< Joba 4 >

1 Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe:
Sai Elifaz mutumin Teman ya amsa,
2 Raha misy sahy miteny aminao, dia ho sosotra va ianao? Fa raha ny mamehy vava kosa, iza moa no mahazaka izany?
“In wani ya yi maka magana, za ka ji haushi? Amma wa zai iya yin shiru?
3 Indro, efa nananatra ny maro ianao. Ary ny tanana miraviravy efa nampaherezinao;
Ka tuna yadda ka yi wa mutane da yawa magana, yadda ka ƙarfafa hannuwa marasa ƙarfi.
4 Ny teninao efa nanohana izay efa saiky lavo, ary ny lohalika malemy efa nampahatanjahinao
Maganarka ta ƙarfafa waɗanda suka yi tuntuɓe; ka ƙarfafa gwiwoyin da suka rasa ƙarfinsu.
5 Nefa ankehitriny mba manjo anao kosa izany, ka dia kivy ianao, Mihatra aminao izany, ka raiki-tahotra ianao
Amma yanzu wahala ta zo maka, sai ka karaya; wahala ta sa ka rikice.
6 Tsy ny fivavahanao va no tokinao? Ary tsy fanantenanao va ny fahitsian’ ny lalanao?
Ashe bai kamata ka dogara ga Allahnka ba, amincinka kuma yă zama begenka?
7 Masìna ianao, tsarovy fa iza moa no very tsy nanan-tsiny? Ary taiza no nisy olo-mahitsy naringana?
“Ka duba ka gani yanzu. Wane marar laifi ne ya taɓa hallaka? Ko an taɓa hallaka masu adalci?
8 Araka izay efa hitako, dia izay miasa heloka sy mamafy fahoriana no mijinja izany.
Na kula cewa waɗanda suke huɗa gonar mugunta, da waɗanda suke shuka mugunta, su ne suke girbe mugunta.
9 Ny fofonain’ Andriamanitra no andringanana azy. Eny, ny fofonain’ ny fahatezerany no mahalevona azy.
A sa’a ɗaya Allah yake hallaka su, cikin fushinsa yakan hallaka su.
10 Ny feon’ ny olona, eny, ny feon’ ny liona masiaka, ary ny nifin’ ny liona tanora dia ombotana;
Zakoki suna ruri suna gurnani; duk da haka an karya haƙoran manyan zakoki.
11 Mirenireny ny lion-dahy noho ny tsi-fahitany remby, ary miely ny zanaky ny liom-bavy.
Zakoki suna mutuwa domin ba dabbar da za su kashe su ci,’ya’yan zakanya kuma sun watse.
12 Nisy teny tonga tamiko mangingina, ary ny sofiko nahare siosio avy taminy,
“Asirce aka gaya mini maganan nan, da ƙyar kunnuwana suka iya ji.
13 Tamin’ ny eritreritra avy amin’ ny tsindrimandry alina, raha sondrian-tory ny olona,
Cikin mafarki da tsakar dare, lokacin kowa yana zurfin barci, na sami saƙon nan.
14 Dia azon-tahotra sy hovotra aho, ka nampihorohoro ny taolako rehetra izany.
Tsoro da fargaba suka kama ni har duk ƙasusuwan jikina suka yi ta rawa.
15 Ary nisy fanahy nandalo teo anatrehako ka nampitsangam-bolo ny tenako.
Wani iska ya taɓa mini fuska, sai tsigar jikina ta tashi.
16 Nijanona izy, nefa tsy nahafantatra ny tarehiny aho; Nisy endri-javatra teo anoloan’ ny masoko; Nisy fanginana, dia nandre feo aho nanao hoe:
Ya tsaya cik, amma ban iya sani ko mene ne ba. Wani abu ya tsaya a gabana, na kuma ji murya.
17 Ho marina noho Andriamanitra va ny zanak’ olombelona? Ho madio noho ny Mpanao azy va ny olona?
‘Ko zai yiwu mutum yă fi Allah adalci, ko kuma mutum yă fi wanda ya halicce shi tsarki?
18 Indro, tsy matoky ireo mpanompony aza Izy, eny, ny anjeliny aza ataony ho tsy tonga ohatra.
In Allah bai yarda da bayinsa ba, in ya sami mala’ikunsa da laifi,
19 Koa mainka izay mitoetra ao an-trano tany, sady avy tamin’ ny vovoka no nihaviany, ary mora poritra noho ny kalalao izy;
to, su wane ne mutane masu zama a gidan da aka yi da laka, waɗanda da ƙura aka yi harsashensu, waɗanda za a iya murƙushe su kamar asu!
20 Indray andro monja dia montsana izy; Tsy misy misaina azy, na dia levona mandrakizay aza izy.
Tsakanin safe da yamma mai yiwuwa ne ragargaza su; farat ɗaya, su mutu har abada.
21 Tsy voaongotra va ny kofehin-dainy ao aminy? Maty izy, nefa tsy mbola nanam-pahendrena.
Ba a tuge igiyar tentinsu, don su mutu ba tare da hikima ba?’

< Joba 4 >