< Joba 5 >
1 Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza amin’ ireo masìna no hotodihinao?
“Mee waami, namni deebii siif kennu jiraa? Qulqulloota keessaas ati gara isa kamiitti gorta?
2 Fa ny adala dia vonoin’ ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin’ ny fialonana.
Nama gowwaa aariitu ajjeesa; raatuus hinaaffaatu galaafata.
3 Izaho nahita olona adala mamaka, nefa vetivety Indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho;
Namni gowwaan hidda isaa gad fageeffatee nan arge; manni isaa garuu yoosuma abaarame.
4 Lavitra ny famonjena ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy;
Ijoolleen isaa nagaa hin qaban; isaan karra duratti burkutaaʼan; namni isaan oolchus hin jiru.
5 Ny vokatry ny taniny dia lanin’ ny noana, eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika mitanatana vava hahazo ny fananany
Namni beelaʼe midhaan isaa qoraattii keessaa iyyuu fuudhee nyaata; inni dheebotes qabeenya isaa hawwa.
6 Fa tsy mivoaka avy amin’ ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin’ ny tany ny fahoriana,
Rakkinni biyyoo keessaa hin burquutii; dhiphinnis lafa keessaa hin biqilu.
7 Nefa teraka ho amin’ ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin’ ny kilalaon’ afo miakatra
Akkuma qaanqeen ibiddaa ol facaʼu namni rakkinaaf dhalata.
8 Fa raha toa ahy kosa dia hitady an’ Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko,
“Garuu utuu ana taʼee Waaqa nan barbaaddadha; dhimma koos fuula isaa duratti nan dhiʼeeffadhan ture.
9 Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa,
Inni dinqiiwwan qoranii bira gaʼuu hin dandeenye, hojiiwwan dinqisiisoo lakkaaʼamuu hin dandeenye hojjeta.
10 Dia Izay mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin’ ny tany ary mampandeha rano eny amin’ ny saha,
Inni bokkaadhaan lafa ni quubsa; lafa qotiisaas bishaan ni obaasa.
11 Ka apetrany amin’ ny avo Izay ambany, ary asandrany ho amin’ ny fahafinaretana ny miory,
Warra gad qabaman ol baasa; warra gaddanis iddoo nagaatti ol kaasa.
12 Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan’ ny tànany na inona na inona hahasoa ny tenany;
Akka hojiin harka isaanii hin milkoofneef, inni karoora jalʼootaa ni fashaleessa.
13 Ny fahafetsen’ ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon’ ny mpiolakolaka dia rava;
Inni ogeeyyii haxxummaa isaaniitiin qaba; malli jalʼootaa immoo dafee ni bada.
14 Na dia amin’ ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin’ ny maizina ireny ka miraparapa amin’ ny mitataovovonana tahaka ny amin’ ny alina;
Guyyaan dukkana isaanitti taʼa; guyyaa saafaas akka nama dukkana keessa jiruu qaqqabannaadhaan deemu.
15 Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan’ ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon’ ny tanan’ ny mahery izy.
Inni nama rakkataa goraadee afaan isaanii jalaa, harka nama jabaa jalaas ni baasa.
16 Dia misy fanantenana ho an’ ny reraka; fa ny faharatsiana kosa mihombom-bava
Kanaafuu hiyyeessi abdii qaba; jalʼinnis afaan isaa ni cufata.
17 Indro, sambatra ny zanak’ olombelona izay anarin’ Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan’ ny Tsitoha;
“Namni Waaqni adabu eebbifamaa dha; kanaafuu ati adabbii Waaqa Waan Hunda Dandaʼuu hin tuffatin.
18 Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana.
Inni ni madeessa; ni fayyisas; inni ni cabsa; harka isaatiinis deebisee ni fayyisa.
19 Amin’ ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin’ ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao.
Balaa jaʼa jalaa si baasa; torba keessattis hin miidhamtu.
20 Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin’ ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan’ ny sabatra Izy;
Bara beelaa duʼa jalaa, lola keessattis rukuttaa goraadee jalaa si baasa.
21 Hampiereny tsy ho voan’ ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana;
Ati garaffii arrabaa jalaa ni dhokfamta; yommuu badiisni dhufuttis hin sodaattu.
22 Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia;
Badiisaa fi beelatti ni kolfita; bineensota lafaas hin sodaattu.
23 Fa vita fanekena amin’ ny vato any an-tsaha aza ianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao;
Dhagoota bakkee wajjin kakuu galta; bineensonni bosonaas nagaadhaan si wajjin jiraatu.
24 Ary ho hitanao fa ny fiadanana no lainao; Ary raha mizaha ny kijanao ianao, dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao;
Dunkaanni kee nagaan akka jiru ni beekta; qabeenya kee ni toʼatta; wanni tokko illee si jalaa hin badu.
25 Ary ho hitanao koa fa maro ny zanakao, ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin’ ny tany;
Ijoolleen kee akka baayʼatan, sanyiiwwan kees akkuma marga lafaa akka taʼan ni beekta.
26 Haharitra ianao ambara-piditrao any am-pasana, raha mbola henjana, dia tahaka ny amboaram-bary akarina amin’ ny fotoana.
Akkuma bissiin midhaanii yeroo isaatti walitti qabamu sana, atis bara dheeraa jiraattee awwaala seenta.
27 Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara.
“Nu waan kana qoranneerra; innis dhugaa dha. Kanaafuu qalbeeffadhu; ofii keetiifis beeki.”