< Jaona 21 >

1 Rehefa afaka izany, dia niseho tamin’ ny mpianatra indray Jesosy teo amoron’ ny Ranomasin’ i Tiberiasy; ary toy izao no nisehoany:
Bayan wadannan abubuwa, Yesu ya sake bayyana kansa ga almajiran a bakin tekun Tibariya. Ga yadda ya bayyana kansa:
2 Niaraka Simona Petera sy Tomasy, izay atao hoe Didymo, sy Natanaela, ilay avy tany Kana any Galilia, sy ireo zanak’ i Zebedio ary mpianatra roa lahy hafa koa.
Saminu Bitrus na tare da Toma wanda ake kira Dan Tagwai, da Natana'ilu daga Kana ta kasar Galili, da 'ya'yan nan na Zabadi, da kuma wadansu almajiran Yesu biyu.
3 Hoy Simona Petera taminy: Handeha hanarato aho. Hoy ireo taminy: Handeha hiaraka aminao koa izahay. Dia nandeha izy ka niditra an-tsambokely, ary tamin’ iny alina iny dia tsy nahazo na inona na inona akory izy.
Saminu Bitrus yace masu, “Zani su.” sukace masa “Mu ma za mu je tare da kai.” Sai suka fita suka shiga jirgi, amma a daren nan basu kama komai ba.
4 Ary nony efa nazava ratsy ny andro, dia nitsangana teo amoron-dranomasina Jesosy, kanefa tsy fantatry ny mpianatra ho Jesosy izany.
To, gari na wayewa, sai ga Yesu tsaye a bakin gaci, amma almajiran basu gane cewa Yesu bane.
5 Dia hoy Jesosy taminy: Anaka, manan-kanina va ianareo? Dia namaly Azy hoe izy: Tsia.
Sai Yesu yace masu, “Samari, kuna da wani abinda za a ci?” Suka amsa masa sukace “A'a”.
6 Ary hoy Izy taminy: Alatsaho eo amin’ ny sisiny ankavanan’ ny sambokely ny haratonareo, dia hahazo ianareo. Koa dia nalatsany izany, ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ ny hazandrano.
Yace masu, “Ku jefa taru dama da jirgin zaku samu wasu.” Suka jefa tarunsu har suka kasa jawo shi don yawan kifin.
7 Ary hoy ny mpianatra izay tian’ i Jesosy tamin’ i Petera: Ny Tompo iry. Ary raha ren’ i Simona Petera fa ny Tompo iny, dia nisikinany ny akanjo ivelany (fa tsy niakanjo izy), ka nirotsaka teo amin’ ny ranomasina izy.
Sai almajirin nan da Yesu yake kauna yace wa Bitrus, “Ubangiji ne fa!” Da Saminu Bitrus yaji, Ashe, Ubangiji ne, yayi damara da taguwarsa, (don a tube yake), ya fada a tekun.
8 Fa ny mpianatra sasany nandeha an-tsambokely ihany nisarika ny harato feno hazandrano; fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roan-jato hakiho ihany.
Sauran almajiran kuwa suka zo a cikin karamin jirgi, (domin basu da nisa da kasa, kamar kamu dari biyu zuwa sama), janye da tarun cike da kifi.
9 Raha vao nikatra teo an-tanety izy, dia nahita afon’ arina teo sy hazandrano teo amboniny ary mofo.
Da isowarsu gaci, sai suka ga garwashin wuta a wurin da kifi akai, da kuma gurasa.
10 Hoy Jesosy taminy: Analao hazandrano amin’ ireo vao azonareo teo.
Yesu ya ce masu “Ku kawo wandansu daga cikin kifin da kuka kama yanzu”.
11 Dia niakatra Simona Petera, ka nosarihany ho eo an-tanety ny harato feno hazandrano vaventy, telo amby dimam-polo amby zato; ary na dia be tahaka izany aza izy, dia tsy triatra ny harato.
Sai Saminu Bitrus ya hau, ya jawo tarun gaci, cike da manyan kifaye dari da hamsin da uku. Amma duk da yawansu, tarun bai tsage ba.
12 Hoy Jesosy taminy: Avia hisakafo. Fa tsy nisy mpianatra sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Hianao? satria fantany ihany fa ny Tompo Izy.
Yesu yace masu, “Ku zo ku karya kumallo”. Daga cikin almajiran kuwa babu wanda yayi karfin halin tambayarsa “Ko shi wanene?” Domin sunsani Ubangiji ne.
13 Ary tonga Jesosy, dia nandray ny mofo, ka natolony azy, dia vao ny hazandrano indray.
Yesu zo ya dauki gurasar ya ba su, haka kuma kifin.
14 Izany no fanintelon’ ny nisehoan’ i Jesosy tamin’ ny mpianatra, rehefa nitsangana tamin’ ny maty Izy.
Wannan shine karo na uku da Yesu ya bayyana ga almajiransa bayan tashinsa daga matattu.
15 Ary rehefa nisakafo izy, dia hoy Jesosy tamin’ i Simona Petera: Simona, zanak’ i Jaona, moa ny fitiavanao Ahy mihoatra noho ny fitiavan’ ireto? Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Fahano ary ny ondrikeliko.
Da suka karya kumallon, Yesu yace wa Saminu Bitrus, “Bitrus dan Yahaya, kana kaunata fiye da wadannan?” Bitrus yace masa “I ya Ubangiji, ka sani ina kaunarka” Yesu yace masa “Ka ciyar da 'ya'yan tumakina”.
16 Hoy indray Izy taminy fanindroany: Simona, zanak’ i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia hoy izy taminy: Eny, Tompoko; Hianao mahalala fa tia Anao aho. Dia hoy Izy taminy: Andraso ary ny ondriko.
Ya sake fada masa karo na biyu, “Saminu Dan Yahaya, kana kaunata?” Bitrus Yace masa “I ya Ubangiji, ka sani ina kaunarka”. Yesu yace masa, “Ka lura da Tumakina”.
17 Hoy Izy fanintelony: Simona, zanak’ i Jaona, moa tia Ahy va ianao? Dia nalahelo Petera, satria Izy nanao intelo taminy hoe: Moa tia Ahy va ianao? Ka hoy izy taminy: Tompoko, Hianao mahalala ny zavatra rehetra; fantatrao fa tia Anao aho. Hoy Jesosy taminy: Fahano ary ny ondriko.
Ya sake fada masa, karo na uku, “Bitrus Dan Yahaya, kana kaunata? Sai Bitrus bai ji dadi ba domin Yesu ya fada masa karo na uku, “Kana kaunata” Yace masa, “Ubangiji ka san komai duka, ka sani ina kaunarka.” Yesu yace masa “Ka ciyar da tumaki na.
18 Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha mbola tanora ianao, dia nisikina ka nandeha tamin’ izay tianao; fa rehefa antitra kosa ianao, dia haninjitra ny tananao, ary olon-kafa no hanikina anao ka hitondra anao amin’ izay tsy tianao.
Hakika, hakika, Ina gaya maka, lokacin da kake kuruciyarka, kakan yi wa kanka damara, ka tafi inda ka ga dama. amma in ka tsufa, zaka mike hannuwanka wani yayi maka damara, ya kai ka inda baka nufa ba.”
19 Ary izany no nolazainy hanambara ny fomban’ ny fahafatesana izay hankalazany an’ Andriamanitra. Ary rehefa voalazany izany, dia hoy Izy taminy: Manaraha Ahy.
To Yesu ya fadi haka ne domin ya nuna irin mutuwar da Bitrus zai yi ga daukakar Allah. Bayan ya fadi haka, sai yace wa Bitrus, ka biyo ni.
20 Dia nitodika Petera ka nahita ny mpianatra izay tian’ i Jesosy manaraka, dia ilay niankina tamin’ ny tratrany tamin’ ny fisakafoana ka nanao hoe: Tompoko, iza no hamadika Anao?
Bitrus ya juya sai ya ga almajirin da Yesu yake kauna yana biye dasu; wanda ya jingina a kirgin Yesu lokacin cin jibin nan da yace “Ya Ubangiji, wanene zai bashe ka?”
21 Koa rehefa nahita azy Petera, dia hoy izy: Tompoko, inona no ho amin’ ity lehilahy ity?
Da Bitrus ya gan shi, yace wa Yesu “Ya Ubangiji, Me mutumin nan zai yi?”
22 Hoy Jesosy taminy: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany? fa manaraha Ahy ianao.
Yesu yace masa, “Idan ina so ya zauna har in dawo ina ruwanka? Ka biyo ni.”
23 Ary niely tamin’ ny rahalahy izany teny izany, fa tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa Jesosy tsy nilaza taminy fa tsy ho faty izy, fa: Raha tiako hitoetra izy mandra-pihaviko, ahoanao izany?
Wannan zance ya yadu cikin 'yan'uwa cewa, wannan almajirin ba zai mutu ba. Alhali Yesu bai cewa Bitrus, wannan almajirin ba zai mutu ba, Amma “Idan ina so ya zauna har in dawo ina ruwanka?”
24 Izy no ilay mpianatra izay vavolombelona manambara izany sy nanoratra izany; ary fantatsika fa marina ny fanambarany.
Wannan shine almajirin da yake shaida wadannan abubuwa, wanda ya rubuta su, kuma mun tabbata shaidarsa gaskiya ne.
25 Ary misy zavatra maro hafa koa izay nataon’ i Jesosy, ka raha voasoratra tsirairay avokoa izany rehetra izany, ataoko fa izao tontolo izao aza dia tsy omby ny boky voasoratra.
Akwai kuma sauran abubuwa da yawa wanda Yesu yayi. Idan da an rubuta kowannensu daya bayan daya, ina gaya maku, ko duniya bazata iya daukar litattafan da za a rubuta ba.

< Jaona 21 >