< Jaona 14 >

1 Aza malahelo ny fonareo; minoa an’ Andriamanitra, ary minoa Ahy koa.
manoduḥkhino mā bhūta; īśvare viśvasita mayi ca viśvasita|
2 Ao an-tranon’ ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany, dia efa nilaza taminareo Aho; fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho.
mama pitu gṛhe bahūni vāsasthāni santi no cet pūrvvaṁ yuṣmān ajñāpayiṣyaṁ yuṣmadarthaṁ sthānaṁ sajjayituṁ gacchāmi|
3 Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa.
yadi gatvāhaṁ yuṣmannimittaṁ sthānaṁ sajjayāmi tarhi panarāgatya yuṣmān svasamīpaṁ neṣyāmi, tato yatrāhaṁ tiṣṭhāmi tatra yūyamapi sthāsyatha|
4 Ary fantatrareo koa ny lalana ho any amin’ izay halehako.
ahaṁ yatsthānaṁ brajāmi tatsthānaṁ yūyaṁ jānītha tasya panthānamapi jānītha|
5 Hoy Tomasy taminy: Tompoko, tsy fantatray izay alehanao; ka hataonay ahoana no fahafantatra ny lalana?
tadā thomā avadat, he prabho bhavān kutra yāti tadvayaṁ na jānīmaḥ, tarhi kathaṁ panthānaṁ jñātuṁ śaknumaḥ?
6 Hoy Jesosy taminy: Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin’ ny Ray, afa-tsy amin’ ny alalako.
yīśurakathayad ahameva satyajīvanarūpapatho mayā na gantā kopi pituḥ samīpaṁ gantuṁ na śaknoti|
7 Raha nahafantatra Ahy ianareo, dia ho nahafantatra ny Raiko koa; ary hatramin’ izao dia mahafantatra Azy ianareo sady efa nahita Azy.
yadi mām ajñāsyata tarhi mama pitaramapyajñāsyata kintvadhunātastaṁ jānītha paśyatha ca|
8 Hoy Filipo taminy: Tompoko, asehoy anay ny Ray, dia ampy ho anay izay.
tadā philipaḥ kathitavān, he prabho pitaraṁ darśaya tasmādasmākaṁ yatheṣṭaṁ bhaviṣyati|
9 Hoy Jesosy taminy: Izay ela izay no efa nitoerako teto aminareo, ka tsy mbola fantatrao ihany va Aho, ry Filipo? Izay nahita Ahy dia nahita ny Ray; koa ahoana no anaovanareo hoe: Asehoy anay ny Ray?
tato yīśuḥ pratyāvādīt, he philipa yuṣmābhiḥ sārddham etāvaddināni sthitamapi māṁ kiṁ na pratyabhijānāsi? yo jano mām apaśyat sa pitaramapyapaśyat tarhi pitaram asmān darśayeti kathāṁ kathaṁ kathayasi?
10 Tsy mino va ianao fa Izaho ao amin’ ny Ray, ary ny Ray ato amiko? Ny teny izay lazaiko aminareo, dia tsy avy amiko izany lazaiko izany; fa ny Ray mitoetra ato amiko no manao ny asa.
ahaṁ pitari tiṣṭhāmi pitā mayi tiṣṭhatīti kiṁ tvaṁ na pratyaṣi? ahaṁ yadvākyaṁ vadāmi tat svato na vadāmi kintu yaḥ pitā mayi virājate sa eva sarvvakarmmāṇi karāti|
11 Minoa Ahy fa Izaho ao amin’ ny Ray, ary ny Ray ato amiko; fa raha tsy izany, dia minoa Ahy noho ny asa ihany aza.
ataeva pitaryyahaṁ tiṣṭhāmi pitā ca mayi tiṣṭhati mamāsyāṁ kathāyāṁ pratyayaṁ kuruta, no cet karmmahetoḥ pratyayaṁ kuruta|
12 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mino Ahy, ny asa ataoko no hataony koa; ary hanao asa lehibe noho izany aza izy, satria Izaho mankany amin’ ny Ray.
ahaṁ yuṣmānatiyathārthaṁ vadāmi, yo jano mayi viśvasiti sohamiva karmmāṇi kariṣyati varaṁ tatopi mahākarmmāṇi kariṣyati yato hetorahaṁ pituḥ samīpaṁ gacchāmi|
13 Ary na inona na inona no hangatahinareo amin’ ny anarako, dia hataoko izany, mba hankalazana ny Ray eo amin’ ny Zanaka.
yathā putreṇa pitu rmahimā prakāśate tadarthaṁ mama nāma procya yat prārthayiṣyadhve tat saphalaṁ kariṣyāmi|
14 Raha mangataka zavatra amiko amin’ ny anarako ianareo, dia hataoko izany.
yadi mama nāmnā yat kiñcid yācadhve tarhi tadahaṁ sādhayiṣyāmi|
15 Raha tia Ahy ianareo, dia hitandrina ny didiko.
yadi mayi prīyadhve tarhi mamājñāḥ samācarata|
16 Ary Izaho hangataka amin’ ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, (aiōn g165)
tato mayā pituḥ samīpe prārthite pitā nirantaraṁ yuṣmābhiḥ sārddhaṁ sthātum itaramekaṁ sahāyam arthāt satyamayam ātmānaṁ yuṣmākaṁ nikaṭaṁ preṣayiṣyati| (aiōn g165)
17 dia ny Fanahin’ ny fahamarinana, Izay tsy azon’ izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa ianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo.
etajjagato lokāstaṁ grahītuṁ na śaknuvanti yataste taṁ nāpaśyan nājanaṁśca kintu yūyaṁ jānītha yato hetoḥ sa yuṣmākamanta rnivasati yuṣmākaṁ madhye sthāsyati ca|
18 Tsy hamela anareo ho kamboty Aho; hankatỳ aminareo Aho.
ahaṁ yuṣmān anāthān kṛtvā na yāsyāmi punarapi yuṣmākaṁ samīpam āgamiṣyāmi|
19 Vetivety foana dia tsy hahita Ahy intsony izao tontolo izao; fa ianareo no hahita Ahy; satria velona Aho, dia ho velona koa ianareo.
kiyatkālarat param asya jagato lokā māṁ puna rna drakṣyanti kintu yūyaṁ drakṣyatha; ahaṁ jīviṣyāmi tasmāt kāraṇād yūyamapi jīviṣyatha|
20 Amin’ izany andro izany dia ho fantatrareo fa Izaho ao amin’ ny Raiko, ary ianareo ato amiko, ary Izaho ao aminareo.
pitaryyahamasmi mayi ca yūyaṁ stha, tathāhaṁ yuṣmāsvasmi tadapi tadā jñāsyatha|
21 Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian’ ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy.
yo jano mamājñā gṛhītvā tā ācarati saeva mayi prīyate; yo janaśca mayi prīyate saeva mama pituḥ priyapātraṁ bhaviṣyati, tathāhamapi tasmin prītvā tasmai svaṁ prakāśayiṣyāmi|
22 Hoy Jodasy (tsy Iskariota) taminy: Tompoko, nahoana no aminay ihany no hisehoanao, fa tsy amin’ izao tontolo izao koa?
tadā īṣkariyotīyād anyo yihūdāstamavadat, he prabho bhavān jagato lokānāṁ sannidhau prakāśito na bhūtvāsmākaṁ sannidhau kutaḥ prakāśito bhaviṣyati?
23 Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy; ary ny Raiko ho tia azy, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.
tato yīśuḥ pratyuditavān, yo jano mayi prīyate sa mamājñā api gṛhlāti, tena mama pitāpi tasmin preṣyate, āvāñca tannikaṭamāgatya tena saha nivatsyāvaḥ|
24 Izay tsy tia Ahy dia tsy mitandrina ny teniko; ary ny teny izay renareo dia tsy Ahy, fa an’ ny Ray izay naniraka Ahy.
yo jano mayi na prīyate sa mama kathā api na gṛhlāti punaśca yāmimāṁ kathāṁ yūyaṁ śṛṇutha sā kathā kevalasya mama na kintu mama prerako yaḥ pitā tasyāpi kathā|
25 Izany teny izany dia efa voalazako taminareo raha mbola mitoetra eto aminareo Aho;
idānīṁ yuṣmākaṁ nikaṭe vidyamānoham etāḥ sakalāḥ kathāḥ kathayāmi|
26 fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masìna, Izay hirahin’ ny Ray amin’ ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.
kintvitaḥ paraṁ pitrā yaḥ sahāyo'rthāt pavitra ātmā mama nāmni prerayiṣyati sa sarvvaṁ śikṣayitvā mayoktāḥ samastāḥ kathā yuṣmān smārayiṣyati|
27 Fiadanana no avelako ho anareo, ny fiadanako no omeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’ izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo.
ahaṁ yuṣmākaṁ nikaṭe śāntiṁ sthāpayitvā yāmi, nijāṁ śāntiṁ yuṣmabhyaṁ dadāmi, jagato lokā yathā dadāti tathāhaṁ na dadāmi; yuṣmākam antaḥkaraṇāni duḥkhitāni bhītāni ca na bhavantu|
28 Efa renareo fa Izaho nilaza taminareo hoe: Handeha Aho, nefa ho avy aminareo indray. Raha tia Ahy ianareo, dia ho faly, satria mankany amin’ ny Ray Aho; fa ny Ray dia lehibe noho Izaho.
ahaṁ gatvā punarapi yuṣmākaṁ samīpam āgamiṣyāmi mayoktaṁ vākyamidaṁ yūyam aśrauṣṭa; yadi mayyapreṣyadhvaṁ tarhyahaṁ pituḥ samīpaṁ gacchāmi mamāsyāṁ kathāyāṁ yūyam ahlādiṣyadhvaṁ yato mama pitā mattopi mahān|
29 Ary ankehitriny efa nilaza taminareo Aho, dieny tsy mbola tonga izany, mba hinoanareo, rehefa tonga.
tasyā ghaṭanāyāḥ samaye yathā yuṣmākaṁ śraddhā jāyate tadartham ahaṁ tasyā ghaṭanāyāḥ pūrvvam idānīṁ yuṣmān etāṁ vārttāṁ vadāmi|
30 Tsy hilaza zavatra maro aminareo intsony Aho; fa avy ny andrianan’ izao tontolo izao, nefa tsy manana na inona na inona ato amiko izy.
itaḥ paraṁ yuṣmābhiḥ saha mama bahava ālāpā na bhaviṣyanti yataḥ kāraṇād etasya jagataḥ patirāgacchati kintu mayā saha tasya kopi sambandho nāsti|
31 Fa mba ho fantatr’ izao tontolo izao fa tiako ny Ray, ary araka izay nandidian’ ny Ray Ahy, dia izany no hataoko. Mitsangàna, andeha isika hiala eto.
ahaṁ pitari prema karomi tathā pitu rvidhivat karmmāṇi karomīti yena jagato lokā jānanti tadartham uttiṣṭhata vayaṁ sthānādasmād gacchāma|

< Jaona 14 >