< Joba 41 >

1 Mahasarika ny mamba amin’ ny farango va ianao, na mahafatotra ny lelany amin’ ny mahazaka?
なんぢ鈎をもて鱷を釣いだすことを得んや その舌を糸にひきかくることを得んや
2 Mahisy tady zozoro amin’ ny orony va ianao, na mahaboroaka ny valanoranony amin’ ny fintana?
なんぢ葦の繩をその鼻に通し また鈎をその齶に衝とほし得んや
3 Hifon-jato amin’ arivo aminao va izy, na hanao teny malefaka aminao?
是あに頻になんぢに願ふことをせんや 柔かになんぢに言談んや
4 Hanao fanekena aminao va izy? Azonao alaina ho andevonao mandrakizay va izy?
あに汝と契約を爲んや なんぢこれを執て永く僕と爲しおくを得んや
5 Hilalao azy tahaka ny filalao voron-kely va ianao? Ary hamatotra azy ho an’ ny zazavavy ao aminao va ianao?
なんぢ鳥と戲むるる如くこれとたはむれ また汝の婦人等のために之を繋ぎおくを得んや
6 Hataon’ ny mpaka hazandrano varotra va izy, ka hotsinjarainy amin’ ny mpandranto?
また漁夫の社會これを商貨と爲して商賣人の中間に分たんや
7 Mahafeno lefom-pohy ny hodiny va ianao, na firombaka amin’ ny lohany?
なんぢ漁叉をもてその皮に滿し 魚矛をもてその頭を衝とほし得んや
8 Atehefo aminy ange ny tananao; Raha tsaroanao ny ady, dia tsy hanindroa intsony ianao.
手をこれに下し見よ 然ばその戰鬪をおぼえて再びこれを爲ざるべし
9 Indro, foana ny fihendrena azy; Tsy mahakivy va na dia ny fijery azy aza?
視よその望は虚し 之を見てすら倒るるに非ずや
10 Tsy misy sahy manao vi-very hanaitra azy; Koa iza kosa no mahajanona eo anatrehako?
何人も之に激する勇氣あるなし 然ば誰かわが前に立うる者あらんや
11 Iza no nanome Ahy aloha mba hamaliako azy? Ny eny ambanin’ ny lanitra rehetra dia Ahy avokoa.
誰か先に我に與へしところありて我をして之に酬いしめんとする者あらん 普天の下にある者はことごとく我有なり
12 Tsy mbola hangina Aho ny amin’ ny momba ny tenany sy ny heriny ary ny fahatsaran’ ny endriny.
我また彼者の肢體とその著るしき力とその美はしき身の構造とを言では措じ
13 Iza no mahasonga ny fitafiany anoloany? Na iza no sahy hiditra ao amin’ ny nifiny roa sosona?
誰かその外甲を剥ん 誰かその雙齶の間に入ん
14 Iza no mahasokatra ny varavaran’ ny tavany? Mahatsiravina ny nifiny manodidina!
誰かその面の戸を開きえんや その周圍の齒は畏るべし
15 Reharehany ny faharaoraon’ ny kirany, mihidy avokoa toy ny voapetaka mafy amin’ ny tombo-kase ireo;
その並列る鱗甲は之が誇るところ その相闔たる樣は堅く封じたるがごとく
16 Mikirindro ireo, ka tsy azon’ ny rivotra idirana eo anelanelany.
此と彼とあひ接きて風もその中間にいるべからず
17 Mifanindry lany ireo sady mifaniditra ka tsy azo sarahina,
一々あひ連なり堅く膠て離すことを得ず
18 Ny fieviny dia mampamirapiratra fahazavana, ary ny masony dia tahaka ny hodimason’ ny maraina.
嚔すれば即はち光發す その目は曙光の眼瞼(を開く)に似たり
19 Lelafo no mivoaka avy amin’ ny vavany; Kilalaon’ afo no mipariaka avy aminy.
その口よりは炬火いで火花發し
20 Ny vavorony dia ivoahan’ ny setroka, tahaka ny avy amin’ ny vilany mangotraka, na amin’ ny fahandroana.
その鼻の孔よりは煙いできたりて宛然葦を焚く釜のごとし
21 Ny fofonainy mampirehitra arina, ary misy lelafo mivoaka avy amin’ ny vavany.
その氣息は炭火を爇し 火燄その口より出づ
22 Ny vozony no itoeran’ ny hery; Ary mibitaka eo alohany ny fampahatahorana.
力氣その頸に宿る 懼るる者その前に彷徨まよふ
23 Mivalombalona ny hotraka amin’ ny tenany; Mafy ireny ka tsy azo endahana.
その肉の片は密に相連なり 堅く身に着て動かす可らず
24 Mafy tahaka ny vato ny fony; Eny, mafy tahaka ny vato fikosoham-bary.
その心の堅硬こと石のごとく その堅硬こと下磨のごとし
25 Raha mitsangana izy, dia raiki-tahotra ny mahery; Eny, toran-kovitra ireo ka tsy mahavoa.
その身を興す時は勇士も戰慄き 恐怖によりて狼狽まどふ
26 Raha misy mamely azy amin’ ny sabatra dia tsy mahalaitra, na amin’ ny lefom-pohy, na ny firombaka, na ny zana-tsipìka.
劍をもて之を撃とも利ず 鎗も矢も漁叉も用ふるところ無し
27 Ataony toy ny mololo ny vy, ary toy ny hazo momoka ny varahina.
是は鐡を見ること稿のごとくし銅を見ること朽木のごとくす
28 Tsy mampandositra azy ny zana-tsipìka; Ataony ho toy ny vodivary ny vaton’ antsamotady.
弓箭もこれを逃しむること能はず 投石機の石も稿屑と見做る
29 Ataony ho toy ny vodivary koa ny langilangy; Ihomehezany ny fanetsehana ny lefona.
棒も是には稿屑と見ゆ 鎗の閃めくを是は笑ふ
30 Ny takibany dia tahaka ny tavim-bilany maranitra; Mamelatra fivelezam-bary maranitra eo amin’ ny fotaka izy.
その下腹には瓦礫の碎片を連ね 泥の上に麥打車を引く
31 Mampandevy ny lalina ho tahaka ny ao am-bilany izy; Manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany misy menaka manitra izy.
淵をして鼎のごとく沸かへらしめ 海をして香油の釜のごとくならしめ
32 Mampahazava ny lalany eo aoriany izy. Ataon’ ny olona ho toy ny volo fotsy ny lalina.
己が後に光る道を遺せば淵は白髮をいただけるかと疑がはる
33 Tsy misy tahaka azy eny ambonin’ ny tany, izay voaforona tsy hahalala tahotra.
地の上には是と並ぶ者なし 是は恐怖なき身に造られたり
34 Ny avo rehetra jereny avokoa; Mpanjakan’ ny bibi-dia rehetra izy
是は一切の高大なる者を輕視ず 誠に諸の誇り高ぶる者の王たるなり

< Joba 41 >