< Joba 36 >
1 Ary mbola nandroso niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
厄里烏又接著說:
2 Mahareta kely amiko, dia hambarako aminao, fa mbola misy teny holazaina hanamarina an’ Andriamanitra.
你且等一會,容我教導你,因為為天主,我還有些話要說。
3 Halaiko avy lavitra ny fahalalako, ka hanamarina ny Mpanao ahy aho.
我要將我所知的傳到遠方,將正義歸於我的造主。
4 Fa tsy lainga tsy akory ny teniko; Lehilahy tanteraka amin’ ny fahalalana no eto aminao.
的確,我的話正確無偽,知識全備的人同你一起。
5 Indro, lehibe Andriamanitra, kanefa tsy mba mamingavinga, lehibe amin’ ny herin’ ny fahalalana Izy.
的確,天主寬宏大量,決不藐視任何人,並且有廣大的同情心。
6 Tsy mitsimbina ny ain’ ny ratsy fanahy Izy, fa manome rariny ho an’ ny ory.
他決不容許惡人生存,但給窮苦人伸冤;
7 Tsy mampiala ny masony amin’ ny marina Izy; Eo amin’ ny mpanjaka ambonin’ ny seza fiandrianany no am-pitoerany azy ho mandrakizay, ka dia tafasandratra.
他也不剝奪義人的權利。他使君王永久坐在寶座上,但是他們卻驕矜自大;
8 Ary raha voafatotra amin’ ny gadra izy sy voafehy amin’ ny tadin’ ny fahoriana.
故此,當他們一旦被鎖鏈束縛,被痛苦的繩索所繫,
9 Dia ambarany azy ny asany sy ny fahotany, fa efa nanandra-tena izy ireny.
天主就向他們指明他們的惡行,和他們所誇耀的過犯,
10 Dia manokatra ny sofiny hihaino fananarana Izy ka mandidy azy hibebaka hiala amin’ ny ratsy.
開啟他們的耳朵,以聽訓戒,囑咐他們離開邪惡。
11 Raha mihaino ka manaiky Azy Izy, dia lany amin’ ny fiadanana ny androny, ary ny taonany amin’ ny fahafinaretana
如果他們服從順命,便能幸福地度過歲月,能安樂地享受天年。
12 Fa raha tsy mihaino kosa izy, dia ho voan’ ny fiadiana ka ho faty tsy amim-pahalalana.
如果不服從,必被射死,於不知不覺中逝去。
13 Fa ny mpihatsaravelatsihy dia mirakitra fahatezerana; Tsy mitaraina izy, na dia afatony aza;
心術敗壞的人,憤怒填胸,縱被囚禁,仍不呼求救助;
14 Ka dia maty raha mbola tanora izy, eny, afaka ny ainy eo amin’ ny olom-betaveta,
他們必早年夭折,喪命如男倡。
15 Fa ny fahorian’ ny ory kosa no entin’ Andriamanitra mamonjy azy, Ary ny manjo azy no entiny manokatra ny sofiny.
所以天主藉痛苦拯救受難的人,以患難開啟他們的耳鼓。
16 Ary na dia ianao aza dia ampialainy amin’ ny fahaterena ho amin’ ny malalaka izay tsy misy mahatery; Ary ny matavy indrindra no aroso ho eo ambonin’ ny latabatrao.
他也要救你擺脫災難,領你到廣闊自由之地,在你桌上常擺滿肥饌美味;
17 Nefa raha fatra-pikikitra amin’ ny adin’ ny ratsy fanahy ianao, dia hihazona anao ny ady sy ny fanamelohana;
無如你判斷與惡人完全一樣,那麼懲罰和判案必集於你身。
18 Aoka tsy hamporisika anao hiteny ratsy ny fahatezerana, ary aoka tsy hampivily hevitra anao ny halehiben’ ny avotra.
小心! 不要讓忿怒引你肆口謾罵,也不要為重罰讓你離棄正道。
19 Moa hahatonga anao ho ao amin’ izay tsy misy fahoriana va ny fitarainanao na izay rehetra tratry ny fahatanjahana?
你的哀號和你所有的力量,豈能使你擺脫患難﹖
20 Aza irinao ny hihavian’ ny alina, izay ampialana ny olona amin’ ny fitoerany.
不要希望黑夜,那是人民由本地被劫去的時候。
21 Tandremo, aza mivily ho amin’ ny ratsy; Fa saingy ozoim-pahoriana ianao, dia mifidy izany.
小心! 別傾向不義,因為這正是你遭難的真正原因。
22 Indro, Andriamanitra miasa amin’ ny heriny mampiseho ny fisandratany; Iza no mba mpampianatra tahaka Azy?
天主的能力確實偉大,那有像他那樣的主宰﹖
23 Iza no efa nandidy Azy ny amin’ izay lalan-kalehany? Ary iza no efa nilaza taminy hoe: Efa nanao ratsy Hianao?
誰能規定他的道路,誰敢說:你行的不對﹖
24 Tsarovy ny hankalaza ny asany, Izay efa nataon’ ny olona an-kira.
你應記住要讚頌他的工程,這是人們應歌詠的。
25 Fa faly mahita izany ny olona rehetra; Ary jeren’ ny zanak’ olombelona eny lavitra eny izany.
人人都能觀賞,都能從遠處仰望:
26 Indro, lehibe Andriamanitra, ka tsy takatry ny saintsika Izy; Ary tsy hita isa ny taonany.
天主何其偉大,我們不能理解! 他的歲數,無法考究。
27 Fa mampisavoana ny rano Izy, dia milatsaka ho ranonorana aman-javona izany,
他汲取水滴,使水氣化為雨露,
28 Izay aidin’ ny rahona ka alatsany amin’ ny olona maro be.
雨即從雲中傾盆而降,沛然落在眾人身上。
29 Ary koa, iza moa no mahalala ny amin’ ny fivelatry ny rahona sy ny fikotrokotroka ao an-dainy?
但誰能明瞭雲彩怎樣散布,天幕中怎樣發出隆隆之聲﹖
30 Indro, mamelatra ny fahazavany eo amboniny Izy ary manao ny fanambanin’ ny ranomasina ho firakofany.
他將雲霧展開,遮蓋了群山山頂。
31 Fa ireny zavatra ireny no itsarany ny firenena sady anomezany hanina betsaka.
他藉此養育萬民,賜給他們豐富的食糧。
32 Mifono fahazavana ny tànany, ary baikoiny iny mba hahavoa ny fahavalony;
他掌中握著電光,對準目標發射出去。
33 Ny fikotrokotrony dia manambara Azy, ary ny omby aman’ ondry koa aza milaza ny hihaviany.
雷霆報告他的來臨,他的怒火將要懲罰邪惡。