< Joba 40 >
1 Ary Jehovah mbola namaly an’ i Joba nanao hoe:
καὶ ἀπεκρίθη κύριος ὁ θεὸς τῷ Ιωβ καὶ εἶπεν
2 Hiady amin’ ny Tsitoha va io mpanadidy Azy io? Aoka ny mananatra an’ Andriamanitra no hamaly!
μὴ κρίσιν μετὰ ἱκανοῦ ἐκκλινεῖ ἐλέγχων θεὸν ἀποκριθήσεται αὐτήν
3 Ary Joba dia namaly an’ i Jehovah ka nanao hoe:
ὑπολαβὼν δὲ Ιωβ λέγει τῷ κυρίῳ
4 Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.
τί ἔτι ἐγὼ κρίνομαι νουθετούμενος καὶ ἐλέγχων κύριον ἀκούων τοιαῦτα οὐθὲν ὤν ἐγὼ δὲ τίνα ἀπόκρισιν δῶ πρὸς ταῦτα χεῖρα θήσω ἐπὶ στόματί μου
5 Efa niteny indray mandeha aho, ka tsy hamaly intsony; Eny, indroa aza, fa tsy hanampy teny intsony aho.
ἅπαξ λελάληκα ἐπὶ δὲ τῷ δευτέρῳ οὐ προσθήσω
6 Dia namaly an’ i Joba teo amin’ ny tafio-drivotra Jehovah ka nanao hoe:
ἔτι δὲ ὑπολαβὼν ὁ κύριος εἶπεν τῷ Ιωβ ἐκ τοῦ νέφους
7 Misikìna tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka ampahafantaro Aho:
μή ἀλλὰ ζῶσαι ὥσπερ ἀνὴρ τὴν ὀσφύν σου ἐρωτήσω δέ σε σὺ δέ μοι ἀποκρίθητι
8 Hanaisotra ny rariny amiko va ianao? Hanameloka Ahy va ianao, mba hanamarina ny tenanao kosa?
μὴ ἀποποιοῦ μου τὸ κρίμα οἴει δέ με ἄλλως σοι κεχρηματικέναι ἢ ἵνα ἀναφανῇς δίκαιος
9 Manan-tsandry tahaka ny an’ Andriamanitra va ianao? Ary mahay mampikotrokotro-peo tahaka ny Azy va ianao?
ἦ βραχίων σοί ἐστιν κατὰ τοῦ κυρίου ἢ φωνῇ κατ’ αὐτὸν βροντᾷς
10 Miravaha fahalehibiazana sy tabiha ianao, ary mitafia famirapiratana sy voninahitra;
ἀνάλαβε δὴ ὕψος καὶ δύναμιν δόξαν δὲ καὶ τιμὴν ἀμφίεσαι
11 Alefaso ny fahatezeranao mirehitra; Ary jereo ny avonavona rehetra, ka ampietreo.
ἀπόστειλον δὲ ἀγγέλους ὀργῇ πᾶν δὲ ὑβριστὴν ταπείνωσον
12 Eny, jereo ny avonavona rehetra, ka aongàny; Ary apotrahy eo amin’ ny fitoerany ihany ny ratsy fanahy.
ὑπερήφανον δὲ σβέσον σῆψον δὲ ἀσεβεῖς παραχρῆμα
13 Asitriho ao amin’ ny vovoka avokoa izy rehetra; Sarony ao amin’ ny fiafenana ny tavany.
κρύψον δὲ εἰς γῆν ἔξω ὁμοθυμαδόν τὰ δὲ πρόσωπα αὐτῶν ἀτιμίας ἔμπλησον
14 Fa Izaho kosa dia hidera anao, Satria mahavonjy anao ny tananao ankavanana.
ὁμολογήσω ἄρα ὅτι δύναται ἡ δεξιά σου σῶσαι
15 He! jereo ange ny behemota, izay nataoko tahaka ny nanaovako anao ihany: Mihinana ahitra tahaka ny omby izy.
ἀλλὰ δὴ ἰδοὺ θηρία παρὰ σοί χόρτον ἴσα βουσὶν ἐσθίει
16 Indro, eo amin’ ny valahany ny heriny, ary eo amin’ ny ozatra amin’ ny kibony ny tanjany.
ἰδοὺ δὴ ἰσχὺς αὐτοῦ ἐπ’ ὀσφύι ἡ δὲ δύναμις ἐπ’ ὀμφαλοῦ γαστρός
17 Henjaniny ny rambony ho tahaka ny hazo sedera; Mifaniditriditra ny ozatra amin’ ny feny
ἔστησεν οὐρὰν ὡς κυπάρισσον τὰ δὲ νεῦρα αὐτοῦ συμπέπλεκται
18 Ny taolany dia tahaka ny fantsom-barahina, eny, tahaka ny anja-by ny taolany.
αἱ πλευραὶ αὐτοῦ πλευραὶ χάλκειαι ἡ δὲ ῥάχις αὐτοῦ σίδηρος χυτός
19 Voalohany amin’ ny asan’ Andriamanitra izy; Ny Mpanao azy no nanome sabatra azy.
τοῦτ’ ἔστιν ἀρχὴ πλάσματος κυρίου πεποιημένον ἐγκαταπαίζεσθαι ὑπὸ τῶν ἀγγέλων αὐτοῦ
20 Mamoaka hanina ho azy ny tendrombohitra, izay ilalaovan’ ny bibi-dia rehetra;
ἐπελθὼν δὲ ἐπ’ ὄρος ἀκρότομον ἐποίησεν χαρμονὴν τετράποσιν ἐν τῷ ταρτάρῳ
21 Eo ambanin’ ny hazo lota no andriany, any am-pierena anaty zozoro sy fotaka.
ὑπὸ παντοδαπὰ δένδρα κοιμᾶται παρὰ πάπυρον καὶ κάλαμον καὶ βούτομον
22 Manalokaloka azy ny hazo lota; Ary ny hazomalahelo eny amoron’ ny ony no manodidina azy
σκιάζονται δὲ ἐν αὐτῷ δένδρα μεγάλα σὺν ῥαδάμνοις καὶ κλῶνες ἄγνου
23 Indro, na dia maria aza ny ony, tsy manahy izy; Matoky izy, na dia misy Jordana migorodana amin’ ny vavany aza.
ἐὰν γένηται πλήμμυρα οὐ μὴ αἰσθηθῇ πέποιθεν ὅτι προσκρούσει ὁ Ιορδάνης εἰς τὸ στόμα αὐτοῦ
24 Moa misy mahasambotra azy va, raha mihiratra ny masony? Raha azon’ ny fandrika izy, misy mahatsindrona ny orony va?
ἐν τῷ ὀφθαλμῷ αὐτοῦ δέξεται αὐτόν ἐνσκολιευόμενος τρήσει ῥῖνα