< Jaona 9 >

1 Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka.
Linu Jesu habahitite, nabona mukwame yabazalwa nalimuhofu.
2 Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?
Barutwana bakwe chibamubuza, “Muruti, babatendi chive njibani, uzu mukwame kapa bazazi bakwe, habazalwa nalimuhofu?”
3 Jesosy namaly hoe: Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan’ Andriamanitra eo aminy.
Jesus abetabi, “Kenakuti uzu mukwame aba tendi chive nandi bazazi bakwe “kono kuti mitendo ya Ireeza ibungutulwe chali.
4 Isika tsy maintsy manao ny asan’ izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona.
Tutameha kutenda mitendo yozo yabanitumi nichili musihali. Masiku akezite mweyonako kakwina yeti nawole kusebeza.
5 Raha amin’ izao tontolo izao Aho, dia fahazavan’ izao tontolo izao.
Hanichina muchisi, njime nisele lyechinu chisi.
6 Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin’ ny tany ka nanao feta tamin’ ny rora, dia nahosony ny mason’ ilay jamba.
Jesu hamana kuwamba izi zintu, naswila hansi, kutenda itope chamate, imi nasinga itope hamenso akwe.
7 Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin’ ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.
Nichati kwali, “Yenda, kasambe muchihumbi cha Siloe (Itoloka kuti: kutumwa.” Hakwinabulyo mukwame naliyendela, nakasamba, imi nakabola chobona.
8 Koa izay nifanolotra taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia nanao hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka?
Hahabulyo bababambene nozo mukwame nabana babamuboni nali mukumbili babali kuwamba kuti, “Uzu kanjiyena yaba kuikalanga na kumbila?”
9 Hoy ny sasany: Izy ity, fa hoy ny sasany: Tsia, fa tahaka azy ihany; ary hoy kosa izy: Izaho no izy.
Balikene nibati, “Nji yena” Bamwi nibati, “Nanta, kono uboneka ubu njeye.” imi iye chati, “Njime.”
10 Dia hoy ny olona taminy: Ahoana no nahiratan’ ny masonao?
Nibati kwali, “Linuhe menso ako ayeluki bule?”
11 Ary izy namaly ka nanao hoe: Ilay Lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka nanao tamiko hoe: Mankanesa any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha aho, dia nanasa azy, ka dia nahiratra.
Netaba, mukwame yo sumpwa Jesu watenda itope ni kunisunga amenso angu imi nati kwangu, 'Yende kwa Siloe mi uka sambe,' Chobulyo chinayenda imi ninakasamba imi ninatanga kubona.”
12 Ary hoy ny olona taminy: Aiza moa izany Lehilahy izany? Hoy ralehilahy: Tsy fantatro.
Nibati kwali, “Winahi iye?” Netaba nati, “kanizi.”
13 Ary ilay jamba taloha dia nentiny tany amin’ ny Fariseo.
Nibaleta mukwame yaba kubanga chihofu ku Mafalisi.
14 Ary tamin’ ny andro Sabata no nanaovan’ i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny mason-dralehilahy.
Linu ibali izuba lye nsabata ilyo Jesu aba tendi itope heyalula menso akwe.
15 Ary ny Fariseo koa nanontany azy izay nahiratan’ ny masony. Dia hoy izy taminy: Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho.
Linu hape Mafalisi chiba mubuza mwaba bonene. Nati kubali, “Wabika itope hamenso angu, naka samba imi hanu chini bona.”
16 Ary hoy ny Fariseo sasany: Tsy avy amin’ Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy. Hoy ny sasany: Hataon’ ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy izany? Dia nisara-tsaina izy.
Balikene ku Bafilisi nibati, “Uzu mukwame kazwi kwa Ireeza mukuti kechilili Insabata.” Bamwi nibati, “Kwiza buti kuti mukwame wina chive atende imakazo zisika aha?” Chobulyo ni kwaba ni kuliyaba mukati kabo.
17 Ary hoy indray izy tamin’ ilay jamba: Ahoana no ilazanao Azy, fa nampahiratra ny masonao Izy? Dia hoy izy: Mpaminany Izy.
Chobulyo nibabuza mukwame wechihofu hape, “Utinzi kuamana naye mukuti njobeyalulwa menso kwali?” Mukwame wechihofu nati, “mutanikizi.”
18 Ary amin’ izany ny Jiosy tsy nino azy ho efa jamba ka nahiratra, ambara-piantsony ny ray aman-drenin’ ilay nahiratra
Nangaho Majuda kanababazumini kuti ibali chihofu yabeyalulwa menso ulukusikila habasumpa bazazi bakwe yasanaabali kubona.
19 ka nanontaniany hoe: Zanakareo moa ity, izay lazainareo fa teraka jamba? Koa nanao ahoana ary no nahiratany izao?
Nibabuza bazazi bakwe, “Uzu nji mwanenu wamuswisu imutakuti abazalwa nali chihofu? Kwiza buti kuti linu abone?”
20 Ny ray aman-dreniny namaly ka nanao hoe: Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba;
Chobulyo bazazi bakwe babetabi, “Twizi kuti uzu nji mwanetu wamuswisu nikuti aba zalwa neli chihofu.
21 fa tsy fantatray izay nahiratany izao; ary tsy fantatray izay nampahiratra ny masony; izy ihany no anontanio; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin’ ny tenany.
Mukubezili kuti abone hanu katwizi, ni yabeyaluli menso akwe katwizi. Mumubuze, mukulwana. Uwola kuliwambilila iye mwine.”
22 Izany teny izany no nolazain’ ny ray aman-dreniny, satria natahotra ny Jiosy izy; fa efa nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina hiala amin’ ny synagoga.
Bazazi bakwe babawambi izi zintu, mukuti babakutite Majuda. Mukuti Majuda chiba babazuminzene kale kuti iye yete alizumine kuti nji Kreste mubamuhindikile kunze yamasinagoge.
23 Izany no nilazan’ ny ray aman-dreniny hoe: Efa lehibe izy, koa izy no anontanio.
Chebaka lyezi, bazazi bakwe nibati, “Mukulwana, mumubuze.”
24 Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany.
Mukuti chibabahitite tobole nibasumpa mukwame yabakubanga chihofu ni chibati kwali, “Uhe ikanya kwa Ireeza. Twizi kuti uzu mukwame mutendi wazive.”
25 Fa izy namaly hoe. Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao.
Linu uzo mukwame netaba, “Kanizi nandi mutendi wazive. Chimwi chinizi: Nibali nimuhofu, imi hanu chinibona.”
26 Dia hoy izy taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny masonao?
Kuzwaho nibamuti, “Chinzi chabatendi kwako? Abeyalula buti menso ako?”
27 Dia namaly azy hoe izy: Efa voalazako taminareo rahateo, fa tsy nihaino ianareo; nahoana no te-hihaino indray ianareo? Moa te-ho mpianany koa va ianareo?
Abetabi, namiwambila kale, imi kamutekelezi! Chinzi hamusaka kuzuwa chimwi hape? Kamusaki kuba barutwana bakwe nanwe, nandi musaka?
28 Dia nanevateva azy izy ka nanao hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay mpianatr’ i Mosesy.
Nichibamutuka imi nibati, “Umurutwana wakwe, imi iswe tubarutwana ba Mushe.
29 Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan’ Andriamanitra; fa ny amin’ izany Lehilahy izany, dia tsy fantatray izay nihaviany.
Twizi kuti Ireeza abawambi kwa Mushe, imi katwizi kuti uzu uzwa kuhi.”
30 Ralehilahy namaly azy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy izany! fa tsy fantatrareo ny nihaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy.
Mukwame netaba nabacho, Ichi chikomosa, kuti kamwizi kwazwa, kono abeyaluli menso angu.
31 Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.
Twizi kuti Ireeza katekelezi batendi bazive, kono haiba muntu ulibekite kwa Ireeza ni kutenda intato yakwe, umutekeleza.
32 Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason’ izay teraka jamba. (aiōn g165)
Kutanga kumatangilo achisi kana kubeni kuzuweka kuti kwina ichabeyaluli menso amukwame yabazalwa neli muhofu. (aiōn g165)
33 Raha tsy avy amin’ Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy.
Haiba uzu mukwame kazwi kwa Ireeza, kakwina chiti nabatendi.”
34 Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tamin’ ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy.
Nibamwitaba nibati, “Iwe ubazalilwa muzive kumaniniza, imi utuluta?” Hahobulyo nibamusohela kunze.”
35 Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak-Andriamanitra va ianao?
Jesu abazuwi kuti babamuhindikili hanze yesinagoge. Hamusangana nati, “Uzumina ku Mwana Muntu na?”
36 Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?
Netaba nati, “Njeni uzo, Simwine, kokuti nizumine kwali?”
37 Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy.
Jesu nati kwali, “Ubamuboni, imi njeyena yowamba nawe.”
38 Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy.
Mukwame nati, “Simwine, nizumina” imi namulapela.
39 Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin’ izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra.
Jesu nati, “Kuatulwa chinibezili mwechinu chisi kokuti basaboni babone imi kokuti bana babona basanduke zihofu.”
40 Ary ny Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay koa va mba jamba?
Balikene ku Bafalisi babena naye babazuwi izi zintu imi nibamubuza, “Kana naswe bulyo tubahofu?”
41 Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo.
Jesu nabati, “Haiba mubali muzihofu, nimusena mubabi ni zive, kono hanu muti, 'Tubona,' chobulyo chive chako muzishale bobulyo.

< Jaona 9 >