< Jaona 6 >

1 Rehefa afaka izany, dia niala Jesosy ka lasa nita ny Ranomasin’ i Galilia, dia ny Ranomasin’ i Tiberiasy izany.
After these things, Jesus went away to the other side of the Sea of Galilee, also called the Sea of Tiberias.
2 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany ny famantarana izay efa nataony tamin’ ny marary.
A great crowd was following him because they saw the signs that he was doing on those who were sick.
3 Ary Jesosy niakatra tao an-tendrombohitra, dia nipetraka tao mbamin’ ny mpianany.
Jesus went up the mountain and there he sat down with his disciples.
4 Fa efa akaiky ny Paska, ilay andro firavoravoan’ ny Jiosy.
(Now the Passover, the Jewish festival, was near.)
5 Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’ i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ ireo?
When Jesus looked up and saw a great crowd coming to him, he said to Philip, “Where are we going to buy bread so that these may eat?”
6 Izany no nataony mba hizahany toetra azy; fa izy nahalala ihany izay efa hataony.
(But Jesus said this to test Philip, for he himself knew what he was going to do.)
7 Filipo namaly Azy hoe: Na dia mofo vidina denaria roan-jato aza tsy ampy azy rehetra hananany kely avy.
Philip answered him, “Two hundred denarii worth of bread would not be sufficient for each one to have even a little.”
8 Ny mpianany anankiray, dia Andrea, rahalahin’ i Simona Petera, nilaza taminy hoe:
One of the disciples, Andrew, the brother of Simon Peter, said to Jesus,
9 Misy zazalahy manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin’ izao olona betsaka izao?
“There is a boy here who has five bread loaves of barley and two fish, but what are these among so many?”
10 Fa hoy Jesosy: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany.
Jesus said, “Make the people sit down.” (Now there was a lot of grass in the place.) So the men sat down, about five thousand in number.
11 Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin’ izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy.
Then Jesus took the loaves and after giving thanks, he gave it to those who were sitting. He did the same with the fish, as much as they wanted.
12 Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very.
When the people were filled, he said to his disciples, “Gather up the broken pieces which remain, so that nothing will be lost.”
13 Dia nangoniny, ka nahafeno harona roa ambin’ ny folo ny sombintsombin’ ny mofo vary hordea dimy, izay ambiny tsy lanin’ ny nihinana.
So they gathered them up and filled twelve baskets with broken pieces from the five barley loaves left over by those who had eaten.
14 Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon’ i Jesosy: Ity tokoa no Ilay Mpaminany Izay ho tonga amin’ izao tontolo izao.
Then, when the people saw this sign that he did, they said, “This truly is the prophet who is to come into the world.”
15 Ary rehefa fantatr’ i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.
When Jesus realized that they were about to come and seize him by force to make him king, he withdrew again up the mountain by himself.
16 Ary rehefa hariva ny andro, dia nidina ho any amin’ ny ranomasina ny mpianany.
When it became evening, his disciples went down to the sea.
17 Ary niondrana an-tsambokely izy, dia nita ny ranomasina nankany Kapernaomy. Ary efa maizina ny andro tamin’ izay, nefa Jesosy tsy mbola tonga tany aminy.
They got into a boat, and were going over the sea to Capernaum. It was dark by this time, and Jesus had not yet come to them.
18 Ary ny ranomasina nanonja, fa mafy ny fifofofofon’ ny rivotra.
A strong wind was blowing, and the sea was getting rough.
19 Ary rehefa nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stadio izy, dia nahita an’ i Jesosy nitsangantsangana eny ambonin’ ny ranomasina ka nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy.
When they had rowed about twenty-five or thirty stadia, they saw Jesus walking on the sea and coming near the boat, and they were afraid.
20 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho ihany; aza matahotra.
But he said to them, “It is I! Do not be afraid.”
21 Dia ta-handray Azy ho eo an-tsambokely izy; ary niaraka tamin’ izay ny sambokely dia tonga tamin’ ny tany izay nalehany.
Then they were willing to receive him into the boat, and immediately the boat reached the land where they were going.
22 Nony ampitson’ iny ny vahoaka izay nijanona teny am-pitan’ ny ranomasina dia nahita fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy iray ihany, ary Jesosy tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin’ ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha,
The next day, the crowd that had been standing on the other side of the sea saw that there was no other boat there except the one, and that Jesus had not entered it with his disciples but that his disciples had gone away alone.
23 kanefa nisy sambokely hafa avy tany Tiberiasy tonga teo akaikin’ ilay tany nihinanany ny mofo, rehefa nisaotra ny Tompo, ―
However, there were some boats that came from Tiberias close to the place where they had eaten the bread loaves after the Lord had given thanks.
24 koa nony hitan’ ny vahoaka fa tsy teo Jesosy, na ny mpianany, dia niondrana an-tsambokely izy ka nankany Kapernaomy hitady an’ i Jesosy.
When the crowd discovered that neither Jesus nor his disciples were there, they themselves got into the boats and went to Capernaum seeking Jesus.
25 Ary rehefa nahita Azy teny am-pitan’ ny ranomasina izy, dia hoy izy taminy: Raby ô, oviana no tonga teto Hianao?
After they found him on the other side of the sea, they said to him, “Rabbi, when did you come here?”
26 Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy ianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.
Jesus replied to them, saying, “Truly, truly, you seek me, not because you saw signs, but because you ate some of the bread loaves and were filled.
27 Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ ny Zanak’ olona anareo; fa Izy no nasian’ Andriamanitra Ray tombo-kase. (aiōnios g166)
Do not work for the food that perishes, but work for the food that endures to eternal life which the Son of Man will give you, for God the Father has set his seal on him.” (aiōnios g166)
28 Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan’ Andriamanitra?
Then they said to him, “What must we do, so that we may do the works of God?”
29 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan’ Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.
Jesus replied and said to them, “This is the work of God: That you believe in the one whom he has sent.”
30 Dia hoy ireo taminy: Inona ary no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona moa no asa ataonao?
So they said to him, “What sign then will you do, so that we may see and believe you? What will you do?
31 Ny razantsika nihinana ny mana tany an-efitra, araka ny voasoratra hoe: Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy hohaniny.
Our fathers ate the manna in the wilderness, as it is written, 'He gave them bread from heaven to eat.'”
32 Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra; fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra.
Then Jesus replied to them, “Truly, truly, it was not Moses who gave you the bread out of heaven, but it is my Father who is giving you the true bread from heaven.
33 Fa ny mofon’ Andriamanitra dia Ilay midìna avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’ izao tontolo izao.
For the bread of God is that which comes down from heaven and gives life to the world.”
34 Ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.
So they said to him, “Sir, give us this bread always.”
35 Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon’ aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.
Jesus said to them, “I am the bread of life; he who comes to me will not be hungry, and he who believes in me will never be thirsty.
36 Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.
But I told you that indeed you have seen me, and you do not believe.
37 Izay rehetra omen’ ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.
Everyone whom the Father gives me will come to me, and he who comes to me I will certainly not throw out.
38 Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’ izay naniraka Ahy.
For I have come down from heaven, not to do my own will, but the will of him who sent me.
39 Ary izao no sitrapon’ izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin’ ny andro farany izy.
This is the will of him who sent me, that I would lose not one of all those whom he has given me, but will raise them up on the last day.
40 Fa izao no sitrapon’ ny Raiko, dia ny hahazoan’ izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany. (aiōnios g166)
For this is the will of my Father, that everyone who sees the Son and believes in him would have eternal life and I will raise him up on the last day.” (aiōnios g166)
41 Dia nimonomonona tamin’ i Jesosy ny Jiosy, satria Izy nanao hoe: Izaho no mofo izay nidina avy tany an-danitra.
Then the Jews grumbled about him because he had said, “I am the bread that has come down from heaven.”
42 Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak’ i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe: ho nidina avy tany an-danitra?
They said, “Is not this Jesus son of Joseph, whose father and mother we know? How then does he now say, 'I have come down from heaven'?”
43 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza mimonomonona ianareo.
Jesus replied and said to them, “Stop grumbling among yourselves.
44 Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany.
No one can come to me unless the Father who sent me draws him, and I will raise him up on the last day.
45 Voasoratra ao amin’ ny mpaminany hoe: Ary izy rehetra dia hampianarin’ Andriamanitra. Izay rehetra mandre ka mianatra amin’ ny Ray no manatona Ahy.
It is written in the prophets, 'Everyone will be taught by God.' Everyone who has heard and learned from the Father comes to me.
46 Nefa tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy Izay avy amin’ Andriamanitra: Izy no nahita ny Ray.
Not that anyone has seen the Father, except he who is from God—he has seen the Father.
47 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)
Truly, truly, he who believes has eternal life. (aiōnios g166)
48 Izaho no mofon’ aina.
I am the bread of life.
49 Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany.
Your fathers ate the manna in the wilderness, and they died.
50 Ity no mofo izay midìna avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy.
This is the bread which comes down from heaven, so that a person may eat some of it and not die.
51 Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’ izao tontolo izao. (aiōn g165)
I am the living bread that came down from heaven. If anyone eats some of this bread, he will live forever. The bread that I will give is my flesh for the life of the world.” (aiōn g165)
52 Dia nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe: Hataon’ ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?
The Jews became angry among themselves and began to argue, saying, “How can this man give us his flesh to eat?”
53 Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon’ ny Zanak’ olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.
Then Jesus said to them, “Truly, truly, unless you eat the flesh of the Son of Man and drink his blood, you will not have life in yourselves.
54 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany. (aiōnios g166)
Whoever eats my flesh and drinks my blood has everlasting life, and I will raise him up at the last day. (aiōnios g166)
55 Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.
For my flesh is true food, and my blood is true drink.
56 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.
He who eats my flesh and drinks my blood remains in me, and I in him.
57 Ary tahaka ny nanirahan’ ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin’ ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko.
As the living Father sent me, and as I live because of the Father, so he who eats me, he will also live because of me.
58 Ity no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay. (aiōn g165)
This is the bread that has come down from heaven, not as the fathers ate and died. He who eats this bread will live forever.” (aiōn g165)
59 Izany teny izany no nolazainy tao amin’ ny synagoga, raha nampianatra tao Kapernaomy Izy.
But Jesus said these things in the synagogue while he was teaching in Capernaum.
60 Koa maro tamin’ ny mpianany, nony nandre, dia nanao hoe: Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany?
Then many of his disciples who heard this said, “This is a difficult teaching; who can accept it?”
61 Ary fantatr’ i Jesosy tao am-pony fa nimonomonona tamin’ izany ny mpianany, ka dia hoy Izy taminy: Mahatafintohina anareo va izay?
Jesus, because he knew in himself that his disciples were grumbling at this, said to them, “Does this offend you?
62 Mainka raha mahita ny Zanak’ olona miakatra ho any amin’ izay nitoerany taloha ianareo.
Then what if you should see the Son of Man going up to where he was before?
63 Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.
It is the Spirit who makes alive; the flesh profits nothing. The words that I have spoken to you are spirit, and they are life.
64 Fa misy ny sasany aminareo izay tsy mino. Fa fantatr’ i Jesosy hatramin’ ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy.
Yet there are some of you who do not believe.” For Jesus knew from the beginning who were the ones that would not believe and who it was who would betray him.
65 Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen’ ny Ray azy izany.
He said, “It is because of this that I said to you that no one can come to me unless it is granted to him by the Father.”
66 Hatramin’ izany dia maro tamin’ ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony.
Because of this, many of his disciples went away and no longer walked with him.
67 Dia hoy Jesosy tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala?
Then Jesus said to the twelve, “You do not want to go away also, do you?”
68 Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin’ iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ ny fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)
Simon Peter answered him, “Lord, to whom shall we go? You have words of eternal life, (aiōnios g166)
69 Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’ Andriamanitra.
and we have believed and come to know that you are the Holy One of God.”
70 Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin’ ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly?
Jesus said to them, “Did not I choose you, the twelve, and one of you is a devil?”
71 Fa Izy nilaza an’ i Jodasy, zanak’ i Simona Iskariota; fa izy no ilay efa hamadika Azy, nefa isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy.
Now he spoke of Judas son of Simon Iscariot, for it was he, one of the twelve, who would betray Jesus.

< Jaona 6 >