< Joba 40 >
1 Ary Jehovah mbola namaly an’ i Joba nanao hoe:
Bwana akamwambia Ayubu:
2 Hiady amin’ ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an’ Andriamanitra no hamaly!
“Je, mwenye kushindana na Mwenyezi aweza kumsahihisha? Mwenye kumlaumu Mungu na ajibu.”
3 Ary Joba dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe:
Ndipo Ayubu akamjibu Bwana:
4 Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.
“Mimi sistahili kabisa: ninawezaje kukujibu wewe? Nauweka mkono wangu juu ya kinywa changu.
5 Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho.
Nimesema mara moja, lakini sina jibu; naam, nimesema mara mbili, lakini sitasema tena.”
6 Dia namaly an’ i Joba teo amin’ ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe:
Ndipo Bwana akasema na Ayubu kutoka upepo wa kisulisuli:
7 Misikìna tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho:
“Jikaze kama mwanaume; nitakuuliza maswali, nawe yakupasa unijibu.
8 Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?
“Je, utabatilisha hukumu yangu? Utanilaumu mimi ili kujihesabia haki mwenyewe?
9 Manan-tsandry tahaka ny an’ Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao?
Je, una mkono kama wa Mungu, nawe waweza kutoa sauti ya ngurumo kama yake?
10 Miravaha fahalehibiazana sy tabiha ianao, ary mitafia famirapiratana sy voninahitra;
Basi jivike mwenyewe utukufu na fahari, nawe uvae heshima na enzi.
11 Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo.
Fungulia ukali wa ghadhabu yako, mtafute kila mwenye kiburi umshushe,
12 Eny, jereo ny avonavona rehetra, ka aongàny; Ary apotrahy eo amin’ ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy.
mwangalie kila mtu mwenye kiburi na umnyenyekeze, waponde waovu mahali wasimamapo.
13 Asitriho ao amin’ ny vovoka avokoa izy rehetra; Sarony ao amin’ ny fiafenana ny tavany.
Wazike wote mavumbini pamoja; wafunge nyuso zao kaburini.
14 Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tananao ankavanana.
Ndipo mimi mwenyewe nitakukubalia kuwa mkono wako mwenyewe wa kuume unaweza kukuokoa.
15 He! jereo ange ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.
“Mwangalie mnyama aitwaye Behemothi, niliyemuumba kama nilivyokuumba wewe, anayekula majani kama ngʼombe.
16 Indro, eo amin’ ny valahany ny heriny, ary eo amin’ ny ozatra amin’ ny kibony ny tanjany.
Tazama basi nguvu alizo nazo kwenye viuno vyake, uwezo alio nao kwenye misuli ya tumbo lake!
17 Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin’ ny feny
Mkia wake hutikisika kama mwerezi; mishipa ya mapaja yake imesukwa pamoja.
18 Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany.
Mifupa yake ni bomba za shaba, maungo yake ni kama fito za chuma.
19 Voalohany amin’ ny asan’ Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.
Yeye ni wa kwanza miongoni mwa kazi za Mungu, lakini Muumba wake anaweza kumsogelea kwa upanga wake.
20 Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan’ ny bibi-dia rehetra;
Vilima humletea yeye mazao yake, nao wanyama wote wa porini hucheza karibu naye.
21 Eo ambanin’ ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka.
Hulala chini ya mimea ya yungiyungi, katika maficho ya matete kwenye matope.
22 Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron’ ny ony no manodidina azy
Hiyo mimea ya yungiyungi humficha kwenye vivuli vyake; miti mirefu karibu na kijito humzunguka.
23 Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin’ ny vavany aza.
Wakati mto ufurikapo, yeye hapati mshtuko wa hofu; yeye yu salama, hata kama Yordani ingefurika hadi kwenye kinywa chake.
24 Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon’ ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?
Je, mtu yeyote anaweza kumkamata yeye akiwa macho, au kumnasa kwa mtego na kutoboa pua yake?