< Jaona 18 >

1 Rehefa voalazan’ i Jesosy izany teny izany, dia nandeha Izy mbamin’ ny mpianany ka nita ny lohasahan-driaka Kidrona; ary nisy saha teo, izay nidiran’ izy sy ny mpianany.
তাঃ কথাঃ কথযিৎৱা যীশুঃ শিষ্যানাদায কিদ্রোন্নামকং স্রোত উত্তীর্য্য শিষ্যৈঃ সহ তত্রত্যোদ্যানং প্রাৱিশৎ|
2 Ary Jodasy koa, ilay namadika Azy, dia nahalala izany tany izany, satria mpankao matetika Jesosy mbamin’ ny mpianany.
কিন্তু ৱিশ্ৱাসঘাতিযিহূদাস্তৎ স্থানং পরিচীযতে যতো যীশুঃ শিষ্যৈঃ সার্দ্ধং কদাচিৎ তৎ স্থানম্ অগচ্ছৎ|
3 Ary Jodasy, rehefa nahazo ny miaramila iray toko sy mpiandry raharaha avy tamin’ ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo, dia nankeo nitondra fanilo sy fanala ary fiadiana.
তদা স যিহূদাঃ সৈন্যগণং প্রধানযাজকানাং ফিরূশিনাঞ্চ পদাতিগণঞ্চ গৃহীৎৱা প্রদীপান্ উল্কান্ অস্ত্রাণি চাদায তস্মিন্ স্থান উপস্থিতৱান্|
4 Ary satria fantatr’ i Jesosy izay rehetra hanjo Azy, dia nivoaka Izy ka nanao tamin’ ireo hoe: Iza moa no tadiavinareo?
স্ৱং প্রতি যদ্ ঘটিষ্যতে তজ্ জ্ঞাৎৱা যীশুরগ্রেসরঃ সন্ তানপৃচ্ছৎ কং গৱেষযথ?
5 Ary ireo namaly Azy hoe: Jesosy avy any Nazareta. Hoy Jesosy taminy: Izaho no Izy. Ary teo koa Jodasy, ilay namadika Azy.
তে প্রত্যৱদন্, নাসরতীযং যীশুং; ততো যীশুরৱাদীদ্ অহমেৱ সঃ; তৈঃ সহ ৱিশ্ৱাসঘাতী যিহূদাশ্চাতিষ্ঠৎ|
6 Ary raha Jesosy vao nilaza taminy hoe: Izaho no Izy, dia nianotra ireo ka lavo tamin’ ny tany.
তদাহমেৱ স তস্যৈতাং কথাং শ্রুৎৱৈৱ তে পশ্চাদেত্য ভূমৌ পতিতাঃ|
7 Ary Jesosy nanontany azy indray hoe: Iza moa no tadiavinareo? Dia hoy izy: Jesosy avy any Nazareta.
ততো যীশুঃ পুনরপি পৃষ্ঠৱান্ কং গৱেষযথ? ততস্তে প্রত্যৱদন্ নাসরতীযং যীশুং|
8 Jesosy namaly hoe: Efa nolazaiko taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto;
তদা যীশুঃ প্রত্যুদিতৱান্ অহমেৱ স ইমাং কথামচকথম্; যদি মামন্ৱিচ্ছথ তর্হীমান্ গন্তুং মা ৱারযত|
9 mba hahatanteraka ny teny izay nataony hoe: Tsy nasiako very izay nomenao Ahy.
ইত্থং ভূতে মহ্যং যাল্লোকান্ অদদাস্তেষাম্ একমপি নাহারযম্ ইমাং যাং কথাং স স্ৱযমকথযৎ সা কথা সফলা জাতা|
10 Ary Simona Petera nanana sabatra, dia nanatsoaka azy ka nikapa ny mpanompon’ ny mpisoronabe ary nahafaka ny sofiny ankavanana. Ary Malko no anaran’ ilay mpanompo.
১০তদা শিমোন্পিতরস্য নিকটে খঙ্গল্স্থিতেঃ স তং নিষ্কোষং কৃৎৱা মহাযাজকস্য মাল্খনামানং দাসম্ আহত্য তস্য দক্ষিণকর্ণং ছিন্নৱান্|
11 Dia hoy Jesosy tamin’ i Petera: Ampidiro amin’ ny tranony ny sabatrao; ny kapoaka nomen’ ny Raiko Ahy tsy hosotroiko va?
১১ততো যীশুঃ পিতরম্ অৱদৎ, খঙ্গং কোষে স্থাপয মম পিতা মহ্যং পাতুং যং কংসম্ অদদাৎ তেনাহং কিং ন পাস্যামি?
12 Ary ny miaramila iray toko sy ny mpifehy arivo ary ny mpiandry raharaha tamin’ ny Jiosy dia nisambotra an’ i Jesosy ka namatotra Azy,
১২তদা সৈন্যগণঃ সেনাপতি র্যিহূদীযানাং পদাতযশ্চ যীশুং ঘৃৎৱা বদ্ধ্ৱা হানন্নাম্নঃ কিযফাঃ শ্ৱশুরস্য সমীপং প্রথমম্ অনযন্|
13 dia nitondra Azy tany amin’ i Anasy aloha, fa izy no rafozan’ i Kaiafa, mpisoronabe tamin’ izany taona izany.
১৩স কিযফাস্তস্মিন্ ৱৎসরে মহাযাজৎৱপদে নিযুক্তঃ
14 Ary Kaiafa no ilay nanome saina ny Jiosy fa mahatsara raha maty ny olona anankiray hamonjy ny firenena.
১৪সন্ সাধারণলোকানাং মঙ্গলার্থম্ একজনস্য মরণমুচিতম্ ইতি যিহূদীযৈঃ সার্দ্ধম্ অমন্ত্রযৎ|
15 Ary Simona Petera sy ny mpianatra anankiray koa dia nanaraka an’ i Jesosy; ary fantatry ny mpisoronabe izany mpianatra izany, dia niara-niditra tamin’ i Jesosy ho ao an-kianjan’ ny tranon’ ny mpisoronabe izy.
১৫তদা শিমোন্পিতরোঽন্যৈকশিষ্যশ্চ যীশোঃ পশ্চাদ্ অগচ্ছতাং তস্যান্যশিষ্যস্য মহাযাজকেন পরিচিতৎৱাৎ স যীশুনা সহ মহাযাজকস্যাট্টালিকাং প্রাৱিশৎ|
16 Fa Petera nijanona teo ala-trano teo am-bavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra anankiray, izay fantatry ny mpisoronabe, ka niteny tamin’ ny mpiandry vavahady, dia nitondra an’ i Petera niditra.
১৬কিন্তু পিতরো বহির্দ্ৱারস্য সমীপেঽতিষ্ঠদ্ অতএৱ মহাযাজকেন পরিচিতঃ স শিষ্যঃ পুনর্বহির্গৎৱা দৌৱাযিকাযৈ কথযিৎৱা পিতরম্ অভ্যন্তরম্ আনযৎ|
17 Ary hoy ny ankizivavy mpiandry vavahady tamin’ i Petera: Moa ianao mba isan’ ny mpianatr’ io Lehilahy io? Hoy izy: Tsia.
১৭তদা স দ্ৱাররক্ষিকা পিতরম্ অৱদৎ ৎৱং কিং ন তস্য মানৱস্য শিষ্যঃ? ততঃ সোৱদদ্ অহং ন ভৱামি|
18 Ary ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha namelona afon’ arina ka nijanona namindro teo, fa nangatsiaka ny andro; ary Petera koa mba nijanona niara-namindro taminy.
১৮ততঃ পরং যৎস্থানে দাসাঃ পদাতযশ্চ শীতহেতোরঙ্গারৈ র্ৱহ্নিং প্রজ্ৱাল্য তাপং সেৱিতৱন্তস্তৎস্থানে পিতরস্তিষ্ঠন্ তৈঃ সহ ৱহ্নিতাপং সেৱিতুম্ আরভত|
19 Ary ny mpisoronabe nanadina an’ i Jesosy ny amin’ ny mpianany sy ny fampianarany.
১৯তদা শিষ্যেষূপদেশে চ মহাযাজকেন যীশুঃ পৃষ্টঃ
20 Jesosy namaly azy hoe: Izaho niteny miharihary tamin’ izao tontolo izao; Izaho nampianatra mandrakariva tao amin’ ny synagoga sy ny kianjan’ ny tempoly, izay iangonan’ ny Jiosy rehetra; ary tsy nisy nolazaiko tao amin’ ny takona;
২০সন্ প্রত্যুক্তৱান্ সর্ৱ্ৱলোকানাং সমক্ষং কথামকথযং গুপ্তং কামপি কথাং ন কথযিৎৱা যৎ স্থানং যিহূদীযাঃ সততং গচ্ছন্তি তত্র ভজনগেহে মন্দিরে চাশিক্ষযং|
21 koa nahoana no manontany Ahy ianao? Ireo nihaino no anontanio izay nolazaiko taminy; fa ireo no mahalala izay nolazaiko.
২১মত্তঃ কুতঃ পৃচ্ছসি? যে জনা মদুপদেশম্ অশৃণ্ৱন্ তানেৱ পৃচ্ছ যদ্যদ্ অৱদং তে তৎ জানিন্ত|
22 Ary rehefa nilaza izany teny izany Izy, ny mpiandry raharaha anankiray izay nitsangana teo dia namely tahamaina an’ i Jesosy ka nanao hoe: Izany va no famalinao ny mpisoronabe?
২২তদেত্থং প্রত্যুদিতৎৱাৎ নিকটস্থপদাতি র্যীশুং চপেটেনাহত্য ৱ্যাহরৎ মহাযাজকম্ এৱং প্রতিৱদসি?
23 Jesosy namaly azy hoe: Raha niteny ratsy Aho, ambarao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?
২৩ততো যীশুঃ প্রতিগদিতৱান্ যদ্যযথার্থম্ অচকথং তর্হি তস্যাযথার্থস্য প্রমাণং দেহি, কিন্তু যদি যথার্থং তর্হি কুতো হেতো র্মাম্ অতাডযঃ?
24 Ary dia nasain’ i Anasy nentina tamin’ ny fatorany ho any amin’ i Kaiafa mpisoronabe Izy.
২৪পূর্ৱ্ৱং হানন্ সবন্ধনং তং কিযফামহাযাজকস্য সমীপং প্রৈষযৎ|
25 Ary Simona Petera nijanona namindro. Dia nisy nilaza taminy hoe: Moa ianao koa mba isan’ ny mpianany? Fa izy nandà ka nanao hoe: Tsia.
২৫শিমোন্পিতরস্তিষ্ঠন্ ৱহ্নিতাপং সেৱতে, এতস্মিন্ সমযে কিযন্তস্তম্ অপৃচ্ছন্ ৎৱং কিম্ এতস্য জনস্য শিষ্যো ন? ততঃ সোপহ্নুত্যাব্রৱীদ্ অহং ন ভৱামি|
26 Hoy ny anankiray tamin’ ny mpanompon’ ny mpisoronabe havan’ ilay nokapain’ i Petera ny sofiny: Tsy efa hitako teo aminy tao anaty saha va ianao?
২৬তদা মহাযাজকস্য যস্য দাসস্য পিতরঃ কর্ণমচ্ছিনৎ তস্য কুটুম্বঃ প্রত্যুদিতৱান্ উদ্যানে তেন সহ তিষ্ঠন্তং ৎৱাং কিং নাপশ্যং?
27 Dia nandà indray Petera; ary niaraka tamin’ izay dia nisy akoho naneno.
২৭কিন্তু পিতরঃ পুনরপহ্নুত্য কথিতৱান্; তদানীং কুক্কুটোঽরৌৎ|
28 Ary Jesosy dia nentiny niala tao amin’ i Kaiafa ho ao anati-rova; ary maraina koa ny andro tamin’ izay; nefa ireo tsy niditra tao anati-rova, fandrao ho voaloto, fa efa hihinana ny Paska izy.
২৮তদনন্তরং প্রত্যূষে তে কিযফাগৃহাদ্ অধিপতে র্গৃহং যীশুম্ অনযন্ কিন্তু যস্মিন্ অশুচিৎৱে জাতে তৈ র্নিস্তারোৎসৱে ন ভোক্তৱ্যং, তস্য ভযাদ্ যিহূদীযাস্তদ্গৃহং নাৱিশন্|
29 Ary Pilato nivoaka ho eo aminy teo ivelany ka nanao hoe: Inona moa no iampanganareo io Lehilahy io?
২৯অপরং পীলাতো বহিরাগত্য তান্ পৃষ্ঠৱান্ এতস্য মনুষ্যস্য কং দোষং ৱদথ?
30 Dia namaly ireo ka nanao taminy hoe: Raha tsy mpanao ratsy Izy, dia tsy mba natolotray anao.
৩০তদা তে পেত্যৱদন্ দুষ্কর্ম্মকারিণি ন সতি ভৱতঃ সমীপে নৈনং সমার্পযিষ্যামঃ|
31 Ary hoy Pilato taminy: Entonareo Izy, ka tsarao araka ny lalànareo. Hoy ny Jiosy taminy: Izahay tsy manam-pahefana hahafaty olona;
৩১ততঃ পীলাতোঽৱদদ্ যূযমেনং গৃহীৎৱা স্ৱেষাং ৱ্যৱস্থযা ৱিচারযত| তদা যিহূদীযাঃ প্রত্যৱদন্ কস্যাপি মনুষ্যস্য প্রাণদণ্ডং কর্ত্তুং নাস্মাকম্ অধিকারোঽস্তি|
32 mba hahatanteraka ny tenin’ i Jesosy izay nolazainy nanambara ny fomban’ ny fahafatesana izay efa hiaretany.
৩২এৱং সতি যীশুঃ স্ৱস্য মৃত্যৌ যাং কথাং কথিতৱান্ সা সফলাভৱৎ|
33 Ary niditra tao anati-rova indray Pilato, dia niantso an’ i Jesosy ka nanao taminy hoe: Hianao va no Mpanjakan’ ny Jiosy?
৩৩তদনন্তরং পীলাতঃ পুনরপি তদ্ রাজগৃহং গৎৱা যীশুমাহূয পৃষ্টৱান্ ৎৱং কিং যিহূদীযানাং রাজা?
34 Jesosy namaly hoe: Hevitrao ihany va no anaovanao izany, sa nisy hafa nilaza Ahy taminao?
৩৪যীশুঃ প্রত্যৱদৎ ৎৱম্ এতাং কথাং স্ৱতঃ কথযসি কিমন্যঃ কশ্চিন্ মযি কথিতৱান্?
35 Pilato namaly hoe: Moa aho Jiosy? Ny firenenao sy ny mpisoronabe no nanolotra Anao tamiko; inona moa no nataonao?
৩৫পীলাতোঽৱদদ্ অহং কিং যিহূদীযঃ? তৱ স্ৱদেশীযা ৱিশেষতঃ প্রধানযাজকা মম নিকটে ৎৱাং সমার্পযন, ৎৱং কিং কৃতৱান্?
36 Jesosy namaly hoe: Ny fanjakako tsy avy amin’ izao tontolo izao; fa raha mba avy amin’ izao tontolo izao ny fanjakako, dia ho niady ny mpanompoko, mba tsy ho voatolotra tamin’ ny Jiosy Aho; nefa ankehitriny tsy avy amin’ izany ny fanjakako.
৩৬যীশুঃ প্রত্যৱদৎ মম রাজ্যম্ এতজ্জগৎসম্বন্ধীযং ন ভৱতি যদি মম রাজ্যং জগৎসম্বন্ধীযম্ অভৱিষ্যৎ তর্হি যিহূদীযানাং হস্তেষু যথা সমর্পিতো নাভৱং তদর্থং মম সেৱকা অযোৎস্যন্ কিন্তু মম রাজ্যম্ ঐহিকং ন|
37 Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’ izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ ny marina dia mihaino ny feoko.
৩৭তদা পীলাতঃ কথিতৱান্, তর্হি ৎৱং রাজা ভৱসি? যীশুঃ প্রত্যুক্তৱান্ ৎৱং সত্যং কথযসি, রাজাহং ভৱামি; সত্যতাযাং সাক্ষ্যং দাতুং জনিং গৃহীৎৱা জগত্যস্মিন্ অৱতীর্ণৱান্, তস্মাৎ সত্যধর্ম্মপক্ষপাতিনো মম কথাং শৃণ্ৱন্তি|
38 Hoy Pilato taminy: Inona no marina? Ary rehefa nanontany izany izy, dia nivoaka nankeo amin’ ny Jiosy indray ka nanao taminy hoe: Tsy hitako izay helony, na dia kely akory aza.
৩৮তদা সত্যং কিং? এতাং কথাং পষ্ট্ৱা পীলাতঃ পুনরপি বহির্গৎৱা যিহূদীযান্ অভাষত, অহং তস্য কমপ্যপরাধং ন প্রাপ্নোমি|
39 Fa misy fanaonareo amin’ ny Paska, handefasako anankiray ho anareo; koa tianareo va raha halefako ho anareo ny Mpanjakan’ ny Jiosy?
৩৯নিস্তারোৎসৱসমযে যুষ্মাভিরভিরুচিত একো জনো মযা মোচযিতৱ্য এষা যুষ্মাকং রীতিরস্তি, অতএৱ যুষ্মাকং নিকটে যিহূদীযানাং রাজানং কিং মোচযামি, যুষ্মাকম্ ইচ্ছা কা?
40 Ary ireo niantso indray ka nanao hoe: Tsy Ilehio, fa Barabasy; koanefa jiolahy Barabasy.
৪০তদা তে সর্ৱ্ৱে রুৱন্তো ৱ্যাহরন্ এনং মানুষং নহি বরব্বাং মোচয| কিন্তু স বরব্বা দস্যুরাসীৎ|

< Jaona 18 >