< Jaona 19 >

1 Ary tamin’ izany dia nalain’ i Pilato Jesosy ka nokapohiny.
Τότε οὖν ἔλαβεν ὁ Πιλάτος τὸν Ἰησοῦν, καὶ ἐμαστίγωσε.
2 Ary ny miaramila nandrandrana satroka tsilo, ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiny lamba volomparasy Izy,
Καὶ οἱ στρατιῶται πλέξαντες στέφανον ἐξ ἀκανθῶν ἐπέθηκαν αὐτοῦ τῇ κεφαλῇ, καὶ ἱμάτιον πορφυροῦν περιέβαλον αὐτόν,
3 dia nanatona Azy ireo ka niteny hoe: Arahaba, ry Mpanjakan’ ny Jiosy! sady namely tahamaina Azy izy.
καὶ ἔλεγον, Χαῖρε, ὁ βασιλεὺς τῶν Ἰουδαίων· καὶ ἐδίδουν αὐτῷ ῥαπίσματα.
4 Dia nivoaka indray Pilato ka nanao taminy hoe: Indro, izaho mitondra Azy mivoaka ho eto aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.
Ἐξῆλθεν οὖν πάλιν ἔξω ὁ Πιλάτος, καὶ λέγει αὐτοῖς, Ἴδε, ἄγω ὑμῖν αὐτὸν ἔξω, ἵνα γνῶτε ὅτι ἐν αὐτῷ οὐδεμίαν αἰτίαν εὑρίσκω.
5 Ary nivoaka Jesosy misatroka tsilo sy mitafy ny lamba volomparasy. Dia hoy Pilato tamin’ ny vahoaka: Indro ny Lehilahy!
Ἐξῆλθεν οὖν ὁ Ἰησοῦς ἔξω, φορῶν τὸν ἀκάνθινον στέφανον καὶ τὸ πορφυροῦν ἱμάτιον. Καὶ λέγει αὐτοῖς, Ἴδε, ὁ ἄνθρωπος.
6 Ary rehefa hitan’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha Jesosy, dia niantso ireo ka nanao hoe: Homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka homboy amin’ ny hazo fijaliana; fa izaho tsy mahita izay helony.
Ὅτε οὖν εἶδον αὐτὸν οἱ ἀρχιερεῖς καὶ οἱ ὑπηρέται, ἐκραύγασαν λέγοντες, Σταύρωσον, σταύρωσον αὐτόν. Λέγει αὐτοῖς ὁ Πιλάτος, Λάβετε αὐτὸν ὑμεῖς καὶ σταυρώσατε· ἐγὼ γὰρ οὐχ εὑρίσκω ἐν αὐτῷ αἰτίαν.
7 Fa ny Jiosy namaly azy hoe: Izahay manana lalàna, ary araka izany lalàna izany dia tokony ho faty Izy, satria nanao ny tenany ho Zanak’ Andriamanitra.
Ἀπεκρίθησαν αὐτῷ οἱ Ἰουδαῖοι, Ἡμεῖς νόμον ἔχομεν, καὶ κατὰ τὸν νόμον ἡμῶν ὀφείλει ἀποθανεῖν, ὅτι ἑαυτὸν υἱὸν Θεοῦ ἐποίησεν.
8 Ary nony ren’ i Pilato izany teny izany, dia vao mainka natahotra izy,
Ὅτε οὖν ἤκουσεν ὁ Πιλάτος τοῦτον τὸν λόγον, μᾶλλον ἐφοβήθη,
9 dia niditra tao anati-rova indray izy ka nanao tamin’ i Jesosy hoe: Avy aiza moa Hianao? Fa tsy namaly azy akory Jesosy.
καὶ εἰσῆλθεν εἰς τὸ πραιτώριον πάλιν, καὶ λέγει τῷ Ἰησοῦ, Πόθεν εἶ σύ; Ὁ δὲ Ἰησοῦς ἀπόκρισιν οὐκ ἔδωκεν αὐτῷ.
10 Dia hoy Pilato taminy: Tsy miteny amiko va Hianao? tsy fantatrao va fa manana fahefana handefa Anao aho, sady manana fahefana hanombo Anao amin’ ny hazo fijaliana koa?
Λέγει οὖν αὐτῷ ὁ Πιλάτος, Ἐμοὶ οὐ λαλεῖς; Οὐκ οἶδας ὅτι ἐξουσίαν ἔχω σταυρῶσαί σε, καὶ ἐξουσίαν ἔχω ἀπολῦσαί σε;
11 Jesosy namaly azy hoe: Hianao tsy manana fahefana amiko akory, raha tsy nomena anao avy any ambony; koa izay nanolotra Ahy taminao no manan-keloka bebe kokoa.
Ἀπεκρίθη Ἰησοῦς, Οὐκ εἶχες ἐξουσίαν οὐδεμίαν κατ᾽ ἐμοῦ, εἰ μὴ ἦν σοι δεδομένον ἄνωθεν· διὰ τοῦτο ὁ παραδιδούς μέ σοι μείζονα ἁμαρτίαν ἔχει.
12 Ary hatramin’ izany dia nitady handefa Azy Pilato; nefa ny Jiosy niantso ka nanao hoe: Raha alefanao io Lehilahy io, dia tsy mba sakaizan’ i Kaisara ianao; fa izay rehetra manao ny tenany ho mpanjaka dia manao teny manohitra an’ i Kaisara.
Ἐκ τούτου ἐζήτει ὁ Πιλάτος ἀπολῦσαι αὐτόν. Οἱ δὲ Ἰουδαῖοι ἔκραζον λέγοντες, Ἐὰν τοῦτον ἀπολύσῃς, οὐκ εἶ φίλος τοῦ Καίσαρος· πᾶς ὁ βασιλέα ἑαυτὸν ποιῶν, ἀντιλέγει τῷ Καίσαρι.
13 Ary rehefa ren’ i Pilato izany teny izany, dia nitondra an’ i Jesosy nivoaka izy ka nipetraka teo amin’ ny seza fitsarana teo amin’ ny fitoerana atao hoe Lampivato, fa amin’ ny teny Hebreo Gabata
Ὁ οὖν Πιλάτος ἀκούσας τοῦτον τὸν λόγον ἤγαγεν ἔξω τὸν Ἰησοῦν, καὶ ἐκάθισεν ἐπὶ τοῦ βήματος, εἰς τόπον λεγόμενον Λιθόστρωτον, Ἑβραϊστὶ δὲ Γαββαθᾶ·
14 ary andro fiomanana amin’ ny Paska ny andro, tokony ho tamin’ ny ora fahenina dia hoy izy tamin’ ny Jiosy: Indro ny Mpanjakanareo!
ἦν δὲ Παρασκευὴ τοῦ Πάσχα, ὥρα δὲ ὡσεὶ ἕκτη· καὶ λέγει τοῖς Ἰουδαίοις, Ἴδε, ὁ βασιλεὺς ὑμῶν.
15 Fa niantso ireo hoe: Ento, ento, homboy amin’ ny hazo fijaliana Izy! Hoy Pilato taminy: Hohomboako amin’ ny hazo fijaliana va ny Mpanjakanareo? Ny lohan’ ny mpisorona namaly hoe: Tsy manana mpanjaka afa-tsy Kaisara izahay.
Οἱ δὲ ἐκραύγασαν, Ἆρον, ἆρον, σταύρωσον αὐτόν. Λέγει αὐτοῖς ὁ Πιλάτος, Τὸν βασιλέα ὑμῶν σταυρώσω; Ἀπεκρίθησαν οἱ ἀρχιερεῖς, Οὐκ ἔχομεν βασιλέα εἰ μὴ Καίσαρα.
16 Ary tamin’ izany Pilato dia nanolotra Azy taminy mba hohomboana amin’ ny hazo fijaliana. Dia noraisin’ ireo Jesosy;
Τότε οὖν παρέδωκεν αὐτὸν αὐτοῖς ἵνα σταυρωθῇ. Παρέλαβον δὲ τὸν Ἰησοῦν καὶ ἤγαγον·
17 ary Izy nitondra ny hazo fijaliany, dia nankany amin’ ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin’ ny teny Hebreo hoe Golgota.
καὶ βαστάζων τὸν σταυρὸν αὐτοῦ ἐξῆλθεν εἰς τόπον λεγόμενον Κρανίου Τόπον, ὃς λέγεται Ἑβραϊστὶ Γολγοθᾶ·
18 Teo no nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana, ary nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany.
ὅπου αὐτὸν ἐσταύρωσαν, καὶ μετ᾽ αὐτοῦ ἄλλους δύο, ἐντεῦθεν καὶ ἐντεῦθεν, μέσον δὲ τὸν Ἰησοῦν.
19 Ary Pilato nanoratra anarana, ka napetany teo amin’ ny hazo fijaliana. Ary izao no voasoratra: JESOSY AVY ANY NAZARETA, MPANJAKAN’ NY JIOSY.
Ἔγραψε δὲ καὶ τίτλον ὁ Πιλάτος, καὶ ἔθηκεν ἐπὶ τοῦ σταυροῦ· ἦν δὲ γεγραμμένον, Ἰησοῦς ὁ Ναζωραῖος ὁ βασιλεὺς τῶν Ἰουδαίων.
20 Ary izany anarana izany dia novakin’ ny Jiosy maro, fa akaikin’ ny tanàna ny tany izay nanomboana an’ i Jesosy tamin’ ny hazo fijaliana; ary voasoratra tamin’ ny teny Hebreo sy Romana sy Grika izany.
Τοῦτον οὖν τὸν τίτλον πολλοὶ ἀνέγνωσαν τῶν Ἰουδαίων, ὅτι ἐγγὺς ἦν ὁ τόπος τῆς πόλεως ὅπου ἐσταυρώθη ὁ Ἰησοῦς· καὶ ἦν γεγραμμένον Ἑβραϊστί, Ἑλληνιστί, Ῥωμαϊστί.
21 Ary noho izany ny lohan’ ny mpisorona tamin’ ny Jiosy dia nanao tamin’ i Pilato hoe; Aza soratana hoe: Mpanjakan’ ny Jiosy; fa izao: Izy no nilaza hoe: Mpanjakan’ ny Jiosy Aho.
Ἔλεγον οὖν τῷ Πιλάτῳ οἱ ἀρχιερεῖς τῶν Ἰουδαίων, Μὴ γράφε, Ὁ βασιλεὺς τῶν Ἰουδαίων· ἀλλ᾽ ὅτι Ἐκεῖνος εἶπε, Βασιλεύς εἰμι τῶν Ἰουδαίων.
22 Pilato namaly hoe: Izay voasoratro dia voasoratro.
Ἀπεκρίθη ὁ Πιλάτος, Ὃ γέγραφα, γέγραφα.
23 Ary rehefa voahombon’ ny miaramila tamin’ ny hazo fijaliana Jesosy, dia nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, samy nanana ny anjarany avy ny miaramila; ary ny akanjony koa; fa tsy nisy vitrana ny akanjony, fa tenona iray ihany.
Οἱ οὖν στρατιῶται, ὅτε ἐσταύρωσαν τὸν Ἰησοῦν, ἔλαβον τὰ ἱμάτια αὐτοῦ, καὶ ἐποίησαν τέσσαρα μέρη, ἑκάστῳ στρατιώτῃ μέρος, καὶ τὸν χιτῶνα. Ἦν δὲ ὁ χιτὼν ἄραφος, ἐκ τῶν ἄνωθεν ὑφαντὸς δι᾽ ὅλου.
24 Dia niresaka hoe izy: Aza mba triarintsika, fa aoka hilokantsika ho an’ izay hahazo azy; mba hahatanteraka ny Soratra Masìna manao hoe: Nozarainy ny fitafiako, ary nilokany ny akanjoko. Izany zavatra izany no nataon’ ny miaramila.
Εἶπον οὖν πρὸς ἀλλήλους, Μὴ σχίσωμεν αὐτόν, ἀλλὰ λάχωμεν περὶ αὐτοῦ, τίνος ἔσται· ἵνα ἡ γραφὴ πληρωθῇ ἡ λέγουσα, Διεμερίσαντο τὰ ἱμάτιά μου ἑαυτοῖς, καὶ ἐπὶ τὸν ἱματισμόν μου ἔβαλον κλῆρον. Οἱ μὲν οὖν στρατιῶται ταῦτα ἐποίησαν.
25 Ary nijanona teo akaikin’ ny hazo fijalian’ i Jesosy ny reniny sy ny rahavavin-dreniny, Maria, vadin’ i Klopa, sy Maria Magdalena.
Εἱστήκεισαν δὲ παρὰ τῷ σταυρῷ τοῦ Ἰησοῦ ἡ μήτηρ αὐτοῦ, καὶ ἡ ἀδελφὴ τῆς μητρὸς αὐτοῦ, Μαρία ἡ τοῦ Κλωπᾶ, καὶ Μαρία ἡ Μαγδαληνή.
26 Ary nony hitan’ i Jesosy ny reniny sy ilay mpianatra tiany nijanona teo, dia hoy Izy tamin’ ny reniny: Ravehivavy, indro ny zanakao!
Ἰησοῦς οὖν ἰδὼν τὴν μητέρα, καὶ τὸν μαθητὴν παρεστῶτα ὃν ἠγάπα, λέγει τῇ μητρὶ αὐτοῦ, Γύναι, ἰδοὺ ὁ υἱός σου.
27 Ary hoy koa Izy tamin’ ilay mpianatra: Indro ny reninao! Ary tamin’ izany ora izany dia noraisin’ ilay mpianatra ho any aminy izy.
Εἶτα λέγει τῷ μαθητῇ, Ἰδοὺ ἡ μήτηρ σου. Καὶ ἀπ᾽ ἐκείνης τῆς ὥρας ἔλαβεν ὁ μαθητὴς αὐτὴν εἰς τὰ ἴδια.
28 Ary rehefa afaka izany, dia fantatr’ i Jesosy fa efa vita ny zavatra rehetra tamin’ izay, mba hahatanteraka ny Soratra Masìna, dia hoy Izy: Mangetaheta Aho.
Μετὰ τοῦτο ἰδὼν ὁ Ἰησοῦς ὅτι πάντα ἤδη τετέλεσται, ἵνα τελειωθῇ ἡ γραφή, λέγει, Διψῶ.
29 Ary nisy bakoly feno vinaingitra nipetraka teo; ary nisy sipaonjy feno vinaingitra notohiziny tamin’ ny hysopa ka nataony tamin’ ny vavany.
Σκεῦος οὖν ἔκειτο ὄξους μεστόν· οἱ δέ, πλήσαντες σπόγγον ὄξους, καὶ ὑσσώπῳ περιθέντες, προσήνεγκαν αὐτοῦ τῷ στόματι.
30 Ary rehefa nanandrana ny vinaingitra Jesosy, dia nanao hoe: Vita; dia nanondrika ny lohany Izy ka nanolotra ny fanahiny.
Ὅτε οὖν ἔλαβε τὸ ὄξος ὁ Ἰησοῦς, εἶπε, Τετέλεσται· καὶ κλίνας τὴν κεφαλήν, παρέδωκε τὸ πνεῦμα.
31 Ary satria andro fiomanana ny andro, dia nangataka tamin’ i Pilato ny Jiosy mba hotapahina ny ranjon’ ireo, ary hesorina ny faty, mba tsy ho tratry ny andro Sabata eo amin’ ny hazo fijaliana, satria andro lehibe izany Sabata izany.
Οἱ οὖν Ἰουδαῖοι, ἵνα μὴ μείνῃ ἐπὶ τοῦ σταυροῦ τὰ σώματα ἐν τῷ σαββάτῳ, ἐπεὶ Παρασκευὴ ἦν—ἦν γὰρ μεγάλη ἡ ἡμέρα ἐκείνου τοῦ σαββάτου—ἠρώτησαν τὸν Πιλάτον ἵνα κατεαγῶσιν αὐτῶν τὰ σκέλη, καὶ ἀρθῶσιν.
32 Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ ny voalohany sy ny an’ ny anankiray koa izay niaraka nohomboana tamin’ i Jesosy tamin’ ny hazo fijaliana.
Ἦλθον οὖν οἱ στρατιῶται, καὶ τοῦ μὲν πρώτου κατέαξαν τὰ σκέλη καὶ τοῦ ἄλλου τοῦ συσταυρωθέντος αὐτῷ·
33 Fa nony nankeo amin’ i Jesosy izy, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka dia tsy mba notapahiny ny ranjony.
ἐπὶ δὲ τὸν Ἰησοῦν ἐλθόντες, ὡς εἶδον αὐτὸν ἤδη τεθνηκότα, οὐ κατέαξαν αὐτοῦ τὰ σκέλη·
34 Fa ny miaramila anankiray nandefona ny lanivoany, ary niaraka tamin’ izay dia nisy rà sy rano nandeha.
ἀλλ᾽ εἷς τῶν στρατιωτῶν λόγχῃ αὐτοῦ τὴν πλευρὰν ἔνυξε, καὶ εὐθέως ἐξῆλθεν αἷμα καὶ ὕδωρ.
35 Ary ilay nahita dia vavolombelona manambara, ary marina ny fanambarany; ary fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa.
Καὶ ὁ ἑωρακὼς μεμαρτύρηκε, καὶ ἀληθινή ἐστιν αὐτοῦ ἡ μαρτυρία, κἀκεῖνος οἶδεν ὅτι ἀληθῆ λέγει, ἵνα ὑμεῖς πιστεύσητε.
36 Fa tonga izany mba hahatanteraka ny Soratra Masìna hoe: Tsy hisy hotapahina ny taolany.
Ἐγένετο γὰρ ταῦτα ἵνα ἡ γραφὴ πληρωθῇ, Ὀστοῦν οὐ συντριβήσεται ἀπ᾽ αὐτοῦ.
37 Ary hoy koa ny teny iray ao amin’ ny Soratra Masìna: Hijery Izay nolefoniny izy.
Καὶ πάλιν ἑτέρα γραφὴ λέγει, Ὄψονται εἰς ὃν ἐξεκέντησαν.
38 Ary rehefa afaka izany, Josefa avy any Arimatia (mpianatr’ i Jesosy izy, nefa tamin’ ny mangingina ihany noho ny fahatahorany ny Jiosy) dia nangataka tamin’ i Pilato, mba hahazoany manaisotra ny fatin’ i Jesosy. Ary nanaiky Pilato. Dia lasa izy ka nanaisotra ny fatin’ i Jesosy.
Μετὰ ταῦτα ἠρώτησε τὸν Πιλάτον Ἰωσὴφ ὁ ἀπὸ Ἀριμαθαίας, ὢν μαθητὴς τοῦ Ἰησοῦ, κεκρυμμένος δὲ διὰ τὸν φόβον τῶν Ἰουδαίων, ἵνα ἄρῃ τὸ σῶμα τοῦ Ἰησοῦ· καὶ ἐπέτρεψεν ὁ Πιλάτος. Ἦλθεν οὖν καὶ ἦρε τὸ σῶμα τοῦ Ἰησοῦ.
39 Ary tonga koa Nikodemosy (ilay nankao amin’ i Jesosy nony alina tamin’ ny voalohany) ka nitondra miora sy hazo manitra voaharoharo, tokony ho zato livatra.
Ἦλθε δὲ καὶ Νικόδημος, ὁ ἐλθὼν πρὸς τὸν Ἰησοῦν νυκτὸς τὸ πρῶτον, φέρων μίγμα σμύρνης καὶ ἀλόης ὡς λίτρας ἑκατόν.
40 Dia noraisiny ny fatin’ i Jesosy ka nofonosiny lambam-paty mbamin’ ny zava-manitra, araka ny fanaon’ ny Jiosy, raha mamboatra faty halevina.
Ἔλαβον οὖν τὸ σῶμα τοῦ Ἰησοῦ, καὶ ἔδησαν αὐτὸ ἐν ὀθονίοις μετὰ τῶν ἀρωμάτων, καθὼς ἔθος ἐστὶ τοῖς Ἰουδαίοις ἐνταφιάζειν.
41 Ary nisy saha teo amin’ ilay nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana; ary teo anatin’ ilay saha nisy fasana vaovao, izay tsy mbola nandevenana olona.
Ἦν δὲ ἐν τῷ τόπῳ ὅπου ἐσταυρώθη κῆπος, καὶ ἐν τῷ κήπῳ μνημεῖον καινόν, ἐν ᾧ οὐδέπω οὐδεὶς ἐτέθη.
42 Ary teo no nandevenany an’ i Jesosy noho ny andro fiomanan’ ny Jiosy, satria teo akaiky ny fasana.
Ἐκεῖ οὖν διὰ τὴν Παρασκευὴν τῶν Ἰουδαίων, ὅτι ἐγγὺς ἦν τὸ μνημεῖον, ἔθηκαν τὸν Ἰησοῦν.

< Jaona 19 >