< Jaona 3 >
1 Ary nisy Fariseo anankiray atao hoe Nikodemosy, mpanapaka tamin’ ny Jiosy.
Bil je pa človek med Farizeji, Nikodem mu je bilo ime, starešina Judovski.
2 Izy nankao amin’ i Jesosy nony alina ka nanao taminy hoe: Raby ô, fantatray fa mpampianatra avy amin’ Andriamanitra Hianao; fa tsy misy olona mahay manao izao famantarana ataonao izao, raha tsy Andriamanitra no momba azy.
Ta pride k Jezusu po noči, in reče mu: Rabi! vémo, da si od Boga prišel učenik; kajti nikdor ne more delati téh znamenj, ktera ti delaš, če ne bo Bog ž njim.
3 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy ateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’ Andriamanitra.
Jezus odgovorí in mu reče: Resnično resnično ti pravim: Če se kdo na novo ne rodí, ne more videti kraljestva Božjega.
4 Hoy Nikodemosy taminy: Hataon’ ny olona ahoana no hateraka rehefa lehibe; moa mahazo miditra any an-kibon-dreniny indray va izy ka hateraka?
Reče mu Nikodem: Kako se more človek roditi, ko je star? Jeli more drugoč vniti v telo matere svoje in se roditi?
5 Jesosy namaly hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha misy olona tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy, dia tsy mahazo miditra amin’ ny fanjakan’ Andriamanitra izy.
Jezus odgovorí: Resnično resnično ti pravim: Če se kdo ne rodí iz vode in Duha, ne more vniti v kraljestvo Božje.
6 Izay ateraky ny nofo dia nofo; ary izay ateraky ny Fanahy dia fanahy.
Kar se je rodilo iz telesa, telo je; in kar se je rodilo iz Duha, duh je.
7 aza gaga noho ny nilazako taminao hoe: Tsy maintsy hateraka indray ianareo.
Ne čudi se, da sem ti rekel: Treba vam se je na novo roditi.
8 Ny rivotra mitsoka amin’ izay tiany, ary renao ny feony, nefa tsy fantatrao izay ihaviany na izay alehany, dia tahaka izany izay rehetra ateraky ny Fanahy.
Veter veje, kjer hoče, in glas njegov slišiš, pa ne véš, odkod prihaja in kam gre; tako je vsak, kdor se je rodil iz Duha.
9 Nikodemosy namaly ka nanao taminy hoe: Hatao ahoana no hahatonga izany zavatra izany?
Nikodem odgovorí in mu reče: Kako more to biti?
10 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Hianao va no mpampianatra ny Isiraely ka tsy mahalala izany zavatra izany?
Jezus odgovorí in mu reče: Ti si učenik Izraelov, in tega ne véš?
11 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Izay fantatray no lazainay, ary izay hitanay no ambaranay; nefa ny fanambaranay tsy raisinareo.
Resnično resnično ti pravim, da kar vémo, govorimo; in kar smo videli, pričamo: ali pričevanja našega ne sprejemate.
12 Raha ny zavatra etỳ an-tany aza no nolazaiko taminareo ka tsy inoanareo, ahoana no hinoanareo, raha milaza aminareo ny zavatra any an-danitra Aho?
Če vam pozemeljske reči pravim, in ne verujete: kako boste verovali, če vam bom pravil nebeške?
13 Ary tsy nisy niakatra ho any an-danitra, afa-tsy Ilay nidina avy tany an-danitra, dia ny Zanak’ olona, Izay any an-danitra.
In nikdor ni stopil na nebo, razen kdor je z neba sešel, sin človečji, ki je na nebu.
14 Ary tahaka ny nanandratan’ i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’ olona,
In kakor je Mojzes povzdignil kačo v puščavi, tako se mora tudi sin človečji povišati:
15 mba hanana fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy. (aiōnios )
Da kdorkoli veruje va-nj, ne pogine, nego da ima večno življenje. (aiōnios )
16 Fa toy izao no nitiavan’ Andriamanitra izao tontolo izao: nomeny ny Zanani-lahy Tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana fiainana mandrakizay. (aiōnios )
Kajti tako je Bog ljubil svet, da je sina svojega edinorojenega dal, da kdorkoli veruje va-nj, ne pogine, nego da ima večno življenje. (aiōnios )
17 Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka ho amin’ izao tontolo izao hanameloka izao tontolo izao, fa mba hamonjeny izao tontolo izao.
Bog namreč ni poslal sina svojega na svet, da bi svet sodil, nego da se svet zveliča po njem.
18 Izay mino Azy dia tsy helohina; fa izay tsy mino kosa dia efa voaheloka rahateo, satria tsy nino ny anaran’ ny Zanaka-lahy Tokan’ Andriamanitra izy.
Kdor veruje va-nj, ne bo sojen; kdor pa ne veruje, sojen je uže, ker ne veruje v ime edinorojenega sina Božjega.
19 Ary izao no fanamelohana, fa tonga amin’ izao tontolo izao ny mazava, nefa aleon’ ny olona ny maizina toy izay ny mazava, satria ratsy ny asany.
Sodba je pa to, da je luč prišla na svet; ali ljudjé so bolj ljubili temo, nego luč: kajti njih dela so bila hudobna.
20 Fa izay rehetra manao ratsy dia mankahala ny mazava sady tsy manatona ny mazava, fandrao hita miharihary ny asany.
Vsak namreč, kdor dela hudobno, sovraži luč, in ne hodi k luči, da se ne posvaré dela njegova;
21 Fa izay manao ny marina kosa dia manatona ny mazava, mba haseho ny asany, fa atao amin’ Andriamanitra izany.
Kdor pa dela resnico, hodi k luči, da se dela njegova razodenejo, ker so v Bogu storjena.
22 Rehefa afaka izany, dia tonga tany amin’ ny tany Jodia Jesosy sy ny mpianany; ary niara-nitoetra taminy tao Izy sady nanao batisa.
Po tem pride Jezus in učenci njegovi v Judejsko zemljo. In tu je prebival ž njimi in krščeval.
23 Ary Jaona koa nanao batisa tao Ainona, akaikin’ i Saleima, satria nisy loharano maro tao; dia nankany ny olona ka nataony batisa.
Krščeval je pa tudi Janez v Enonu blizu Salima, ker je bilo tam veliko vode; in dohajali so, in krščeval jih je.
24 Fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina Jaona.
Kajti Janez še ni bil vržen v ječo.
25 Ary nisy nifandiran’ ny mpianatr’ i Jaona tamin’ ny Jiosy anankiray ny amin’ ny fanadiovana;
Vstane pa vprašanje med učenci Janezovimi in Judi ob očiščevanji.
26 ary tonga tany amin’ i Jaona ny mpianany ka nanao taminy hoe: Raby ô, Ilay tany aminao, tany an-dafin’ i Jordana, Izay nambaranao, indro, manao batisa Izy, ary ny olona rehetra manatona Azy.
Ter pridejo k Janezu in mu rekó: Rabi! ta, ki je bil s teboj onkraj Jordana, za kogar si ti pričal, glej, krščuje, in vsi gredó k njemu.
27 Jaona namaly ka nanao hoe: Tsy misy olona mahay mandray na inona na inona, raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany.
Janez odgovorí in reče: Človek ne more ničesar vzeti, če mu ne bo dano z neba.
28 Hianareo no vavolombeloko fa hoy izaho: Tsy izaho no Kristy, fa nirahiny hialoha Azy aho.
Vi sami mi pričate, da sem rekel: Jaz nisem Kristus, nego poslan sem pred njim.
29 Izay manana ny ampakarina no mpampakatra; fa ny sakaizan’ ny mpampakatra, izay mitsangana sy mihaino azy, dia mifaly indrindra noho ny feon’ ny mpampakatra; ary efa tanteraka izany fifaliako izany.
Kdor ima nevesto, ženin je; prijatelj pa ženinov, kteri stoji in ga posluša, z radostjo se raduje glasu ženinovemu. Ta torej radost moja se je izpolnila.
30 Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena.
On mora rasti, a jaz manjšati se.
31 Izay avy any ambony dia ambonin’ izy rehetra; ary izay avy amin’ ny tany dia avy amin’ ny tany, ka ny momba ny etỳ an-tany ihany no lazainy; Izay avy any an-danitra dia ambonin’ izy rehetra;
Kdor od zgoraj prihaja, ta je nad vsemi. Kdor je z zemlje, ta je od zemlje, in govorí od zemlje; kdor je prišel z neba, ta je nad vsemi,
32 koa izay hitany sy reny no ambarany; ary tsy misy mandray ny fanambarany.
In kar je videl in slišal, to priča: ali pričevanja njegovega nikdor ne sprejema.
33 Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra.
Kdor sprejme njegovo pričevanje, potrdil je, da je Bog resničen.
34 Fa Izay nirahin’ Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan’ Andriamanitra ny Fanahy.
Kajti kogar je poslal Bog, besede Božje govorí: Bog namreč ne daje Duha na mero.
35 Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany.
Oče ljubi sina, in vse mu je dal v roko.
36 Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay; fa izay tsy mino ny Zanaka dia tsy hahita fiainana, fa ny fahatezeran’ Andriamanitra no mitoetra eo aminy. (aiōnios )
Kdor veruje v sina, ima večno življenje; a kdor ne veruje v sina, ne bo videl življenja, nego jeza Božja prebiva na njem. (aiōnios )