuhudia kuhusu yeye, na alipaza sauti akisema, “Huyu ndiye ambaye nilisema habari zake nikisema, “Yule ajaye baada yangu ni mkuu kuliko mimi, kwa sababu amekuwako kabla yangu.”
16 Fa tamin’ ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana anampy fahasoavana.
Kwa kuwa kutoka katika utimilifu wake, sisi sote tumepokea bure kipawa baada ya kipawa.
17 Fa ny lalàna dia nomena tamin’ ny alalan’ i Mosesy; fa ny fahasoavana sy ny fahamarinana kosa dia tonga tamin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy.
Kwa kuwa sheria ililetwa kupitia Musa. Neema na kweli vilikuja kupitia Yesu Kristo.
18 Tsy nisy nahita an’ Andriamanitra na oviana na oviana; fa ny Zanakalahy Tokana, Izay ao an-tratran’ ny Ray, Izy no nanambara Azy.
Hakuna mwanadamu aliyemwona Mungu wakati wowote. Mtu pekee ambaye ni Mungu, aliye katika kifua cha Baba, amemfanya yeye ajulikane.
19 Ary izao no nambaran’ i Jaona, raha ny Jiosy naniraka mpisorona sy Levita avy tany Jerosalema hankany aminy mba hanontany azy hoe: Iza moa ianao?
Na huu ndio ushuhuda wa Yohana wakati makuhani na walawi waliotumwa kwake na Wayahudi kumwuliza, “Wewe ni nani?”
20 Ary nilaza marina izy ka tsy nandà, fa hoy ny filàzany: Tsy izaho no Kristy.
Bila kusitasita na hakukana, bali alijibu, “Mimi sio Kristo.”
21 Ary izy ireo nanontany azy hoe: Ahoana ary? Elia va ianao? Fa hoy izy: Tsy izy aho. Ilay Mpaminany va ianao? Fa izy namaly hoe: Tsia.
Hivyo wakamuuliza, “kwa hiyo wewe ni nani sasa?” Wewe ni Eliya? Akasema, “Mimi siye.” Wakasema, Wewe ni nabii? Akajibu,” Hapana.”
22 Dia hoy ireo taminy: Iza ary ianao? mba hitondranay valiny ho any amin’ izay naniraka anay. Lazainao ho iza moa ny tenanao?
Kisha wakamwambia, “Wewe ni nani, ili kwamba tuwape jibu waliotutuma”? Wajishuhudiaje wewe mwenyewe?”
23 Dia hoy izy: Izaho dia feon’ ny miantso mafy any an-efitra hoe: Ataovy mahitsy ny lalan’ i Jehovah, araka izay nolazain’ Isaia mpaminany.
Akasema, “Mimi ni sauti yake aliaye nyikani: 'Inyosheni njia ya Bwana,' kama nabii Isaya alivyosema.”
24 Ary iraka avy tamin’ ny Fariseo ireo.
Basi kulikuwa na watu wametumwa pale kutoka kwa Mafarisayo. Wakamuuliza na kusema,
25 Dia nanontany azy ireo ka nanao taminy hoe: Nahoana ary ianao no manao batisa raha tsy ianao no Kristy, na Elia, na Ilay Mpaminany?
“Kwa nini unabatiza basi kama wewe sio Kristo wala Eliya wala nabii?”
26 Jaona namaly azy ka nanao hoe: Izaho manao batisa amin’ ny rano; fa eto aminareo misy Anankiray Izay tsy fantatrareo,
Yohana aliwajibu akisema, “Ninabatiza kwa maji. Hata hivyo, miongoni mwenu anasimama mtu msiyemtambua.
27 dia Ilay avy ao aoriako, ary tsy miendrika hamaha ny fehin-kapany aza aho.
Huyu ndiye ajaye baada yangu. Mimi sisitahili kulegeza kamba za viatu vyake.”
28 Izany zavatra izany dia natao tany Betania any an-dafin’ i Jordana, izay nanaovan’ i Jaona batisa.
Mambo haya yalitendeka huko Bethania, ng'ambo ya Yordani, mahali ambapo Yohana alikuwa akibatiza.
29 Nony ampitso dia nahita an’ i Jesosy avy manatona azy Jaona, ka dia hoy izy: Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan’ izao tontolo izao!
Siku iliyofuata Yohana alimwona Yesu akija kwake akasema, “Tazama mwanakondoo wa Mungu aichukuae dhambi ya ulimwengu!
30 Izy Ilay nolazaiko hoe: Misy Lehilahy avy ao aoriako Izay efa tonga eo alohako, satria talohako Izy.
huyu ndiye niliyesema habari zake nikisema, “Yeye ajaye nyuma yangu ni mkuu kuliko mimi, kwa kuwa alikuwa kabla yangu.'
31 Ary izaho tsy nahalala Azy; fa mba haseho amin’ ny Isiraely Izy, izany no nihaviako manao batisa amin’ ny rano.
Sikumtambua yeye, lakini ilifanyika hivyo ili kwamba afunuliwe katika Israeli, kwamba nilikuja nikibatiza kwa maji.”
32 Ary Jaona nanambara ka nanao hoe: Izaho nahita ny Fanahy midìna avy any an-danitra tahaka ny voro-mailala ka nitoetra teo amboniny.
Yohana alishuhudia, “Niliona Roho akishuka kutoka mbinguni mfano wa hua, na ilibaki juu yake.
33 Ary izaho tsy nahalala Azy; fa Izay naniraka ahy hanao batisa amin’ ny rano no nilaza tamiko hoe: Izay ho hitanao idinan’ ny Fanahy sy itoerany, dia Izy no Mpanao batisa amin’ ny Fanahy Masìna.
Mimi sikumtambua lakini yeye aliyenituma ili nibatize kwa maji aliniambia, 'yule ambaye utaona Roho akishuka na kukaa juu yake, Huyo ndiye abatizaye kwa Roho Mtakatifu.'
34 Ary nahita aho, ka dia nanambara fa Izy no Zanak’ Andriamanitra.
Nimeona na nimeshuhudia kwamba huyu ni Mwana wa Mungu.”
35 Nony ampitson’ iny indray dia nijanona Jaona sy ny mpianany roa lahy;
Tena siku iliyofuata Yohana alikuwa amesimama pamoja na wanafunzi wake wawili,
36 ary nijery an’ i Jesosy nitsangantsangana izy ka nanao hoe: Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra!
walimwona Yesu akitembea na Yohana akasema, “Tazama, Mwana kondoo wa Mungu!”
37 Ary ireo mpianatra roa lahy ireo, rehefa nandre azy niteny, dia nanaraka an’ i Jesosy.
Wanafunzi wawili walimsikia Yohana akisema haya wakamfuata Yesu.
38 Ary Jesosy nitodika ka nahita azy manaraka, dia nanao taminy hoe: Inona no tadiavinareo? Ary hoy izy roa lahy taminy: Raby (izay atao hoe, raha adika, Mpampianatra ô), aiza Hianao no mitoetra?
Tena Yesu aligeuka na kuwaona wanafunzi wale wakimfuata, na akawambia, “Mnataka nini?” Wakajibu, “Rabbi, (maana yake 'mwalimu,' unaishi wapi?”
39 Hoy Izy taminy: Avia, fa ho hitanareo. Koa dia nandeha izy ka nahita izay nitoerany ary nitoetra teo aminy tamin’ izany andro izany; ary efa tokony ho ora fahafolo tamin’ izay.
Akawambia, “Njooni na mwone.”Kisha walikwenda na kuona mahali alipokuwa akiishi; walikaa pamoja naye siku hiyo, kwa kuwa ilikuwa yapata kama saa kumi hivi.
40 Andrea, rahalahin’ i Simona Petera, no anankiray tamin’ izy roa lahy, izay nandre ny tenin’ i Jaona ka nanaraka an’ i Jesosy.
Mmoja wa wale wawili waliomsikia Yohana akiongea na kisha kumfuata Yesu alikuwa ni Andrea, ndugu yake Simoni Petro.
41 Izy no nahita an’ i Simona rahalahiny aloha, dia hoy izy taminy: Efa nahita ny Mesia izahay (izay atso hoe, raha adika, ny Kristy).
Akamwona ndugu yake Simoni na akamwambia, “Tumempata Masihi” (ambayo inatafsiriwa Kristo).
42 Dia nitondra azy ho any amin’ i Jesosy izy. Ary nony nijery azy Jesosy, dia hoy Izy: Hianao no Simona, zanak’ i Jaona; ianao hatao hoe Kefasy (izay atao hoe, raha adika, Petera)
Akamleta kwa Yesu. Yesu akamtazama na akasema, “Wewe ni Simoni mwana wa Yohana” utaitwa Kefa,” (maana yake 'Petro').
43 Nony ampitso dia te-hiala ho any Galilia Jesosy, ary nahita an’ i Filipo Izy ka nanao taminy hoe: Manaraha Ahy.
Siku iliyofuata wakati Yesu alipotaka kuondoka kwenda Galilaya, alimpata Filipo na akamwambia, “Nifuate mimi.”
44 Ary Filipo dia avy any Betsaida, tanànan’ i Andrea sy Petera.
Filipo alikuwa ni mwenyeji wa Bethsaida, mji wa Andrea na Petro.
45 Filipo kosa nahita an’ i Natanaela ka nanao taminy hoe: Efa hitanay Ilay nosoratan’ i Mosesy tao amin’ ny lalàna, sy nosoratan’ ny mpaminany, dia Jesosy, zanak’ i Josefa, avy any Nazareta.
Filipo alimpata Nathanaeli na kumwambia, Tumempata yule ambaye Musa aliandika habari zake katika sheria na Manabii. Yesu mwana wa Yusufu, kutoka Nazareti.
46 Ary hoy Natanaela taminy: Moa mba misy zava-tsoa va avy any Nazareta? Dia hoy Filipo taminy: Andeha hizaha.
Nathanaeli akamwambia, “Je kitu chema chaweza kutokea Nazareti?” Filipo akamwambia, Njoo na uone.”
47 Jesosy nahita an’ i Natanaela avy manatona Azy, dia nilaza azy hoe: Indro ny tena Isiraelita tsy misy fitaka.
Yesu akamwona Nathanaeli akija kwake na akasema, “Tazama, Mwisraeli kweli kweli asiye na udanganyifu ndani yake!”
48 Hoy Natanaela taminy: Ahoana no ahafantaranao ahy? Dia namaly Jesosy ka nanao taminy hoe: Fony tsy mbola niantso anao Filipo, dia hitako teo ambanin’ ny aviavy ianao.
Nathanaeli akamwambia, “Umenifahamuje mimi?” Yesu akajibu na akamwambia, “Kabla Filipo hajakuita ulipokuwa chini ya mtini, nalikuona.”
49 Dia namaly Natanaela ka nanao hoe: Raby ô, Hianao no Zanak’ Andriamanitra; Hianao no Mpanjakan’ ny Isiraely.
Nathanaeli akajibu, “Rabi wewe u Mwana wa Mungu! Wewe ni Mfalme wa Israeli”!
50 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Moa ny nilazako taminao va fa hitako teo ambanin’ ny aviavy ianao no inoanao? Hahita zavatra lehibe noho izany ianao.
Yesu akajibu akamwambia, Kwa sababu nilikuambia 'nilikuona chini ya mtini' je waamini? utaona matendo makubwa kuliko haya.”
51 Ary hoy koa Izy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ho hitanareo ny lanitra misokatra sy ny anjelin’ Andriamanitra miakatra sy midìna eo ambonin’ ny Zanak’ olona.
Yesu akasema, “Amini amini nawambieni mtaziona mbingu zikifunguka, na kuwaona malaika wakipanda na kushuka juu ya Mwana wa Adamu.”