< Joba 38 >

1 Ary teo anatin’ ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an’ i Joba ka nanao hoe:
때에 여호와께서 폭풍 가운데로서 욥에게 말씀하여 가라사대
2 Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin’ ny teny tsy misy fahalalana?
무지한 말로 이치를 어둡게 하는 자가 누구냐?
3 Misikìna ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio:
너는 대장부처럼 허리를 묶고 내가 네게 묻는 것을 대답할지니라
4 Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.
내가 땅의 기초를 놓을 때에 네가 어디 있었느냐? 네가 깨달아 알았거든 말할지니라
5 Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
누가 그 도량을 정하였었는지 누가 그 준승을 그 위에 띄웠었는지 네가 아느냐?
6 Teo amin’ inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
그 주초는 무엇 위에 세웠으며 그 모퉁이 돌은 누가 놓았었느냐?
7 Raha niara-nihira ny kintan’ ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’ Andriamanitra?
그 때에 새벽 별들이 함께 노래하며 하나님의 아들들이 다 기쁘게 소리하였었느니라
8 Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,
바닷물이 태에서 나옴 같이 넘쳐 흐를 때에 문으로 그것을 막은 자가 누구냐?
9 Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony,
그 때에 내가 구름으로 그 의복을 만들고 흑암으로 그 강보를 만들고
10 Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana
계한을 정하여 문과 빗장을 베풀고
11 Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?
이르기를 네가 여기까지 오고 넘어가지 못하리니 네 교만한 물결이 여기 그칠지니라 하였었노라
12 Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak’ andro,
네가 나던 날부터 아침을 명하였었느냐? 새벽으로 그 처소를 알게 하여
13 Mba horaisiny ny sisin’ ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?
그것으로 땅끝에 비취게 하고 악인을 그 가운데서 구축한 일이 있었느냐?
14 Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra ny tarehiny,
땅이 변화하여 진흙에 인친 것 같고 만물이 옷 같이 나타나되
15 Ary hosakanana ny fahazavan’ ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina.
악인에게는 그 빛이 금한바 되고 그들의 높이 든 팔이 꺽이느니라
16 Moa efa niditra hatrany amin’ ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin’ ny fanambanin’ ny lalina?
네가 바다 근원에 들어갔었느냐? 깊은 물밑으로 걸어 다녔었느냐?
17 Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin’ ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin’ ny aloky ny fahafatesana?
사망의 문이 네게 나타났었느냐? 사망의 그늘진 문을 네가 보았었느냐?
18 Moa efa voadinikao ny hatrany amin’ ny fahalalahan’ ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany.
땅의 넓이를 네가 측량하였었느냐? 다 알거든 말할지니라
19 Aiza ary no lalana ho any amin’ ny fonenan’ ny mazava? Ary aiza no fitoeran’ ny maizina?
광명의 처소는 어느 길로 가며 흑암의 처소는 어디냐?
20 Mba hitondranao izany ho amin’ ny faran’ ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony.
네가 능히 그 지경으로 인도할 수 있느냐? 그 집의 길을 아느냐?
21 Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin’ izay, ary maro ny isan’ ny andronao!
네가 아마 알리라 네가 그 때에 났었나니 너의 년수가 많음이니라
22 Moa efa niditra tany amin’ ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra,
네가 눈 곳간에 들어갔었느냐? 우박 창고를 보았느냐?
23 Izay voatahiriko ho amin’ ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?
내가 환난 때와 전쟁과 격투의 날을 위하여 이것을 저축하였노라
24 Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan’ ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin’ ny tany?
광명이 어느 길로 말미암아 뻗치며 동풍이 어느 길로 말미암아 땅에 흩어지느냐?
25 Iza moa no nihady lalan-drano ho an’ ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an’ ny helatry ny kotrokorana,
누가 폭우를 위하여 길을 내었으며 우뢰의 번개 길을 내었으며
26 Handatsaka ranonorana ambonin’ ny tany izay tsy itoeran’ olona, dia any amin’ ny efitra tsy misy mponina,
사람 없는 땅에, 사람 없는 광야에 비를 내리고
27 Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?
황무하고 공허한 토지를 축축하게 하고 연한 풀이 나게 하였느냐?
28 Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon’ ando?
비가 아비가 있느냐? 이슬 방울은 누가 낳았느냐?
29 Kibon’ iza moa no nihavian’ ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin’ ny lanitra, iza no niteraka azy?
얼음은 뉘 태에서 났느냐? 공중의 서리는 누가 낳았느냐?
30 Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin’ ny lalina.
물이 돌 같이 굳어지고 해면이 어느니라
31 Mahavona ny kofehin’ ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?
네가 묘성을 매어 떨기 되게 하겠느냐? 삼성의 띠를 풀겠느냐?
32 Mahavoaka ny Mazarota amin’ ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin’ ny zanany va ianao?
네가 열두 궁성을 때를 따라 이끌어 내겠느냐? 북두성과 그 속한 별들을 인도하겠느냐?
33 Fantatrao va ny lalàn’ ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan’ ireny ny tany va ianao?
네가 하늘의 법도를 아느냐? 하늘로 그 권능을 땅에 베풀게 하겠느냐?
34 Mahasandratra ny feonao ho amin’ ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka?
네 소리를 구름에 올려 큰 물로 네게 덮이게 하겠느냐?
35 Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?
네가 번개를 보내어 가게 하되 그것으로 네게 우리가 여기 있나이다 하게 하겠느냐?
36 Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana?
가슴 속의 지혜는 누가 준 것이냐? 마음 속의 총명은 누가 준 것이냐?
37 Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon’ ny lanitra,
누가 지혜로 구름을 계수하겠느냐? 누가 하늘의 병을 쏟아
38 Hitambaran’ ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga?
티끌로 진흙을 이루며 흙덩이로 서로 붙게 하겠느냐?
39 Mahay mihaza toha ho an’ ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan’ ny liona tanora,
네가 암사자를 위하여 식물을 사냥하겠느냐? 젊은 사자의 식량을 채우겠느냐?
40 Raha mamitsaka ao amin’ ny fitoerany izy ary manotrika ao amin’ ny kirihitrala?
그것들이 굴에 엎드리며 삼림에 누워서 기다리는 때에니라
41 Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin’ Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?
까마귀 새끼가 하나님을 향하여 부르짖으며 먹을 것이 없어서 오락가락 할 때에 그것을 위하여 먹을 것을 예비하는 자가 누구냐?

< Joba 38 >