< Joba 33 >

1 Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra.
だから、ヨブよ、今わたしの言うことを聞け、わたしのすべての言葉に耳を傾けよ。
2 Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako.
見よ、わたしは口を開き、口の中の舌は物言う。
3 Ny hitsim-poko no hiseho amin’ ny teniko; Ary ny fahalalan’ ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka.
わたしの言葉はわが心の正しきを語り、わたしのくちびるは真実をもってその知識を語る。
4 Ny Fanahin’ Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain’ ny Tsitoha no mamelona ahy.
神の霊はわたしを造り、全能者の息はわたしを生かす。
5 Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara.
あなたがもしできるなら、わたしに答えよ、わたしの前に言葉を整えて、立て。
6 Indro, izaho koa mba an’ Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin’ ny tanimanga.
見よ、神に対しては、わたしもあなたと同様であり、わたしもまた土から取って造られた者だ。
7 Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao.
見よ、わたしの威厳はあなたを恐れさせない、わたしの勢いはあなたを圧しない。
8 Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon’ ny teninao hoe:
確かに、あなたはわたしの聞くところで言った、わたしはあなたの言葉の声を聞いた。
9 Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka;
あなたは言う、『わたしはいさぎよく、とがはない。わたしは清く、不義はない。
10 He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho;
見よ、彼はわたしを攻める口実を見つけ、わたしを自分の敵とみなし、
11 Mampiditra ny tongotro eo amin’ ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra.
わたしの足をかせにはめ、わたしのすべての行いに目をとめられる』と。
12 He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ ny zanak’ olombelona.
見よ、わたしはあなたに答える、あなたはこの事において正しくない。神は人よりも大いなる者だ。
13 Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ ny ataony?
あなたが『彼はわたしの言葉に少しも答えられない』といって、彼に向かって言い争うのは、どういうわけであるか。
14 Kanefa misy fanao iray itenenan’ Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ ny olona izany,
神は一つの方法によって語られ、また二つの方法によって語られるのだが、人はそれを悟らないのだ。
15 Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin’ ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana,
人々が熟睡するとき、または床にまどろむとき、夢あるいは夜の幻のうちで、
16 Dia manokatra ny sofin’ ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy,
彼は人々の耳を開き、警告をもって彼らを恐れさせ、
17 Mba hampiala ny olona amin’ ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana.
こうして人にその悪しきわざを離れさせ、高ぶりを人から除き、
18 Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan’ ny fiadiana.
その魂を守って、墓に至らせず、その命を守って、つるぎに滅びないようにされる。
19 Anarina amin’ ny fanaintainana eo am-pandriany koa izy sy amin’ ny fikotrankotran’ ny taolany lalandava;
人はまたその床の上で痛みによって懲らされ、その骨に戦いが絶えることなく、
20 Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian’ ny fanahiny.
その命は、食物をいとい、その食欲は、おいしい食物をきらう。
21 Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo;
その肉はやせ落ちて見えず、その骨は見えなかったものまでもあらわになり、
22 Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina.
その魂は墓に近づき、その命は滅ぼす者に近づく。
23 Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin’ ny arivo, hanoro izay tokony halehan’ ny olona,
もしそこに彼のためにひとりの天使があり、千のうちのひとりであって、仲保となり、人にその正しい道を示すならば、
24 Ary hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho,
神は彼をあわれんで言われる、『彼を救って、墓に下ることを免れさせよ、わたしはすでにあがないしろを得た。
25 Dia ho tsara noho ny an’ ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin’ ny andro nahatanorany izy;
彼の肉を幼な子の肉よりもみずみずしくならせ、彼を若い時の元気に帰らせよ』と。
26 Hivavaka amin’ Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin’ ny hafaliana, fa hampodiny amin’ ny zanak’ olombelona ny fahamarinany.
その時、彼が神に祈るならば、神は彼を顧み、喜びをもって、み前にいたらせ、その救を人に告げ知らせられる。
27 Dia hihira izy hilaza amin’ ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko;
彼は人々の前に歌って言う、『わたしは罪を犯し、正しい事を曲げた。しかしわたしに報復がなかった。
28 Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin’ ny fahitana ny mazava.
彼はわたしの魂をあがなって、墓に下らせられなかった。わたしの命は光を見ることができる』と。
29 Indro, izany rehetra izany no ataon’ Andriamanitra indroa amin’ ny olona, eny, intelo aza,
見よ、神はこれらすべての事をふたたび、みたび人に行い、
30 Mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka, mba hihazavany amin’ ny fahazavan’ aina.
その魂を墓から引き返し、彼に命の光を見させられる。
31 Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mangìna kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny.
ヨブよ、耳を傾けてわたしに聞け、黙せよ、わたしは語ろう。
32 Raha manan-kavaly ianao, dia mamalia ahy ihany; Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho;
あなたがもし言うべきことがあるなら、わたしに答えよ、語れ、わたしはあなたを正しい者にしようと望むからだ。
33 Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangìna tsara, fa hampianariko fahendrena ianao.
もし語ることがないなら、わたしに聞け、黙せよ、わたしはあなたに知恵を教えよう」。

< Joba 33 >