< Joba 9 >
1 Dia namaly Joba ka nanao hoe:
Ndipo Yobu anayankha kuti,
2 Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra?
“Zoonadi, ndikudziwa kuti zimenezi ndi zoona. Koma munthu angathe bwanji kukhala wolungama pamaso pa Mulungu?
3 Raha te-hifandahatra aminy izy, dia tsy mahavaly teny Azy na dia iray amin’ ny arivo aza.
Ngakhale wina atafuna kutsutsana naye, Iye sangamuyankhe munthuyo ngakhale mawu amodzi omwe.
4 Hendry am-po Izy sady matanjaka amin’ ny hery; iza no nikiry nanohitra Azy ka tsy naninona?
Mulungu ndi wa nzeru zambiri ndipo mphamvu zake ndi zochuluka. Ndani analimbana naye popanda kupwetekeka?
5 Izay mamindra tendrombohitra, nefa ireny tsy mahalala akory, izay mamadika azy amin’ ny fahatezerany,
Iye amasuntha mapiri, mapiriwo osadziwa, ndipo amawagubuduza ali wokwiya.
6 Ary mampihorohoro ny tany ho afaka amin’ ny fitoerany, ka mihozongozona ny andriny;
Iye amagwedeza dziko lapansi kulisuntha pamalo pake ndipo amanjenjemeretsa mizati yake.
7 Mandidy ny masoandro Izy, ka tsy miposaka iny, ary manisy tombo-kase manafina ny kintana;
Iye amayankhula ndi dzuwa ndipo siliwala; Iyeyo amaphimba kuwala kwa nyenyezi.
8 Sady Izy irery ihany no mamelatra ny lanitra sy mandia ny onjan-dranomasina;
Ndi Mulungu yekha amene anayala mayiko akumwamba ndipo amayenda pa mafunde a pa nyanja.
9 Manao ireo kintana lehibe Izy, dia ny Bera sy ny Telonohorefy ary ny Ikotokelimiadilaona sy ireo kintana maro any atsimo,
Iye ndiye mlengi wa nyenyezi zamlalangʼamba ndi akamwiniatsatana, nsangwe ndi kumpotosimpita.
10 Ary manao zava-dehibe tsy takatry ny saina, eny, fahagagana tsy hita isa.
Iye amachita zozizwitsa zimene sizimvetsetseka, zodabwitsa zimene sizingawerengeke.
11 Indro, mandalo ahy Izy, nefa tsy hitako; Ary mihelina Izy, nefa tsy fantatro.
Akapita pafupi ndi ine sindingathe kumuona; akadutsa, sindingathe kumuzindikira.
12 Indro, mipaoka Izy, ka iza no mahasakana Azy? Iza no hanao aminy hoe: Inona no ataonao?
Ngati Iye alanda zinthu, ndani angathe kumuletsa? Ndani anganene kwa Iye kuti, ‘Mukuchita chiyani?’
13 Andriamanitra tsy mampitony ny fahatezerany; Ny mpanampy an-dRahaba aza dia mitanondrika eo ambaniny.
Mulungu sabweza mkwiyo wake; ngakhale gulu lankhondo la Rahabe linawerama pa mapazi ake.
14 Mainka fa izaho tsy mahavaly Azy, na mahafidy teny hifandaharako aminy;
“Nanga ine ndingathe kukangana naye bwanji? Ndingawapeze kuti mawu oti nʼkutsutsana naye?
15 Fa na dia marina aza aho, dia tsy hahavaly tsy akory; Hifona amin’ Ilay manana ady amiko no hany heriko.
Ngakhale nditakhala wosalakwa, sindingamuyankhe; ndikanangopempha chifundo kwa woweruza wanga.
16 Raha mba niantso aho, ka namaly ahy aza Izy, dia tsy ho nino aho fa hanaiky ny fitarainako Izy.
Ngakhale ndikanamuyitana ndipo Iye ndi kuvomera, sindikhulupirira kuti akanamva mawu angawo.
17 Fa manorotoro ahy amin’ ny tafio-drivotra Izy ka manamaro ny feriko tsy ahoan-tsy ahoana.
Iye akanandikantha ndi mphepo yamkuntho, ndipo akanandipweteka popanda chifukwa.
18 Sady tsy avelany haka aina akory aho, fa vokisany zava-mangidy.
Mulungu sakanandilola kuti ndipumenso koma akanandichulukitsira zowawa.
19 Raha ny amin’ ny herin’ ny mahery, dia: Indro ary! Ary ny amin’ ny fitsarana: Iza no hifandahatra amiko?
Tikanena za mphamvu, Iye ndi wamphamvudi! Ndipo tikanena za chiweruzo cholungama, ndani angamuzenge mlandu?
20 Na dia marina aza aho, dia hanameloka ahy ihany ny vavako; Ary na dia tsy manan-tsiny aza aho, dia hanao ahy ho meloka Izy.
Ngakhale ndikanakhala wosalakwa, zoyankhula zanga zikananditsutsa; ndikanakhala wopanda cholakwa, pakamwa panga pakanandipeza wolakwa.
21 Marina aho, ataoko tsinontsinona ny aiko; Tsy ahoako izay ho velona.
“Ngakhale ine ndili wosalakwa, sindidziyenereza ndekha; moyo wanga ndimawupeputsa.
22 Tsy misy hafa aminy, ka izany no nanaovako hoe: Ny marina sy ny meloka dia samy aringany avokoa.
Zonse nʼzofanana; nʼchifukwa chake ndikuti, ‘Iye amawononga anthu osalakwa ndi anthu oyipa omwe.’
23 Raha misy loza mahafaty tampoka, dia mihomehy ny fizahan-toetra ny marina Izy.
Pamene mkwapulo ubweretsa imfa yadzidzidzi, Iye amaseka tsoka la munthu wosalakwayo.
24 Ny tany efa voatolotra ho eo an-tànan’ ny ratsy fanahy; Manarona ny tavan’ ny mpitsara eo Izy; Raha tsy Izy no manao izany, dia iza, kosa ary?
Pamene dziko lagwa mʼmanja mwa anthu oyipa Iye amawatseka maso anthu oweruza dzikolo. Ngati si Iyeyo, nanga ndani?
25 Ny androko dia faingana noho ny tsimandoa; Lasa ireny ka tsy nahita soa akory.
“Masiku anga ndi othamanga kwambiri kupambana munthu waliwiro; masikuwo amapita ine osaonapo zabwino.
26 Mihelina tahaka ny lakana faingam-pandeha izy, tahaka ny voromahery mipaoka hanina.
Amayenda ngati mabwato a njedza pa nyanja, ngati mphungu zothamangira nyama zoti zidye.
27 Raha hoy izaho: Hanadino ny alaheloko aho, hitsahatra tsy hanjonitra aho ka ho miramirana,
Nʼtanena kuti, ‘Ndidzayiwala madandawulo anga, ndidzasintha nkhope yanga ndipo ndidzasekerera,’
28 Dia mahatsiravina ahy ny fahoriako rehetra; Fantatro fa tsy hataonao ho tsy manan-tsiny aho.
ndikuopabe mavuto anga onse, popeza ndikudziwa kuti simudzavomereza kuti ndine wosalakwa.
29 Tsy maintsy hatao ho meloka ihany aho, koa nahoana aho no hanasa-tena foana?
Popeza ndapezeka kale wolakwa ndivutikirenji popanda phindu?
30 Na dia mandro amin’ ny oram-panala aza aho ka manadio ny tanako amin’ ny ranon-davenona,
Ngakhale nditasamba mʼmadzi oyera kwambiri ndi kusamba mʼmanja mwanga ndi sopo,
31 Dia hanitrika ahy any am-pahitra miaraka amin’ izay Hianao, ka hataon’ ny fitafiako ho zava-betaveta aho.
mutha kundiponyabe pa dzala, kotero kuti ngakhale zovala zanga zomwe zidzandinyansa.
32 Fa tsy olona tahaka ahy Izy ka ho azoko valiana hifanatrehanay amin’ ny fitsarana.
“Mulungu si munthu ngati ine kuti ndithe kumuyankha, sindingathe kutsutsana naye mʼbwalo la milandu.
33 Tsy misy mpanelanelana anay Hametraka ny tànany aminay roa tonta.
Pakanapezeka munthu wina kuti akhale mʼkhalapakati wathu, kuti atibweretse ife tonse pamodzi,
34 Aoka hanaisotra ny tsorakazony amiko Izy, ary aoka tsy hampahatsiravina ahy ny fampitahorany,
munthu wina woti achotse ndodo ya Mulungu pa ine kuti kuopsa kwake kusandichititsenso mantha!
35 Dia hiteny aho ka tsy hatahotra Azy; Fa fantatro fa tsy hatahotra foana aho.
Pamenepo ine ndikanatha kuyankhula mosamuopa Mulunguyo, koma monga zililimu, sindingathe.