< Joba 33 >
1 Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra.
“Koma tsopano, inu abambo Yobu chonde mverani mawu anga; mutcherere khutu zonse zimene ndinene.
2 Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako.
Tsopano ndiyamba kuyankhula; mawu anga ali pa msonga ya lilime langa.
3 Ny hitsim-poko no hiseho amin’ ny teniko; Ary ny fahalalan’ ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka.
Mawu anga akuchokera mu mtima wolungama; pakamwa panga pakuyankhula zoonadi zimene ndikuzidziwa.
4 Ny Fanahin’ Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain’ ny Tsitoha no mamelona ahy.
Mzimu wa Mulungu wandiwumba, mpweya wa Wamphamvuzonse umandipatsa moyo.
5 Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara.
Mundiyankhe ngati mungathe; konzekani tsopano kuti munditsutse.
6 Indro, izaho koa mba an’ Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin’ ny tanimanga.
Ine ndili monga inu pamaso pa Mulungu; nanenso ndinachokera ku dothi.
7 Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao.
Musachite mantha ndipo musandiope ayi, Ine sindikupanikizani kwambiri ayi.
8 Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon’ ny teninao hoe:
“Koma inu mwayankhula ine ndikumva, ndamva mawu anuwo onena kuti,
9 Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka;
‘Ndine wolungama mtima ndi wopanda tchimo; ndine woyera mtima ndipo ndilibe cholakwa.
10 He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho;
Komatu Mulungu wapeza zifukwa zoti anditsutsire nazo; Iye akundiyesa ngati mdani wake.
11 Mampiditra ny tongotro eo amin’ ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra.
Iyeyo wamanga mapazi anga mʼzigologolo, akulonda mayendedwe anga onse.’
12 He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon’ ny zanak’ olombelona.
“Koma ine ndi kuti kwa inu, inuyo simukukhoza pa zimenezi, pakuti Mulungu ndi wamkulu kupambana munthu.
13 Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin’ ny ataony?
Chifukwa chiyani mukudandaula kwa Iye kuti sayankha mawu ena aliwonse a munthu?
14 Kanefa misy fanao iray itenenan’ Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman’ ny olona izany,
Pajatu Mulungu amayankhula mwa njira zosiyanasiyana, ngakhale munthu sazindikira zimenezi.
15 Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin’ ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana,
Mʼmaloto, mʼmasomphenya usiku, pamene anthu ali mʼtulo tofa nato pamene akungosinza chabe pa bedi,
16 Dia manokatra ny sofin’ ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy,
amawanongʼoneza mʼmakutu ndi kuwaopseza ndi machenjezo ake,
17 Mba hampiala ny olona amin’ ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana.
kumuchotsa munthu ku zoyipa, ndi kuthetseratu kunyada kwake,
18 Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan’ ny fiadiana.
kumulanditsa munthu ku manda, kuti moyo wake usawonongeke ndi lupanga.
19 Anarina amin’ ny fanaintainana eo am-pandriany koa izy sy amin’ ny fikotrankotran’ ny taolany lalandava;
“Mwina Mulungu amalanga munthu ndi matenda ndi ululu ali pa bedi pake, nthawiyo thupi lake lonse limangophwanya,
20 Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian’ ny fanahiny.
kuti asakhalenso ndi chilakolako cha chakudya, ndipo amanyansidwa ndi chakudya chabwino chomwe.
21 Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo;
Thupi lake limawonda ndipo mafupa ake, omwe anali obisika, tsopano amaonekera poyera.
22 Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina.
Munthuyo amayandikira ku manda, moyo wake umayandikira kwa amene amabweretsa imfa.
23 Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin’ ny arivo, hanoro izay tokony halehan’ ny olona,
“Koma patakhala mngelo ngati mthandizi, mmodzi mwa ambirimbiri oterewa, adzafotokoza zimene zili zoyenera,
24 Ary hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho,
kudzamukomera mtima ndi kunena kuti, ‘Mupulumutseni kuti asapite ku manda; ine ndapeza cholowa mʼmalo mwa moyo wake,’
25 Dia ho tsara noho ny an’ ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin’ ny andro nahatanorany izy;
pamenepo thupi lake lidzasanduka lasee ngati la mwana; ndipo adzabwezeretsedwanso kukhala ngati mʼmasiku a unyamata wake.
26 Hivavaka amin’ Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin’ ny hafaliana, fa hampodiny amin’ ny zanak’ olombelona ny fahamarinany.
Akapemphera kwa Mulungu, iyeyo adzalandiridwa. Mulungu adzamulandira mwa chimwemwe ndipo adzamubwezeretsa pamalo ake oyamba.
27 Dia hihira izy hilaza amin’ ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko;
Ndipo adzabwera kwa anzake ndi kunena kuti, ‘Ndinachimwa ndipo sindinachite zolungama, koma sindinalangidwe koyenerana ndi kuchimwa kwanga.
28 Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin’ ny fahitana ny mazava.
Iye anapulumutsa moyo wanga kuti usapite ku manda, ndipo ndidzakhala ndi moyo ndi kuonanso kuwala kwa dzuwa.’
29 Indro, izany rehetra izany no ataon’ Andriamanitra indroa amin’ ny olona, eny, intelo aza,
“Mulungu amachita zonsezi kwa munthu kawirikawiri,
30 Mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka, mba hihazavany amin’ ny fahazavan’ aina.
kupulumutsa moyo wa munthuyo ku manda, kuti athe kuonanso kuwala kwa moyo.
31 Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mangìna kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny.
“Abambo Yobu, tcherani khutu ndipo mundimvere; khalani chete kuti ndiyankhule.
32 Raha manan-kavaly ianao, dia mamalia ahy ihany; Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho;
Ngati muli nʼchoti munene, ndiyankheni; yankhulani, pakuti ine ndikufuna mupezeke wolungama.
33 Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangìna tsara, fa hampianariko fahendrena ianao.
Koma ngati sichoncho, mundimvere; khalani chete ndipo ine ndidzakuphunzitsani nzeru.”