< Joba 38 >

1 Ary teo anatin’ ny tafio-drivotra Jehovah dia namaly an’ i Joba ka nanao hoe:
Sa’an nan Ubangiji ya amsa wa Ayuba. Ya ce,
2 Iza moa izato manao izay hahamaizina ny fisainana amin’ ny teny tsy misy fahalalana?
“Wane ne wannan da yake ɓata mini shawarata da surutan wofi?
3 Misikìna ary tahaka ny lehilahy; Fa hanadina anao Aho, ka valio:
Ka sha ɗamara kamar namiji; zan yi maka tambaya, za ka kuwa amsa mini.
4 Taiza ary ianao, fony Aho nanorina ny tany? Ambarao, raha hainao.
“Kana ina lokacin da na aza harsashen duniya? Gaya mini, in ka sani.
5 Iza ary no nandidy izay ho refiny, raha fantatrao? Ary iza no nanenjana ny famolaina teo aminy?
Wane ne ya zāna girmanta? Ba shakka ka sani! Wane ne ya ja layin aunawa a kanta?
6 Teo amin’ inona no nanorenana ny vodi-andriny, ary iza no nametraka ny vato fehizorony,
A kan me aka kafa tushenta, ko kuma wa ya sa dutsen kan kusurwarta,
7 Raha niara-nihira ny kintan’ ny maraina, ary nihoby avokoa ireo zanak’ Andriamanitra?
yayinda taurarin safe suke waƙa tare dukan mala’iku kuma suka yi sowa don farin ciki.
8 Ary iza no nanao varavarana misakana ny ranomasina, raha nibosesika nivoaka avy tany am-bohoka izy,
“Wane ne ya rufe teku a bayan ƙofofi, lokacin da ya burtsatso daga cikin ciki.
9 Raha nanao ny rahona ho fitafiany Aho ary ny aizim-pito ho fonony,
Lokacin da na yi wa gizagizai riga na kuma naɗe su a cikin duhu sosai,
10 Ary nandidy ny ho fetrany sady nanisy hidy sy varavarana
sa’ad da na yi masa iyaka na sa masa ƙofofi da wurin kullewa.
11 Ka nanao hoe: Hatreto no azonao androsoana ka tsy hihoatra, ary eto no hampijanonana ny fisafoaky ny onjanao?
Sa’ad da na ce ga iyakar inda za ka kai, ga inda raƙuman ruwanka za su tsaya?
12 Hatrizay niainanao moa mba efa nandidy ny maraina va ianao? Efa notoroanao ny fitoerany va ny fipoak’ andro,
“Ko ka taɓa ba safiya umarni ko kuma ka sa asuba ta fito,
13 Mba horaisiny ny sisin’ ny tany. Ka hakopakopany hiala ny ratsy fanahy?
don ta kama gefen duniya ta kakkaɓe mugaye daga cikinta?
14 Ary hiova tahaka ny tanimanga tombohin-kase ny endriny, ka hiseho tahaka ny lamba misoratra ny tarehiny,
Ƙasa ta sāke siffa kamar laka da aka yi wa hatimi; ta fito a fili kamar riga.
15 Ary hosakanana ny fahazavan’ ny ratsy fanahy, ka ho tapaka ny sandry naingaina.
An hana mugaye haskensu, hannun da suka ɗaga an karya shi.
16 Moa efa niditra hatrany amin’ ny loharanon-dranomasina va ianao, ary efa nandehandeha tany amin’ ny fanambanin’ ny lalina?
“Ko ka taɓa tafiya zuwa maɓulɓulan teku, ko kuma ka taɓa zuwa cikin zurfin lungun teku?
17 Moa efa naharihary taminao va ny vavahadin’ ny fahafatesana? Ary efa hitanao va ny vavahadin’ ny aloky ny fahafatesana?
Ko an taɓa nuna maka ƙofar mutuwa? Ko ka taɓa ganin ƙofar inuwar duhun mutuwa?
18 Moa efa voadinikao ny hatrany amin’ ny fahalalahan’ ny tany? Ambarao ary, raha fantatrao izany rehetra izany.
Ko ka gane fāɗin duniya? Gaya mini, in ka san wannan duka.
19 Aiza ary no lalana ho any amin’ ny fonenan’ ny mazava? Ary aiza no fitoeran’ ny maizina?
“Ina ne hanyar zuwa gidan haske? Kuma a ina duhu yake zama?
20 Mba hitondranao izany ho amin’ ny faran’ ny alehany, ary ho fantatrao ny lalana ho any an-tranony.
Ko za ka iya kai su wurarensu? Ka san hanyar zuwa wurin da suke zama?
21 Eny, fantatrao mantsy izany, satria efa teraka ianao tamin’ izay, ary maro ny isan’ ny andronao!
Ba shakka ka sani, gama an riga an haife ka a lokacin! Ka yi shekaru da yawa kana rayuwa.
22 Moa efa niditra tany amin’ ny firaketana ny oram-panala va ianao? Ary efa hitanao va ny firaketana ny havandra,
“Ka taɓa shiga rumbunan dusar ƙanƙara ko ka taɓa ganin rumbunan ƙanƙara
23 Izay voatahiriko ho amin’ ny andro fahoriana, dia ny andro misy ady sy tafika?
waɗanda nake ajiya domin lokacin wahala, domin kwanakin yaƙi da faɗa?
24 Aiza moa no lalana izarazarana ny mazava sy ielezan’ ny rivotra avy any atsinanana ho etỳ ambonin’ ny tany?
Ina ne hanyar zuwa wurin da ake samun walƙiya, ko kuma inda daga nan ne ake watsa iskar gabas zuwa ko’ina cikin duniya?
25 Iza moa no nihady lalan-drano ho an’ ny ranonorana mirotsaka be, sy lalan-kaleha ho an’ ny helatry ny kotrokorana,
Wane ne ya yanka hanyar wucewar ruwa, da kuma hanyar walƙiyar tsawa
26 Handatsaka ranonorana ambonin’ ny tany izay tsy itoeran’ olona, dia any amin’ ny efitra tsy misy mponina,
don ba da ruwa a ƙasar da ba kowa a wurin jeji inda ba mai zama ciki
27 Mba hahavonto ny efitra sy ny tany foana, ary hampitsimoka ny ahitra vao mitsiry?
don a ƙosar da wurin da ya bushe a sa ciyawa ta tsiro a can?
28 Manan-dray va ny ranonorana? Ary iza kosa no miteraka ny ranon’ ando?
Ruwan sama yana da mahaifi? Wa ya zama mahaifin raɓa?
29 Kibon’ iza moa no nihavian’ ny ranomandry? Ary ny vongam-panala avy amin’ ny lanitra, iza no niteraka azy?
Daga cikin wane ne aka haifi ƙanƙara? Wane ne ya haifi jaura daga sammai
30 Tonga mafy toy ny vato ny rano, Ary mitambatra ny fanambonin’ ny lalina.
lokacin da ruwa ya zama da ƙarfi kamar dutse, lokacin da saman ruwa ya daskare?
31 Mahavona ny kofehin’ ny Ikotokelimiadilaona va ianao, ary mahavaha ny Telonohorefy?
“Za ka iya daure kyakkyawar kaza da’ya’yanta? Ko za ka iya kunce igiyoyin mafarauci da kare da zomo?
32 Mahavoaka ny Mazarota amin’ ny fotoany va ianao? Ary mahatondra ny Bera mbamin’ ny zanany va ianao?
Za ka iya tattara taurari bisa ga lokacinsu ko kuma ka bi da beyar da’ya’yanta zuwa waje?
33 Fantatrao va ny lalàn’ ny lanitra? Ary manendry ny fanapahan’ ireny ny tany va ianao?
Ka san dokokin sammai? Ko za ka iya faɗar dangantakar Allah da duniya?
34 Mahasandratra ny feonao ho amin’ ny rahona matevina va ianao, Mba hanafotra anao ny rano mandriaka?
“Za ka iya tsawata wa gizagizai ka kuma rufe kanka da ambaliyar ruwa?
35 Mahay mandefa ny helatra va ianao, ka ho avy ireo hilaza aminao hoe: Indreto izahay?
Kai ne kake aika walƙiya da tsawa zuwa inda suke zuwa? Ko suna zuwa wurinka su ce, ‘Ga mu nan mun zo?’
36 Iza moa no nanao ny rahona matevina ho fitoeram-pahendrena, Ary irery miseho erỳ an-danitra ho fampisehoana ny fahalalana?
Wane ne yake cika zuciya da hikima ko kuma yake ba zuciya ganewa?
37 Iza moa no manam-pahendrena mahisa ny rahom-potsy manify? Ary iza no mahatankina ny fitoeran-dranon’ ny lanitra,
Wane ne yake da hikimar iya ƙirga gizagizai? Wane ne zai iya karkato bakunan tulunan sammai
38 Hitambaran’ ny vovoka ho dilatra sy hivonganany ho bainga?
sa’ad da ƙura ta yi yawa ta daskare a wuri ɗaya?
39 Mahay mihaza toha ho an’ ny liom-bavy va ianao, sy mahafaka ny fahalianan’ ny liona tanora,
“Za ka iya farauto wa zakanya nama, ka kuma kawar wa zakoki yunwarsu.
40 Raha mamitsaka ao amin’ ny fitoerany izy ary manotrika ao amin’ ny kirihitrala?
Lokacin da suka kwanta cikin kogunansu, ko kuma lokacin da suke a wurin ɓuyansu?
41 Iza moa no manome hanina ny goaika, raha mitaraina amin’ Andriamanitra ny zanany ka mirenireny tsy mahita hanina?
Wane ne yake ba hankaka abinci lokacin da’ya’yansa suke kuka ga Allah, kuma suna yawo don rashin abinci?

< Joba 38 >