< Jaona 6 >

1 Rehefa afaka izany, dia niala Jesosy ka lasa nita ny Ranomasin’ i Galilia, dia ny Ranomasin’ i Tiberiasy izany.
Ni kogon biyi, Yesu rugran ba-ne Galili iwa ba yo ndji mba-ne Tibaniya.
2 Ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy noho ny nahitany ny famantarana izay efa nataony tamin’ ny marary.
Gbirjubu ndji gbugbuu ba lu ni hu ni kpe wa asi tie'a ni bi lilo ba.
3 Ary Jesosy niakatra tao an-tendrombohitra, dia nipetraka tao mbamin’ ny mpianany.
Yesu lu hon hi ka son ni tu ngbulu ba-ba almajeran ma.
4 Fa efa akaiky ny Paska, ilay andro firavoravoan’ ny Jiosy.
(Gan ri igan idin u za gran igan Yahudawa a te whir).
5 Ary Jesosy nanopy ny masony ka nahita fa nisy vahoaka betsaka nanatona Azy, dia hoy Izy tamin’ i Filipo: Aiza no hividianantsika mofo hohanin’ ireo?
Yesu zun tu hon na toh gbugbu ndji ba gyen klan si ye niwu na hla ni filibu, “ni tsen ki fe bredi, wa ki no indji biyi?”
6 Izany no nataony mba hizahany toetra azy; fa izy nahalala ihany izay efa hataony.
(A tre naki na tsar to ni tu iwa wawu me a toh ikpe iwa ani tie.)
7 Filipo namaly Azy hoe: Na dia mofo vidina denaria roan-jato aza tsy ampy azy rehetra hananany kely avy.
Filibu ka ha sa niwu “bredi dena rii deri hari me ana zrani ndji fie fie me na.”
8 Ny mpianany anankiray, dia Andrea, rahalahin’ i Simona Petera, nilaza taminy hoe:
Iri ni mi Almajere ma Andarawus, vayi siman Bitrus, hla ni Yesu,
9 Misy zazalahy manana mofo vary hordea dimy sy hazandrano madinika roa, fa ho ampy inona moa izany amin’ izao olona betsaka izao?
Ige Ivren ri a nji igbele ton u shai'ir ni lambe hari. a geri iwa yi ni tie ni gbugbu indji bi yi?”
10 Fa hoy Jesosy: Asaovy mipetraka ny olona. Ary nisy ahitra be teo. Ka dia nipetraka ny lehilahy, tokony ho dimy arivo no isany.
Yesu tre ndu indji kuson.” (Bubu'a me a tie gega.) U lilon ba ba kusun, tsra indji dubu ton.
11 Dia nandray ny mofo Jesosy; ary rehefa nisaotra, dia nizara izany tamin’ izay nipetraka hihinana Izy; ary ny hazandrano koa araka izay nilainy.
U Yesu a ban bredi ni kogon wa, a gira na ga bi wa ba kusun meme na la ga lambe naki, na wa ba ba son.
12 Ary rehefa voky ny olona, dia hoy Jesosy tamin’ ny mpianany: Angony ny sisa tsy lany, mba tsy hisy ho very.
Niwa indji ba-ba whurji wa hla ni almajere ma, “ni ndu ba vu gburugbuma iwa a don ba shutie, ni ndu na tie meme na (asara na).”
13 Dia nangoniny, ka nahafeno harona roa ambin’ ny folo ny sombintsombin’ ny mofo vary hordea dimy, izay ambiny tsy lanin’ ny nihinana.
U ba vu shu ni sisen wulon don hari gburugbu bredi u sisen iton wa ba don mbru ma, ni kogon wa bari whrji.
14 Ary hoy ireny olona ireny, rehefa nahita ny famantarana izay nataon’ i Jesosy: Ity tokoa no Ilay Mpaminany Izay ho tonga amin’ izao tontolo izao.
U indji ba toh gban iwa a tie, u ba tre, “A njanji iwa yi ahi anabin iwa ani ye ni gbungbunluyi.”
15 Ary rehefa fantatr’ i Jesosy fa efa ho avy ny olona haka Azy an-keriny hataony mpanjaka, dia niala ka lasa indray Izy irery nankany an-tendrombohitra.
U Yesu toh ndi ba lu ni ye ban wuni gbengbenle na nye-wu tie Ichu, na lu k'ban hi ni tu gbulu kima.
16 Ary rehefa hariva ny andro, dia nidina ho any amin’ ny ranomasina ny mpianany.
U yalu tie almajere ma ba lu grji hi ni teku.
17 Ary niondrana an-tsambokely izy, dia nita ny ranomasina nankany Kapernaomy. Ary efa maizina ny andro tamin’ izay, nefa Jesosy tsy mbola tonga tany aminy.
Na ri ni mi ghu, na rugran hi ni Kafarnahum, (ni ton wa ibwu tie ye, Yesu na ye ni ba rina.)
18 Ary ny ranomasina nanonja, fa mafy ny fifofofofon’ ny rivotra.
Gyugyu ri u gbengbenle ma u njanji ni rhi, teku ni lu ni kinkir.
19 Ary rehefa nivoy tokony ho dimy amby roa-polo na telo-polo stadio izy, dia nahita an’ i Jesosy nitsangantsangana eny ambonin’ ny ranomasina ka nanakaiky ny sambokely; dia natahotra izy.
Nikogon wa ba dran ghu hi na mil ashiri don ton ko talatin, u ba kushi ni Yesu a zren nitu teku siye na te whiwhir ni jirgi'a, u ba ti sisir.
20 Fa hoy Jesosy taminy: Izaho ihany; aza matahotra.
Iwa hla ni ba wu, ahi me, na tisisir na.”
21 Dia ta-handray Azy ho eo an-tsambokely izy; ary niaraka tamin’ izay ny sambokely dia tonga tamin’ ny tany izay nalehany.
Niki u ba kpayenmen na kpa ni jirgi'a, hihari me jirgi ka ri ni gacci (bubu u jundi zi'a).
22 Nony ampitson’ iny ny vahoaka izay nijanona teny am-pitan’ ny ranomasina dia nahita fa tsy nisy sambokely hafa teo afa-tsy iray ihany, ary Jesosy tsy mba niara-niondrana an-tsambokely tamin’ ny mpianany, fa ny mpianany ihany no nandeha,
Ni ivi u ha ibrun klan ndi wa ba krhi ni gran teku ni korima ba tra andi jirgi ri na la don gan na niki se iri, iwa ndi Yesu na ri hu almajeran ma na u ba luhi ni grji ba.
23 kanefa nisy sambokely hafa avy tany Tiberiasy tonga teo akaikin’ ilay tany nihinanany ny mofo, rehefa nisaotra ny Tompo, ―
Se jirgi bari wa ba rji ni Tibariya whiewhir ni bubu wa indi ba son na tan gurasa ni kogon wa Yesu a ngiri'a.
24 koa nony hitan’ ny vahoaka fa tsy teo Jesosy, na ny mpianany, dia niondrana an-tsambokely izy ka nankany Kapernaomy hitady an’ i Jesosy.
Niwa indji ba ye toh andi Yesu ni almajaren ma ba he ni ba niki na, ni tie tu mba ba lu ri ni mi jirgi ba na hi ni Kafarnahum ni wa Yesu.
25 Ary rehefa nahita Azy teny am-pitan’ ny ranomasina izy, dia hoy izy taminy: Raby ô, oviana no tonga teto Hianao?
Na ka toh ni gran teku'a, na miyen “Mallam, anitan mba u ye ni wayi?”
26 Jesosy namaly azy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Mitady Ahy ianareo, nefa tsy noho ny nahitanareo famantarana, fa noho ny nihinananareo ny mofo ka voky.
Yesu a sa ni bawu andi, “Njanji, bi si wame yi, ana ni tu wa bi toh igban ikpe wa mi tie'a ni ye na, a nitu wa bi tan gurasar ni wherji.
27 Aza miasa hahazo ny hanina mety ho levona, fa ny hanina izay maharitra ho fiainana mandrakizay, izay homen’ ny Zanak’ olona anareo; fa Izy no nasian’ Andriamanitra Ray tombo-kase. (aiōnios g166)
Ban chuwo ni tie kpabi ya ni bubu wa biri wa ani tie meme na, se bi ka wa biri iwa ani son kubon na nji yi hi ni viri (re) u tunturu iwa vren ndi ni no yin'a. (aiōnios g166)
28 Dia hoy ireo taminy: Inona no hataonay mba hiasanay ny asan’ Andriamanitra?
Bika miyen, “ahi geri ki tie iwa ani hu son u Rji'a?
29 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Izao no asan’ Andriamanitra, dia ny hinoanareo Izay nirahiny.
Yesu sa ni bawu, “iwa yi a hi ndu Rji, ni ndu yi kpayenmen ni indi iwa a ton'a.
30 Dia hoy ireo taminy: Inona ary no famantarana ataonao, mba ho hitanay ka hinoanay Anao? Inona moa no asa ataonao?
U ba miyen, “ahi nkpan geri u tie, ni ndu ta toh, u ni kpayenmen ni wu'a?
31 Ny razantsika nihinana ny mana tany an-efitra, araka ny voasoratra hoe: Mofo avy tany an-danitra no nomeny azy hohaniny.
Ahi geri u tie? Ba tietie-mbu ba tan manna ni miji nawa ba nhan, “Iwa no ba gurasar rji ni shu ni ndu ba tan.'”
32 Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Tsy Mosesy no nanome anareo ny mofo avy tany an-danitra; fa ny Raiko no manome anareo ny tena mofo avy any an-danitra.
Yesu hla ni bawu, “Njanji, mi si hla ni yiwu, ana Musa yi noyi gurasar rji ni shuna ahi Itie mu mba a no yi gurasar u njanji rji ni shulu.
33 Fa ny mofon’ Andriamanitra dia Ilay midìna avy any an-danitra ka manome fiainana ho an’ izao tontolo izao.
Gurasar u Rji ani krji rji ni shu na no iviri ni gbungbulu'a.”
34 Ary hoy ireo taminy: Tompo ô, omeo anay mandrakariva izany mofo izany.
U ba hla niwu, “mallam, ta nota gurasar bi kima ko ni ton rime.”
35 Hoy Jesosy taminy: Izaho no mofon’ aina; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta intsony.
Yesu hla ni bawu, ahi meyi mi gurasar iwa ani ano iviri (re) indji wa a ye ni me iyon na tiwu na, indji wa a kpa yenmen ni me hlan ma nala tie wu gana.
36 Fa efa nolazaiko taminareo fa nahita Ahy ihany ianareo, nefa tsy mino.
Ndi mi hla ni yiwu, njanji bi toh me, naki me bina kpayenmen na.
37 Izay rehetra omen’ ny Raiko Ahy no hanatona Ahy; ary izay manatona Ahy dia tsy mba holaviko mihitsy.
Indji wa Itie a ne niwu'a ani ye nime, iwa a ye nimea mina zu menmelen mu na.
38 Fa tsy nidina avy tany an-danitra Aho mba hanao ny sitrapoko, fa ny sitrapon’ izay naniraka Ahy.
Mina grji rji ni shu ye, nitu mi tie ikpe iwa me son ki mu na, se de ikpe u son Indji iwa a ton Me.
39 Ary izao no sitrapon’ izay naniraka Ahy, dia ny tsy hamelako hisy very izay rehetra nomeny Ahy, fa hatsangako indray amin’ ny andro farany izy.
A hi wa yiyi ikpe u son indji wa a ton me, ni ndu mina wa kperi hanma ni mi biyina niwa ani se mika taba shimen ni vi u klakla'a.
40 Fa izao no sitrapon’ ny Raiko, dia ny hahazoan’ izay rehetra mijery ny Zanaka ka mino Azy fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany. (aiōnios g166)
Ahi wayi, i ahi son Itiemu, ndi indji iwa a toh vren na kpayenmen wu ani fe viri u son kuk'bon. Ime ni tashimen ni vi u klakla'a. (aiōnios g166)
41 Dia nimonomonona tamin’ i Jesosy ny Jiosy, satria Izy nanao hoe: Izaho no mofo izay nidina avy tany an-danitra.
Yahudawa balu ni chaba gburgbu ni tuma, nitu iwa atra, “Ahi meyi mi Gurasar iwa grji ni shu'a.
42 Dia hoy ireo: Tsy Ilehio va no Jesosy, Zanak’ i Josefa, Izay fantatsika ny rainy aman-dreniny? Ahoana no dia anaovany ankehitriny hoe: ho nidina avy tany an-danitra?
Ba tre ana wayi, i ahi Yesu Ivren Yusufu, iwa Itima ni Iyima wa ki toh ba na? A ni he ri zizan ani tre andi mi grji rji ni shu?
43 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Aza mimonomonona ianareo.
Yesu hla ni bawu, “Ba chuwo ni chaba mlama ni kpabi.
44 Tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy taomin’ ny Ray Izay naniraka Ahy; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany.
Ba iri iwa ani ya ye ni me, se Iti mu wa a ton me ye a njiwu ye, mit tawu shimechachu u kekle.
45 Voasoratra ao amin’ ny mpaminany hoe: Ary izy rehetra dia hampianarin’ Andriamanitra. Izay rehetra mandre ka mianatra amin’ ny Ray no manatona Ahy.
Ba nha nyi nha zi ni mi littatafe ana bawa andi, wawu mbawu Irji Bachi ni tsoro ba, u indji wa a wo ni tie, ani ye ni me.
46 Nefa tsy nisy nahita ny Ray, afa-tsy Izay avy amin’ Andriamanitra: Izy no nahita ny Ray.
Niwa idiori ti bre to ni tie'ana, se wawu iwa a rji ni Bachi - a to Bachi.
47 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino no manana fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)
Njanji, njanji, indji wa a kpawu nyeme ahe ni iviri u tuntru. (aiōnios g166)
48 Izaho no mofon’ aina.
Ihe me nyi mi bredi u viri.
49 Ny razanareo nihinana ny mana tany an-efitra, nefa maty ihany.
Ba ti bi ba ri mana ni miji, na kwu.
50 Ity no mofo izay midìna avy any an-danitra, mba tsy ho faty izay mihinana azy.
I wa nyi ahi bredi u wa a grji rji ni shu ndi indji wa a ri ngbala ma wa ka na kwu na.
51 Izaho no mofo velona izay nidina avy tany an-danitra; raha misy mihinana ity mofo ity, dia ho velona mandrakizay izy; ary ny mofo izay homeko dia ny nofoko ho fiainan’ izao tontolo izao. (aiōn g165)
Ime nyi mi gurasa u re (iviri) wa a grji rji ni shu. Indji iwa a ri ni mi gurasa, ani son hi tuntru gurasa yi wa mi no ahi kpamu nitu kpa gbungbulu chu wo.” (aiōn g165)
52 Dia nifanditra ny Jiosy ka nanao hoe: Hataon’ ilehio ahoana re no fanome ny nofony hohanintsika?
Yahudawa ba tifu nimi mba na ni sen nyu ni kpamba'a andi ani he iguyi ani ya nota inan ma kpama ki tan?
53 Fa hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy mihinana ny nofon’ ny Zanak’ olona sy misotro ny ràny ianareo, dia tsy manana fiainana ao aminareo.
U Yesu hla bawu, “Njanji, njanji, bita na tan inanma kpa ivren indji na ni nan so iyin mana, bi na fe iviri ni mi bina.
54 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin’ ny andro farany. (aiōnios g166)
Indji iwa a tan nanma mu na so inyi mu ani Iviri tuntru, mila zun lude ni ivi u kekle. (aiōnios g166)
55 Fa ny nofoko no tena fihinana, ary ny rako no tena fisotro.
A hla bawu, “Ikisa mi nhla ni yiwu. Nitu inanma mu ahi biri u njanji, iyi mu me ahi ikpe u so u njanji.
56 Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no mitoetra ao amiko, ary Izaho kosa ao aminy.
Indji iwa a tan nanma mu, na so iyi mu a son ni mi mu, imeme mi son niwu.
57 Ary tahaka ny nanirahan’ ny Ray velona Ahy, ary Izaho koa velona amin’ ny Ray, dia tahaka izany koa izay mihinana Ahy no ho velona amiko.
Na wa itimbu u iviri a ton me, naki mi zren na ti'a, ana ki indji iwa a tan nmma mu, ani son nitu mu.
58 Ity no mofo izay nidina avy tany an-danitra; tsy tahaka ny razana izay nihinana, nefa maty ihany; fa izay mihinana ity mofo ity dia ho velona mandrakizay. (aiōn g165)
Iwa yi ahi gurasa iwa a grji rji ni shulu, ana iri u ba tibi wa ba tan na kwu na, indji iwa a tan gurasa ani son tuntru.” (aiōn g165)
59 Izany teny izany no nolazainy tao amin’ ny synagoga, raha nampianatra tao Kapernaomy Izy.
Yesu hla kpi biyi ni mi ma, njamiya niwa a si tsoro ba ni Kafarnahum.
60 Koa maro tamin’ ny mpianany, nony nandre, dia nanao hoe: Sarotra izany teny izany, iza no mahahaino izany?
Ni wo naki, gbugbuwu ni mi almajaranma ba tre, itre yi a hi ni krifi, i he nha ani ya wo wu?”
61 Ary fantatr’ i Jesosy tao am-pony fa nimonomonona tamin’ izany ny mpianany, ka dia hoy Izy taminy: Mahatafintohina anareo va izay?
Yesu ato ni mi soron ma andi almajereanma, basi chabangbu ru ngbu kima, na miyen ba, “Iwa yi kati lahtre?
62 Mainka raha mahita ny Zanak’ olona miakatra ho any amin’ izay nitoerany taloha ianareo.
Ani he nihe bi ti to ivren indji ni hon ni hi ni bubuma u sen na?
63 Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana.
Ruhu ni iviri, ikpa na ti kperi na. Ahi tre wa mi tre ni yiwu hi Ruhu, u ba ivri.
64 Fa misy ny sasany aminareo izay tsy mino. Fa fantatr’ i Jesosy hatramin’ ny voalohany izay tsy nino sy izay hamadika Azy.
Ni naki bari mbi ni wayi bana kpa nyime na.” U Yesu toh rji ni mumla'a wawu biwa bana kpa nyime na nda toh ndji wa ani ka'u no dun ba wu'u.
65 Ary hoy Izy: Izany no nilazako taminareo fa tsy misy olona mahay manatona Ahy, raha tsy nomen’ ny Ray azy izany.
A hla ndi, “A nitu kii mba mi hla ni yiwu ndi ndrjo ri na ye nime na se to Bachi mu no'u nkon dun ye nime.”
66 Hatramin’ izany dia maro tamin’ ny mpianany no nihemotra ka tsy niara-nandeha taminy intsony.
Ni kogon kima, gbugbuu ba k'ban hi ni kogon nimi almajanre ma, bati bre hla zren ni wu ngana.
67 Dia hoy Jesosy tamin’ ny roa ambin’ ny folo lahy: Hianareo koa va mba te-hiala?
Yesu minye wulon don hari ba, biyi bi na son hi na, ka nan nakina?
68 Simona Petera namaly Azy hoe: Tompo ô, hankany amin’ iza moa izahay? Hianao no manana ny tenin’ ny fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)
Bitrus a sa niwu, iwu timbu, ni nha ki hi niwu? Iwu nyi u he ni itre re (ivir) son hi tuntru. (aiōnios g166)
69 Ary izahay mino ka mahalala fa Hianao no Ilay Masin’ Andriamanitra.
Kita ki to ni kpanyeme iwu yi u tsatsra ichu u Rji.”
70 Jesosy namaly azy hoe: Tsy Izaho va no nifidy anareo roa ambin’ ny folo lahy, nefa ny anankiray aminareo aza dia devoly?
Yesu hla bawu, “Ana me mi chu yi na, biyi wulon don hari na, iri ni mi bi ani ahi ibirji?”
71 Fa Izy nilaza an’ i Jodasy, zanak’ i Simona Iskariota; fa izy no ilay efa hamadika Azy, nefa isan’ ny roa ambin’ ny folo lahy.
Asi tre ni Yahuda vivren Siman Iskariyoti, a hi ri ni mi wulon don hari ba, iwa ani ka yesu noba'a.

< Jaona 6 >