< Jaona 7 >

1 Ary rehefa afaka izany, dia nandeha tany Galilia Jesosy; fa nalain-kandeha tany Jodia Izy, satria nitady hahafaty Azy ny Jiosy.
Potom pak chodil Ježíš po Galilei; nebo nechtěl býti v Judstvu, proto že ho hledali Židé zabiti.
2 Ary efa akaiky ny andro firavoravoan’ ny Jiosy, dia ny amin’ ny Tabernakely,
A byl blízko svátek Židovský, stánků.
3 ka hoy ny rahalahiny taminy: Mialà eto, ka mandehana ho any Jodia, mba ho hitan’ ny mpianatrao koa ny asa izay ataonao;
Tedy řekli jemu bratří jeho: Vyjdi odsud, a jdi do Judstva, ať i učedlníci tvoji vidí skutky tvé, kteréž činíš.
4 fa tsy misy olona manao zavatra amin’ ny takona, nefa ny tenany mitady ho hita miharihary; raha manao izany zavatra izany Hianao, dia misehoa amin’ izao tontolo izao.
Nižádný zajisté v skrytě nic nedělá, kdož chce vidín býti. Protož ty, činíš-li takové věci, zjev se světu.
5 Fa na dia ny rahalahiny aza tsy nino Azy.
Nebo ani bratří jeho nevěřili v něho.
6 Dia hoy Jesosy taminy: Tsy mbola tonga ny fotoako; fa ny fotoanareo dia vonona lalandava.
I dí jim Ježíš: Čas můj ještě nepřišel, ale čas váš vždycky jest hotov.
7 Tsy mahazo mankahala anareo izao tontolo izao; fa Izaho no halany, satria milaza fa ratsy ny asany.
Nemůžeť vás svět nenáviděti, ale mneť nenávidí; nebo já svědectví vydávám o něm, že skutkové jeho zlí jsou.
8 Miakara ho amin’ ny andro firavoravoana ianareo; fa Izaho tsy mbola miakatra ho amin’ ity andro firavoravoana ity; satria tsy mbola tonga ny fotoako.
Jděte vy k svátku tomuto. Jáť ještě nepůjdu k svátku tomuto, nebo čas můj se ještě nenaplnil.
9 Ary rehefa nilaza izany teny izany taminy Izy, dia mbola nitoetra tany Galilia ihany.
To pak pověděv jim, zůstal v Galilei.
10 Fa rehefa lasa niakatra ho amin’ ny andro firavoravoana ny rahalahiny, dia niakatra koa Izy, nefa tsy mba nisehoseho, fa toa niafinafina.
A když odešli bratří jeho, tehdy i on šel k svátku, ne zjevně, ale jako ukrytě.
11 Ary ny Jiosy dia nitady Azy tamin’ ny andro firavoravoana ka nanao hoe: Aiza Izy?
Židé pak hledali ho v svátek, a pravili: Kde jest onen?
12 Ary nitakoritsika Azy be ihany ny vahoaka. Hoy ny sasany: Tsara fanahy Izy; fa hoy kosa ny sasany; Tsia; fa mamitaka ny vahoaka Izy.
A mnoho řečí bylo o něm v zástupu. Nebo někteří pravili, že dobrý jest, a jiní pravili: Není, ale svodí zástup.
13 Nefa tsy nisy sahy niresaka Azy miharihary noho ny fahatahorany ny Jiosy.
Žádný však o něm nemluvil zjevně pro bázeň Židů.
14 Ary rehefa nisasaka ny andro firavoravoana, dia niakatra teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy ka nampianatra.
Když pak již polovici svátku se vykonalo, vstoupil Ježíš do chrámu, a učil.
15 Dia gaga ny Jiosy ka nanao hoe: Ahoana no nahaizan’ ilehity soratra, nefa tsy mba nianatra Izy?
I divili se Židé, řkouce: Kterak tento písmo umí, neučiv se?
16 Dia namaly azy Jesosy ka nanao hoe: Tsy Ahy ny fampianarako, fa an’ izay naniraka Ahy.
Odpověděl jim Ježíš a řekl: Mé učení neníť mé, ale toho, kterýž mne poslal.
17 Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin’ ny fampianarana izy, na avy amin’ Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho.
Bude-li kdo chtíti vůli jeho činiti, tenť bude uměti rozeznati, jest-li to učení z Boha, čili mluvím já sám od sebe.
18 Izay miteny ho azy dia mitady ny voninahitry ny tenany; fa izay mitady ny voninahitr’ izay naniraka azy no marina, ary tsy misy tsi-fahamarinana ao aminy.
Kdoť sám od sebe mluví, chvály své vlastní hledá, ale kdož hledá chvály toho, kterýž ho poslal, tenť pravdomluvný jest, a nepravosti v něm není.
19 Tsy Mosesy va no nanome anareo ny lalàna? nefa tsy misy eo aminareo mankatò ny lalàna. Nahoana ianareo no mitady hamono Ahy?
Však Mojžíš dal vám zákon, a žádný z vás neplní zákona. Proč mne hledáte zamordovati?
20 Ny vahoaka namaly hoe: Manana demonia Hianao; iza no mitady hamono Anao?
Odpověděl zástup a řekl: Ďábelství máš. Kdo tě hledá zamordovati?
21 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Asa iray loha ihany no nataoko, ka gaga avokoa ianareo rehetra.
Odpověděl Ježíš a řekl jim: Jeden skutek učinil jsem, a všickni se tomu divíte.
22 Izao no nanomezan’ i Mosesy anareo ny famorana: tsy noho izy avy tamin’ i Mosesy, fa noho izy avy tamin’ ny razana, ka na dia amin’ ny Sabata aza dia mamora olona ihany ianareo.
Však Mojžíš vydal vám obřízku, (ne že by z Mojžíše byla, ale z otců, ) a v sobotu obřezujete člověka.
23 Raha amin’ ny Sabata aza no amorana olona, mba tsy hahafoana ny lalàn’ i Mosesy, dia tezitra amiko va ianareo, satria nisy olona anankiray nataoko sitrana avokoa ny tenany rehetra tamin’ ny Sabata.
Poněvadž člověk obřízku přijímá v sobotu, aby nebyl rušen zákon Mojžíšův, proč se na mne hněváte, že jsem celého člověka uzdravil v sobotu?
24 Aza mitsara araka ny miseho, fa mba mitsarà marina.
Nesuďte podlé osoby, ale spravedlivý soud suďte.
25 Ary ny mponina sasany tany Jerosalema dia nanao hoe: Tsy Ilehity va Ilay tadiaviny hovonoina?
Tedy někteří z Jeruzalémských pravili: Zdaliž toto není ten, kteréhož hledají zabiti?
26 Ary indro Izy miteny miharihary, nefa tsy misy miteny Azy akory. Sao efa fantatry ny mpanapaka anie fa Io no Kristy?
A aj, svobodně mluví a nic mu neříkají. Zdali již právě poznali knížata, že tento jest právě Kristus?
27 Nefa fantatsika izay nihavian’ ilehio, fa raha avy Kristy, tsy misy mahalala izay hihaviany.
Ale o tomto víme, odkud jest, Kristus pak když přijde, žádný nebude věděti, odkud by byl.
28 Dia niantso teo an-kianjan’ ny tempoly Jesosy, raha nampianatra, ka nanao hoe: Izaho dia fantatrareo, sady fantatrareo koa izay nihaviako; ary tsy avy ho Ahy Aho, fa marina ny naniraka Ahy, Izay tsy fantatrareo.
I volal Ježíš v chrámě, uče a řka: I mne znáte, i odkud jsem, víte. A nepřišelť jsem sám od sebe, ale jestiť pravdomluvný ten, kterýž mne poslal, jehož vy neznáte.
29 Izaho mahalala Azy; fa Izy no nihaviako, ka Izy no naniraka Ahy.
Ale já znám jej, nebo od něho jsem, a on mne poslal.
30 Dia nitady hisambotra Azy ny olona; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy, satria tsy mbola tonga ny fotoany.
I hledali ho jíti, ale žádný nevztáhl ruky na něho, nebo ještě byla nepřišla hodina jeho.
31 Ary maro ny vahoaka no nino Azy ka nanao hoe: Raha tonga Kristy, moa hanao famantarana maro mihoatra noho ny nataon’ ity Lehilahy ity va Izy?
Z zástupu pak mnozí uvěřili v něho, a pravili: Kristus když přijde, zdali více divů činiti bude nad ty, kteréž tento činí?
32 Ny Fariseo nandre ny vahoaka nitakoritsika izany zavatra izany ny aminy; ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo dia naniraka mpiandry raharaha mba hisambotra Azy.
Slyšeli pak farizeové zástup, an o něm takové věci rozmlouvá, i poslali farizeové a přední kněží služebníky, aby jej jali.
33 Dia hoy Jesosy: Kely foana no itoerako aminareo, dia hankany amin’ izay naniraka Ahy Aho.
Tedy řekl jim: Ještě maličký čas jsem s vámi, potom odejdu k tomu, kterýž mne poslal.
34 Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako dia tsy azonareo haleha.
Hledati mne budete, ale nenaleznete, a kdež já budu, vy nemůžte přijíti.
35 Dia niresaka hoe ny Jiosy: Hankaiza moa no halehan’ ilehity, no tsy ho hitantsika? Hankany amin’ izay miely any amin’ ny Grika va Izy ka hampianatra ny Grika?
I řekli Židé k sobě vespolek: Kam tento půjde, že my ho nenalezneme? Zdali v rozptýlení pohanů půjde, a bude učiti pohany?
36 Ahoana re izao teny nolazainy izao hoe: Hitady Ahy ianareo, fa tsy hahita; ary izay itoerako tsy azonareo haleha?
Jaká jest to řeč, kterouž promluvil: Hledati mne budete, ale nenaleznete, a kdež já budu, vy nemůžete přijíti?
37 Ary tamin’ ny andro farany, izay andro lehibe tamin’ ny andro firavoravoana, dia nitsangana Jesosy ka niantso nanao hoe: Raha misy olona mangetaheta, aoka izy hanatona Ahy ka hisotro.
V poslední pak den ten veliký svátku toho, stál Ježíš a volal, řka: Žízní-li kdo, poď ke mně, a napí se.
38 Izay mino Ahy, dia hisy onin’ ny rano velona miboiboika avy ao an-kibony, araka ny voalazan’ ny Soratra Masìna.
Kdož věří ve mne, jakož dí písmo, řeky z břicha jeho poplynou vody živé.
39 Ary ny Fanahy, Izay efa horaisin’ ny mino Azy, no nolazainy tamin’ izany; fa ny Fanahy tsy mbola nomena, satria Jesosy tsy mbola niditra tamin’ ny voninahiny.
(A to řekl o Duchu, kteréhož měli přijíti věřící v něho; nebo ještě nebyl dán Duch svatý, proto že ještě Ježíš nebyl oslaven.)
40 Ary ny sasany tamin’ ny vahoaka, raha nandre izany teny izany, dia nanao hoe: Ity tokoa no Ilay Mpaminany.
Tedy mnozí z zástupu uslyševše tu řeč, pravili: Tentoť jest právě prorok ten.
41 Hoy ny sasany: Ity no Kristy. Fa hoy kosa ny sasany: Avy any Galilia va no ihavian’ i Kristy?
Jiní pravili: Tentoť jest Kristus. Ale někteří pravili: Zdaliž z Galilee přijde Kristus?
42 Tsy voalazan’ ny Soratra Masìna va fa Kristy dia avy amin’ ny taranak’ i Davida, sady avy ao Betlehema, vohitra nonenan’ i Davida?
Zdaž nepraví písmo, že z semene Davidova a z Betléma městečka, kdež býval David, přijíti má Kristus?
43 Dia nisara-tsaina ny amin’ i Jesosy ny vahoaka.
A tak různice v zástupu stala se pro něj.
44 Ary ny sasany nitady hisambotra Azy; kanefa tsy nisy naninji-tanana taminy.
Někteří pak z nich chtěli ho jíti, ale žádný nevztáhl ruky na něj.
45 Ary ny mpiandry raharaha nankeo amin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo, ka hoy izy ireo taminy: Nahoana ianareo no tsy nitondra Azy?
Tedy přišli služebníci k předním kněžím a k farizeům, kteříž řekli jim: Proč jste ho nepřivedli?
46 Ny mpiandry raharaha namaly hoe: Tsy mbola nisy olona niteny tahaka izany.
Odpověděli ti služebníci: Nikdy tak člověk nemluvil, jako tento člověk.
47 Ary ny Fariseo namaly azy hoe: Hianareo koa va voafitaka?
I odpověděli jim farizeové: Zdali i vy jste svedeni?
48 Moa misy mpanapaka na Fariseo mba nino Azy?
Zdaliž kdo z knížat uvěřil v něho aneb z farizeů?
49 Fa voaozona ireto vahoaka ireto, izay tsy mahalala ny lalàna.
Než zástup ten, kterýž nezná zákona. Zlořečeníť jsou.
50 Ary Nikodemosy, anankiray teo aminy, dia ilay nankeo amin’ i Jesosy teo aloha, dia nanao taminy hoe:
I dí jim Nikodém, ten kterýž byl přišel k němu v noci, byv jeden z nich:
51 Moa manameloka olona va ny lalàntsika, raha tsy mbola mihaino azy aloha ka mahafantatra izay nataony?
Zdali zákon náš soudí člověka, leč prvé uslyší od něho a zví, co by činil?
52 Izy ireo namaly ka nanao taminy hoe: Hianao koa angaha mba avy any Galilia? Diniho, dia ho hitanao fa tsy mba misy mpaminany avy any Galilia.
Odpověděli a řekli jemu: Nejsi-li i ty Galilejský? Ptej se a viz, žeť prorok z Galilee nepovstal.
53 [Dia samy lasa nody ho any an-tranony avy izy rehetra;
I šel jeden každý do domu svého.

< Jaona 7 >