< Joba 39 >
1 Fantatrao va ny fotoana fiterahan’ ny osi-dia any amin’ ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan’ ny dieravavy?
なんぢ岩間の山羊が子を產む時をしるや また麀鹿の產に臨むを見しや
2 Mahisa ny andro ahatanterahany va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany?
なんぢ是等の在胎の月を數へうるや また是等が產む時を知るや
3 Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany.
これらは身を鞠めて子を產みその痛苦を出す
4 Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony.
またその子は強くなりて野に育ち 出ゆきて再たびその親にかへらず
5 Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran’ ny boriki-dia,
誰が野驢馬を放ちて自由にせしや 誰が野驢馬の繋繩を解しや
6 Izay nomeko ny tani’ hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany?
われ野をその家となし 荒野をその住所となせり
7 Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson’ ny mpampandeha;
是は邑の喧閙を賤しめ 馭者の號呼を聽いれず
8 Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy.
山を走まはりて草を食ひ 各種の靑き物を尋ぬ
9 Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin’ ny alina?
兕肯て汝に事へ なんぢの飼草槽の傍にとどまらんや
10 Mahafatotra ny ombimanga amin’ ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy?
なんぢ兕に綱附て阡陌をあるかせ得んや 是あに汝にしたがひて谷に馬鈀を牽んや
11 Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao?
その力おほいなればとて汝これに恃まんや またなんぢの工事をこれに任せんや
12 Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao?
なんぢこれにたよりて己が穀物を運びかへらせ之を打禾塲にあつめしめんや
13 Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony?
駝鳥は歡然にその翼を皷ふ 然どもその羽と毛とはあに鶴にしかんや
14 Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin’ ny tany izy ka mamela azy ho afanain’ ny vovoka,
是はその卵を土の中に棄おき これを砂の中にて暖たまらしめ
15 Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia.
足にてその潰さるべきと 野の獸のこれを踐むべきとを思はず
16 Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany;
これはその子に情なくして宛然おのれの子ならざるが如くし その劬勞の空しくなるも繋念ところ無し
17 Fa efa nampanadinoin’ Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana.
是は神これに智慧を授けず穎悟を與へざるが故なり
18 Raha mikopakopak’ elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy.
その身をおこして走るにおいては馬をもその騎手をも嘲けるべし
19 Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony?
なんぢ馬に力を與へしや その頸に勇ましき鬣を粧ひしや
20 Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin’ ny fiefonefony!
なんぢ之を蝗蟲のごとく飛しむるや その嘶なく聲の響は畏るべし
21 Mihehy ao amin’ ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady izy.
谷を踋爬て力に誇り 自ら進みて兵士に向ふ
22 Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin’ ny sabatra.
懼るることを笑ひて驚ろくところ無く 劍にむかふとも退ぞかず
23 Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy.
矢筒その上に鳴り 鎗に矛あひきらめく
24 Miriotra mafy amin’ ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara.
猛りつ狂ひつ地を一呑にし 喇叭の聲鳴わたるも立どまる事なし
25 Na oviana na oviana no anenoan’ ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban’ ny manamboninahitra.
喇叭の鳴ごとにハーハーと言ひ遠方より戰鬪を嗅つけ 將帥の大聲および吶喊聲を聞しる
26 Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo?
鷹の飛かけり その羽翼を舒て南に向ふは豈なんぢの智慧によるならんや
27 Noho ny didinao va no iakaran’ ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy?
鷲の翔のぼり 高き處に巣を營なむは豈なんぢの命令に依んや
28 Eny amin’ ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon’ ny harambato sy ao amin’ ny fiarovana.
これは岩の上に住所を構へ 岩の尖所または峻險き所に居り
29 Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra ny masony.
其處よりして攫むべき物をうかがふ その目のおよぶところ遠し
30 Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran’ ny faty dia any izy.
その子等もまた血を吸ふ 凡そ殺されし者のあるところには是そこに在り