< Jaona 10 >

1 Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa fa izay tsy miditra amin’ ny vavahady ho amin’ ny valan’ ondry, fa mananika ny fefy, dia mpangalatra sy jiolahy.
ܐܡܝܢ ܐܡܝܢ ܐܡܪ ܐܢܐ ܠܟܘܢ ܕܡܢ ܕܠܐ ܥܐܠ ܡܢ ܬܪܥܐ ܠܛܝܪܐ ܕܥܢܐ ܐܠܐ ܤܠܩ ܡܢ ܕܘܟܐ ܐܚܪܢܝܐ ܗܘ ܓܢܒܐ ܗܘ ܘܓܝܤܐ
2 Fa izay miditra amin’ ny vavahady no mpiandry ny ondry.
ܗܘ ܕܝܢ ܕܥܐܠ ܡܢ ܬܪܥܐ ܪܥܝܐ ܗܘ ܕܥܢܐ
3 Ary izy no vohan’ ny mpiandry vavahady; ary ny ondry mihaino ny feony; ary izay ondriny tokoa dia antsoiny amin’ ny anarany avy ka entiny mivoaka.
ܘܠܗܢܐ ܢܛܪ ܬܪܥܐ ܦܬܚ ܠܗ ܬܪܥܐ ܘܥܢܐ ܫܡܥܐ ܩܠܗ ܘܥܪܒܘܗܝ ܩܪܐ ܒܫܡܗܝܗܘܢ ܘܡܦܩ ܠܗܘܢ
4 Ary rehefa mamoaka ireo rehetra ireo izy, dia mialoha azy; ary ny ondriny manaraka azy, satria mahalala ny feony ireo.
ܘܡܐ ܕܐܦܩ ܥܢܗ ܩܕܡܝܗ ܐܙܠ ܘܥܪܒܘܗܝ ܕܝܠܗ ܐܙܠܝܢ ܒܬܪܗ ܡܛܠ ܕܝܕܥܝܢ ܩܠܗ
5 Ary ny vahiny tsy harahiny, fa handosirany, satria tsy fantany ny feon’ ny vahiny.
ܒܬܪ ܢܘܟܪܝܐ ܕܝܢ ܠܐ ܐܙܠܐ ܥܢܐ ܐܠܐ ܥܪܩܐ ܡܢܗ ܕܠܐ ܝܕܥܐ ܩܠܗ ܕܢܘܟܪܝܐ
6 Izany fanoharana izany no nolazain’ i Jesosy taminy, nefa tsy azony izay zavatra nolazainy taminy.
ܗܕܐ ܦܠܐܬܐ ܐܡܪ ܠܗܘܢ ܝܫܘܥ ܗܢܘܢ ܕܝܢ ܠܐ ܝܕܥܘ ܡܢܐ ܡܠܠ ܥܡܗܘܢ
7 Dia hoy indray Jesosy taminy: Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izaho no vavahadin’ ondry.
ܐܡܪ ܠܗܘܢ ܕܝܢ ܬܘܒ ܝܫܘܥ ܐܡܝܢ ܐܡܝܢ ܐܡܪ ܐܢܐ ܠܟܘܢ ܕܐܢܐ ܐܢܐ ܬܪܥܗ ܕܥܢܐ
8 Mpangalatra sy jiolahy izay rehetra tonga talohako; fa tsy nihaino azy ny ondry.
ܘܟܠܗܘܢ ܐܝܠܝܢ ܕܐܬܘ ܓܢܒܐ ܐܢܘܢ ܘܓܝܤܐ ܐܠܐ ܠܐ ܫܡܥܬ ܐܢܘܢ ܥܢܐ
9 Izaho no vavahady; raha Izaho no hidiran’ ny olona, dia hovonjena izy ka hiditra sy hivoaka sady hahazo hanina.
ܐܢܐ ܐܢܐ ܬܪܥܐ ܘܒܝ ܐܢ ܐܢܫ ܢܥܘܠ ܢܚܐ ܘܢܥܘܠ ܘܢܦܘܩ ܘܪܥܝܐ ܢܫܟܚ
10 Ny mpangalatra tsy avy raha tsy hangalatra sy hamono ary handringana; Izaho avy mba hananany fiainana, sady hananany be dia be.
ܓܢܒܐ ܠܐ ܐܬܐ ܐܠܐ ܕܢܓܢܘܒ ܘܕܢܩܛܘܠ ܘܕܢܘܒܕ ܐܢܐ ܐܬܝܬ ܕܚܝܐ ܢܗܘܘܢ ܠܗܘܢ ܘܡܕܡ ܕܝܬܝܪ ܢܗܘܐ ܠܗܘܢ
11 Izaho no Mpiandry Tsara; ny Mpiandry Tsara manolotra ny ainy hamonjy ny ondry.
ܐܢܐ ܐܢܐ ܪܥܝܐ ܛܒܐ ܪܥܝܐ ܛܒܐ ܢܦܫܗ ܤܐܡ ܚܠܦ ܥܢܗ
12 Ary ny mpikarama, satria tsy mpiandry na tompon’ ny ondry izy, koa raha mahita ny amboadia avy, dia mandao ny ondry ka mandositra, ary ny amboadia misambotra ny ondry ka mampihahaka azy;
ܐܓܝܪܐ ܕܝܢ ܕܠܐ ܗܘܐ ܪܥܝܐ ܘܠܘ ܕܝܠܗ ܐܢܘܢ ܥܪܒܐ ܡܐ ܕܚܙܐ ܕܐܒܐ ܕܐܬܐ ܫܒܩ ܥܢܐ ܘܥܪܩ ܘܐܬܐ ܕܐܒܐ ܚܛܦ ܘܡܒܕܪ ܠܗ ܠܥܢܐ
13 mandositra izy, satria mpikarama ka tsy mitandrina ny ondry.
ܐܓܝܪܐ ܕܝܢ ܥܪܩ ܡܛܠ ܕܐܓܝܪܐ ܗܘ ܘܠܐ ܒܛܝܠ ܠܗ ܥܠ ܥܢܐ
14 Izaho no Mpiandry Tsara; ary fantatro ny Ahy, sady fantany Aho,
ܐܢܐ ܐܢܐ ܪܥܝܐ ܛܒܐ ܘܝܕܥ ܐܢܐ ܠܕܝܠܝ ܘܡܬܝܕܥ ܐܢܐ ܡܢ ܕܝܠܝ
15 dia tahaka ny ahafantaran’ ny Ray Ahy sy ny ahafantarako ny Ray; ary Izaho manolotra ny aiko hamonjy ny ondry.
ܐܝܟܢܐ ܕܝܕܥ ܠܝ ܐܒܝ ܘܐܢܐ ܝܕܥ ܐܢܐ ܠܐܒܝ ܘܢܦܫܝ ܤܐܡ ܐܢܐ ܚܠܦ ܥܢܐ
16 Manana ondry hafa izay tsy amin’ ity vala ity Aho; ary ireny koa dia tsy maintsy ho entiko ka hihaino ny feoko; ary ho tonga andiany iray izy, sady iray ihany ny Mpiandry.
ܐܝܬ ܠܝ ܕܝܢ ܐܦ ܥܪܒܐ ܐܚܪܢܐ ܐܝܠܝܢ ܕܠܐ ܗܘܘ ܡܢ ܛܝܪܐ ܗܢܐ ܘܐܦ ܠܗܘܢ ܘܠܐ ܠܝ ܠܡܝܬܝܘ ܐܢܘܢ ܘܢܫܡܥܘܢ ܩܠܝ ܘܬܗܘܐ ܥܢܐ ܟܠܗ ܚܕܐ ܘܚܕ ܪܥܝܐ
17 Ary izany no itiavan’ ny Raiko Ahy, satria Izaho manolotra ny aiko mba handraisako azy indray.
ܡܛܠ ܗܢܐ ܐܒܝ ܪܚܡ ܠܝ ܕܐܢܐ ܤܐܡ ܐܢܐ ܢܦܫܝ ܕܬܘܒ ܐܤܒܝܗ
18 Tsy misy manaisotra ny aiko amiko, fa ny tenako ihany no manolotra azy. Manana fahefana hanolotra azy Aho, ary manana fahefana haka azy indray. Izany didy izany dia azoko tamin’ ny Raiko.
ܠܐ ܗܘܐ ܐܢܫ ܫܩܠ ܠܗ ܡܢܝ ܐܠܐ ܐܢܐ ܤܐܡ ܐܢܐ ܠܗ ܡܢ ܨܒܝܢܝ ܫܠܝܛ ܐܢܐ ܓܝܪ ܕܐܤܝܡܝܗ ܘܫܠܝܛ ܐܢܐ ܕܬܘܒ ܐܤܒܝܗ ܕܗܢܐ ܦܘܩܕܢܐ ܩܒܠܬ ܡܢ ܐܒܝ
19 Ary nisy fisarahana indray tao amin’ ny Jiosy noho izany teny izany.
ܘܗܘܬ ܬܘܒ ܦܠܓܘܬܐ ܒܝܢܝ ܝܗܘܕܝܐ ܡܛܠ ܡܠܐ ܗܠܝܢ
20 Ary maro tamin’ ireo no nanao hoe: Manana demonia Izy ka efa very saina; nahoana no mihaino Azy ianareo?
ܘܐܡܪܝܢ ܗܘܘ ܤܓܝܐܐ ܡܢܗܘܢ ܕܕܝܘܐ ܐܝܬ ܠܗ ܘܡܫܢܐ ܫܢܐ ܡܢܐ ܫܡܥܝܢ ܐܢܬܘܢ ܠܗ
21 Hoy kosa ny sasany: Tsy mba tenin’ ny demoniaka izany; moa ny demonia va mahay mampahiratra ny mason’ ny jamba?
ܐܚܪܢܐ ܕܝܢ ܐܡܪܝܢ ܗܘܘ ܗܠܝܢ ܡܠܐ ܠܐ ܗܘܝ ܕܕܝܘܢܐ ܠܡܐ ܕܝܘܐ ܡܫܟܚ ܥܝܢܐ ܕܤܡܝܐ ܠܡܦܬܚܘ
22 Ary tonga ny andro firavoravoana tany Jerosalema, dia ilay atao hoe Fitokanana, ary efa ririnina ny andro.
ܗܘܐ ܕܝܢ ܥܐܕܐ ܕܚܘܕܬܐ ܒܐܘܪܫܠܡ ܘܤܬܘܐ ܗܘܐ
23 Ary Jesosy nitsangantsangana teo an-kianjan’ ny tempoly teo amin’ ny Fialofan’ i Solomona.
ܘܡܗܠܟ ܗܘܐ ܝܫܘܥ ܒܗܝܟܠܐ ܒܐܤܛܘܐ ܕܫܠܝܡܘܢ
24 Dia nitangoronan’ ny Jiosy Izy ka nanontaniany hoe: Ambara-pahoviana no hampisalasalanao anay? Raha Hianao no Kristy, dia lazao marimarina aminay.
ܘܚܕܪܘܗܝ ܝܗܘܕܝܐ ܘܐܡܪܝܢ ܠܗ ܥܕܡܐ ܠܐܡܬܝ ܢܤܒ ܐܢܬ ܢܦܫܢ ܐܢ ܐܢܬ ܗܘ ܡܫܝܚܐ ܐܡܪ ܠܢ ܓܠܝܐܝܬ
25 Jesosy namaly azy hoe: Efa nilaza taminareo ihany Aho, nefa tsy mino ianareo; ny asa izay ataoko amin’ ny anaran’ ny Raiko no manambara Ahy.
ܥܢܐ ܝܫܘܥ ܘܐܡܪ ܠܗܘܢ ܐܡܪܬ ܠܟܘܢ ܘܠܐ ܡܗܝܡܢܝܢ ܐܢܬܘܢ ܘܥܒܕܐ ܕܐܢܐ ܥܒܕ ܐܢܐ ܒܫܡܗ ܕܐܒܝ ܗܢܘܢ ܤܗܕܝܢ ܥܠܝ
26 Kanefa ianareo tsy mino, satria tsy mba isan’ ny ondriko.
ܐܠܐ ܐܢܬܘܢ ܠܐ ܡܗܝܡܢܝܢ ܐܢܬܘܢ ܡܛܠ ܕܠܐ ܗܘܝܬܘܢ ܡܢ ܥܪܒܝ ܐܝܟܢܐ ܕܐܡܪܬ ܠܟܘܢ
27 Ny ondriko mihaino ny feoko, ary Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy,
ܥܪܒܐ ܕܝܠܝ ܩܠܝ ܫܡܥܝܢ ܘܐܢܐ ܝܕܥ ܐܢܐ ܠܗܘܢ ܘܗܢܘܢ ܐܬܝܢ ܒܬܪܝ
28 ary Izaho manome azy fiainana mandrakizay, ka tsy ho very izy mandrakizay, ary tsy hisy handrombaka azy amin’ ny tanako. (aiōn g165, aiōnios g166)
ܘܐܢܐ ܝܗܒ ܐܢܐ ܠܗܘܢ ܚܝܐ ܕܠܥܠܡ ܘܠܐ ܢܐܒܕܘܢ ܠܥܠܡ ܘܠܐ ܐܢܫ ܢܚܛܘܦ ܐܢܘܢ ܡܢ ܐܝܕܝ (aiōn g165, aiōnios g166)
29 Ny Raiko Izay nanome Ahy dia lehibe noho izy rehetra; ary tsy misy mahay mandrombaka amin’ ny tanan’ ny Ray.
ܐܒܝ ܓܝܪ ܕܝܗܒ ܠܝ ܡܢ ܟܠ ܪܒ ܗܘ ܘܠܐ ܐܢܫ ܡܫܟܚ ܕܡܢ ܐܝܕܗ ܕܐܒܝ ܢܚܛܘܦ
30 Izaho sy ny Ray dia iray ihany.
ܐܢܐ ܘܐܒܝ ܚܕ ܚܢܢ
31 Dia naka vato indray ny Jiosy hitoraka Azy.
ܘܫܩܠܘ ܬܘܒ ܝܗܘܕܝܐ ܟܐܦܐ ܠܡܪܓܡܗ
32 Jesosy namaly azy hoe: Maro ny asa tsara nasehoko taminareo avy tamin’ ny Ray; koa ny asa manao ahoana amin’ ireny moa no itorahanareo vato Ahy?
ܐܡܪ ܠܗܘܢ ܝܫܘܥ ܤܓܝܐܐ ܥܒܕܐ ܫܦܝܪܐ ܡܢ ܠܘܬ ܐܒܝ ܚܘܝܬܟܘܢ ܡܛܠ ܐܝܢܐ ܥܒܕܐ ܡܢܗܘܢ ܪܓܡܝܢ ܐܢܬܘܢ ܠܝ
33 Ny Jiosy namaly Azy hoe: Tsy asa tsara no itorahanay vato Anao, fa fitenenan-dratsy, satria olona ihany Hianao, nefa manao ny tenanao ho Andriamanitra.
ܐܡܪܝܢ ܠܗ ܝܗܘܕܝܐ ܠܐ ܗܘܐ ܡܛܠ ܥܒܕܐ ܫܦܝܪܐ ܪܓܡܝܢ ܚܢܢ ܠܟ ܐܠܐ ܡܛܠ ܕܡܓܕܦ ܐܢܬ ܘܟܕ ܐܝܬܝܟ ܒܪ ܐܢܫܐ ܥܒܕ ܐܢܬ ܢܦܫܟ ܐܠܗܐ
34 Jesosy namaly azy hoe: Tsy voasoratra ao amin’ ny lalànareo va hoe: Hoy Izaho: Andriamanitra ianareo?
ܐܡܪ ܠܗܘܢ ܝܫܘܥ ܠܐ ܗܘܐ ܗܟܢܐ ܟܬܝܒ ܒܢܡܘܤܟܘܢ ܕܐܢܐ ܐܡܪܬ ܕܐܠܗܐ ܐܢܬܘܢ
35 Raha ireny izay nanaovana izany tenin’ Andriamanitra izany no natao hoe andriamanitra (ary ny Soratra Masìna tsy azo foanana),
ܐܢ ܠܗܢܘܢ ܐܡܪ ܐܠܗܐ ܡܛܠ ܕܠܘܬܗܘܢ ܗܘܬ ܡܠܬܐ ܕܐܠܗܐ ܘܠܐ ܡܫܟܚ ܟܬܒܐ ܕܢܫܬܪܐ
36 moa Izay nohasinin’ ny Ray ka nirahiny ho amin’ izao tontolo izao va no ataonareo hoe: Miteny ratsy Hianao, satria hoy Izaho: Zanak’ Andriamanitra Aho?
ܠܐܝܢܐ ܕܐܒܐ ܩܕܫܗ ܘܫܕܪܗ ܠܥܠܡܐ ܐܢܬܘܢ ܐܡܪܝܢ ܐܢܬܘܢ ܕܡܓܕܦ ܐܢܬ ܥܠ ܕܐܡܪܬ ܠܟܘܢ ܕܒܪܗ ܐܢܐ ܕܐܠܗܐ
37 Raha tsy manao ny asan’ ny Raiko Aho, dia aza mino Ahy.
ܐܠܐ ܥܒܕ ܐܢܐ ܥܒܕܐ ܕܐܒܝ ܠܐ ܬܗܝܡܢܘܢܢܝ
38 Fa raha manao ihany kosa Aho, na dia tsy mino Ahy aza ianareo, dia minoa ny asa, mba ho fantatrareo sy hekenareo fa ny Ray no ato amiko, ary Izaho ao amin’ ny Ray.
ܐܢ ܕܝܢ ܥܒܕ ܐܢܐ ܐܦܢ ܠܝ ܠܐ ܡܗܝܡܢܝܢ ܐܢܬܘܢ ܠܗܘܢ ܠܥܒܕܐ ܗܝܡܢܘ ܕܬܕܥܘܢ ܘܬܗܝܡܢܘܢ ܕܐܒܝ ܒܝ ܘܐܢܐ ܒܐܒܝ
39 Dia nitady hisambotra Azy indray ny Jiosy; fa nandositra azy Izy.
ܘܒܥܘ ܗܘܘ ܬܘܒ ܕܢܐܚܕܘܢܝܗܝ ܘܢܦܩ ܠܗ ܡܢ ܒܝܬ ܐܝܕܝܗܘܢ
40 Dia lasa nankany an-dafin’ i Jordana indray Jesosy, ho any amin’ ilay tany nanaovan’ i Jaona batisa voalohany, ka nitoetra tany Izy.
ܘܐܙܠ ܠܗ ܠܥܒܪܐ ܕܝܘܪܕܢܢ ܠܕܘܟܬܐ ܐܝܟܐ ܕܐܝܬܘܗܝ ܗܘܐ ܝܘܚܢܢ ܡܢ ܩܕܝܡ ܟܕ ܡܥܡܕ ܗܘܐ ܘܗܘܐ ܬܡܢ
41 Ary maro no nankeo aminy ka nanao hoe: Jaona tsy mba nanao famantarana, nefa izay rehetra nolazainy ny amin’ ity Lehilahy ity dia marina avokoa.
ܘܐܬܘ ܐܢܫܐ ܤܓܝܐܐ ܠܘܬܗ ܘܐܡܪܝܢ ܗܘܘ ܕܝܘܚܢܢ ܐܦ ܠܐ ܚܕܐ ܐܬܐ ܥܒܕ ܟܠܡܕܡ ܕܝܢ ܕܐܡܪ ܝܘܚܢܢ ܥܠ ܓܒܪܐ ܗܢܐ ܫܪܝܪ ܗܘ
42 Ary maro no nino Azy teo.
ܘܤܓܝܐܐ ܗܝܡܢܘ ܒܗ

< Jaona 10 >