< Joba 39 >

1 Fantatrao va ny fotoana fiterahan’ ny osi-dia any amin’ ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan’ ny dieravavy?
“Je, wajua ni wakati gani mbuzi wa mlimani wanapozaa? Je, watambua ni wakati gani kulungu jike azaapo mtoto wake?
2 Mahisa ny andro ahatanterahany va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany?
Je, waweza kuhesabu miezi hadi wazaapo? Je, unajua majira yao ya kuzaa?
3 Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany.
Wao hujiinamisha na kuzaa watoto wao; utungu wa kuzaa unakoma.
4 Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony.
Watoto wao hustawi na kuongezeka nguvu nyikani; huenda zao wala hawarudi tena.
5 Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran’ ny boriki-dia,
“Ni nani aliyemwachia punda-mwitu awe huru? Ni nani aliyezifungua kamba zake?
6 Izay nomeko ny tani’ hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?
Nimempa nchi isiyokaliwa na watu kuwa masikani yake, nchi ya chumvi kuwa makao yake.
7 Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson’ ny mpampandeha;
Huzicheka ghasia za mji, wala hasikii kelele za mwendesha gari.
8 Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy.
Huzunguka vilimani kwa ajili ya malisho na kutafuta kila kitu kibichi.
9 Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin’ ny alina?
“Je, nyati atakubali kukutumikia? Atakaa karibu na hori lako usiku?
10 Mahafatotra ny ombimanga amin’ ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy?
Je, waweza kumfungia kwenye matuta kwa kamba? Je, atalima mabonde nyuma yako?
11 Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao?
Je, utamtumainia kwa ajili ya nguvu zake nyingi? Utamwachia yeye kazi zako nzito?
12 Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao?
Utaweza kumwamini akuletee nafaka yako nyumbani kutoka shambani na kuikusanya kwenye sakafu yako ya kupuria?
13 Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony?
“Mbuni hupigapiga mabawa yake kwa furaha, lakini hayawezi kulinganishwa na mabawa na manyoya ya korongo.
14 Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin’ ny tany izy ka mamela azy ho afanain’ ny vovoka,
Huyataga mayai yake juu ya ardhi, na kuyaacha yapate joto mchangani,
15 Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia.
bila kujali kuwa mguu waweza kuyaponda, kwamba baadhi ya wanyama wa porini wanaweza kuyakanyaga.
16 Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany;
Yeye huyafanyia makinda yake ukatili kama vile si yake; hajali kwamba taabu yake inaweza ikawa bure,
17 Fa efa nampanadinoin’ Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana.
kwa kuwa Mungu hakumjalia hekima, wala hakumpa fungu la akili njema.
18 Raha mikopakopak’ elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
Lakini akunjuapo mabawa yake kukimbia, humcheka farasi pamoja na yeye aliyempanda.
19 Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony?
“Je, wewe humpa farasi nguvu au kuivika shingo yake manyoya marefu?
20 Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin’ ny fiefonefony!
Je, wewe humfanya farasi aruke kama nzige, akistaajabisha kwa tishio la mlio wake wa majivuno?
21 Mihehy ao amin’ ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady izy.
Huparapara bila woga, akizifurahia nguvu zake, husonga mbele kukabiliana na silaha.
22 Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin’ ny sabatra.
Huicheka hofu, haogopi chochote, wala haukimbii upanga.
23 Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy.
Podo hutoa sauti kando yake, pamoja na mkuki unaongʼaa na fumo.
24 Miriotra mafy amin’ ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara.
Bila woga na kwa ghadhabu huimeza nchi, wala tarumbeta iliapo yeye hawezi kusimama.
25 Na oviana na oviana no anenoan’ ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban’ ny manamboninahitra.
Asikiapo sauti ya baragumu yeye hulia, ‘Aha!’ Hunusa harufu ya vita toka mbali, sauti ya mtoa amri na ukelele wa vita.
26 Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo?
“Je, mwewe huruka kwa hekima yako na kuyakunjua mabawa yake kuelekea kusini?
27 Noho ny didinao va no iakaran’ ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?
Je, tai hupaa juu kwa amri yako na kujenga kiota chake mahali pa juu?
28 Eny amin’ ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon’ ny harambato sy ao amin’ ny fiarovana.
Huishi juu ya miamba mirefu na kukaa huko usiku; majabali yenye ncha kali ndiyo ngome yake.
29 Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra ny masony.
Kutoka huko hutafuta chakula chake; macho yake hukiona kutoka mbali.
30 Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran’ ny faty dia any izy.
Makinda yake hujilisha damu, na pale palipo na machinjo, ndipo yeye alipo.”

< Joba 39 >