< Jaona 11 >
1 Ary nisy lehilahy anankiray narary, dia Lazarosy avy any Betania, tanànan’ i Maria sy Marta rahavaviny.
Ježíšův přítel Lazar těžce onemocněl. Žil se svými sestrami Marií a Martou ve vesnici Betanii.
2 Maria dia ilay nanosotra ny Tompo tamin’ ny menaka manitra sy namaoka ny tongony tamin’ ny volon-dohany, ary Lazarosy anadahiny no narary.
(Marie byla ta žena, která pomazala vzácnou mastí Ježíšovy nohy, jak se ještě dovíme.)
3 Ary izy mirahavavy dia naniraka tany amin’ i Jesosy hanao hoe: Tompoko, marary ilay tianao.
Bály se o bratrův život, a tak poslaly Ježíšovi vzkaz: „Pane, tvůj milovaný přítel je vážně nemocný.“
4 Ary rehefa ren’ i Jesosy izany, dia hoy Izy: Tsy ho fahafatesana no anton’ izany aretina izany, fa ny hampisehoana ny voninahitr’ Andriamanitra, mba hankalazana ny Zanak’ Andriamanitra.
Když se to Ježíš dověděl, řekl: „Nebojte se, Bůh nechce Lazarovu smrt, chce jen oslavit svého Syna.“
5 Ary Jesosy tia an’ i Marta sy ny rahavaviny ary Lazarosy.
Měl velmi rád obě sestry i Lazara,
6 Koa nony ren’ i Jesosy fa narary Lazarosy, dia mbola nitoetra indroa andro teo amin’ izay nitoerany ihany Izy.
ale přesto se ještě dva dny zdržel na místě, kde ho zastihla zpráva o Lazarově nemoci.
7 Rehefa afaka izany, dia hoy Izy tamin’ ny mpianatra: Andeha isika ho any Jodia indray.
Teprve pak řekl svým učedníkům: „Pojďme tedy do Betanie!“
8 Hoy ny mpianatra taminy: Raby ô, vao haingana teo no nitadiavan’ ny Jiosy hitora-bato Anao, ka hankany indray va Hianao?
Ale ti namítali: „Mistře, ty chceš do Judska? Vždyť tě tam chtěli nedávno zabít, a ty se tam chceš vrátit?“
9 Jesosy namaly hoe: Tsy roa ambin’ ny folo va ny ora amin’ ny indray andro? Raha misy mandeha amin’ ny antoandro, dia tsy mba tafintohina izy, fa mahita ny fahazavan’ izao tontolo izao.
„Proč se bojíte, jako by už nastávala noc, “řekl jim Ježíš. „Můj den ještě neskončil.
10 Fa raha misy kosa mandeha amin’ ny alina, dia ho tafintohina izay, ka tsy misy mazava ao aminy.
Kdo chodí ve dne, nemusí se bát úrazu, protože dobře vidí na cestu. Teprve cesta za tmy je nebezpečná.“
11 Izany no nolazainy; ary rehefa afaka izany, dia hoy Izy taminy: Matory Lazarosy sakaizantsika; fa handeha hamoha azy Aho.
Potom dodal: „Náš přítel Lazar usnul a já ho jdu probudit.“
12 Dia hoy ny mpianatra taminy: Tompoko, raha matory izy, dia ho tsara ihany.
Učedníci se zaradovali: „Tak on spí? To mu udělá dobře.“
13 Nefa Jesosy nilaza ny fahafatesany; fa nataon’ izy ireo kosa fa fialan-tsasatra amin’ ny torimaso no nolazainy.
Ježíš však nemluvil o uzdravujícím spánku, ale o Lazarově smrti.
14 Ary tamin’ izany Jesosy dia nilaza tsotra taminy hoe: Maty Lazarosy;
Řekl jim tedy otevřeně: „Lazar zemřel
15 ary faly Aho noho ny aminareo, satria tsy teo Aho, mba hinoanareo; fa andeha isika hankany aminy.
a já jsem rád, že jsem k němu nepřišel před jeho smrtí. Mohu vám tak podat nový důkaz o své moci, abyste mi uvěřili. Pojďme tam.“
16 Dia hoy Tomasy (izay atao hoe Didymo) tamin’ ny mpianatra namany: Andeha isika mba hiara-maty aminy.
Tomáš, kterému říkali Dvojče, rezignovaně povzdechl: „Pojďme, ať třeba umřeme s ním!“
17 Ary nony tonga Jesosy, dia hitany fa efa nilevina hefarana izy.
Do Betanie přišli čtyři dny po Lazarově pohřbu.
18 Ary Betania dia tao akaikin’ i Jerosalema, tokony ho dimy ambin’ ny folo stadio no elanelany.
Z Jeru-zaléma bylo do Betanie jen asi tři kilometry,
19 Ary maro tamin’ ny Jiosy no efa tonga teo amin’ i Marta sy Maria hitsapa alahelo azy noho ny amin’ ny anadahiny.
a tak mnozí známí z města přicházeli těšit Lazarovy sestry v jejich žalu.
20 Ary Marta, raha nandre fa tamy Jesosy, dia nandeha nitsena Azy; fa Maria kosa nitoetra tao an-trano.
Ty se dověděly, že Ježíš přichází. Marie zůstala doma,
21 Ary hoy Marta tamin’ i Jesosy: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.
ale Marta mu běžela vstříc se slovy: „Pane, kdybys tu byl, bratr by jistě neumřel.
22 Nefa fantatro fa na dia ankehitriny izao aza na inona na inona no hangatahinao amin’ Andriamanitra dia homen’ Andriamanitra Anao.
Ale já vím, že ani teď Bůh neodmítne žádnou tvoji prosbu.“
23 Hoy Jesosy taminy: Hitsangana ny anadahinao.
„Neboj se, “odpověděl jí Ježíš, „tvůj bratr bude zase žít.“
24 Fa hoy Marta taminy: Fantatro ihany fa hitsangana izy amin’ ny fitsanganan’ ny maty amin’ ny andro farany;
25 Hoy Jesosy taminy: Izaho no fananganana ny maty sy fiainana; izay mino Ahy, na dia maty aza, dia ho velona indray.
Ježíš jí řekl: „To já přináším vzkříšení a život. Ti, kdo ve mne uvěřili, ať zemřeli nebo ještě žijí,
26 Ary izay rehetra velona ka mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay. Mino izany va ianao? (aiōn )
v žádném případě nezemřou navždy. Věříš tomu, Marto?“ (aiōn )
27 Hoy izy taminy: Eny, Tompoko; mino aho fa Hianao no Kristy, Zanak’ Andriamanitra, Ilay ho tonga amin’ izao tontolo izao.
„Věřím, že jsi Boží Syn. Jsi Mesiáš, který měl přijít na svět, “odpověděla.
28 Ary rehefa nilaza izany izy, dia lasa nandeha ka niantso mangingina an’ i Maria rahavaviny, nanao hoe: Tonga ny Mpampianatra ka miantso anao.
Marta se pak vrátila domů a pošeptala své sestře: „Přišel Mistr a chce s tebou mluvit.“
29 Ary raha vao nandre izany Maria, dia nitsangana faingana izy ka nankeo aminy.
Sotva to Marie uslyšela, vstala a spěchala k němu.
30 Fa Jesosy tsy mbola tonga tao an-tanàna, fa mbola teo amin’ ilay nitsenan’ i Marta Azy ihany.
Ježíš se zatím zdržoval na místě, kde se setkal s Martou.
31 Ary ny Jiosy izay tao amin’ i Maria tao an-trano ka nitsapa alahelo azy, raha nahita azy nitsangana faingana ka nivoaka, dia nanaraka azy, satria nataony fa nankany amin’ ny fasana hitomany any izy.
Židé, kteří Marii utěšovali, se domnívali, že se jde vyplakat k Lazarovu hrobu, proto šli za ní.
32 Ary Maria, rehefa tonga teo amin’ nitoeran’ i Jesosy ka nahita Azy, dia niankohoka teo amin’ ny tongony ka nanao taminy hoe: Tompoko, raha teto Hianao, dia tsy maty ny anadahiko.
Jakmile Marie našla Ježíše, poklekla před ním na zem a naříkala: „Pane, kdybys byl zastihl Lazara živého, jistě bys ho nenechal zemřít.“
33 Ary Jesosy nony nahita azy nitomany sy ny Jiosy izay niaraka taminy nitomany koa, dia vonto ny fanahiny, ka tora-kovitra Izy;
Mariin pláč Ježíše rozrušil a okázalý nářek Židů se ho nemile dotkl.
34 ary hoy Izy: Aiza moa no nandevenanareo azy? Dia hoy ireo taminy: Tompoko, andeha hizaha.
Zeptal se: „Kam jste Lazara pohřbili?“„Pojď, Pane, ukážeme ti, “odpověděli.
Teď vyhrkly slzy i Ježíšovi.
36 Dia hoy ny Jiosy: Akory ity haben’ ny fitiavany azy!
„Podívejte, jak ho měl rád, “šeptali někteří mezi sebou.
37 Fa hoy ny sasany: Moa tsy hain’ ilehity, Izay nampahiratra ny mason’ ilay jamba va, ny manao izay tsy ho nahafaty an-dralehilahy ity?
Jiní však namítali: „Proč nechal Lazara zemřít? Vždyť před tím uzdravil slepce. Nemohl ho zachránit?“
38 Dia vonto indray ny fanahin’ i Jesosy ka nankeo amin’ ny fasana Izy; ary zohy izany, sady nisy vato narindrina teo.
To Ježíše popudilo a vykročil k hrobu. Byla to jeskyně zavalená balvanem.
39 Hoy Jesosy: Esory ny vato. Hoy Marta, anabavin’ ny maty, taminy: Tompoko, maimbo izy izao, fa efa hefarana izay.
„Odvalte ten kámen!“přikázal Ježíš. „Pane, bratr zde leží už čtyři dny a jeho tělo je jistě v rozkladu, “namítla Marta.
40 Hoy Jesosy taminy: Tsy voalazako va fa raha hino ianao, dia ho hitanao ny voninahitr’ Andriamanitra?
„Kde zůstala tvoje víra, že se Bůh oslaví?“podivil se Ježíš.
41 Dia nesoriny ny vato. Ary Jesosy dia nanandratra ny masony ka nanao hoe: Ray ô, misaotra Anao Aho, fa efa nihaino Ahy Hianao.
Otevřeli hrob, Ježíš pohlédl k nebi a modlil se: „Otče, děkuji ti, že mne vyslyšíš.
42 Raha Izaho, dia fantatro fa mihaino Ahy mandrakariva Hianao; fa noho ny vahoaka mitsangana manodidina no nilazako izany, mba hinoany fa Hianao no naniraka Ahy.
Já vím, že vždycky slyšíš, ale říkám to nahlas, aby tito lidé uvěřili, že jsi mne poslal.“
43 Ary rehefa nanao izany teny izany Izy, dia niantso tamin’ ny feo mahery hoe: Ry Lazarosy, mivoaha!
Pak zvolal: „Lazare, pojď ven!“
44 Dia nivoaka ny maty nisy fehim-paty ny tànany sy ny tongony, sady voafehy mosara koa ny tavany. Hoy Jesosy tamin’ ny olona: Vahao izy, ka avelao handeha.
A Lazar vyšel. Ruce a nohy měl ovinuté plátnem, tvář zahalenou šátkem. „Sundejte mu to, “přikázal Ježíš, „ať může chodit.“
45 Ary maro tamin’ ny Jiosy, dia ireo nankeo amin’ i Maria ka nahita ny zavatra nataon’ i Jesosy ireo, no nino Azy.
Tehdy mnoho z přihlížejících Židů Ježíšovi uvěřilo, protože se stali svědky tohoto zázraku.
46 Fa ny sasany tamin’ ireo kosa dia lasa nankany amin’ ny Fariseo ka nilaza taminy izay nataony.
Někteří z nich však zprávu o této události donesli farizejům.
47 Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo nanangona ny Synedriona ka nanao hoe: Ahoana no hataontsika? fa iny Lehilahy iny dia manao famantarana maro.
Ti se sešli k poradě s předními židovskými kněžími: „Co si s ním počneme? Ten člověk dělá skutečné divy!
48 Raha avelantsika hanao toy izany ihany Izy, dia hino Azy avokoa ny olona rehetra; ary ho avy ny Romana ka handrava ny fonenantsika sy ny firenentsika.
Bude-li ve své činnosti pokračovat, všichni mu uvěří a provolají ho králem. Římané zakročí a je konec s naší vládou, chrámem i národem.“
49 Ary ny anankiray taminy, dia Kaiafa, mpisoronabe tamin’ izany taona izany, nanao taminy hoe: Hianareo tsy mahalala na inona na inona,
Úřadující velekněz Kaifáš řekl: „Vezměte rozum do hrsti!
50 na misaina akory fa tsara ho anareo, raha ny lehilahy iray no ho faty hamonjy ny firenena, mba tsy ho rava avokoa ity firenena ity.
Proč by měl být zničen celý národ, ať zemře jeden za všechny.“
51 Ary tsy niteny izany ho azy izy, fa satria mpisoronabe tamin’ izany taona izany izy, dia naminany fa Jesosy ho faty hamonjy ny firenena;
Když Kaifáš navrhoval tento úklad proti Ježíšovi, netušil, že pověděl slova, která se naplní. Jako velekněz prohlásil, že Ježíš má být obětován za svůj lid.
52 ary tsy hamonjy io firenena io ihany, fa mba hanangona ny zanak’ Andriamanitra izay efa niely ho antoko iray.
Jeho výrok se nevztahoval jen na Židy, ale na lidi ze všech národů, ze kterých bude vytvořena Kristova církev.
53 Koa hatramin’ izany andro izany dia nihendry hahafaty Azy ireo.
Od této chvíle usilovali židovští kněží a farizejové o Ježíšův život.
54 Ary Jesosy tsy nandeha niharihary teny amin’ ny Jiosy intsony; fa niala teo Izy nankany amin’ ny tany akaikin’ ny efitra, ho any an-tanàna atao hoe Efraima, ary nitoetra tany Izy mbamin’ ny mpianatra.
Ježíš přestal veřejně vystupovat mezi Židy a usadil se se svými učedníky v Efrajimu, na okraji pouště.
55 Ary efa akaiky ny Pasky ny Jiosy; ary maro avy tany an-tsaha no niakatra ho any Jerosalema talohan’ ny Paska mba hanadio ny tenany.
Přiblížily se opět Velikonoce. Do Jeruzaléma přišlo mnoho poutníků, aby se ještě před hlavními svátky očistili od hříchů.
56 Dia nitady an’ i Jesosy ireo, raha nijanona teo an-kianjan’ ny tempoly, ka niresaka hoe: Ahoana no hevitrareo? Tsy mba ho tonga amin’ ny andro firavoravoana va Izy?
Ptali se po Ježíši a říkali si mezi sebou: „Co si myslíte o tom, že tu není?“
57 Ary ny lohan’ ny mpisorona sy ny Fariseo efa nandidy fa raha misy olona mahalala izay itoerany, dia tsy maintsy milaza, mba hisamborany Azy.
Kněží a farizejové veřejně vyhlásili, že každý, kdo by o Ježíši věděl, musí to ihned oznámit, aby ho mohli zatknout.