< Jaona 7 >
1 Ary rehefa afaka izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy.
tataḥ paraṁ yihūdīyalōkāstaṁ hantuṁ samaihanta tasmād yīśu ryihūdāpradēśē paryyaṭituṁ nēcchan gālīl pradēśē paryyaṭituṁ prārabhata|
2 Ary efa akaiky ny andro firavoravoan’ ny Jiosy, dia ny amin’ ny Tabernakely,
kintu tasmin samayē yihūdīyānāṁ dūṣyavāsanāmōtsava upasthitē
3 ka hoy ny rahalahiny taminy: Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan’ ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao;
tasya bhrātarastam avadan yāni karmmāṇi tvayā kriyantē tāni yathā tava śiṣyāḥ paśyanti tadarthaṁ tvamitaḥ sthānād yihūdīyadēśaṁ vraja|
4 fa tsy misy olona manao zavatra amin’ ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary; raha manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin’ izao tontolo izao.
yaḥ kaścit svayaṁ pracikāśiṣati sa kadāpi guptaṁ karmma na karōti yadīdr̥śaṁ karmma karōṣi tarhi jagati nijaṁ paricāyaya|
5 Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy.
yatastasya bhrātarōpi taṁ na viśvasanti|
6 Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava.
tadā yīśustān avōcat mama samaya idānīṁ nōpatiṣṭhati kintu yuṣmākaṁ samayaḥ satatam upatiṣṭhati|
7 Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy ny asany.
jagatō lōkā yuṣmān r̥tīyituṁ na śakruvanti kintu māmēva r̥tīyantē yatastēṣāṁ karmāṇi duṣṭāni tatra sākṣyamidam ahaṁ dadāmi|
8 Miakara ho amin’ ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin’ ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako.
ataēva yūyam utsavē'smin yāta nāham idānīm asminnutsavē yāmi yatō mama samaya idānīṁ na sampūrṇaḥ|
9 Ary rehefa nilaza izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany.
iti vākyam ukttvā sa gālīli sthitavān
10 Fa rehefa lasa niakatra ho amin’ ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina.
kintu tasya bhrātr̥ṣu tatra prasthitēṣu satsu sō'prakaṭa utsavam agacchat|
11 Ary ny Jiosy dia nitady Azy tamin’ ny andro firavoravoana ka nanao hoe: Aiza Izy?
anantaram utsavam upasthitā yihūdīyāstaṁ mr̥gayitvāpr̥cchan sa kutra?
12 Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka. Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy kosa ny sasany; Tsia; fa mamitaka ny vahoaka Izy.
tatō lōkānāṁ madhyē tasmin nānāvidhā vivādā bhavitum ārabdhavantaḥ| kēcid avōcan sa uttamaḥ puruṣaḥ kēcid avōcan na tathā varaṁ lōkānāṁ bhramaṁ janayati|
13 Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorany ny Jiosy.
kintu yihūdīyānāṁ bhayāt kōpi tasya pakṣē spaṣṭaṁ nākathayat|
14 Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nampianatra.
tataḥ param utsavasya madhyasamayē yīśu rmandiraṁ gatvā samupadiśati sma|
15 Dia gaga ny Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no nahaizan’ ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy?
tatō yihūdīyā lōkā āścaryyaṁ jñātvākathayan ēṣā mānuṣō nādhītyā katham ētādr̥śō vidvānabhūt?
16 Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’ izay naniraka Ahy.
tadā yīśuḥ pratyavōcad upadēśōyaṁ na mama kintu yō māṁ prēṣitavān tasya|
17 Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ ny fampianarana izy, na avy amin’ Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho.
yō janō nidēśaṁ tasya grahīṣyati mamōpadēśō mattō bhavati kim īśvarād bhavati sa ganastajjñātuṁ śakṣyati|
18 Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr’ izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy.
yō janaḥ svataḥ kathayati sa svīyaṁ gauravam īhatē kintu yaḥ prērayitu rgauravam īhatē sa satyavādī tasmin kōpyadharmmō nāsti|
19 Tsy Mosesy va no nanome anareo ny lalàna? nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy?
mūsā yuṣmabhyaṁ vyavasthāgranthaṁ kiṁ nādadāt? kintu yuṣmākaṁ kōpi tāṁ vyavasthāṁ na samācarati| māṁ hantuṁ kutō yatadhvē?
20 Ny vahoaka namaly hoe: Manana demonia Hianao; iza no mitady hamono Anao?
tadā lōkā avadan tvaṁ bhūtagrastastvāṁ hantuṁ kō yatatē?
21 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Asa iray loha ihany no nataoko, ka gaga avokoa ianareo rehetra.
tatō yīśuravōcad ēkaṁ karmma mayākāri tasmād yūyaṁ sarvva mahāścaryyaṁ manyadhvē|
22 Izao no nanomezan’ i Mosesy anareo ny famorana: tsy noho izy avy tamin’ i Mosesy, fa noho izy avy tamin’ ny razana, ka na dia amin’ ny Sabata aza dia mamora olona ihany ianareo.
mūsā yuṣmabhyaṁ tvakchēdavidhiṁ pradadau sa mūsātō na jātaḥ kintu pitr̥puruṣēbhyō jātaḥ tēna viśrāmavārē'pi mānuṣāṇāṁ tvakchēdaṁ kurutha|
23 Raha amin’ ny Sabata aza no amorana olona, mba tsy hahafoana ny lalàn’ i Mosesy, dia tezitra amiko va ianareo, satria nisy olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany rehetra tamin’ ny Sabata.
ataēva viśrāmavārē manuṣyāṇāṁ tvakchēdē kr̥tē yadi mūsāvyavasthāmaṅganaṁ na bhavati tarhi mayā viśrāmavārē mānuṣaḥ sampūrṇarūpēṇa svasthō'kāri tatkāraṇād yūyaṁ kiṁ mahyaṁ kupyatha?
24 Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina.
sapakṣapātaṁ vicāramakr̥tvā nyāyyaṁ vicāraṁ kuruta|
25 Ary ny mponina sasany tany Jerosalema dia nanao hoe: Tsy Ilehity va Ilay tadiaviny hovonoina?
tadā yirūśālam nivāsinaḥ katipayajanā akathayan imē yaṁ hantuṁ cēṣṭantē sa ēvāyaṁ kiṁ na?
26 Ary indro Izy miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Sao efa fantatry ny mpanapaka anie fa Io no Kristy?
kintu paśyata nirbhayaḥ san kathāṁ kathayati tathāpi kimapi a vadantyētē ayamēvābhiṣikttō bhavatīti niścitaṁ kimadhipatayō jānanti?
27 Nefa fantatsika izay nihavian’ ilehio, fa raha avy Kristy, tsy misy mahalala izay hihaviany.
manujōyaṁ kasmādāgamad iti vayaṁ jānōmaḥ kintvabhiṣiktta āgatē sa kasmādāgatavān iti kōpi jñātuṁ na śakṣyati|
28 Dia niantso teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, raha nampianatra, ka nanao hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay nihaviako; ary tsy avy ho Ahy Aho, fa marina ny naniraka Ahy, Izay tsy fantatrareo.
tadā yīśu rmadhyēmandiram upadiśan uccaiḥkāram ukttavān yūyaṁ kiṁ māṁ jānītha? kasmāccāgatōsmi tadapi kiṁ jānītha? nāhaṁ svata āgatōsmi kintu yaḥ satyavādī saēva māṁ prēṣitavān yūyaṁ taṁ na jānītha|
29 Izaho mahalala Azy; fa Izy no nihaviako, ka Izy no naniraka Ahy.
tamahaṁ jānē tēnāhaṁ prērita agatōsmi|
30 Dia nitady hisambotra Azy ny olona; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.
tasmād yihūdīyāstaṁ dharttum udyatāstathāpi kōpi tasya gātrē hastaṁ nārpayad yatō hētōstadā tasya samayō nōpatiṣṭhati|
31 Ary maro ny vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon’ ity Lehilahy ity va Izy?
kintu bahavō lōkāstasmin viśvasya kathitavāntō'bhiṣikttapuruṣa āgatya mānuṣasyāsya kriyābhyaḥ kim adhikā āścaryyāḥ kriyāḥ kariṣyati?
32 Ny Fariseo nandre ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny aminy; ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo dia naniraka mpiandry raharaha mba hisambotra Azy.
tataḥ paraṁ lōkāstasmin itthaṁ vivadantē phirūśinaḥ pradhānayājakāñcēti śrutavantastaṁ dhr̥tvā nētuṁ padātigaṇaṁ prēṣayāmāsuḥ|
33 Dia hoy Jesosy: Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin’ izay naniraka Ahy Aho.
tatō yīśuravadad aham alpadināni yuṣmābhiḥ sārddhaṁ sthitvā matprērayituḥ samīpaṁ yāsyāmi|
34 Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo haleha.
māṁ mr̥gayiṣyadhvē kintūddēśaṁ na lapsyadhvē ratra sthāsyāmi tatra yūyaṁ gantuṁ na śakṣyatha|
35 Dia niresaka hoe ny Jiosy: Hankaiza moa no halehan’ ilehity, no tsy ho hitantsika? Hankany amin’ izay miely any amin’ ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika?
tadā yihūdīyāḥ parasparaṁ vakttumārēbhirē asyōddēśaṁ na prāpsyāma ētādr̥śaṁ kiṁ sthānaṁ yāsyati? bhinnadēśē vikīrṇānāṁ yihūdīyānāṁ sannidhim ēṣa gatvā tān upadēkṣyati kiṁ?
36 Ahoana re izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako tsy azonareo haleha?
nō cēt māṁ gavēṣayiṣyatha kintūddēśaṁ na prāpsyatha ēṣa kōdr̥śaṁ vākyamidaṁ vadati?
37 Ary tamin’ ny andro farany, izay andro lehibe tamin’ ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.
anantaram utsavasya caramē'hani arthāt pradhānadinē yīśuruttiṣṭhan uccaiḥkāram āhvayan uditavān yadi kaścit tr̥ṣārttō bhavati tarhi mamāntikam āgatya pivatu|
38 Izay mino Ahy, dia hisy onin’ ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ ny Soratra Masìna.
yaḥ kaścinmayi viśvasiti dharmmagranthasya vacanānusārēṇa tasyābhyantaratō'mr̥tatōyasya srōtāṁsi nirgamiṣyanti|
39 Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin’ ny mino Azy, no nolazainy tamin’ izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin’ ny voninahiny.
yē tasmin viśvasanti ta ātmānaṁ prāpsyantītyarthē sa idaṁ vākyaṁ vyāhr̥tavān ētatkālaṁ yāvad yīśu rvibhavaṁ na prāptastasmāt pavitra ātmā nādīyata|
40 Ary ny sasany tamin’ ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany.
ētāṁ vāṇīṁ śrutvā bahavō lōkā avadan ayamēva niścitaṁ sa bhaviṣyadvādī|
41 Hoy ny sasany: Ity no Kristy. Fa hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian’ i Kristy?
kēcid akathayan ēṣaēva sōbhiṣikttaḥ kintu kēcid avadan sōbhiṣikttaḥ kiṁ gālīl pradēśē janiṣyatē?
42 Tsy voalazan’ ny Soratra Masìna va fa Kristy dia avy amin’ ny taranak’ i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan’ i Davida?
sōbhiṣikttō dāyūdō vaṁśē dāyūdō janmasthānē baitlēhami pattanē janiṣyatē dharmmagranthē kimitthaṁ likhitaṁ nāsti?
43 Dia nisara-tsaina ny amin’ i Jesosy ny vahoaka.
itthaṁ tasmin lōkānāṁ bhinnavākyatā jātā|
44 Ary ny sasany nitady hisambotra Azy; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy.
katipayalōkāstaṁ dharttum aicchan tathāpi tadvapuṣi kōpi hastaṁ nārpayat|
45 Ary ny mpiandry raharaha nankeo amin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo, ka hoy izy ireo taminy: Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy?
anantaraṁ pādātigaṇē pradhānayājakānāṁ phirūśināñca samīpamāgatavati tē tān apr̥cchan kutō hētōstaṁ nānayata?
46 Ny mpiandry raharaha namaly hoe: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.
tadā padātayaḥ pratyavadan sa mānava iva kōpi kadāpi nōpādiśat|
47 Ary ny Fariseo namaly azy hoe: Hianareo koa va voafitaka?
tataḥ phirūśinaḥ prāvōcan yūyamapi kimabhrāmiṣṭa?
48 Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy?
adhipatīnāṁ phirūśināñca kōpi kiṁ tasmin vyaśvasīt?
49 Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna.
yē śāstraṁ na jānanti ta imē'dhamalōkāēva śāpagrastāḥ|
50 Ary Nikodemosy, anankiray teo aminy, dia ilay nankeo amin’ i Jesosy teo aloha, dia nanao taminy hoe:
tadā nikadīmanāmā tēṣāmēkō yaḥ kṣaṇadāyāṁ yīśōḥ sannidhim agāt sa ukttavān
51 Moa manameloka olona va ny lalàntsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony?
tasya vākyē na śrutē karmmaṇi ca na viditē 'smākaṁ vyavasthā kiṁ kañcana manujaṁ dōṣīkarōti?
52 Izy ireo namaly ka nanao taminy hoe: Hianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia.
tatastē vyāharan tvamapi kiṁ gālīlīyalōkaḥ? vivicya paśya galīli kōpi bhaviṣyadvādī nōtpadyatē|
53 [Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra;
tataḥ paraṁ sarvvē svaṁ svaṁ gr̥haṁ gatāḥ kintu yīśu rjaitunanāmānaṁ śilōccayaṁ gatavān|