< Joba 6 >
1 Dia namaly Joba ka nanao hoe:
ヨブ應へて曰く
2 Enga anie ka holanjaina tokoa ny fahasosorako, ka hampifandaniaina amin’ ny mizana izy sy ny fahoriako!
願はくは我憤恨の善く權られ 我懊惱の之とむかひて天秤に懸られんことを
3 Fa ankehitriny mavesatra noho ny fasika any an-dranomasina ny fahoriako, koa dia nirediredy aho.
然すれば是は海の沙よりも重からん 斯ればこそ我言躁妄なりけれ
4 Fa ny zana-tsipiky ny Tsitoha mitsatoka amiko, ka mifoka ny poizina avy aminy ny fanahiko; Ary ny fampitahorana Andriamanitra milahatra hamely ahy.
それ全能者の箭わが身にいりわが魂神その毒を飮り 神の畏怖我を襲ひ攻む
5 Maneno va ny boriki-dia, raha eo amin’ ny vilona? Na mimàmà va ny omby, raha eo amin’ ny fihinany?
野驢馬あに靑草あるに鳴んや 牛あに食物あるに吽らんや
6 Azo hanina va ny matsatso, raha tsy asian-tsira? Na mba misy tsirony va ny tafotsin’ atody?
淡き物あに鹽なくして食はれんや 蛋の白あに味あらんや
7 Ny zavatra izay nolaviko tsy hotendrena, dia ireny no tsy maintsy haniko, na dia maharikoriko ahy aza.
わが心の觸ることを嫌ふ物是は我が厭ふ所の食物のごとし
8 Enga anie ka ho azoko izay angatahiko, ary homen’ Andriamanitra ahy anie izay iriko!
願はくは我求むる所を得んことを願はくは神わが希ふ所の物を我に賜はらんことを
9 Ka ho sitrak’ Andriamanitra anie ny hanorotoro ahy! Eny, halefany anie ny tànany ka hahamaito ny aiko,
願はくは神われを滅ぼすを善とし 御手を伸て我を絶たまはんことを
10 Dia hahita fiononana amin’ izany aho ka hiravoravo na dia amin’ ny fangirifiriana tsy mifaditrovana aza, satria tsy nandà ny tenin’ ny Iray Masìna aho.
然るとも我は尚みづから慰むる所あり 烈しき苦痛の中にありて喜ばん 是は我聖者の言に悖りしことなければなり
11 Inona moa ny heriko, no hanantena aho? Ary hanao ahoana moa ny farako, no hanindry fo aho?
我何の氣力ありてか尚俟ん 我の終いかなれば我なほ耐へ忍ばんや
12 Herim-bato va ny heriko? Na varahina va ny nofoko?
わが氣力あに石の氣力のごとくならんや 我肉あに銅のごとくならんや
13 Tsy efa foana va ny hery ho entiko mamonjy tena, ary tsy efa nakifika hiala amiko va ny faharetana?
わが助われの中に無にあらずや 救拯我より逐はなされしにあらずや
14 Izay efa mivarahontsana dia tokony hiantran’ ny sakaizany. Fandrao mahafoy ny fahatahorana ny Tsitoha izy.
憂患にしづむ者はその友これを憐れむべし 然らずば全能者を畏るることを廢ん
15 Ny rahalahiko mampihambo manana ahy tahaka ny ranotrambo, dia tahaka ny mason-drano any an-dohasahan-driaka, izay malaky ritra,
わが兄弟はわが望を充さざること溪川のごとく 溪川の流のごとくに過さる
16 Izay mainty azon’ ny ranomandry Sady iafenan’ ny oram-panala;
是は氷のために黑くなり 雪その中に藏るれども
17 Fa raha taninin’ ny hainandro izy, dia levona; raha maina ny andro, dia ritra eo amin’ ny fitoerany izy;
温暖になる時は消ゆき熱くなるに及てはその處に絶はつ
18 Mivilivily no fandehany tankina izy ka levona.
隊旅客身をめぐらして去り空曠處にいたりて亡ぶ
19 Ny antokon’ i Tema mitazana, ny andian’ i Sheba manantena azy;
テマの隊旅客これを望みシバの旅客これを慕ふ
20 Very hevitra ireo, satria samy nanampo; tonga teo izy, kanjo nangaihay.
彼等これを望みしによりて愧恥を取り 彼處に至りてその面を赧くす
21 Fa ankehitriny efa tsinontsinona ianareo; Nahita ny fahoriana ianareo ka raiki-tahotra.
かく汝等も今は虚しき者なり 汝らは怖ろしき事を見れば則ち懼る
22 Moa aho va efa nanao hoe: Omeo aho, ka mahafoiza zavatra ho ahy amin’ ny fanananareo,
我あに汝等我に予へよと言しこと有んや 汝らの所有物の中より物を取て我ために饋れと言しこと有んや
23 Ary vonjeo amin’ ny tanan’ ny fahavalo aho, ka afaho amin’ ny tanan’ ny mpitohatoha?
また敵人の手より我を救ひ出せと言しことあらんや 虐ぐる者の手より我を贖へと言しことあらんや
24 Mampianara ahy, dia hangina aho; Ary ampahafantaro izay nahadisoako aho.
我を敎へよ 然らば我默せん 請ふ我の過てる所を知せよ
25 Endrey ny herin’ ny teny marina! Fa mba mahavoa inona kosa moa ny anatra ataonareo?
正しき言は如何に力あるものぞ 然ながら汝らの規諫る所は何の規諫とならんや
26 Ny amin’ ny teniko ihany va no ananaranareo ahy? Fa ho amin’ ny rivotra ny tenin’ ny olona mamoy fo.
汝らは言を規正んと想ふや 望の絶たる者の語る所は風のごときなり
27 Eny, fa na dia ny kamboty aza dia ataonareo loka, ary ny sakaizanareo dia ataonareo varotra.
汝らは孤子のために籤を掣き 汝らの友をも商貨にするならん
28 Fa ankehitriny, masìna ianareo, mba atreho kely aho, dia ho hitanareo fa tsy handainga tsy akory aho.
今ねがはくは我に向へ 我は汝らの面の前に僞はらず
29 Masìna ianareo, diniho indray aho, ary aoka tsy hisy fitsarana tsy marina; eny, diniho indray aho, fa mbola ao ihany ny fahamarinako.
請ふ再びせよ 不義あらしむる勿れ 請ふ再びせよ 此事においては我正義し
30 Moa misy heloka va eo amin’ ny lelako?
我舌に不義あらんや 我口惡き物を辨へざらんや