< Jaona 5 >

1 Rehefa afaka izany, dia nisy andro firavoravoan’ ny Jiosy, ary Jesosy niakatra tany Jerosalema.
Darnach war ein Fest der Juden, und Jesus zog hinauf gen Jerusalem.
2 Ary misy farihy any Jerosalema, eo akaikin’ ny vavahadin’ ondry, izay atao amin’ ny teny Hebreo hoe Betesda, misy fialofana dimy.
Es ist aber zu Jerusalem bei dem Schaftor ein Teich, der heißt auf hebräisch Bethesda und hat fünf Hallen,
3 Tao no nandrian’ ny marary maro, ny jamba, ny mandringa, ny mati-ila.
in welchem lagen viele Kranke, Blinde, Lahme, Verdorrte, die warteten, wann sich das Wasser bewegte.
4
(Denn ein Engel fuhr herab zu seiner Zeit in den Teich und bewegte das Wasser.) Welcher nun zuerst, nachdem das Wasser bewegt war, hineinstieg, der ward gesund, mit welcherlei Seuche er behaftet war.
5 Ary nisy lehilahy anankiray teo, izay efa narary valo amby telo-polo taona.
Es war aber ein Mensch daselbst, achtunddreißig Jahre lang krank gelegen.
6 Raha nahita azy mandry Jesosy ka nahalala fa efa toy izany ela izy, dia hoy Izy taminy: Te-ho sitrana va ianao?
Da Jesus ihn sah liegen und vernahm, daß er so lange gelegen hatte, spricht er zu ihm: Willst du gesund werden?
7 Ilay marary namaly Azy hoe: Tompoko, raha hetsehina ny rano, dia tsy mba misy olona handroboka ahy eto amin’ ny farihy; nefa raha mandeha aho, dia misy olon-kafa misosoka eo alohako.
Der Kranke antwortete ihm: HERR, ich habe keinen Menschen, wenn das Wasser sich bewegt, der mich in den Teich lasse; und wenn ich komme, so steigt ein anderer vor mir hinein.
8 Hoy Jesosy taminy: Mitsangana, ento ny fandrianao, ka mandehana.
Jesus spricht zu ihm: Stehe auf, nimm dein Bett und gehe hin!
9 Ary niaraka tamin’ izay dia sitrana ralehilahy ka nitondra ny fandriany, dia lasa nandeha. Ary Sabata izay andro izay.
Und alsbald ward der Mensch gesund und nahm sein Bett und ging hin. Es war aber desselben Tages der Sabbat.
10 Dia hoy ny Jiosy tamin’ ilay efa sitrana: Sabata ny andro, ka tsy mety raha mitondra ny fandrianao ianao.
Da sprachen die Juden zu dem, der geheilt worden war: Es ist heute Sabbat; es ziemt dir nicht, das Bett zu tragen.
11 Fa ralehilahy namaly azy hoe: Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana.
Er antwortete ihnen: Der mich gesund machte, der sprach zu mir: “Nimm dein Bett und gehe hin!”
12 Ary ireo nanontany azy hoe: Iza moa izany Lehilahy izany Izay nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao, ka mandehana?
Da fragten sie ihn: Wer ist der Mensch, der zu dir gesagt hat: “Nimm dein Bett und gehe hin!”?
13 Fa ilay sitrana tsy nahalala Ary; fa niala teo Jesosy, satria nisy vahoaka betsaka teo.
Der aber geheilt worden war, wußte nicht, wer es war; denn Jesus war gewichen, da so viel Volks an dem Ort war.
14 Rehefa afaka izany, dia hitan’ i Jesosy teo an-kianjan’ ny tempoly ralehilahy, ka hoy Izy taminy: Indro, efa sitrana ianao; aza manota intsony, fandrao hanjo anao izay ratsy noho ny teo.
Darnach fand ihn Jesus im Tempel und sprach zu ihm: Siehe zu, du bist gesund geworden; sündige hinfort nicht mehr, daß dir nicht etwas Ärgeres widerfahre.
15 Dia lasa ralehilahy ka nanambara tamin’ ny Jiosy fa Jesosy no nahasitrana azy.
Der Mensch ging hin und verkündete es den Juden, es sei Jesus, der ihn gesund gemacht habe.
16 Ary noho izany ny Jiosy dia nanenjika an’ i Jesosy, satria nanao izany zavatra izany tamin’ ny Sabata Izy.
Darum verfolgten die Juden Jesum und suchten ihn zu töten, daß er solches getan hatte am Sabbat.
17 Fa Jesosy namaly azy hoe: Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.
Jesus aber antwortete Ihnen: Mein Vater wirkt bisher, und ich wirke auch.
18 Nefa vao mainka nitady hamono Azy ny Jiosy, tsy noho ny namahany ny amin’ ny Sabata ihany, fa noho ny nilazany koa fa Andriamanitra no Rainy, ka nanao ny tenany ho mitovy amin’ Andriamanitra Izy.
Darum trachteten ihm die Juden viel mehr nach, daß sie ihn töteten, daß er nicht allein den Sabbat brach, sondern sagte auch, Gott sei sein Vater, und machte sich selbst Gott gleich.
19 Ary Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Ny Zanaka tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy, afa-tsy izay hitany ataon’ ny Ray; fa na inona na inona no ataon’ ny Ray dia toy izany koa no ataon’ ny Zanaka.
Da antwortete Jesus und sprach zu ihnen: Wahrlich, wahrlich, ich sage euch: Der Sohn kann nichts von sich selber tun, sondern was er sieht den Vater tun; denn was dieser tut, das tut gleicherweise auch der Sohn.
20 Fa ny Ray tia ny Zanaka ka maneho Azy ny zavatra rehetra izay ataon’ ny tenany; ary asa lehibe noho ireny no hasehony Azy, mba ho gaga ianareo.
Der Vater aber hat den Sohn lieb und zeigt ihm alles, was er tut, und wird ihm noch größere Werke zeigen, daß ihr euch verwundern werdet.
21 Fa toy ny Ray manangana sy mamelona ny maty, dia tahaka izany koa no ameloman’ ny Zanaka izay tiany.
Denn wie der Vater die Toten auferweckt und macht sie lebendig, also auch der Sohn macht lebendig, welche er will.
22 Fa ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny fitsarana rehetra dia nomeny ny Zanaka,
Denn der Vater richtet niemand; sondern alles Gericht hat er dem Sohn gegeben,
23 mba hanajan’ ny olona rehetra ny Zanaka, tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka dia tsy manaja ny Ray, Izay naniraka Azy.
auf daß sie alle den Sohn ehren, wie sie den Vater ehren. Wer den Sohn nicht ehrt, der ehrt den Vater nicht, der ihn gesandt hat.
24 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fiainana izy. (aiōnios g166)
Wahrlich, wahrlich, ich sage euch: Wer mein Wort hört und glaubt dem, der mich gesandt hat, der hat das ewige Leben und kommt nicht in das Gericht, sondern er ist vom Tode zum Leben hindurchgedrungen. (aiōnios g166)
25 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Avy ny andro ary tonga ankehitriny, izay handrenesan’ ny maty ny feon’ ny Zanak’ Andriamanitra; ary izay mandre dia ho velona.
Wahrlich, wahrlich, ich sage euch: Es kommt die Stunde und ist schon jetzt, daß die Toten werden die Stimme des Sohnes Gottes hören; und die sie hören werden, die werden leben.
26 Fa tahaka ny Ray manana fiainana ho Azy, dia tahaka izany koa ny Zanaka nomeny hanana fiainana ho Azy;
Denn wie der Vater hat das Leben in ihm selber, also hat er dem Sohn gegeben, das Leben zu haben in ihm selber,
27 ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak’ olona.
und hat ihm Macht gegeben, auch das Gericht zu halten, darum daß er des Menschen Sohn ist.
28 Aza gaga amin’ izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ ny olona rehetra any am-pasana ny feony;
Verwundert euch des nicht, denn es kommt die Stunde, in welcher alle, die in den Gräbern sind, werden seine Stimme hören,
29 dia hivoaka izy: izay nanao tsara dia ho any amin’ ny fitsanganana ho fiainana fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ fitsanganana ho fahamelohana.
und werden hervorgehen, die da Gutes getan haben, zur Auferstehung des Lebens, die aber Übles getan haben, zur Auferstehung des Gerichts.
30 Raha Izaho ihany, dia tsy mahay manao na inona na inona; araka izay reko no itsarako; ary marina ny fitsarako; fa tsy mitady ny sitrapoko Aho, fa ny sitrapon’ izay naniraka Ahy.
Ich kann nichts von mir selber tun. Wie ich höre, so richte ich, und mein Gericht ist recht; denn ich suche nicht meinen Willen, sondern des Vaters Willen, der mich gesandt hat.
31 Raha Izaho no manambara ny tenako, dia tsy marina ny fanambarako.
So ich von mir selbst zeuge, so ist mein Zeugnis nicht wahr.
32 Misy Anankiray Izay manambara Ahy, ary fantatro fa marina ny fanambarana izay anambarany Ahy.
Ein anderer ist's, der von mir zeugt; und ich weiß, daß das Zeugnis wahr ist, das er von mir zeugt.
33 Hianareo naniraka tany amin’ i Jaona, ary nanambara ny marina izy.
Ihr schicktet zu Johannes, und er zeugte von der Wahrheit.
34 Fa Izaho tsy mandray ny fanambarana avy amin’ olona; fa milaza izany zavatra izany Aho mba ho voavonjy ianareo.
Ich aber nehme nicht Zeugnis von Menschen; sondern solches sage ich, auf daß ihr selig werdet.
35 Izy dia jiro nirehitra ka nazava; ary nahafinaritra anareo ny nifalianareo vetivety tamin’ faharavany.
Er war ein brennend und scheinend Licht; ihr aber wolltet eine kleine Weile fröhlich sein in seinem Lichte.
36 Fa Izaho kosa manana fanambarana lehibe noho Jaona; fa ny asa nomen’ ny Ahy hovitaiko, dia izany asa ataoko izany no manambara Ahy fa nirahin’ ny Ray.
Ich aber habe ein größeres Zeugnis; denn des Johannes Zeugnis; denn die Werke, die mir der Vater gegeben hat, daß ich sie vollende, eben diese Werke, die ich tue, zeugen von mir, daß mich der Vater gesandt habe.
37 Ary ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nanambara Ahy. Tsy mba renareo ny feony, na hitanareo akory aza ny endriny,
Und der Vater, der mich gesandt hat, derselbe hat von mir gezeugt. Ihr habt nie weder seine Stimme gehört noch seine Gestalt gesehen,
38 ary ny teniny tsy mba mitoetra ao anatinareo, satria tsy mino Izay nirahiny ianareo.
und sein Wort habt ihr nicht in euch wohnend; denn ihr glaubt dem nicht, den er gesandt hat.
39 Dinihinareo ny Soratra Masìna, ataonareo fa ao aminy no anananareo fiainana mandrakizay, ary ireny no manambara Ahy. (aiōnios g166)
Suchet in der Schrift; denn ihr meinet, ihr habet das ewige Leben darin; und sie ist's, die von mir zeuget; (aiōnios g166)
40 Kanefa tsy mety manatona Ahy ianareo hanananareo fiainana.
und ihr wollt nicht zu mir kommen, daß ihr das Leben haben möchtet.
41 Tsy mandray laza avy amin’ olona
Ich nehme nicht Ehre von Menschen;
42 Fa fantatro ianareo, fa tsy misy fitiavana an’ Andriamanitra ao am-ponareo.
aber ich kenne euch, daß ihr nicht Gottes Liebe in euch habt.
43 Izaho dia avy amin’ ny anaran’ ny Raiko, nefa tsy raisinareo; raha misy hafa avy amin’ ny anaran’ ny tenany, dia horaisinareo ihany izy.
Ich bin gekommen in meines Vaters Namen, und ihr nehmet mich nicht an. So ein anderer wird in seinem eigenen Namen kommen, den werdet ihr annehmen.
44 Hataonareo izay mifampitady laza ahoana no fino, nefa ny laza avy amin’ ny Andriamanitra Tokana kosa dia tsy tadiavinareo?
Wie könnet ihr glauben, die ihr Ehre voneinander nehmet? und die Ehre, die von Gott allein ist, suchet ihr nicht.
45 Aza ataonareo fa Izaho no hiampanga anareo amin’ ny Ray; misy ny mpiampanga anareo, dia Mosesy izay itokianareo.
Ihr sollt nicht meinen, daß ich euch vor dem Vater verklagen werde; es ist einer, der euch verklagt, der Mose, auf welchen ihr hofft.
46 Fa raha mba nino an’ i Mosesy ianareo, dia hino Ahy, satria nanoratra nilaza Ahy izy.
Wenn ihr Mose glaubtet, so glaubtet ihr auch mir; denn er hat von mir geschrieben.
47 Fa raha tsy mino izay nosoratany ianareo, hataonareo ahoana no fino ny teniko?
So ihr aber seinen Schriften nicht glaubt, wie werdet ihr meinen Worten glauben?

< Jaona 5 >