< Joba 36 >

1 Ary mbola nandroso niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
Elihu ya ci gaba,
2 Mahareta kely amiko, dia hambarako aminao, fa mbola misy teny holazaina hanamarina an’ Andriamanitra.
“Ka ɗan ƙara haƙuri da ni kaɗan, zan kuma nuna maka cewa akwai sauran abubuwan da zan faɗa a madadin Allah.
3 Halaiko avy lavitra ny fahalalako, ka hanamarina ny Mpanao ahy aho.
Daga nesa na sami sanina; zan nuna cewa Mahaliccina shi mai gaskiya ne.
4 Fa tsy lainga tsy akory ny teniko; Lehilahy tanteraka amin’ ny fahalalana no eto aminao.
Abin da zan gaya maka ba ƙarya ba ne; mai cikakken sani yana tare da kai.
5 Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga, lehibe amin’ ny herin’ ny fahalalana Izy.
“Allah mai iko ne, amma ba ya rena mutane; shi mai girma ne cikin manufarsa.
6 Tsy mitsimbina ny ain’ ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an’ ny ory.
Ba ya barin mugaye da rai sai dai yana ba waɗanda ake tsanantawa hakkinsu.
7 Tsy mampiala ny masony amin’ ny marina Izy; Eo amin’ ny mpanjaka ambonin’ ny seza fiandrianany no am-pitoerany azy ho mandrakizay, ka dia tafasandratra.
Ba ya fasa duban masu adalci; yana sa su tare da sarakuna yana ɗaukaka su har abada.
8 Ary raha voafatotra amin’ ny gadra izy sy voafehy amin’ ny tadin’ ny fahoriana.
Amma in mutane suna daure da sarƙoƙi, ƙunci kuma ya daure su,
9 Dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany, fa efa nanandra-tena izy ireny.
yana gaya musu abin da suka yi, cewa sun yi zunubi da girman kai.
10 Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy hibebaka hiala amin’ ny ratsy.
Yana sa su saurari gyara yă kuma umarce su su tuba daga muguntarsu.
11 Raha mihaino ka manaiky Azy Izy, dia lany amin’ ny fiadanana ny androny, ary ny taonany amin’ ny fahafinaretana
In sun yi biyayya suka bauta masa, za su yi rayuwa dukan kwanakinsu cikin wadata shekarunsu kuma cikin kwanciyar zuciya.
12 Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan’ ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana.
Amma in ba su saurara ba, za su hallaka da takobi kuma za su mutu ba ilimi.
13 Fa ny mpihatsaravelatsihy dia mirakitra fahatezerana; Tsy mitaraina izy, na dia afatony aza;
“Waɗanda ba su da Allah a zuciyarsu su ne suke riƙe fushi; ko sa’ad da ya ba su horo, ba su neman taimakonsa.
14 Ka dia maty raha mbola tanora izy, eny, afaka ny ainy eo amin’ ny olom-betaveta,
Suna mutuwa tun suna matasa, cikin ƙazamar rayuwar karuwanci.
15 Fa ny fahorian’ ny ory kosa no entin’ Andriamanitra mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny.
Amma yana kuɓutar da masu wahala; yana magana da su cikin wahalarsu.
16 Ary na dia ianao aza dia ampialainy amin’ ny fahaterena ho amin’ ny malalaka izay tsy misy mahatery; Ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin’ ny latabatrao.
“Yana so yă rinjaye ka daga haƙoran ƙunci, zuwa wuri mai sauƙi inda ba matsi zuwa teburinka cike da abincin da kake so.
17 Nefa raha fatra-pikikitra amin’ ny adin’ ny ratsy fanahy ianao, dia hihazona anao ny ady sy ny fanamelohana;
Amma yanzu an cika ka da hukuncin da ya kamata a yi wa mugaye; shari’a da kuma gaskiya sun kama ka.
18 Aoka tsy hamporisika anao hiteny ratsy ny fahatezerana, ary aoka tsy hampivily hevitra anao ny halehiben’ ny avotra.
Ka yi hankali kada wani yă ruɗe ka da arziki; kada ka bar toshiya ta sa ka juya.
19 Moa hahatonga anao ho ao amin’ izay tsy misy fahoriana va ny fitarainanao na izay rehetra tratry ny fahatanjahana?
Dukiyarka ko dukan yawan ƙoƙarinka sun isa su riƙe ka su hana ka shan ƙunci?
20 Aza irinao ny hihavian’ ny alina, izay ampialana ny olona amin’ ny fitoerany.
Kada ka yi marmari dare yă yi, don a fitar da mutane daga gidajensu.
21 Tandremo, aza mivily ho amin’ ny ratsy; Fa saingy ozoim-pahoriana ianao, dia mifidy izany.
Ka kula kada ka juya ga mugunta, abin da ka fi so fiye da wahala.
22 Indro, Andriamanitra miasa amin’ ny heriny mampiseho ny fisandratany; Iza no mba mpampianatra tahaka Azy?
“An ɗaukaka Allah cikin ikonsa. Wane ne malami kamar sa?
23 Iza no efa nandidy Azy ny amin’ izay lalan-kalehany? Ary iza no efa nilaza taminy hoe: Efa nanao ratsy Hianao?
Wane ne ya nuna masa hanyar da zai bi, ko kuma wane ne ya ce masa, ‘Ba ka yi daidai ba?’
24 Tsarovy ny hankalaza ny asany, Izay efa nataon’ ny olona an-kira.
Ka tuna ka ɗaukaka aikinsa, waɗanda mutane suka yaba a cikin waƙa.
25 Fa faly mahita izany ny olona rehetra; Ary jeren’ ny zanak’ olombelona eny lavitra eny izany.
Dukan’yan adam sun gani; mutane sun hanga daga nesa.
26 Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany.
Allah mai girma ne, ya wuce ganewarmu! Yawan shekarunsa ba su bincikuwa.
27 Fa mampisavoana ny rano Izy, dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany,
“Yana sa ruwa yă zama tururi yă zubo daga sama.
28 Izay aidin’ ny rahona ka alatsany amin’ ny olona maro be.
Gizagizai suna zubo da raɓarsu kuma ruwan sama yana zubowa’yan adam a wadace.
29 Ary koa, iza moa no mahalala ny amin’ ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy?
Wane ne zai iya gane yadda ya shimfiɗa gizagizai yadda yake tsawa daga wurin zamansa?
30 Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin’ ny ranomasina ho firakofany.
Dubi yadda ya baza walƙiyarsa kewaye da shi, tana haskaka zurfin teku.
31 Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka.
Haka yake mulkin al’ummai yana kuma tanada abinci a wadace.
32 Mifono fahazavana ny tànany, ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony;
Yana cika hannuwansa da walƙiya kuma yana ba ta umarni tă fāɗi a inda ya yi nufi.
33 Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman’ ondry koa aza milaza ny hihaviany.
Tsawarsa tana nuna cewa babbar iska da ruwa suna zuwa; ko shanu sun san da zuwansa.

< Joba 36 >