< Joba 5 >

1 Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza amin’ ireo masìna no hotodihinao?
試みに呼んでみよ、だれかあなたに答える者があるか。どの聖者にあなたは頼もうとするのか。
2 Fa ny adala dia vonoin’ ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin’ ny fialonana.
確かに、憤りは愚かな者を殺し、ねたみはあさはかな者を死なせる。
3 Izaho nahita olona adala mamaka, nefa vetivety Indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho;
わたしは愚かな者の根を張るのを見た、しかしわたしは、にわかにそのすみかをのろった。
4 Lavitra ny famonjena ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy;
その子らは安きを得ず、町の門でしえたげられても、これを救う者がない。
5 Ny vokatry ny taniny dia lanin’ ny noana, eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika mitanatana vava hahazo ny fananany
その収穫は飢えた人が食べ、いばらの中からさえ、これを奪う。また、かわいた者はその財産をあえぎ求める。
6 Fa tsy mivoaka avy amin’ ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin’ ny tany ny fahoriana,
苦しみは、ちりから起るものでなく、悩みは土から生じるものでない。
7 Nefa teraka ho amin’ ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin’ ny kilalaon’ afo miakatra
人が生れて悩みを受けるのは、火の子が上に飛ぶにひとしい。
8 Fa raha toa ahy kosa dia hitady an’ Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko,
しかし、わたしであるならば、神に求め、神に、わたしの事をまかせる。
9 Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa,
彼は大いなる事をされるかたで、測り知れない、その不思議なみわざは数えがたい。
10 Dia Izay mampilatsaka ranonorana etỳ ambonin’ ny tany ary mampandeha rano eny amin’ ny saha,
彼は地に雨を降らせ、野に水を送られる。
11 Ka apetrany amin’ ny avo Izay ambany, ary asandrany ho amin’ ny fahafinaretana ny miory,
彼は低い者を高くあげ、悲しむ者を引き上げて、安全にされる。
12 Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan’ ny tànany na inona na inona hahasoa ny tenany;
彼は悪賢い者の計りごとを敗られる。それで何事もその手になし遂げることはできない。
13 Ny fahafetsen’ ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon’ ny mpiolakolaka dia rava;
彼は賢い者を、彼ら自身の悪巧みによって捕え、曲った者の計りごとをくつがえされる。
14 Na dia amin’ ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin’ ny maizina ireny ka miraparapa amin’ ny mitataovovonana tahaka ny amin’ ny alina;
彼らは昼も、やみに会い、真昼にも、夜のように手探りする。
15 Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan’ ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon’ ny tanan’ ny mahery izy.
彼は貧しい者を彼らの口のつるぎから救い、また強い者の手から救われる。
16 Dia misy fanantenana ho an’ ny reraka; fa ny faharatsiana kosa mihombom-bava
それゆえ乏しい者に望みがあり、不義はその口を閉じる。
17 Indro, sambatra ny zanak’ olombelona izay anarin’ Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan’ ny Tsitoha;
見よ、神に戒められる人はさいわいだ。それゆえ全能者の懲しめを軽んじてはならない。
18 Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana.
彼は傷つけ、また包み、撃ち、またその手をもっていやされる。
19 Amin’ ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin’ ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao.
彼はあなたを六つの悩みから救い、七つのうちでも、災はあなたに触れることがない。
20 Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin’ ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan’ ny sabatra Izy;
ききんの時には、あなたをあがなって、死を免れさせ、いくさの時には、つるぎの力を免れさせられる。
21 Hampiereny tsy ho voan’ ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana;
あなたは舌をもってむち打たれる時にも、おおい隠され、滅びが来る時でも、恐れることはない。
22 Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia;
あなたは滅びと、ききんとを笑い、地の獣をも恐れることはない。
23 Fa vita fanekena amin’ ny vato any an-tsaha aza ianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao;
あなたは野の石と契約を結び、野の獣はあなたと和らぐからである。
24 Ary ho hitanao fa ny fiadanana no lainao; Ary raha mizaha ny kijanao ianao, dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao;
あなたは自分の天幕の安全なことを知り、自分の家畜のおりを見回っても、欠けた物がなく、
25 Ary ho hitanao koa fa maro ny zanakao, ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin’ ny tany;
また、あなたの子孫の多くなり、そのすえが地の草のようになるのを知るであろう。
26 Haharitra ianao ambara-piditrao any am-pasana, raha mbola henjana, dia tahaka ny amboaram-bary akarina amin’ ny fotoana.
あなたは高齢に達して墓に入る、あたかも麦束をその季節になって打ち場に運びあげるようになるであろう。
27 Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara.
見よ、われわれの尋ねきわめた所はこのとおりだ。あなたはこれを聞いて、みずから知るがよい」。

< Joba 5 >