< Joba 9 >

1 Dia namaly Joba ka nanao hoe:
Then answered Job, and said,
2 Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra?
Truly I know that it is so: and how could a mortal be righteous before God?
3 Raha te-hifandahatra aminy izy, dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin’ ny arivo aza.
If he were desirous to enter into a contest with him, he could not give him one answer out of a thousand.
4 Hendry am-po Izy sady matanjaka amin’ ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?
He is wise of heart, and mighty in strength: who hath hardened himself against him, and escaped unscathed?
5 Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin’ ny fahatezerany,
[He it is] who removeth mountains, and they know it not, yea, when he overturneth them in his anger;
6 Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin’ ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny;
Who shaketh the earth loose out of her place, that her pillars tremble;
7 Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;
Who speaketh to the sun, and he shineth not, and around the stars he placeth a seal;
8 Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina;
Who spread out the heavens by himself alone, and treadeth upon the hillocks of the sea;
9 Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo,
Who made the Bear, Orion, and the Pleiades, and the chambers the south;
10 Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.
Who doth great things which are quite unsearchable, and wonders which are quite without number.
11 Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.
Lo, were he to go past by me, I should not see him; and were he to pass along, I should not perceive him.
12 Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?
Behold, were he to snatch aught away, who could hold him back? who would say unto him, What dost thou?
13 Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba aza dia mitanondrika eo ambaniny.
God will not withdraw his anger: beneath him sink down the helpers of the proud.
14 Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy;
How much less then could I answer him, and select my words [to contend] with him?
15 Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin’ Ilay manana ady amiko no hany heriko.
Whom, were I even righteous, I could not answer? to him that condemneth me I could [only] make supplication.
16 Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.
Or were I to call, and he would answer me, I could yet not believe that he would give ear unto my voice—
17 Fa manorotoro ahy amin’ ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.
He that bruiseth me with [his] tempest, and multiplieth my wounds without a cause.
18 Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.
He suffereth me not to recover my breath; but feedeth me overmuch with bitter things.
19 Raha ny amin’ ny herin’ ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin’ ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?
If it regard strength, lo, he is the powerful; and if justice, who will cite him for me to appear?
20 Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.
If I were righteous even, my own mouth would condemn me: were I innocent, it would still prove me perverse.
21 Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.
I am innocent; I will not have regard for myself: I will despise my life.
22 Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.
One thing is [certain], therefore have I said it, The innocent and the wicked he bringeth to their end.
23 Raha misy loza mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.
If a scourge should slay suddenly, he will mock at the trial of the guiltless.
24 Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan’ ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan’ ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?
Is a land given up into the hand of the wicked? he covereth the faces of its judges: if this be not the truth, who is it then?
25 Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.
And my days pass swifter than a runner: they flee away, they see no happiness,
26 Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.
They hasten along like pirate ships: like the eagle that stoopeth down upon his food.
27 Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,
If I say, I will forget my complaint, I will leave off my sorrowful countenance, and recover my cheerfulness:
28 Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.
O then would I be in dread of all my pains; I know that thou wilt not declare me innocent.
29 Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana?
I must ever be guilty: why then should I fatigue myself for nought?
30 Na dia mandro amin’ ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin’ ny ranon-davenona,
If I were to wash myself in snow-water, to cleanse myself in the purity of my hands:
31 Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin’ izay Hianao, ka hataon’ ny fitafiako ho zava-betaveta aho.
Even then wouldst thou plunge me in the ditch, that my own clothes would render me abhorred.
32 Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin’ ny fitsarana.
For he is not a man, like me, that I could answer him, that we should enter together into a contest.
33 Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta.
There is no one who can decide between us, who could lay his hand upon us both.
34 Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany,
Let him but remove from me his rod, and let not his dread terrify me:
35 Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.
Then would I speak, and not fear him; for the like I feel not within me.

< Joba 9 >