< Joela 3 >

1 Fa, indro, amin’ ireo andro ireo sy amin’ izany fotoana izany, raha hampodiko ny Joda sy Jerosalema avy amin’ ny fahababoany,
“A waɗancan kwanaki da kuma a wancan lokaci, sa’ad da zan maido da arzikin Yahuda da Urushalima,
2 Dia hangoniko ny jentilisa rehetra ka ho entiko midìna ao amin’ ny Lohasahan’ i Josafata, ary ao no hifandaharako aminy noho ny amin’ ny Isiraely, oloko sy lovako, izay naeliny tany amin’ ny jentilisa; Ary nozarazarainy ny taniko,
zan tattara dukan al’ummai in kuma kawo su Kwarin Yehoshafat Can zan yi musu shari’a game da gādona, mutanena Isra’ila, gama sun warwatsar da mutanena a cikin al’ummai sun kuma raba ƙasata.
3 Sady nanaovany loka ny oloko, dia zazalahy no nataony takalon’ ny vehivavy janga, ary zazavavy no namidiny divay ka nosotroiny.
Sun jefa ƙuri’a a kan mutanena suna kuma sayar da yara maza don karuwanci, sun sayar da’yan matan domin ruwan inabi wanda za su sha.
4 Ary ianareo koa, ry Tyro sy Sidona, sy ry tany Filistia rehetra, moa mampaninona Ahy akory ianareo? Hamaly Ahy va ianareo, sa hanahoana Ahy? Faingana dia faingana no hanatsingerenako ny nataonareo ho eo an-dohanareo,
“Yanzu mene ne damuwarku da ni, ya Taya da Sidon da kuma dukan mazaunan yankunan Filistiya? Kuna ƙoƙari ku sāka mini don abin da na yi ne? In kuna sāka mini ne, to, da gaggawa zan mayar muku da sakayya a kanku.
5 Noho ny natanareo ny volafotsiko sy ny volamenako, sy ny nitondranareo ny zava-tsoako mahafinaritra ho ao amin’ ny tempolinareo;
Gama kun kwashe azurfata da zinariyata kun kuma washe dukiyata mafi kyau kun kai cikin haikalinku.
6 Ary ny zanak’ i Joda sy ny zanak’ i Jerosalema dia namidinareo tamin’ ny zanaky ny Grika, hamindranareo azy hanalavitra ny taniny.
Kun sayar da mutanen Yahuda da na Urushalima ga mutanen Hellenawa, don ku aika da su nesa da ƙasarsu.
7 Indro, hofohaziko izy hiala ny amin’ ny tany Izay nahaverezany noho ny nahalafosanareo azy, ary hatsingeriko ho eo an-dohanareo ny nataonareo,
“Duba, zan dawo da su daga wuraren da kuka sayar da su, in kuma yi muku abin da kuka yi musu.
8 Ka hamidiko ho lasan’ ny zanak’ i Joda kosa ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ary hamidiny amin’ ny Sabeana kosa ireny, dia ho an’ izay firenena lavitra; Fa Jehovah no efa niteny.
Zan sayar da’ya’yanku maza da mata ga mutanen Yahuda, su kuma za su sayar da su ga mutanen Sabenawa, al’umma da take nesa da ku.” Ubangiji ya faɗa.
9 Antsoy any amin’ ny jentilisa izany, miantsoa hanao ady masìna, fohazy ny lehilahy mahery, aoka handroso ny mpiady rehetra ka hiakatra;
Ku yi shelar wannan ga al’ummai. Ku yi shirin yaƙi! Ku tā da jarumawa! Bari mayaƙa su ja kusa su kai hari.
10 Tefeo ho sabatra ny fangadinareo, ary ho lefona ny antsinareo fanetezam-boaloboka; Aoka izay kelikely aina hihiaka hoe: Mahery aho!
Ku bubbuge garemaninku su zama takuba da kuma laujenku su zama māsu. Bari raunana su ce, “Ni mai ƙarfi ne!”
11 Avia faingana, ianareo jentilisa rehetra avy eny manodidina eny, dia ento midìna ao ny maherinao, Jehovah ô.
Ku gaggauta, dukanku al’ummai daga kowane ɓangare, ku tattaru a can. Ka sauko da mayaƙanka, ya Ubangiji!
12 Hifoha ny jentilisa ka hiakatra ho ao amin’ ny Lohasahan’ i Josafata; Fa ao no hipetrahako hitsara ny jentilisa rehetra avy eny manodidina eny.
“Bari a tā da dukan al’ummai; bari su kutsa zuwa Kwarin Yehoshafat gama a can zan zauna in shari’anta dukan al’ummai daga kowane ɓangare.
13 Arosoy ny fijinjana, fa masaka ny vokatra; Avia ianareo, ka manosihose, fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny vata fanantazana, fa be ny faharatsiany.
Ku fito da lauje, gama girbi ya nuna. Ku zo, ku tattaka inabin, gama wurin matsewar ruwan inabi ya cika randunan tarawa kuma sun cika har suna zuba, muguntarsu da girma take!”
14 He izany vahoaka mireondreona ao amin’ ny lohasaha fitsarana! Fa efa antomotra ny andron’ i Jehovah ao amin’ ny lohasaha fitsarana.
Dubun dubbai suna a cikin kwarin yanke shawara! Gama ranar Ubangiji ta yi kusa a cikin kwarin yanke shawara.
15 Ny masoandro sy ny volana ho tonga maizina, ary ny kintana tsy hamirapiratra,
Za a duhunta rana da wata, taurari kuma ba za su ba da haske ba.
16 Jehovah mierona ao Ziona, ary mampikotroka ao Jerosalema, ka hihorohoro ny tany aman-danitra; Fa Jehovah no fialofan’ ny olony sy fiarovana mafy ho an’ ny Zanak’ Isiraely.
Ubangiji zai yi ruri daga Sihiyona tsawa kuma daga Urushalima; duniya da sararin sama za su yi rawan jiki. Amma Ubangiji zai zama mafakar mutanensa, mafaka ga mutanensa Isra’ila.
17 Ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay monina ao Ziona, tendrombohitro masìna; Dia ho masìna Jerosalema, ary ny hafa firenena tsy mba handeha hamaky eo intsony.
“Sa’an nan za ku san cewa ni, Ubangiji Allahnku, ina zaune a Sihiyona, dutsena mai tsarki. Urushalima za tă zama mai tsarki; baƙi ba za su ƙara mamaye ta ba.
18 Amin’ izany andro izany dia hipoipoitra ranom-boaloboka ny tendrombohitra, handriaka ronono ny havoana, ho feno rano ny lohasahan-driak’ i Joda rehetra, ary hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon’ i Jehovah ka handena ny lohasahan-driak’ i Sitima.
“A wannan rana duwatsu za su ɗiga da sabon ruwan inabi, tuddai kuma za su malmalo madara; dukan rafuffukan Yahuda za su yi ta gudano da ruwa. Maɓulɓula kuma za tă fito daga gidan Ubangiji haka ma ruwa a kwarin itatuwan ƙirya.
19 Egypta kosa ho tonga tany lao, ary Edoma ho efitra foana, noho ny fampahoriana ny taranak’ i Joda, dia ny nandatsahany rà marina teo amin’ ny taniny.
Amma Masar za tă zama kango, Edom kuma hamada marar amfani, saboda kama-karyar da aka yi wa mutanen Yahuda, a ƙasar da aka zub da jinin marasa laifi.
20 Fa Joda honenana mandrakizay, ary Jerosalema hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
Za a zauna a Yahuda har abada Urushalima kuma daga tsara zuwa tsara.
21 Ary hamaly ny rà marina izay tsy mbola novaliako Aho; Fa Jehovah monina ao Ziona.
Alhakin jininsu, wanda ban gafarta ba, zan gafarta.”

< Joela 3 >