< Jaona 10 >

1 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin’ ny vavahady ho amin’ ny valan’ ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy.
Huiili, huiili kumutambuila, uyo ni shanga ukingila kukiila mumpita nua itando nila nkolo, kuiti winankila ku nzila ingiiza, muntu nuanso ingi mii hangi muhimbi.
2 Fa izay miditra amin’ ny vavahady no mpiandry ny ondry.
Nuanso nuingilaa ku ku mulango ingi mudimi nua nkolo.
3 Ary izy no vohan’ ny mpiandry vavahady; ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ ny anarany avy ka entiny mivoaka.
Ku ng'waakwe u musunja nua mumpita wi muluguilaa. Inkolo yijaa u luli nu lakwe hangi wi yitangaa inkolo ku mina ao nu kuipumya kunzi.
4 Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo.
Nuika ipumya kunzi izo ni akwe, wi itongeela, ni inkolo yi mutyataa, ku nsoko ilingile u luli lakwe.
5 Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon’ ny vahiny.
Shanga ikumutyata u muziila kuiti badala akwe yukumuhuga, ku nsoko shanga yilingile induli nia aziil.”
6 Izany fanoharana izany no nolazain’ i Jesosy taminy, nefa tsy azony izay zavatra nolazainy taminy.
uYesu ai uligitilye impyani iyi kitalao, kuiti shanga ikamalinga imakani aya naiza utuile ukuligitya kitalao.
7 Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin’ ondry.
uYesu ai uligitilye ni enso hangi, Huiili, huiili, kumutambuila, Unene ni mumpita nua nkolo.
8 Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry.
Ihi nai antongee ingi ii hangi ahimbi, kuiti i nkolo shanga ai iategeeye.
9 Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran’ ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.
Unene ingi mumpita. Wihi ni ingiila kukiila kitalane, ukugunwa; ukingila mukati nu kupuma, nu ng'wenso uki ligilya u ludimo.
10 Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.
Umii shanga uzile kwaala kia, kubulaga, nu kulimilya. Nzile iti kina alije u upanga nua kali na kali hangi atule nuenso widu.
11 Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.
Unene ni mudimi nu mukende, uMudimi nu mukende wipumyaa u upanga nu akwe ku nsoko a nkolo.
12 Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon’ ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia misambotra ny ondry ka mampihahaka azy;
uMunya mulimo nu anilwe, ni shanga mudimi, naiza inkolo shanga nsao yakwe, wihengaa i mbugi ipembilye nu kuimanka inkolo.
13 mandositra izy, satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry.
Ni imbugi yi iambaa nu kuisapatilya. Wimankaa ku nsoko ingi munya milimo nua kanwa hangi shanga uikee inkolo.
14 Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho,
Unene ni mudimi nu mukende, hangi nialingile ni ane, ni enso ni ane aningile unene.
15 dia tahaka ny ahafantaran’ ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.
uTata uningile, nu nene numulingile uTata, nu nene niupumyaa u upanga nuane ku nsoko a nkolo.
16 Manana ondry hafa izay tsy amin’ ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.
Nkete i nkolo inzuya naza shanga yi itando ili. Nianso ga, ntakiwe kuileta, ni nyenso yukija u luli nulane iti kina itule ikoli idale ling'wi nu mudimi ung'wi.
17 Ary izany no itiavan’ ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray.
Iyi yiyo nsoko uTata undoilwe: Nu upumye u upanga nu ane halafu nu uhole hangi.
18 Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin’ ny Raiko.
Kutili nui uholaa kupuma kitalane, kuiti unene mukola niu pumyaa. Nkete u uhumi nua ku upumya, hangi nkete u uhumi ga nuku uhola. Nilisingiiye ilagiilyo ili kupuma kung'wa Tata.”
19 Ary nisy fisarahana indray tao amin’ ny Jiosy noho izany teny izany.
Utemanuki ukapumila hangi mu Ayahudi ku nsoko a makani aya.
20 Ary maro tamin’ ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no mihaino Azy ianareo?
Idu ao akaligitya, “Ukete hing'wi hangi ingi muhali. Ku niki mukumutengeelya?”
21 Hoy kosa ny sasany: Tsy mba tenin’ ny demoniaka izany; moa ny demonia va mahay mampahiratra ny mason’ ny jamba?
Auya akaligitya, “Aya shanga makani a muntu nu halinkaniwe ni ahing'wi. uHing'wi uhumile kumupitya i miho u mupoku?”
22 Ary tonga ny andro firavoravoana tany Jerosalema, dia ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina ny andro.
Uugwa ikaza i siku kuu a kuika u wakfu iYerusalemu.
23 Ary Jesosy nitsangantsangana teo an-kianjan’ ny tempoly teo amin’ ny Fialofan’ i Solomona.
Ai yatulaa itungo nila ulyuuku, nu Yesu ai watulaa ukugenda mi Itekeelo mu kianda ni kang'wa Selemani.
24 Dia nitangoronan’ ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay.
Uugwa iAyahudi nai akamupilimikiilya nu kumutambuila, “Kupikiila nali ukuuika mu witumbi? anga ize uewe ingi Kristo, kuile kihenga.
25 Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin’ ny anaran’ ny Raiko no manambara Ahy.
uYesu akasukiilya, “Nakondyaa kumutambuila kuiti shanga muhuiie. Milimo nikituma ku lina ni lang'wa Tata nuane, nianso iku kuila migulya ane
26 Kanefa ianareo tsy mino, satria tsy mba isan’ ny ondriko.
Ga ni iti shanga mu huiie ku nsoko unyenye shanga mi nkolo yane.
27 Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,
Inkolo ni ane yukija u luli nulane; Ni ilingile, ni nyenso yukuntyata unene.
28 ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ ny tanako. (aiōn g165, aiōnios g166)
Ni yinkiiye u upanga nua kali na kali; shanga yukulimila nangaluu, hangi kutili ga nung'wi nuika isapula kupuma mu mikono ane. (aiōn g165, aiōnios g166)
29 Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin’ ny tanan’ ny Ray.
uTata nu ane, nai uninkiiye nianso, ingi mukulu kukila ni angiiza ihi. hangi kutili ga nung'wi nukete u uhumi nua kuasapula kupuma mu mikono ang'wa Tata.
30 Izaho sy ny Ray dia iray ihany.
Unene nu Tata ki palung'wi.”
31 Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy.
Akakenka i magwe iti amutulangwe hangi.
32 Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin’ ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin’ ireny moa no itorahanareo vato Ahy?
uYesu aka asukiilya, “Nakondya kumulagiila milimo idu ni miza kupuma kung'wa Tata. Ku milimo ni uli mu nanso muloilwe kuntulanga imagwe?”
33 Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.
iAyahudi akamusukiilya, “Shanga ku ukutulanga image ku mulimo wihi nu uziza, kuiti ku kukunka, ku nsoko uewe, nuili wi muntu, ukitendiisa kina Itunda.”
34 Jesosy namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin’ ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo?
uYesu aka asukiilya, “Shanga ai ikilisigwe mu malagiilyo anyu, 'Aindigitilye, “Unyenye mi itunda?”
35 Raha ireny izay nanaovana izany tenin’ Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra (ary ny Soratra Masìna tsy azo foanana),
Anga itule ai uitangile mi Itunda, ku awo naza Lukani nu lang'wa Itunda ai liaziie (nu Ukilisigwa shanga uhumile kubunangwa),
36 moa Izay nohasinin’ ny Ray ka nirahiny ho amin’ izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak’ Andriamanitra Aho?
mukuligitya migulya a uyo naiza u Tata umupumilye nu kumulagiilya mu unkumbigulu, 'Ukukunka,' ku nsoko ai ndigitilye, ''unene ni ng'wana wang'wa Itunda'?
37 Raha tsy manao ny asan’ ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy.
“Anga itule shanga kituma i milimo ang'wa Tata nuane, muleke kuni huiila.
38 Fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa, mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato amiko, ary Izaho ao amin’ ny Ray.
Ga ni iti anga itule kituma i milimo, anga itule shanga munihuiie, huiili i milimo iti kina muhume kulinga uTata ukoli mu kati ane nu nene nkoli mukati ang'wa Tata.”
39 Dia nitady hisambotra Azy indray ny Jiosy; fa nandositra azy Izy.
Akagema hangi kumuamba uYesu, kuiti akalongola yakwe kupuma mu mikono ao.
40 Dia lasa nankany an-dafin’ i Jordana indray Jesosy, ho any amin’ ilay tany nanaovan’ i Jaona batisa voalohany, ka nitoetra tany Izy.
uYesu akalongola yakwe hangi ki itumbi nila Yordani nkika naiza uYohana ai watulaa ukoja u ng'wandyo, nu kikie kuko.
41 Ary maro no nankeo aminy ka nanao hoe: Jaona tsy mba nanao famantarana, nefa izay rehetra nolazainy ny amin’ ity Lehilahy ity dia marina avokoa.
Antu idu akapembya kung'wa Yesu. Ai alongolekile kuligitya, “uYahana tai shanga ai witule i ilingasiilyo yihi, kuiti imakani ihi nai umaligitilye uYohana migulya a muntu uyu ingi a tai.”
42 Ary maro no nino Azy teo.
Antu idu akamuhuiila uYesu pang'wanso.

< Jaona 10 >