< Jaona 9 >
1 Ary raha nandalo Jesosy, dia nahita lehilahy jamba hatry ny fony vao teraka.
Passing by, Jesus saw a man who was blind from birth.
2 Ary ny mpianany nanontany Azy hoe: Raby ô, iza moa no nanota, io lehilahy io va, sa ny ray aman-dreniny, no dia teraka jamba izy?
His disciples asked Him, “Rabbi, who sinned, this man or his parents, that he was born blind?”
3 Jesosy namaly hoe: Tsy io lehilahy io no nanota, na ny ray aman-dreniny, fa ny hanehoana ny asan’ Andriamanitra eo aminy.
Jesus answered, “Neither this man nor his parents sinned, but this happened so that God’s works might be revealed in this man.
4 Isika tsy maintsy manao ny asan’ izay naniraka Ahy, raha mbola antoandro; avy ny alina, ka tsy mahazo miasa ny olona.
We must work the works of Him who sent me, as long as it’s day. Night is coming, when nobody can work.
5 Raha amin’ izao tontolo izao Aho, dia fahazavan’ izao tontolo izao.
As long as I am in the world, I am the world’s light.”
6 Rehefa nilaza izany Izy, dia nandrora tamin’ ny tany ka nanao feta tamin’ ny rora, dia nahosony ny mason’ ilay jamba.
After Jesus said this, He spat on the ground and made mud with the saliva, put it on the blind man’s eyes,
7 Ary hoy Izy taminy: Andeha, sasao ny masonao any amin’ ny farihy Siloama (izay atao hoe, raha adika, Nirahina). Dia lasa izy ka nanasa, dia niverina nahiratra.
and told him, “Go, wash in the pool of Siloam” (which means Sent). So he went away and washed, and came back seeing.
8 Koa izay nifanolotra taminy sy izay nahita azy fa mpangataka izy taloha dia nanao hoe: Tsy ity va ilay nipetraka nangataka?
Then the neighbors and those who used to see him as a beggar began to ask, “Isn’t this the man who used to sit and beg?”
9 Hoy ny sasany: Izy ity, fa hoy ny sasany: Tsia, fa tahaka azy ihany; ary hoy kosa izy: Izaho no izy.
Some were saying, “Yes, it is he,” others were saying, “No, but he is like him.” He kept saying, “I’m the one.”
10 Dia hoy ny olona taminy: Ahoana no nahiratan’ ny masonao?
So they asked him, “How were your eyes opened?”
11 Ary izy namaly ka nanao hoe: Ilay Lehilahy atao hoe Jesosy no nanao feta, dia nanosotra ny masoko ka nanao tamiko hoe: Mankanesa any Siloama, ka sasao ny masonao; koa nandeha aho, dia nanasa azy, ka dia nahiratra.
He answered, “The man called Jesus made mud, put it on my eyes, and told me, ‘Go to Siloam, and wash’; so I went and washed, and I received sight.”
12 Ary hoy ny olona taminy: Aiza moa izany Lehilahy izany? Hoy ralehilahy: Tsy fantatro.
“Where is this man?” they asked him. “I don’t know,” he said.
13 Ary ilay jamba taloha dia nentiny tany amin’ ny Fariseo.
They brought the man who used to be blind to the Pharisees.
14 Ary tamin’ ny andro Sabata no nanaovan’ i Jesosy ny feta sy nampahiratany ny mason-dralehilahy.
Now it was a sabbath day when Jesus made the mud and opened the man’s eyes.
15 Ary ny Fariseo koa nanontany azy izay nahiratan’ ny masony. Dia hoy izy taminy: Nasiany feta ny masoko, dia nosasako, ka nahiratra aho.
So the Pharisees were also asking him how he received his sight. He told them, “He applied mud to my eyes, I washed, and I see.”
16 Ary hoy ny Fariseo sasany: Tsy avy amin’ Andriamanitra izany Lehilahy izany, satria tsy mitandrina ny Sabata Izy. Hoy ny sasany: Hataon’ ny lehilahy mpanota ahoana no fahay manao fahagagana toy izany? Dia nisara-tsaina izy.
Therefore some of the Pharisees said, “This Man isn’t from God, because He doesn’t keep the Sabbath.” Others said, “How can a sinner do such signs?” So there was a division among them.
17 Ary hoy indray izy tamin’ ilay jamba: Ahoana no ilazanao Azy, fa nampahiratra ny masonao Izy? Dia hoy izy: Mpaminany Izy.
So they turned again to the blind man and asked, “What do you say about him? It was your eyes he opened.” He said, “He is a prophet.”
18 Ary amin’ izany ny Jiosy tsy nino azy ho efa jamba ka nahiratra, ambara-piantsony ny ray aman-drenin’ ilay nahiratra
The Jews didn’t believe that he had been blind, and had received sight, until they called the parents of the one who had received his sight,
19 ka nanontaniany hoe: Zanakareo moa ity, izay lazainareo fa teraka jamba? Koa nanao ahoana ary no nahiratany izao?
and questioned them, saying, “Is this your son, who you say was born blind? Then how does he now see?”
20 Ny ray aman-dreniny namaly ka nanao hoe: Fantatray fa zanakay ity sady teraka jamba;
His parents answered them, “We know that this is our son, and that he was born blind,
21 fa tsy fantatray izay nahiratany izao; ary tsy fantatray izay nampahiratra ny masony; izy ihany no anontanio; efa lehibe izy, aoka izy no hilaza ny amin’ ny tenany.
but how he now sees, we don’t know. Who opened his eyes, we don’t know. Ask him. He is of age. He will speak for himself.”
22 Izany teny izany no nolazain’ ny ray aman-dreniny, satria natahotra ny Jiosy izy; fa efa nifanaiky rahateo ny Jiosy fa raha misy manaiky Azy ho Kristy dia horoahina hiala amin’ ny synagoga.
His parents said this because they were afraid of the Jews, for the Jews had already agreed that if anyone would confess that Jesus was the Christ, they would be put out of the synagogue.
23 Izany no nilazan’ ny ray aman-dreniny hoe: Efa lehibe izy, koa izy no anontanio.
For this reason, his parents said, “Ask him. He is of age.”
24 Dia niantso ilay jamba teo aloha indray izy ka nanao taminy hoe: Omeo voninahitra Andriamanitra; izahay mahalala fa mpanota izany Lehilahy izany.
So they called the man who had been blind a second time, and told him, “Give glory to God. We know that this man is a sinner.”
25 Fa izy namaly hoe. Tsy fantatro na mpanota Izy, na tsia; zavatra iray loha ihany no fantatro: jamba aho teo aloha, fa mahiratra aho izao.
He answered, “Whether He is a sinner or not I don’t know. One thing I do know: that though I was blind, now I see.”
26 Dia hoy izy taminy: Inona no nataony taminao? Nanao ahoana ange no nampahiratany ny masonao?
Then they asked him again, “What did He do to you? How did He open your eyes?”
27 Dia namaly azy hoe izy: Efa voalazako taminareo rahateo, fa tsy nihaino ianareo; nahoana no te-hihaino indray ianareo? Moa te-ho mpianany koa va ianareo?
He answered, “I told you already, and you didn’t listen. Why do you want to hear it again? You don’t want to become His disciples, too, do you?”
28 Dia nanevateva azy izy ka nanao hoe: Ialahy no mpianany; fa izahay mpianatr’ i Mosesy.
Then they became abusive towards him and said, “You are that man’s disciple, but we are Moses’ disciples.
29 Izahay mahalala fa Mosesy no nitenenan’ Andriamanitra; fa ny amin’ izany Lehilahy izany, dia tsy fantatray izay nihaviany.
We know that God spoke to Moses, but as for this man, we don’t know where He is from.”
30 Ralehilahy namaly azy hoe: Mba mahagaga tokoa lahy izany! fa tsy fantatrareo ny nihaviany, nefa nampahiratra ny masoko Izy.
The man answered, “How amazing! You don’t know where He comes from, yet He opened my eyes.
31 Fantatsika fa Andriamanitra tsy mihaino ny mpanota; fa izay mivavaka aminy sy manao ny sitrapony no henoiny.
We know that God doesn’t hear sinners, but if anyone is God-fearing, and does His will, He hears him.
32 Hatrizay hatrizay dia tsy mbola re fa nisy nampahiratra ny mason’ izay teraka jamba. (aiōn )
Since the beginning of time it has never been heard of that anyone opened the eyes of a person born blind. (aiōn )
33 Raha tsy avy amin’ Andriamanitra izany Lehilahy izany, dia tsy mahefa na inona na inona Izy.
If this man weren’t from God, He could do nothing.”
34 Ary namaly ireo ka nanao taminy hoe: Tena teraka tamin’ ny ota ialahy, ka ialahy indray va mampianatra anay? Dia noroahiny izy.
To this they replied, “Who are you to teach us? You were born entirely in sin!” Then they threw him out.
35 Jesosy nandre fa efa noroahiny ralehilahy; ary rehefa nahita azy Izy, dia nanao hoe: Mino ny Zanak-Andriamanitra va ianao?
Jesus heard that they had thrown him out, and finding him, He said, “Do you believe in the Son of Man?”
36 Ralehilahy namaly ka nanao hoe: Iza moa no Izy, Tompoko, mba hinoako Azy?
He answered, “Who is He, sir, that I may believe in Him?”
37 Hoy Jesosy taminy: Efa nahita Azy ianao, sady Izay miresaka aminao izao no Izy.
Jesus told him, “You have seen Him, and it is He who is talking with you.”
38 Ary hoy izy: Tompoko, mino aho. Dia niankohoka teo anatrehany izy.
Then he said, “Lord, I believe!” and he worshipped Jesus.
39 Ary hoy Jesosy: Ho fitsarana no nahatongavako amin’ izao tontolo izao, mba hahiratra ny tsy mahiratra, ary mba ho tonga jamba kosa ny mahiratra.
Jesus said, “I came into this world for judgment, so that those who don’t see may see, and those who do see may become blind.”
40 Ary ny Fariseo sasany izay teo aminy, nony nandre izany, dia nanao taminy hoe: Izahay koa va mba jamba?
Some of the Pharisees who were with Him heard these things, and asked Him, “We aren’t blind too, are we?”
41 Hoy Jesosy taminy: Raha jamba ianareo, dia tsy ho nanan-keloka; nefa hoy ianareo ankehitriny: Mahiratra izahay; dia tsy afaka ny helokareo.
Jesus told them, “If you were blind, you would have no sin, but since you say, ‘We see,’ your sin remains.