< Jaona 5 >
1 Rehefa afaka izany, dia nisy andro firavoravoan’ ny Jiosy, ary Jesosy niakatra tany Jerosalema.
tataḥ paraṁ yihūdīyānām utsava upasthite yīśu ryirūśālamaṁ gatavān|
2 Ary misy farihy any Jerosalema, eo akaikin’ ny vavahadin’ ondry, izay atao amin’ ny teny Hebreo hoe Betesda, misy fialofana dimy.
tasminnagare meṣanāmno dvārasya samīpe ibrīyabhāṣayā baithesdā nāmnā piṣkariṇī pañcaghaṭṭayuktāsīt|
3 Tao no nandrian’ ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila.
tasyāsteṣu ghaṭṭeṣu kilālakampanam apekṣya andhakhañcaśuṣkāṅgādayo bahavo rogiṇaḥ patantastiṣṭhanti sma|
yato viśeṣakāle tasya saraso vāri svargīyadūta etyākampayat tatkīlālakampanāt paraṁ yaḥ kaścid rogī prathamaṁ pānīyamavārohat sa eva tatkṣaṇād rogamukto'bhavat|
5 Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay efa narary valo amby telo-polo taona.
tadāṣṭātriṁśadvarṣāṇi yāvad rogagrasta ekajanastasmin sthāne sthitavān|
6 Raha nahita azy mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy izany ela izy, dia hoy Izy taminy: Te-ho sitrana va ianao?
yīśustaṁ śayitaṁ dṛṣṭvā bahukālikarogīti jñātvā vyāhṛtavān tvaṁ kiṁ svastho bubhūṣasi?
7 Ilay marary namaly Azy hoe: Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin’ ny farihy; nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo alohako.
tato rogī kathitavān he maheccha yadā kīlālaṁ kampate tadā māṁ puṣkariṇīm avarohayituṁ mama kopi nāsti, tasmān mama gamanakāle kaścidanyo'gro gatvā avarohati|
8 Hoy Jesosy taminy: Mitsangana, ento ny fandrianao, ka mandehana.
tadā yīśurakathayad uttiṣṭha, tava śayyāmuttolya gṛhītvā yāhi|
9 Ary niaraka tamin’ izay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha. Ary Sabata izay andro izay.
sa tatkṣaṇāt svastho bhūtvā śayyāmuttolyādāya gatavān kintu taddinaṁ viśrāmavāraḥ|
10 Dia hoy ny Jiosy tamin’ ilay efa sitrana: Sabata ny andro, ka tsy mety raha mitondra ny fandrianao ianao.
tasmād yihūdīyāḥ svasthaṁ naraṁ vyāharan adya viśrāmavāre śayanīyamādāya na yātavyam|
11 Fa ralehilahy namaly azy hoe: Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana.
tataḥ sa pratyavocad yo māṁ svastham akārṣīt śayanīyam uttolyādāya yātuṁ māṁ sa evādiśat|
12 Ary ireo nanontany azy hoe: Iza moa izany Lehilahy izany Izay nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana?
tadā te'pṛcchan śayanīyam uttolyādāya yātuṁ ya ājñāpayat sa kaḥ?
13 Fa ilay sitrana tsy nahalala Ary; fa niala teo Jesosy, satria nisy vahoaka betsaka teo.
kintu sa ka iti svasthībhūto nājānād yatastasmin sthāne janatāsattvād yīśuḥ sthānāntaram āgamat|
14 Rehefa afaka izany, dia hitan’ i Jesosy teo an-kianjan’ ny tempoly ralehilahy, ka hoy Izy taminy: Indro, efa sitrana ianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo.
tataḥ paraṁ yeśu rmandire taṁ naraṁ sākṣātprāpyākathayat paśyedānīm anāmayo jātosi yathādhikā durdaśā na ghaṭate taddhetoḥ pāpaṁ karmma punarmākārṣīḥ|
15 Dia lasa ralehilahy ka nanambara tamin’ ny Jiosy fa Jesosy no nahasitrana azy.
tataḥ sa gatvā yihūdīyān avadad yīśu rmām arogiṇam akārṣīt|
16 Ary noho izany ny Jiosy dia nanenjika an’ i Jesosy, satria nanao izany zavatra izany tamin’ ny Sabata Izy.
tato yīśu rviśrāmavāre karmmedṛśaṁ kṛtavān iti heto ryihūdīyāstaṁ tāḍayitvā hantum aceṣṭanta|
17 Fa Jesosy namaly azy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.
yīśustānākhyat mama pitā yat kāryyaṁ karoti tadanurūpam ahamapi karoti|
18 Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin’ ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin’ Andriamanitra Izy.
tato yihūdīyāstaṁ hantuṁ punarayatanta yato viśrāmavāraṁ nāmanyata tadeva kevalaṁ na adhikantu īśvaraṁ svapitaraṁ procya svamapīśvaratulyaṁ kṛtavān|
19 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ ny Ray; fa na inona na inona no ataon’ ny Ray dia toy izany koa no ataon’ ny Zanaka.
paścād yīśuravadad yuṣmānahaṁ yathārthataraṁ vadāmi putraḥ pitaraṁ yadyat karmma kurvvantaṁ paśyati tadatiriktaṁ svecchātaḥ kimapi karmma karttuṁ na śaknoti| pitā yat karoti putropi tadeva karoti|
20 Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon’ ny tenany; ary asa lehibe noho ireny no hasehony Azy, mba ho gaga ianareo.
pitā putre snehaṁ karoti tasmāt svayaṁ yadyat karmma karoti tatsarvvaṁ putraṁ darśayati; yathā ca yuṣmākaṁ āścaryyajñānaṁ janiṣyate tadartham itopi mahākarmma taṁ darśayiṣyati|
21 Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman’ ny Zanaka izay tiany.
vastutastu pitā yathā pramitān utthāpya sajivān karoti tadvat putropi yaṁ yaṁ icchati taṁ taṁ sajīvaṁ karoti|
22 Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka,
sarvve pitaraṁ yathā satkurvvanti tathā putramapi satkārayituṁ pitā svayaṁ kasyāpi vicāramakṛtvā sarvvavicārāṇāṁ bhāraṁ putre samarpitavān|
23 mba hanajan’ ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.
yaḥ putraṁ sat karoti sa tasya prerakamapi sat karoti|
24 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fiainana izy. (aiōnios )
yuṣmānāhaṁ yathārthataraṁ vadāmi yo jano mama vākyaṁ śrutvā matprerake viśvasiti sonantāyuḥ prāpnoti kadāpi daṇḍabājanaṁ na bhavati nidhanādutthāya paramāyuḥ prāpnoti| (aiōnios )
25 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Avy ny andro ary tonga ankehitriny, izay handrenesan’ ny maty ny feon’ ny Zanak’ Andriamanitra; ary izay mandre dia ho velona.
ahaṁ yuṣmānatiyathārthaṁ vadāmi yadā mṛtā īśvaraputrasya ninādaṁ śroṣyanti ye ca śroṣyanti te sajīvā bhaviṣyanti samaya etādṛśa āyāti varam idānīmapyupatiṣṭhati|
26 Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy;
pitā yathā svayañjīvī tathā putrāya svayañjīvitvādhikāraṁ dattavān|
27 ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak’ olona.
sa manuṣyaputraḥ etasmāt kāraṇāt pitā daṇḍakaraṇādhikāramapi tasmin samarpitavān|
28 Aza gaga amin’ izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ ny olona rehetra any am-pasana ny feony;
etadarthe yūyam āścaryyaṁ na manyadhvaṁ yato yasmin samaye tasya ninādaṁ śrutvā śmaśānasthāḥ sarvve bahirāgamiṣyanti samaya etādṛśa upasthāsyati|
29 dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin’ ny fitsanganana ho fiainana fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ fitsanganana ho fahamelohana.
tasmād ye satkarmmāṇi kṛtavantasta utthāya āyuḥ prāpsyanti ye ca kukarmāṇi kṛtavantasta utthāya daṇḍaṁ prāpsyanti|
30 Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’ izay naniraka Ahy.
ahaṁ svayaṁ kimapi karttuṁ na śaknomi yathā śuṇomi tathā vicārayāmi mama vicārañca nyāyyaḥ yatohaṁ svīyābhīṣṭaṁ nehitvā matprerayituḥ pituriṣṭam īhe|
31 Raha Izaho no manambara ny tenako, dia tsy marina ny fanambarako.
yadi svasmin svayaṁ sākṣyaṁ dadāmi tarhi tatsākṣyam āgrāhyaṁ bhavati;
32 Misy Anankiray Izay manambara Ahy, ary fantatro fa marina ny fanambarana izay anambarany Ahy.
kintu madarthe'paro janaḥ sākṣyaṁ dadāti madarthe tasya yat sākṣyaṁ tat satyam etadapyahaṁ jānāmi|
33 Hianareo naniraka tany amin’ i Jaona, ary nanambara ny marina izy.
yuṣmābhi ryohanaṁ prati lokeṣu preriteṣu sa satyakathāyāṁ sākṣyamadadāt|
34 Fa Izaho tsy mandray ny fanambarana avy amin’ olona; fa milaza izany zavatra izany Aho mba ho voavonjy ianareo.
mānuṣādahaṁ sākṣyaṁ nopekṣe tathāpi yūyaṁ yathā paritrayadhve tadartham idaṁ vākyaṁ vadāmi|
35 Izy dia jiro nirehitra ka nazava; ary nahafinaritra anareo ny nifalianareo vetivety tamin’ faharavany.
yohan dedīpyamāno dīpa iva tejasvī sthitavān yūyam alpakālaṁ tasya dīptyānandituṁ samamanyadhvaṁ|
36 Fa Izaho kosa manana fanambarana lehibe noho Jaona; fa ny asa nomen’ ny Ahy hovitaiko, dia izany asa ataoko izany no manambara Ahy fa nirahin’ ny Ray.
kintu tatpramāṇādapi mama gurutaraṁ pramāṇaṁ vidyate pitā māṁ preṣya yadyat karmma samāpayituṁ śakttimadadāt mayā kṛtaṁ tattat karmma madarthe pramāṇaṁ dadāti|
37 Ary ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nanambara Ahy. Tsy mba renareo ny feony, na hitanareo akory aza ny endriny,
yaḥ pitā māṁ preritavān mopi madarthe pramāṇaṁ dadāti| tasya vākyaṁ yuṣmābhiḥ kadāpi na śrutaṁ tasya rūpañca na dṛṣṭaṁ
38 ary ny teniny tsy mba mitoetra ao anatinareo, satria tsy mino Izay nirahiny ianareo.
tasya vākyañca yuṣmākam antaḥ kadāpi sthānaṁ nāpnoti yataḥ sa yaṁ preṣitavān yūyaṁ tasmin na viśvasitha|
39 Dinihinareo ny Soratra Masìna, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. (aiōnios )
dharmmapustakāni yūyam ālocayadhvaṁ tai rvākyairanantāyuḥ prāpsyāma iti yūyaṁ budhyadhve taddharmmapustakāni madarthe pramāṇaṁ dadati| (aiōnios )
40 Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo hanananareo fiainana.
tathāpi yūyaṁ paramāyuḥprāptaye mama saṁnidhim na jigamiṣatha|
41 Tsy mandray laza avy amin’ olona
ahaṁ mānuṣebhyaḥ satkāraṁ na gṛhlāmi|
42 Fa fantatro ianareo, fa tsy misy fitiavana an’ Andriamanitra ao am-ponareo.
ahaṁ yuṣmān jānāmi; yuṣmākamantara īśvaraprema nāsti|
43 Izaho dia avy amin’ ny anaran’ ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin’ ny anaran’ ny tenany, dia horaisinareo ihany izy.
ahaṁ nijapitu rnāmnāgatosmi tathāpi māṁ na gṛhlītha kintu kaścid yadi svanāmnā samāgamiṣyati tarhi taṁ grahīṣyatha|
44 Hataonareo izay mifampitady laza ahoana no fino, nefa ny laza avy amin’ ny Andriamanitra Tokana kosa dia tsy tadiavinareo?
yūyam īśvarāt satkāraṁ na ciṣṭatvā kevalaṁ parasparaṁ satkāram ced ādadhvve tarhi kathaṁ viśvasituṁ śaknutha?
45 Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin’ ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy izay itokianareo.
putuḥ samīpe'haṁ yuṣmān apavadiṣyāmīti mā cintayata yasmin, yasmin yuṣmākaṁ viśvasaḥ saeva mūsā yuṣmān apavadati|
46 Fa raha mba nino an’ i Mosesy ianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy.
yadi yūyaṁ tasmin vyaśvasiṣyata tarhi mayyapi vyaśvasiṣyata, yat sa mayi likhitavān|
47 Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko?
tato yadi tena likhitavāni na pratitha tarhi mama vākyāni kathaṁ pratyeṣyatha?