< Jaona 12 >

1 Ary rehefa henemana no sisa tsy tonga ny Paska, Jesosy dia tonga tao Betania, izay nitoeran’ i Lazarosy, ilay natsangany tamin’ ny maty.
유월절 엿새 전에 예수께서 베다니에 이르시니 이 곳은 예수께서 죽은 자 가운데서 살리신 나사로의 있는 곳이라
2 Dia nanao fanasana ho an’ i Jesosy tao izy; ary Marta no nanompo; fa Lazarosy no anankiray tamin’ izay niara-nipetraka nihinana taminy.
거기서 예수를 위하여 잔치할새 마르다는 일을 보고 나사로는 예수와 함께 앉은 자 중에 있더라
3 Ary Maria, rehefa naka menaka manitra nisy narda sady tsara no saro-bidy, lanjan’ iray livatra, dia nanosotra ny tongotr’ i Jesosy sy namaoka ny tongony tamin’ ny volondohany; ary feno ny hanitry ny menaka ny trano.
마리아는 지극히 비싼 향유 곧 순전한 나드 한 근을 가져다가 예수의 발에 붓고 자기 머리털로 그의 발을 씻으니 향유 냄새가 집에 가득하더라
4 Ary hoy Jodasy Iskariota, anankiray tamin’ ny mpianany, ilay efa hamadika Azy:
제자 중 하나로서 예수를 잡아 줄 가룟 유다가 말하되
5 Nahoana io menaka io no tsy namidy denaria telon-jato ka nomena ny malahelo?
`이 향유를 어찌하여 삼백 데나리온에 팔아 가난한 자들에게 주지 아니하였느냐?' 하니
6 Ary izy no nilaza izany, tsy noho ny fiahiany ny malahelo, fa satria mpangalatra izy sady nitondra ny kitapo ka naka izay tao anatiny.
이렇게 말함은 가난한 자들을 생각함이 아니요 저는 도적이라 돈 궤를 맡고 거기 넣는 것을 훔쳐감이러라
7 Dia hoy Jesosy: Avelao izy, mba hotehiriziny ho amin’ ny andro hanamboarany Ahy halevina io.
예수께서 가라사대 `저를 가만두어 나의 장사할 날을 위하여 이를 두게 하라
8 Fa ny malahelo dia etỳ aminareo mandrakariva; fa Izaho tsy mba ho etỳ aminareo mandrakariva.
가난한 자들은 항상 너희와 함께 있거니와 나는 항상 있지 아니하리라' 하시니라
9 Ary ny vahoaka betsaka tamin’ ny Jiosy nahalala fa teo Izy, dia tonga teo, nefa tsy noho Jesosy ihany, fa mba hahita an’ i Lazarosy koa, ilay natsangany tamin’ ny maty.
유대인의 큰 무리가 예수께서 여기 계신 줄을 알고 오니 이는 예수만 위함이 아니요 죽은 자 가운데서 살리신 나사로도 보려함이러라
10 Fa nihendry hahafaty an’ i Lazarosy koa ny lohan’ ny mpisorona,
대제사장들이 나사로까지 죽이려고 모의하니
11 satria izy no nialan’ ny maro tamin’ ny Jiosy ka ninoany an’ i Jesosy.
나사로 까닭에 많은 유대인이 가서 예수를 믿음이러라
12 Ary nony ampitson’ iny ny vahoaka betsaka, izay tonga ho amin’ ny andro firavoravoana, rehefa nahare fa hankany Jerosalema Jesosy,
그 이튿날에는 명절에 온 큰 무리가 예수께서 예루살렘으로 오신다 함을 듣고
13 dia naka sampan-drofia ka nivoaka hitsena Azy sady niantso hoe: Hosana! Isaorana anie ny Mpanjakan’ ny Isiraely, Ilay avy amin’ ny anaran’ i Jehovah.
종려나무 가지를 가지고 맞으러 나가 외치되 `호산나 찬송하리로다 주의 이름으로 오시는 이, 곧 이스라엘의 왕이시여!' 하더라
14 Ary Jesosy nahita zana-boriky anankiray, dia nitaingina azy, araka ny voasoratra hoe:
예수는 한 어린 나귀를 만나서 타시니
15 Aza matahotra, ry Ziona zanakavavy; indro, avy ny Mpanjakanao mitaingina zana-boriky.
이는 기록된바 시온 딸아 두려워 말라 보라 너의 왕이 나귀 새끼를 타고 오신다 함과 같더라
16 Izany zavatra izany dia tsy fantatry ny mpianany tamin’ ny voalohany; fa rehefa niditra tamin’ ny voninahiny Jesosy, dia vao nahatsiaro izy fa voasoratra hilaza Azy izany zavatra izany, ary efa nataony taminy izany.
제자들은 처음에 이 일을 깨닫지 못하였다가 예수께서 영광을 얻으신 후에야 이것이 예수께 대하여 기록된 것임과 사람들이 예수께 이같이 한 것인 줄 생각났더라
17 Ary nanambara Azy ny vahoaka izay teny aminy, fony Izy niantso an’ i Lazarosy hivoaka tamin’ ny fasana ka nanangana azy tamin’ ny maty.
나사로를 무덤에서 불러내어 죽은 자 가운데서 살리실 때에 함께 있던 무리가 증거한지라
18 Ary izany koa no nitsenan’ ny vahoaka Azy, satria efa reny fa nanao izany famantarana izany Izy.
이에 무리가 예수를 맞음은 이 표적 행하심을 들었음이러라
19 Ary tamin’ izany ny Fariseo dia nifampilaza hoe: Hitanareo fa tsy mahefa na inona na inona akory ianareo; indro, efa lasa manaraka Azy avokoa izao tontolo izao.
바리새인들이 서로 말하되 `볼지어다 너희 하는 일이 쓸 데 없다 보라 온 세상이 저를 좇는도다' 하니라
20 Ary nisy Grika sasany tamin’ izay niakatra hivavaka tamin’ ny andro firavoravoana,
명절에 예배하러 올라온 사람 중에 헬라인 몇이 있는데
21 ary izy ireo nankany amin’ i Filipo avy any Betsaida any Galilia, dia nangataka taminy ka nanao hoe: Tompoko, mba ta-hahita an’ i Jesosy izahay.
저희가 갈릴리 벳새다 사람 빌립에게 가서 청하여 가로되 `선생이여, 우리가 예수를 뵈옵고자 하나이다' 하니
22 Dia lasa Filipo nilaza tamin’ i Andrea; ary Andrea sy Filipo lasa nilaza tamin’ i Jesosy.
빌립이 안드레에게 가서 말하고 안드레와 빌립이 예수께 가서 여짜온대
23 Ary Jesosy namaly azy hoe: Tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak’ olona.
예수께서 대답하여 가라사대 `인자의 영광을 얻을 때가 왔도다
24 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Raha tsy latsaka ao amin’ ny tany ny voambary ka maty, dia mitoetra foana izy; fa raha maty kosa izy, dia hahavokatra be.
내가 진실로 진실로 너희에게 이르노니 한 알의 밀이 땅에 떨어져 죽지 아니하면 한 알 그대로 있고 죽으면 많은 열매를 맺느니라
25 Izay tia ny ainy no mahavery izany; fa izay mankahala ny ainy amin’ izao fiainana izao no hiaro izany ho amin’ ny fiainana mandrakizay. (aiōnios g166)
자기 생명을 사랑하는 자는 잃어버릴 것이요 이 세상에서 자기 생명을 미워하는 자는 영생하도록 보존하리라 (aiōnios g166)
26 Raha misy olona manompo Ahy, dia aoka izy hanaraka Ahy, ary izay itoerako, dia ao koa no hitoeran’ ny mpanompoko; raha misy olona manompo Ahy, dia hankalaza azy ny Ray.
사람이 나를 섬기려면 나를 따르라! 나 있는 곳에 나를 섬기는 자도 거기 있으리니 사람이 나를 섬기면 내 아버지께서 저를 귀히 여기시리라
27 Ankehitriny mangorohoro ny fanahiko; ary ahoana no holazaiko: Ray ô, vonjeo Aho ho afaka amin’ ity ora ity? nefa izao no nihaviako ho amin’ ity ora ity;
지금 내 마음이 민망하니 무슨 말을 하리요 아버지여 나를 구원하여 이 때를 면하게 하여 주옵소서 그러나 내가 이를 위하여 이때에 왔나이다
28 Ray ô, mankalazà ny anaranao. Dia nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: Efa nankalaza azy Aho, ary hankalaza azy indray.
아버지여 아버지의 이름을 영광스럽게 하옵소서' 하시니 이에 하늘에서 소리가 나서 가로되 `내가 이미 영광스럽게 하였고 또 다시 영광스럽게 하리라' 하신대
29 Ary ny vahoaka izay nitsangana teo ka nahare dia nanao hoe: Kotrokorana izany. Hoy ny sasany: Anjely no niteny taminy.
곁에 서서 들은 무리는 우뢰가 울었다고도 하며 또 어떤 이들은 천사가 저에게 말하였다고도 하니
30 Jesosy namaly ka nanao hoe: Tsy noho Izaho no nahatongavan’ izany feo izany, fa noho ianareo.
예수께서 대답하여 가라사대 `이 소리가 난 것은 나를 위한 것이 아니요 너희를 위한 것이니라
31 Tonga ankehitriny ny fitsarana izao tontolo izao; ankehitriny ny andrianan’ izao tontolo izao no horoahina.
이제 이 세상의 심판이 이르렀으니 이 세상 임금이 쫓겨나리라
32 Ary Izaho, raha asandratra hiala amin’ ny tany, dia hitaona ny olona rehetra hanatona Ahy.
내가 땅에서 들리면 모든 사람을 내게로 이끌겠노라' 하시니
33 Izany no nolazainy hanambara izay fahafatesana efa hiaretany.
이렇게 말씀하심은 자기가 어떠한 죽음으로 죽을 것을 보이심이러라
34 Dia namaly Azy ny vahoaka ka nanao hoe: Efa renay tamin’ ny lalàna fa Kristy haharitra mandrakizay; koa ahoana no ilazanao hoe: Tsy maintsy hasandratra ny Zanak’ olona? Iza moa izany Zanak’ olona izany? (aiōn g165)
이에 무리가 대답하되 `우리는 율법에서 그리스도가 영원히 계신다 함을 들었거늘 너는 어찌하여 인자가 들려야 하리라 하느냐? 이 인자는 누구냐?' (aiōn g165)
35 Dia hoy Jesosy taminy: Mbola kely ihany no hitoeran’ ny mazava aminareo. Mandehana, raha mbola manana ny mazava ianareo, mba tsy hahatratra anareo ny maizina; fa izay mandeha amin’ ny maizina dia tsy mahalala izay alehany.
예수께서 가라사대 `아직 잠시 동안 빛이 너희 중에 있으니 빛이 있을 동안에 다녀 어두움에 붙잡히지 않게 하라 어두움에 다니는자는 그 가는 바를 알지 못하느니라
36 Raha mbola manana ny mazava ianareo, dia minoa ny mazava, mba ho tonga zanaky ny mazava. Rehefa nilaza izany Jesosy, dia niala Izy ka niery azy.
너희에게 아직 빛이 있을 동안에 빛을 믿으라! 그리하면 빛의 아들이 되리라' 예수께서 이 말씀을 하시고 저희를 떠나가서 숨으시니라
37 Nefa na dia efa nanao izany famantarana betsaka izany teo anatrehany aza Izy, dia tsy mba nino Azy ireo,
이렇게 많은 표적을 저희 앞에서 행하셨으나 저를 믿지 아니하니
38 mba hahatanteraka ny teny nataon’ Isaia mpaminany hoe: Tompoko, iza no nino ny teny nampitondraina anay? Ary iza no nampisehoana ny sandrin’ i Jehovah?
이는 선지자 이사야의 말씀을 이루려 하심이라 가로되 주여, 우리에게 들은 바를 누가 믿었으며 주의 팔이 뉘게 나타났나이까? 하였더라
39 Izany no tsy nahaizany nino, satria hoy koa Isaia:
저희가 능히 믿지 못한 것은 이 까닭이니 곧 이사야가 다시 일렀으되
40 Efa nanajamba ny masony sy nanamafy ny fony Izy, Mba tsy hahita ny masony, na hahalala ny fony, Dia tsy hibebaka izy, Ka tsy hahasitrana azy Aho.
저희 눈을 멀게 하시고 저희 마음을 완고하게 하셨으니 이는 저 희로 하여금 눈으로 보고 마음으로 깨닫고 돌이켜 내게 고침을 받지 못하게 하려함이니라 하였음이더라
41 Izany teny izany no nolazain’ Isaia, satria nahita ny voninahiny izy ka nilaza Azy.
이사야가 이렇게 말한 것은 주의 영광을 보고 주를 가리켜 말한 것이라
42 Kanefa maro tamin’ ny mpanapaka aza no nino Azy; nefa noho ny Fariseo dia tsy nanaiky ireo, fandrao havoaka hiala amin’ ny synagoga.
그러나 관원 중에도 저를 믿는 자가 많되 바리새인들을 인하여 드러나게 말하지 못하니 이는 출회를 당할까 두려워함이라
43 Fa tia ny voninahitra avy amin’ ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra.
저희는 사람의 영광을 하나님의 영광보다 더 사랑하였더라
44 Ary Jesosy niantso ka nanao hoe: Izay mino Ahy, dia tsy Izaho no inoany, fa Izay naniraka Ahy.
예수께서 외쳐 가라사대 `나를 믿는 자는 나를 믿는 것이 아니요 나를 보내신 이를 믿는 것이며
45 Ary izay mahita Ahy dia mahita Izay naniraka Ahy.
나를 보는 자는 나를 보내신 이를 보는 것이니라
46 Izaho tonga amin’ izao tontolo izao ho fahazavana, mba tsy hitoetra ao amin’ ny maizina izay rehetra mino Ahy.
나는 빛으로 세상에 왔나니 무릇 나를 믿는 자로 어두움에 거하지 않게 하려 함이로라
47 Ary raha misy mandre ny teniko ka tsy mitandrina, Izaho tsy mitsara azy; fa tsy tonga hitsara izao tontolo izao Aho, fa hamonjy izao tontolo izao.
사람이 내 말을 듣고 지키지 아니할지라도 내가 저를 심판하지 아니하노라 내가 온 것은 세상을 심판하려 함이 아니요 세상을 구원하려 함이로라
48 Izay manda Ahy ka tsy mandray ny teniko, dia manana izay mitsara azy: ny teny izay nolazaiko, izany ihany no hitsara azy amin’ ny andro farany,
나를 저버리고 내 말을 받지 아니하는 자를 심판할 이가 있으니 곧 나의 한 그 말이 마지막 날에 저를 심판하리라
49 satria Izaho tsy niteny ho Ahy, fa ny Ray Izay naniraka Ahy, Izy no nandidy Ahy izay holazaiko sy izay hotoriko.
내가 내 자의로 말한 것이 아니요 나를 보내신 아버지께서 나의 말할 것과 이를 것을 친히 명령하여 주셨으니
50 Ary fantatro fa fiainana mandrakizay ny didiny; koa izay lazaiko dia lazaiko araka izay nolazain’ ny Ray tamiko. (aiōnios g166)
나는 그의 명령이 영생인줄 아노라 그러므로 나의 이르는 것은 내 아버지께서 내게 말씀하신 그대로 이르노라' 하시니라 (aiōnios g166)

< Jaona 12 >