< Joba 34 >

1 Ary mbola niteny ihany Eliho ka nanao hoe:
Then Elihu continued:
2 Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry; Ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana.
“Hear my words, O wise men; give ear to me, O men of learning.
3 Fa ny sofina no mamantatra teny, Ary ny vava no manandrana hanina.
For the ear tests words as the mouth tastes food.
4 Koa aoka izay rariny no hodinihintsika, ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika.
Let us choose for ourselves what is right; let us learn together what is good.
5 Fa Joba efa nanao hoe: Marina aho, saingy nesorin’ Andriamanitra tamiko ny rariny;
For Job has declared, ‘I am righteous, yet God has deprived me of justice.
6 Marina ny ahy, nefa ampandaingainy aho; Mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho.
Would I lie about my case? My wound is incurable, though I am without transgression.’
7 Aiza moa no misy lehilahy tahaka an’ i Joba, izay manaram-po amin’ ny famingavingana toy ny fisotro rano.
What man is like Job, who drinks up derision like water?
8 Ary tonga naman’ ny mpanao ratsy sady miara-mandeha amin’ ny ratsy fanahy?
He keeps company with evildoers and walks with wicked men.
9 Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana amin’ Andriamanitra.
For he has said, ‘It profits a man nothing that he should delight in God.’
10 Koa amin’ izany mihainoa ahy, ianareo manam-panahy: Lavitra an’ Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!
Therefore listen to me, O men of understanding. Far be it from God to do wrong, and from the Almighty to act unjustly.
11 Fa ny nataon’ ny olona ihany no ampanodiaviny azy, ka mamaly ny olona rehetra araka ny lalany avy Izy.
For according to a man’s deeds He repays him; according to a man’s ways He brings consequences.
12 Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy, ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.
Indeed, it is true that God does not act wickedly, and the Almighty does not pervert justice.
13 Iza moa no nanendry Azy ho Mpiadidy ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao?
Who gave Him charge over the earth? Who appointed Him over the whole world?
14 Raha tàhiny ny tenany ihany no heveriny, ka hangoniny ho ao aminy ny fanahiny sy ny fofonainy,
If He were to set His heart to it and withdraw His Spirit and breath,
15 Dia hiala avokoa ny ain’ ny nofo rehetra, ary hiverina amin’ ny vovoka ny olona.
all flesh would perish together and mankind would return to the dust.
16 Raha manam-pahalalana ianao, dia mandrenesa izao, ka mihainoa ny teniko
If you have understanding, hear this; listen to my words.
17 Moa mahay mifehy va izay tsy tia rariny? Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao?
Could one who hates justice govern? Will you condemn the just and mighty One,
18 (Mety va ny miteny amin’ ny mpanjaka hoe: Olom-poana ianao! Ary amin’ ny zanak’ andriana: Ry ilay ratsy!),
who says to kings, ‘You are worthless!’ and to nobles, ‘You are wicked,’
19 Dia Ilay tsy mizaha ny tavan’ ny lehibe, ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany, satria samy asan’ ny tànany avokoa izy rehetra.
who is not partial to princes and does not favor rich over poor? For they are all the work of His hands.
20 Maty amin’ ny indray mipi-maso monja amin’ ny mamatonalina ireny; Eny, ringana ny olona ka tsy ao intsony; Ary ny mahery dia lasa tsy esorin-tanana.
They die in an instant, in the middle of the night. The people convulse and pass away; the mighty are removed without human hand.
21 Fa ny mason’ Andriamanitra dia mijery ny alehan’ ny olona, ary mahita ny diany rehetra Izy.
For His eyes are on the ways of a man, and He sees his every step.
22 Tsy misy aizina na alim-pito, Izay hieren’ ny mpanao ratsy.
There is no darkness or deep shadow where the workers of iniquity can hide.
23 Fa Andriamanitra tsy mba miandry aloha vao mandinika ny olona Izay tonga hotsaraina eo anatrehany.
For God need not examine a man further or have him approach for judgment.
24 Manorotoro ny olona mahery Izy, na dia tsy manadina aza, ka manangana olon-kafa hisolo azy.
He shatters the mighty without inquiry and sets up others in their place.
25 Koa hita amin’ izany fa fantany ny asan’ ireo, ka dia mamono azy amin’ ny alina ho torotoro Izy.
Therefore, He recognizes their deeds; He overthrows them in the night and they are crushed.
26 Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin’ ny ratsy fanahy ireo eo imason’ ny vahoaka.
He strikes them for their wickedness in full view,
27 Izao no nialan’ ireo tamin’ Andriamanitra ka tsy nitandremany ny lalany akory,
because they turned aside from Him and had no regard for any of His ways.
28 Dia ny mba hahatonga ny fitarainan’ ny malahelo eo anatrehany ka hampandre Azy ny fitarainan’ ny ory.
They caused the cry of the poor to come before Him, and He heard the outcry of the afflicted.
29 Mangìna Izy, ka iza no mahay manameloka? Ary manafin-tava Izy (ka iza no mahajery Azy?), na amin’ ny firenena, na amin’ ny olona tsirairay,
But when He remains silent, who can condemn Him? When He hides His face, who can see Him? Yet He watches over both man and nation,
30 Mba tsy hanjakan’ ny ratsy fanahy, ary tsy ho voafandrika ny vahoaka.
that godless men should not rule or lay snares for the people.
31 Fa moa mba efa nisy niteny tamin’ Andriamanitra va nanao hoe: Efa nanandra-tena aho ka tsy hanao ratsy intsony;
Suppose someone says to God, ‘I have endured my punishment; I will offend no more.
32 Izay tsy hitako mba ampianaro ahy; Raha nanao ratsy aho, dia tsy hanao intsony?
Teach me what I cannot see; if I have done wrong, I will not do it again.’
33 Moa araka ny hevitrao va no hamaliany ny ataon’ ny olona, no efa nandà ianao? Fa ianao no mifidy, fa tsy izaho, koa izay fantatrao no ambarao.
Should God repay you on your own terms when you have disavowed His? You must choose, not I; so tell me what you know.
34 Ny olona manam-panahy hilaza amiko, ary ny olon-kendry izay mihaino ahy hanao hoe:
Men of understanding will declare to me, and the wise men who hear me will say:
35 Miteny tsy amim-pahalalana Joba, ary ny teniny tsy amim-pahendrena.
‘Job speaks without knowledge; his words lack insight.’
36 Enga anie ka hizahan-toetra mandrakariva Joba noho ny famaliana ataony araka ny fanaon’ ny ratsy fanahy!
If only Job were tried to the utmost for answering like a wicked man.
37 Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; Miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro ho enti-miady amin’ Andriamanitra.
For he adds rebellion to his sin; he claps his hands among us and multiplies his words against God.”

< Joba 34 >