< Jaona 15 >

1 Izaho no tena voaloboka, ary ny Raiko no mpamboatra.
I am the true vine, and my Father is the vine-dresser.
2 Ny sampany rehetra eo amiko izay tsy mamoa dia esoriny; fa ny sampany rehetra izay mamoa kosa dia amboariny, mba hamoa bebe kokoa.
Every branch in me that bears no fruit, he takes away; and every branch that bears fruit, he prunes, that it may bear more fruit.
3 Efa madio rahateo ianareo noho ny teniko, izay nolazaiko taminareo.
Now are you pure, through the word which I have spoken to you.
4 Tomoera amiko ary Izaho aminareo. Tahaka ny sampany tsy mahay mamoa ho azy, raha tsy miray amin’ ny voaloboka izy, dia toy izany koa ianareo, raha tsy miray amiko.
Abide in me, and I will abide in you. As the branch can not bear fruit of itself, unless it abide in the vine, so neither can you, unless you abide in me.
5 Izaho no voaloboka, ianareo no sampany. Izay miray amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa ianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona.
I am the vine, you are the branches. He that abides in me and I in him, he will bear much fruit; for apart from me you can do nothing.
6 Raha misy tsy miray amiko, dia ariana eny ivelany tahaka ny sampany izy ka malazo; ary angonina izy ka atsipy ao anaty afo, dia ho may.
If any one abide not in me, he is thrown out as a branch, and withers; and such are gathered, and thrown into the fire, and burned.
7 Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.
If you abide in me, and my words abide in you, you shall ask what you will, and it shall be done for you.
8 Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro ianareo.
In this is my Father glorified, that you bear much fruit; and in this you will be my disciples.
9 Tahaka ny nitiavan’ ny Ray Ahy no nitiavako anareo; tomoera amin’ ny fitiavako ianareo.
As the Father has loved me, so have I loved you; abide in my love.
10 Raha mitandrina ny didiko ianareo, dia hitoetra amin’ ny fitiavako, tahaka ny nitandremako ny didin’ ny Raiko sy ny itoerako amin’ ny fitiavany.
If you keep my commandments, you shall abide in my love, even as I have kept my Father’s commandments, and abide in his love.
11 Izany zavatra izany dia efa nolazaiko taminareo, mba ho ao aminareo ny fifaliako, ka ho tanteraka ny fifalianareo.
These things have I spoken to you, that my joy may remain in you, and that your joy may be full.
12 Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
This is my commandment: That you love one another, as I have loved you.
13 Tsy misy manana fitiavana lehibe noho izao, dia ny manolotra ny ainy hamonjy ny sakaizany.
Greater love has no man than this, that one should lay down his life for his friends.
14 Hianareo no sakaizako, raha manao araka izay andidiako anareo.
You are my friends, if you do whatever I command you.
15 Tsy hataoko hoe mpanompo intsony ianareo, fa ny mpanompo tsy mahalala izay ataon’ ny tompony; fa efa nataoko hoe sakaiza ianareo, satria izay rehetra reko tamin’ ny Raiko no nambarako taminareo.
I no longer call you servants, because the servant knows not what his master does. But I have called you friends; for all things that I have heard from my Father, I have made known to you.
16 Tsy ianareo no nifidy Ahy, fa Izaho no nifidy anareo ka nanendry anareo mba handeha sy hamoa, ary mba haharetan’ ny vokatrareo, mba homen’ ny Ray anareo izay rehetra hangatahinareo amin’ ny anarako na inona na inona.
You have not chosen me, but I have chosen you, and appointed you, that you may go and bring forth fruit, and that your fruit may remain; that whatever you ask of the Father in my name, he may give you.
17 Izany zavatra izany no andidiako anareo, mba hifankatiavanareo.
These things I command you, that you may love one another.
18 Raha halan’ izao tontolo izao ianareo, dia aoka ho fantatrareo fa Izaho efa halany talohanareo.
If the world hates you, you know that it hated me before it hated you.
19 Raha naman’ izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’ izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’ izao tontolo izao, dia halan’ izao tontolo izao ianareo.
If you were of the world, the world would love its own. But because you are not of the world, but I have chosen you out of the world, therefore the world hates you.
20 Tsarovy ny teny izay nolazaiko taminareo hoe: Ny mpanompo tsy lehibe noho ny tompony. Raha nanenjika Ahy izy, dia hanenjika anareo koa; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa.
Remember the word which I spoke to you, The servant is not greater than his master. If they have persecuted me, they will also persecute you; if they have kept my word, they will keep yours also.
21 Fa izany rehetra izany no hataony aminareo noho ny anarako, satria tsy mahalala Izay naniraka Ahy izy.
But all these things they will do to you on my account, because they know not him that sent me.
22 Raha tsy tonga Aho ka niteny taminy, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny dia tsy misy fialàna azony atao ny amin’ ny helony.
If I had not come and spoken to them, they would not have had sin; but now they have no excuse for their sin.
23 Izay mankahala Ahy dia mankahala ny Raiko koa.
He that hates me, hates my Father also.
24 Raha tsy nataoko teo aminy Izay asa tsy nataon’ olona, dia tsy nanan-keloka izy; fa ankehitriny efa hitany sady efa halany Ahy sy ny Raiko koa;
If I had not done among them the works that no other man has done, they would have had no sin; but now they have both seen, and hated both me and my Father.
25 fa tonga izany mba hahatanteraka ny teny izay voasoratra ao amin’ ny lalàny hoe: Halany foana Aho.
But this is so, that the word may be fulfilled which is written in their law, They hated me without a cause.
26 Fa raha tonga ny Mpananatra, Izay hirahiko ho aminareo avy amin’ ny Ray, dia ny Fanahin’ ny fahamarinana Izay mivoaka avy amin’ ny Ray, dia Izy no ho vavolombelona hanambara Ahy.
But when the Paraclete has come, whom I will send to you from my Father, the Spirit of the truth, which proceeds from the Father, he will testify of me;
27 Ary ianareo koa dia vavolombelona hanambara, satria ianareo efa teto amiko hatramin’ ny voalohany.
and you also will testify, because you have been with me from the beginning.

< Jaona 15 >