< Joela 3 >

1 Fa, indro, amin’ ireo andro ireo sy amin’ izany fotoana izany, raha hampodiko ny Joda sy Jerosalema avy amin’ ny fahababoany,
For, in those days and in that time, when I bring back again the captivity of Judah and Jerusalem,
2 Dia hangoniko ny jentilisa rehetra ka ho entiko midìna ao amin’ ny Lohasahan’ i Josafata, ary ao no hifandaharako aminy noho ny amin’ ny Isiraely, oloko sy lovako, izay naeliny tany amin’ ny jentilisa; Ary nozarazarainy ny taniko,
I will also gather all the nations and bring them down into the Valley of Jehoshaphat, and there I will enter into judgment with them for my people and my heritage Israel, whom they have scattered among the nations, and divided my land.
3 Sady nanaovany loka ny oloko, dia zazalahy no nataony takalon’ ny vehivavy janga, ary zazavavy no namidiny divay ka nosotroiny.
They have cast lots for my people. They have traded boys for prostitutes, and sold girls for wine, and drunk it.
4 Ary ianareo koa, ry Tyro sy Sidona, sy ry tany Filistia rehetra, moa mampaninona Ahy akory ianareo? Hamaly Ahy va ianareo, sa hanahoana Ahy? Faingana dia faingana no hanatsingerenako ny nataonareo ho eo an-dohanareo,
What are you to me, Tyre and Sidon and all the districts of Philistia? Were you repaying any deed of mine, or were you doing something for me? Quickly will I return your deed upon your heads.
5 Noho ny natanareo ny volafotsiko sy ny volamenako, sy ny nitondranareo ny zava-tsoako mahafinaritra ho ao amin’ ny tempolinareo;
You who have taken my silver and my gold, and you have brought my goodly jewels into your palaces,
6 Ary ny zanak’ i Joda sy ny zanak’ i Jerosalema dia namidinareo tamin’ ny zanaky ny Grika, hamindranareo azy hanalavitra ny taniny.
you have sold the people of Judah and of Jerusalem to the Greeks, so that you might remove them far from their own borders.
7 Indro, hofohaziko izy hiala ny amin’ ny tany Izay nahaverezany noho ny nahalafosanareo azy, ary hatsingeriko ho eo an-dohanareo ny nataonareo,
I am about to stir them up from the place to which you have sold them, and I will turn your deeds upon your own head.
8 Ka hamidiko ho lasan’ ny zanak’ i Joda kosa ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo, ary hamidiny amin’ ny Sabeana kosa ireny, dia ho an’ izay firenena lavitra; Fa Jehovah no efa niteny.
I will sell your sons and your daughters into the hands of the people of Judah, and they will sell them to the Sabeans, to a nation far off, for the Lord has spoken.
9 Antsoy any amin’ ny jentilisa izany, miantsoa hanao ady masìna, fohazy ny lehilahy mahery, aoka handroso ny mpiady rehetra ka hiakatra;
Proclaim this among the nations, sanctify war. Arouse the warriors, let all the fighting men muster and go up.
10 Tefeo ho sabatra ny fangadinareo, ary ho lefona ny antsinareo fanetezam-boaloboka; Aoka izay kelikely aina hihiaka hoe: Mahery aho!
Beat your ploughshares into swords, and your pruning-hooks into lances; let the weak say, I, indeed, am strong.
11 Avia faingana, ianareo jentilisa rehetra avy eny manodidina eny, dia ento midìna ao ny maherinao, Jehovah ô.
Bestir yourselves and come, all you nations round about. Quickly gather yourselves together, ask the Lord to bring his warriors.
12 Hifoha ny jentilisa ka hiakatra ho ao amin’ ny Lohasahan’ i Josafata; Fa ao no hipetrahako hitsara ny jentilisa rehetra avy eny manodidina eny.
Let the nations rouse themselves and come up to the Valley of Jehoshaphat, for there will I sit to judge all the surrounding nations.
13 Arosoy ny fijinjana, fa masaka ny vokatra; Avia ianareo, ka manosihose, fa feno ny famiazam-boaloboka, mihoatra ny vata fanantazana, fa be ny faharatsiany.
Put in the sickle, for the harvest is ripe; go in, tread, for the wine press is full. The vats overflow, for great is their wickedness.
14 He izany vahoaka mireondreona ao amin’ ny lohasaha fitsarana! Fa efa antomotra ny andron’ i Jehovah ao amin’ ny lohasaha fitsarana.
Noisy multitudes, noisy multitudes in the valley of decision. For near is the Lord’s day in the valley of decision!
15 Ny masoandro sy ny volana ho tonga maizina, ary ny kintana tsy hamirapiratra,
Sun and moon have turned dark, and the stars withdrawn their shining.
16 Jehovah mierona ao Ziona, ary mampikotroka ao Jerosalema, ka hihorohoro ny tany aman-danitra; Fa Jehovah no fialofan’ ny olony sy fiarovana mafy ho an’ ny Zanak’ Isiraely.
Whenever the Lord roars from Zion and utters his voice from Jerusalem, earth and sky quake; but the Lord is a refuge to his people, and a fortress to the people of Israel.
17 Ary dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay monina ao Ziona, tendrombohitro masìna; Dia ho masìna Jerosalema, ary ny hafa firenena tsy mba handeha hamaky eo intsony.
And you will know that I am the Lord your God, I who dwells in Zion, my holy mountain, and Jerusalem will be holy, and strangers will not pass through her any more.
18 Amin’ izany andro izany dia hipoipoitra ranom-boaloboka ny tendrombohitra, handriaka ronono ny havoana, ho feno rano ny lohasahan-driak’ i Joda rehetra, ary hisy loharano hivoaka avy ao an-tranon’ i Jehovah ka handena ny lohasahan-driak’ i Sitima.
In that day, the mountains will drop sweet wine, the hills will flow with milk, all the channels of Judah will flow with water, a fountain will spring from the house of Judah, and will water the Valley of Shittim.
19 Egypta kosa ho tonga tany lao, ary Edoma ho efitra foana, noho ny fampahoriana ny taranak’ i Joda, dia ny nandatsahany rà marina teo amin’ ny taniny.
Egypt will become a desolation, and Edom a wilderness, because of the violence done to the people of Judah, because they shed innocent blood in their land,
20 Fa Joda honenana mandrakizay, ary Jerosalema hatramin’ ny taranaka fara mandimby.
Judah will remain inhabited forever, and Jerusalem from generation to generation.
21 Ary hamaly ny rà marina izay tsy mbola novaliako Aho; Fa Jehovah monina ao Ziona.
I will avenge their blood which I have not yet avenged. The Lord lives in Zion!

< Joela 3 >