< Joba 35 >

1 Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
Ndipo Elihu akasema:
2 Ataonao va fa marina ny nanaovanao hoe: Ny fahamarinako mihoatra noho ny an’ Andriamanitra?
“Je, unadhani hili ni haki? Wewe unasema, ‘Nina haki mbele za Mungu.’
3 Fa hoy ianao: Mahasoa ahy manao ahoana moa? Ary inona no soa azoko mihoatra noho ny avy amin’ ny fahotako?
Bado unamuuliza, ‘Ni faida gani nimepata, na imenifaidi nini kwa kutokutenda dhambi?’
4 Izaho no hiteny hamaly anao Mbamin’ ny namanao.
“Ningependa nikujibu wewe pamoja na marafiki zako walio pamoja nawe.
5 Jereo ary ny lanitra ka izahao; Ary tsinjovy iry habakabaka, avo loatra iny ka tsy takatrao.
Tazama juu mbinguni ukaone; yaangalie mawingu yaliyo juu sana juu yako.
6 Raha manota ianao, moa mahefa inona aminy? Ary raha maro ny fahotanao, mampaninona Azy moa izany?
Je, ukitenda dhambi, inamdhuruje Mungu? Kama dhambi zako zikiwa nyingi, hilo linamfanyia nini Mungu?
7 Raha marina ianao, dia hahazoany inona moa izany? Na inona no horaisiny avy amin’ ny tananao?
Kama wewe ni mwadilifu, unampa nini, au yeye anapokea nini mkononi kwako?
8 Mihatra amin’ ny olona tahaka anao ihany ny ratsy ataonao; Ary mihatra amin’ ny olombelona ihany ny fahamarinanao.
Uovu wako unamdhuru tu mtu mwingine kama wewe, nayo haki yako inawafaa wanadamu tu.
9 Noho ny habiazan’ ny fampahoriana no itarainan’ ny olona; Eny, minananana izy noho ny sandrin’ ny mahery,
“Wanadamu hulia kwa kulemewa na mateso; huomba msaada kutoka mkono wenye nguvu.
10 Nefa tsy misy manao hoe: Aiza Andriamanitra, Mpanao ahy, Izay mahatonga fiderana amin’ ny alina,
Lakini hakuna asemaye, ‘Yuko wapi Mungu Muumba wangu, yeye anifanyaye niimbe usiku,
11 Izay manome fahalalana antsika mihoatra noho ny an’ ny biby ambonin’ ny tany, dia Izay manome fahendrena antsika mihoatra noho ny an’ ny voro-manidina?
yeye atufundishaye sisi zaidi kuliko wanyama wa dunia, na kutufanya wenye hekima kuliko ndege wa angani?’
12 Eny, mitaraina mafy ireo (fa tsy mamaly Izy) noho ny fireharehan’ ny ratsy fanahy.
Yeye hajibu wakati watu waliapo kwa sababu ya kiburi cha watu waovu.
13 Ny fitarainam-poana dia tsy mba henoin’ Andriamanitra, ary ny Tsitoha tsy mandinika izany.
Naam, Mungu hasikilizi maombi yao ya ubatili; Mwenyezi hayazingatii.
14 Na dia lazainao fa tsy mahita azy aza ianao, efa mby eo anatrehany ny ady, koa tsy maintsy miandry Azy ianao.
Si zaidi sana kwamba hatakusikiliza wewe usemapo humwoni, tena ya kwamba shauri lako liko mbele zake na wewe lazima umngojee,
15 Koa raha saingy tsy mihatra ny fahatezerany, moa dia tsy fantany tsara koa va ny fihaikana?
pia zaidi, kwamba hasira yake kamwe haiadhibu wala haangalii uovu hata kidogo?
16 Mba miloa-bava foana anefa Joba ary manao teny maro tsy amim-pahalalana.
Hivyo Ayubu hufumbua kinywa chake kwa maneno yasiyo na maana; anaongea maneno mengi bila maarifa.”

< Joba 35 >