< Joela 1 >
1 Ny tenin’ i Jehovah, izay tonga tamin’ i Joela, zanak’ i Petoela.
Hili ni neno la Bwana lililomjia Yoeli mwana wa Pethueli.
2 Henoy izao, ry anti-panahy! Ary mandrenesa, ianareo mponina rehetra amin’ ny tany! Moa mba efa nisy tamin’ ny andronareo na tamin’ ny andron’ ny razanareo, va izao?
Sikieni haya, ninyi wazee, na sikieni, ninyi wenyeji wa nchi. Je! Hii imewahi kuwa kabla ya siku zenu au katika siku za baba zenu?
3 Lazao amin’ ny zanakareo izao, ary aoka ny zanakareo hilaza amin’ ny zanany kosa, ary ny zanak’ ireo kosa indray amin’ ny taranaka mandimby azy.
Waambie watoto wako kuhusu hilo, na waache watoto wako kuwaambie watoto wao, na watoto wao kizazi kijacho.
4 Izay sisan’ ny kijeja dia nohanin’ ny koraika; Ary izay sisan’ ny koraika dia nohanin’ ny valalavao: Ary izay sisan’ ny valalavao dia nohanin’ ny sompanga.
Yale yaliyosazwa na tunutu yameliwa na nzige wakubwa; yale yaliyosazwa na nzige panzi wameyala; na yaliyosazwa na panzi yameliwa na madumadu
5 Mifohaza, ianareo mpimamo, ka mitomania, eny, midradradradrà, ianareo mpisotro divay rehetra, noho ny ranom-boaloboka, satria tapaka tsy ho amin’ ny vavanareo izany.
Amkeni, enyi walevi, lieni! Omboleza, ninyi nyote mnywao divai, kwa sababu divai nzuri imekatwa kutoka kwenu.
6 Fa misy firenena mahery sady tsy hita isa miakatra hamely ny taniko; Ny nifiny dia nifin-diona, ary ny vazany dia vazan’ ny liom-bavy.
Kwa maana taifa limekuja juu ya nchi yangu, imara na bila idadi. Meno yake ni meno ya simba, neye ana meno ya simba.
7 Nataony simba tokoa ny voaloboko, ary notapatapahiny ny aviaviko; Nataony nakiky tokoa ireny ka nariany, eny, tonga fotsy ny rantsany.
Amelifanya shamba langu la mizabibu kuwa mahali pa kutisha, amechukua mtini wangu. Amechukua gome lake na kulitupa mbali; matawi yake yamekuwa meupe.
8 Midradradradrà toy ny virijina misikindamba fisaonana noho ny amin’ ny vadin’ ny fahatanorany.
Omboleza kama bikira aliyevaa magunia kwa kifo cha mumewe mdogo.
9 Efa tapaka tsy ho ao amin’ ny tranon’ i Jehovah ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; Mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ i Jehovah.
Sadaka ya unga na sadaka ya kinywaji zimekatiliwa mbali na nyumba ya Bwana. Makuhani, watumishi wa Bwana, huomboleza.
10 Mariry ny saha, misaona ny tany fambolena; Fa simba ny vary, ritra ny ranom-boaloboka, mihena ny diloilo.
Mashamba yameharibiwa, na nchi imekuwa dhaifu. Kwa maana nafaka imeharibiwa, divai mpya imekauka, na mafuta yameharibiwa.
11 Aoka ho menatra ianareo mpiasa tany; midradradradrà, ianareo mpamboatra tanim-boaloboka, noho ny vary tritika sy ny vary hordea; Fa majifa ny vokatry ny saha;
Oneni aibu, enyi wakulima, lieni, wakulima wa mzabibu, kwa ngano na shayiri. Kwa mavuno ya mashamba yameharibika.
12 Maina ny voaloboka, malazo ny aviavy, ary malazo koa ny ampongabendanitra sy ny rofia ary ny poma aza, dia ny hazo rehetra any an-tsaha; Eny, malazo ny fifalian’ ny zanak’ olombelona.
Mizabibu imeharibika na miti ya mtini imekauka, miti ya mkomamanga, pia mitende, na miti ya epo - miti yote ya shambani imeharibika. Kwa furaha imeharibika kutoka kwa wana wa wanadamu.
13 Misikìna sy mitomania, ianareo mpisorona; midradradradrà, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana eo amin’ ny alitara; Andeha mandry amin’ ny lamba fisaonana mandritra ny alina, ianareo mpanao fanompoam-pivavahana ho an’ Andriamanitro, fa tapaka tsy ho ao amin’ ny tranon’ Andriamanitra ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina.
Panda magunia na omboleza, enyi makuhani! Mwalia, enyi watumishi wa madhabahu. Njoo, ulala usiku wote kwenye magunia, enyi watumishi wa Mungu wangu. Maana sadaka ya unga na sadaka ya kinywaji zimezuiliwa nyumbani mwa Mungu wenu.
14 Manamasìna andro fifadian-kanina, miantsoa fivoriana masìna, angòny ny loholona sy ny mponina rehetra amin’ ny tany ho ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitrareo, koa andeha mitaraina amin’ i Jehovah.
Iteni kwa funga takatifu, na iteni kusanyiko takatifu. Mkusanyieni wazee na wenyeji wote wa nchi wafike nyumbani kwa Bwana Mungu wenu, na kumlilia Bwana.
15 Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron’ i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ ny Tsitoha no fihaviny.
Ole kwa siku! Kwa maana siku ya Bwana imekaribia. Nayo itakuja uharibifu kutoka kwa Mwenyezi.
16 Moa tsy efa tapaka teo imasontsika va ny hanina, eny, ny fifaliana sy ny faharavoravoana tsy ho ao an-tranon’ Andriamanitsika?
Je, chakula hakikukatiliwa mbali mbele ya macho yetu, na furaha na kicheko kutoka nyumbani mwa Mungu wetu?
17 Matimaso ao ambanin’ ny baingan-tany ny vary nafafy, foana ny sompitra, mirodana ny trano fitehirizam-bary; Fa nalazo ny vary.
Mbegu zinaoza chini ya udongo wake, ghala zimekuwa ukiwa, na mabanda yamevunjika, kwa maana nafaka imeharibika.
18 Indrisy, ny fitoreon’ ny biby! Very hevitra ny omby andiany, satria tsy misy ahitra ho azy; Eny, na dia ny andian’ ny ondry aman’ osy aza dia mijaly noho ny heloka.
Jinsi wanyama hulia! Ng'ombe wa ngome wanateseka kwa sababu hawana malisho. Pia, makundi ya kondoo yanateseka.
19 Jehovah ô, Hianao no itarainako, fa efa levon’ ny afo ny kijana any an-efitra, ary nisy lelafo efa nandoro ny hazo rehetra any an-tsaha.
Bwana, nakulilia wewe. Kwa maana moto umekula malisho ya jangwani, na moto umeteketeza miti yote ya mashamba.
20 Na dia ny biby any an-tsaha aza dia mihanahana miandrandra Anao, satria ritra ny renirano, ary efa levon’ ny afo ny kijana any an-efitra.
Hata wanyama wa mashambani wanapanda kwa ajili yako, kwa maana mito ya maji imekauka, na moto umekula malisho ya jangwani.