< Jaona 16 >

1 Izany teny izany dia efa nolazaiko taminareo, mba tsy hahatafintohina anareo.
“Na fada maku wannan ne domin kada kuyi tuntube.
2 Handroaka anareo hiala amin’ ny synagoga izy; eny, ho avy ny andro, ka hataon’ izay rehetra mamono anareo fa manatitra fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitra izy.
Zasu fitar da ku daga majami'u. Amma, sa'a tana zuwa, wadda idan wani ya kasheku, zai yi zaton aikin Allah yake yi.
3 Ary izany no hataony, satria tsy fantany ny Ray na Izaho.
Za suyi haka ne kuwa domin ba su san Uban ko ni ba.
4 Fa izany teny izany efa nolazaiko taminareo, mba hotsaroanareo, raha tonga ny fotoan’ androny, fa Izaho efa nilaza izany taminareo. Ary tsy mba nolazaiko taminareo hatramin’ ny voalohany izany, satria mbola tatỳ aminareo ihany Aho.
Na fada maku wadannan abubuwa ne domin in lokacin da zasu faru yayi, ku tuna na fada maku.” Ban fada maku wadannan abubuwa ba tun da farko, domin ina tare da ku.
5 Fa ankehitriny mankany amin’ izay naniraka Ahy Aho, ary tsy misy aminareo manontany Ahy hoe: Hankaiza Hianao?
Yanzu kuwa za ni wurin wanda ya aiko ni, duk da haka a cikinku, ba wanda ya tambaye ni, 'Ina za ka?'
6 Fa satria nilaza izany taminareo Aho, dia vonton’ alahelo ny fonareo.
Amma saboda na fada maku wadannan abubuwa, bakin ciki ya cika zuciyarku.
7 Fa Izaho milaza ny marina aminareo; mahatsara anareo ny fialàko; fa raha tsy hiala Aho, dia tsy ho avy aminareo ny Mpananatra; fa raha handeha Aho, dia hirahiko hoy aminareo Izy.
Amma ina gaya maku gaskiya: zai fi ye maku in na tafi. Domin in ban tafi ba, Mai Ta'aziyya ba zai zo gare ku ba, in kuwa na tafi, zan aiko shi gare ku.
8 Ary raha tonga Izy, dia hampiaiky izao tontolo izao ny fahotana sy ny fahamarinana ary ny fitsarana:
Idan kuwa ya zo, Mai Ta'aziyyar zai fadarkar da duniya a kan zunubi, da adalci, da kuma hukunci.
9 ny fahotana, satria tsy mino Ahy izy;
Game da zunubi, domin basu gaskata da ni ba,
10 ny fahamarinana, satria mankany amin’ ny Ray Aho, ka tsy mahita Ahy intsony ianareo;
Game da adalci, domin za ni wurin Uba, kuma ba za ku sake ganina ba,
11 ny fitsarana, satria ny andrianan’ izao tontolo izao dia efa voatsara.
game da hukunci kuma, domin an yanke wa mai mulki duniyan nan hukunci.
12 Mbola manana zavatra maro holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny.
“Akwai abubuwa da yawa da zan gaya maku, amma ba za ku iya fahimta a yanzu ba.
13 Fa raha tonga ny Fanahin’ ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.
Saboda haka, sa'adda Ruhu na gaskiya ya zo, zai bishe ku a cikin dukan gaskiyar, domin ba zai yi magana don kansa ba, sai dai duk abin da ya ji, shi zai fada, zai kuma sanar da ku al'amuran da zasu faru.
14 Izy hankalaza Ahy; fa handray avy amin’ ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
Zai daukaka ni, domin zai dauko abubuwa dake nawa ya sanar da ku.
15 Izay rehetra ananan’ ny Ray dia Ahy avokoa, koa izany no nilazako fa mandray avy amin’ ny Ahy Izy ka hanambara izany aminareo.
Duk abinda Uba yake da shi, nawa ne. Domin wannan ne nace zai dauko abubuwa da yake nawa ya sanar da ku.
16 Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo.
“Bayan dan lokaci kadan, ba zaku kara ganina kuma ba. bayan dan lokaci kadan kuma, zaku gan ni.”
17 Ary ny mpianany sasany niresaka hoe: Inona izany nolazainy tamintsika hoe: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo; ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo, ary, satria mankany amin’ ny Ray Aho?
Sai wadansu almajiransa sukace wa juna, “Me nene wannan da yake fadi mana, 'Bayan dan lokaci kadan ba zaku gan ni ba, bayan dan lokaci kadan kuma zaku gan ni?' da kuma, ' zan tafi wurin Uba'?”
18 Ary hoy koa ireo: Inona izany lazainy hoe vetivety foana izany? Tsy fantatsika izay lazainy.
Saboda haka sukace, “Me nene wannan da yake fada, 'Bayan dan lokaci kadan'? Bamu san abinda yake fada mana ba.”
19 Ary Jesosy nahalala fa ta-hanontany Azy ireo, dia hoy Izy taminy: Mifanontany va ianareo, satria hoy Izaho: Vetivety foana dia tsy hahita Ahy ianareo, ary vetivety foana indray dia hahita Ahy ianareo?
Yesu kuwa ya ga suna so su tambaye shi, sai ya ce masu, “Wato kuna tambayar juna ne abinda nake nufi da cewa, “Bayan dan lokaci kadan ba zaku gan ni ba, bayan dan lokaci kadan kuma zaku gan ni'?
20 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Hitomany sy hisaona ianareo, fa izao tontolo izao kosa hifaly; ary ianareo halahelo, nefa ny alahelonareo hody fifaliana.
Hakika, hakika, ina gaya maku, zaku yi kuka da makoki, amma duniya za ta yi farin ciki, zaku cika da bakin ciki, amma bakin cikinku zai koma farin ciki.
21 Manam-pahoriana ny vehivavy raha miteraka, satria tonga ny fotoany; fa rehefa velon-jaza izy, dia tsy tsaroany intsony ilay fahoriany, noho ny fifaliany fa misy zaza nateraka ho ambonin’ ny tany.
Mace takan ji zafi lokacin da take nakuda don lokacin haihuwa ya zo. Amma da zarar ta haifi jinjirin nan, ba ta kara tunawa da zafin, domin ta na fariciki an haifi mutum a duniya.
22 Ary ianareo dia manana alahelo ankehitriny; fa hahita anareo indray Aho, dia ho faly ny fonareo, ary tsy misy olona manaisotra ny fifalianareo aminareo.
To yanzu dai kuna bakin ciki, amma zan sake ganinku, kuma ba wanda zai iya kwace maku wannan farin ciki.
23 Ary amin’ izany andro izany dia tsy hanontany Ahy na inona na inona ianareo; lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa na inona na inona hangatahinareo amin’ ny Ray dia homeny anareo amin’ ny anarako izany.
A rannan, ba zaku tambaye ni komai ba. Hakika hakika, ina gaya maku, komai kuka roki Uba a cikin sunana zai ba ku shi.
24 Mandraka ankehitriny dia tsy mbola nangataka na inona na inona tamin’ ny anarako ianareo; mangataha, dia hahazo ianareo, mba ho tanteraka ny fifalianareo.
Harwa yau, ba ku roki komai cikin sunana ba. Ku roka, zaku karba, domin farin cikin ku ya zama cikakke.”
25 Fanoharana no nilazako izany zavatra izany taminareo; fa ho avy ny andro izay tsy hilazako fanoharana aminareo intsony, fa hambarako tsotra aminareo ny amin’ ny Ray.
“Na fada maku wadannan abubuwa cikin karin magana. Amma sa'a tana zuwa da ba zan kara fada maku komai ba cikin karin magana, amaimakon haka zan gaya maku komai a sarari game da Uba.
26 Amin’ izany andro izany dia hangataka amin’ ny anarako ianareo; ary tsy milaza aminareo Aho fa Izaho no hangataka amin’ ny Ray ho anareo;
A ranar nan, zaku yi roko a cikin sunana kuma bance maku zan yi addu'a ga Uba a madadinku ba,
27 fa ny Ray dia tia anareo satria ianareo efa tia Ahy, ary efa nino fa nivoaka avy tamin’ ny Ray Aho.
domin Uba da kansa yana kaunarku, domin kun kaunace ni, kun kuma gaskata daga wurin Uban na fito.
28 Eny, nivoaka avy tamin’ ny Ray Aho ka tonga amin’ izao tontolo izao; ary hiala amin’ izao tontolo izao indray Aho ka hankany amin’ ny Ray.
Daga wurin Uban na fito, kuma na shigo duniya. Har wa yau, kuma zan bar duniya in koma wurin Uba.”
29 Hoy ny mpianany: Indro, milaza tsotra Hianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory.
Almajiransa sukace, duba, “Yanzu kake magana a sarari, ba cikin karin magana ba!
30 Ankehitriny dia fantatray fa mahalala ny zavatra rehetra Hianao ka tsy mitady olona hanontany Anao; izany no inoanay fa nivoaka avy tamin’ Andriamanitra Hianao.
Yanzu mun sani ka san komai, ba sai wani ya tambaye ka ba. Ta haka muka gaskata daga wurin Allah ka fito.”
31 Jesosy namaly azy hoe: Mino va ianareo ankehitriny?
Yesu ya amsa masu yace, “Ashe, yanzu kun gaskata?
32 Indro, avy ny andro, eny, efa tonga, izay hielezanareo samy ho any amin’ ny azy avy, ary hilaozanareo ho irery Aho; kanefa tsy irery Aho, fa ny Ray no ato amiko.
Duba, sa'a na zuwa, I, sa'ar ta yi, da za a warwatsa ku, kowa ya koma gidansa, kuma ku bar ni ni kadai. Duk da haka kuwa ba ni kadai nake ba, domin Ubana yana tare da ni.
33 Izany teny izany efa nolazaiko taminareo mba hanananareo fiadanana amiko. Atỳ amin’ izao tontolo izao no ahitanareo fahoriana; nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao.
Na fada maku wannan ne domin a ciki na ku sami salama. A duniya kuna shan tsanani, amma ku karfafa: na yi nasara da duniya,”

< Jaona 16 >